Ny Fiheveran’ny Baiboly
Tokony Handeha Hiangona ve ny Kristianina?
“MPIANGONA foana aho taloha, fa tsy mandeha intsony aho izao.” “Afaka manompo an’Andriamanitra foana ange ianao na aiza na aiza e, fa tsy hoe any am-piangonana ihany akory!” “Mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly aho, fa tsy ilaina kosa, amiko, ny mandeha miangona.” Efa nahare teny toy izany ve ianao? Mihabetsaka ankehitriny ny olona miteny toy izany, indrindra fa any amin’ny tany tandrefana. Olona maro mpiangona taloha no mihevitra ankehitriny fa tsy ilaina intsony ny miangona. Inona anefa no lazain’ny Baiboly momba ny fandehanana miangona?
Miseho in-300 mahery ny teny hoe ‘fiangonana’, ao amin’ny Baiboly protestanta malagasy. Misy fandikan-teny hafa mampiasa an’io teny io koa. Midika ara-bakiteny hoe “fiantsoana”, na famoriam-bahoaka, ny teny grika nadika hoe “fiangonana”. Ny Asan’ny Apostoly 7:38, ohatra, dia miresaka an’i Mosesy ho “teo amin’ny fiangonana tany an-efitra”, izany hoe teo anivon’ny firenen’ny Isiraely tafavory. Milaza koa, ohatra, ny Soratra Masina fa “nisy fanenjehana mafy tamin’ny fiangonana”, izany hoe teo amin’ireo Kristianina tao Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 8:1). Ao amin’ny iray amin’ireo taratasin’i Paoly, dia niarahaba ‘ny fiangonana tao an-tranon[’i Filemona]’ izy, niarahaba an’ilay antokon’olona mpivavaka teo an-toerana, izay nivory tao. — Filemona 2.
Mazava àry fa antokon’olona mpivavaka, fa tsy toerana ivavahana, no tiany holazaina amin’ny hoe “fiangonana”, araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly. Nanaiky izany i Clément avy any Aleksandria, mpampianatra ara-pivavahana tamin’ny taonjato faharoa, ka nanoratra toy izao: “Tsy ilay toerana, fa ilay antokon’olona mpivavaka voaforon’ny olom-boafidy, no antsoiko hoe Fiangonana.” Tsy maintsy ao amin’ny toerana na trano voafaritra iray ve anefa ny Kristianina vao azon’Andriamanitra ekena ny fanompoam-pivavahany?
Fanompoam-pivavahana teo amin’ny firenen’ny Isiraely
Notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny hahatongavan’ny lehilahy jiosy rehetra tany amin’ny toerana voafaritra iray mba hankalaza andro firavoravoana telo fanao isan-taona. Nisy vehivavy sy ankizy maro koa tonga nanatrika. (Deoteronomia 16:16; Lioka 2:41-44). Nampianatra ny vahoaka tafavory ny mpisorona sy ny Levita tamin’ny fotoana sasany, tamin’ny famakiana ny Lalàn’Andriamanitra. ‘Nanazava tsara ny hevitr’izy io sy nanao izay hahazoan’ny olona tsara ny teny novakina’ izy ireo. (Nehemia 8:8). Izao no toromarik’Andriamanitra momba ny taona sabata: “Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.” — Deoteronomia 31:12.
Tany amin’ny tempoly tao Jerosalema ihany no nahafahan’ny olona nanolotra fanatitra ho an’Andriamanitra sy nahazoany fampianarana avy tamin’ny mpisorona. (Deoteronomia 12:5-7; 2 Tantara 7:12). Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy trano hafa naorina hanaovana fanompoam-pivavahana teo amin’ny Isiraely, dia ny synagoga. Toerana natao hamakiana ny Soratra Masina sy hivavahana izy ireny. Na izany aza anefa, dia ny tempoly tao Jerosalema no toerana lehibe indrindra nanaovana fanompoam-pivavahana. Hita mazava avy amin’ny fitantaran’i Lioka, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, izany. Resahiny ao ny amin’i Ana, vehivavy zokiolona iray, izay “tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly (...), fa nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina”. (Lioka 2:36, 37). Nifantoka tamin’ny fanompoam-pivavahana marina niaraka tamin’ny olon-kafa be fandavan-tena, ny fiainan’i Ana. Nisy Jiosy hafa natahotra an’Andriamanitra nanaraka izany lalana izany.
Fanompoam-pivavahana marina taorian’ny nahafatesan’i Kristy
Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia tsy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy intsony ireo mpanara-dia azy, ary tsy notakina tamin’izy ireo intsony koa ny hanolorana fanompoam-pivavahana tany amin’ny tempoly. (Galatiana 3:23-25). Na izany aza anefa, dia mbola niara-nivory hatrany izy ireo mba hivavaka sy hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Tsy nanana trano nirenty izy ireo, fa nampiasa kosa tranon’olona sy toerana fampiasan’ny besinimaro. (Asan’ny Apostoly 2:1, 2; 12:12; 19:9; Romana 16:4, 5). Tsotra ireny fivoriana kristianina tamin’ny taonjato voalohany ireny, satria tsy mba nisy fombafomba sy renty!
Namirapiratra toy ny diamondra ireo foto-pitsipika ara-baiboly nampianarina tany amin’ireny fivoriana ireny, teo anivon’ny haizina ara-pitondran-tena teo amin’ny tontolo romanina. Tsy maintsy niaiky volana ny tsy mpino sasany sambany vao nanatrika ireny fivoriana ireny, ka vaky vava hoe: “Ao aminareo marina tokoa [Andriamanitra].” (1 Korintiana 14:24, 25). Eny, tena teo amin’izy ireo marina tokoa Andriamanitra. “Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan-andro.” — Asan’ny Apostoly 16:5.
Nety ho nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ve ny Kristianina tamin’izany andro izany, raha nanolotra fanompoam-pivavahana araka izay fombany manokana na tany amin’ny tempolin’ny mpanompo sampy? Manome toromarika mazava momba izany ny Baiboly. Ny mpivavaka azo ekena dia tsy maintsy anisan’ilay hany fivavahana marina, izay toy ny ‘tena iray’ voaforon’ny mpivavaka marina. Tsy iza izany fa ireo mpianatr’i Jesosy, fantatra hoe Kristianina. — Efesiana 4:4, 5; Asan’ny Apostoly 11:26.
Ahoana ny amin’izao andro izao?
Tsy mampirisika antsika hivavaka any am-piangonana ny Baiboly, fa mampirisika antsika kosa hiaraka amin’ny fiangonana, dia “ny fiangonan’Andriamanitra velona”, izany hoe ilay vahoaka “mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (1 Timoty 3:15; Jaona 4:24). Tokony hampianatra ny olona “ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”, ny fivoriana ara-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra. (2 Petera 3:11). Tokony hanampy ny mpanatrika ho tonga Kristianina matotra “mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy”, ireny fivoriana ireny. — Hebreo 5:14.
Milofo mafy hanaraka ilay modely napetrak’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 91 400 maneran-tany. Mivory tsy tapaka mba hianatra ny Baiboly sy hifampahery, any amin’ny Efitrano Fanjakana, sy any an-tranon’olona, na any an-toeran-kafa, izy ireo. Mifanaraka amin’ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto izany: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona.” — Hebreo 10:24, 25.