Faly Noho ny Fivavahany ny Zatovo Iray
NASAIN’NY mpampianatra nanao famelabelarana momba ny kolontsaina nolovany i Andrew, 13 taona. Hoy izy: “Saika hiresaka momba ny dadabeko aho tamin’ny voalohany. Nieritreritra kely anefa aho hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah ange aho e! Tena afaka hiresaka momba ny finoako aho amin’io!’
‘Miorena Mafy’ no nataoko loha hevitr’ilay famelabelarana. Nanao sary lehibe nampiseho ny fanenjehana mafy dia mafy nihatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Nazia koa aho. Nampiseho akanjo nisy telozoro volomparasy toy ny an’ireo voafonja aho ary sary sy taratasy samihafa avy tamin’ny fianakaviana Kusserow.a Nataoko kopia sy nozaraiko tamin’ny mpihaino koa ny taratasy nalefan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny fitondram-panjakana alemà. Tsy nisy resaka politika ilay izy fa nanakiana mafy kosa ny tsy rariny natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalefa nandritra ilay famelabelarana, ilay vidéo hoe Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia (frantsay). Nampiseho Baiboly sy bokikely ary trakta koa aho.
Natao tao amin’ny kianja mitafo ilay famelabelaranay, ka ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra aloha no nijery. Nasaina indray ny havana aman-tsakaizan’ireo mpianatra ny ampitso harivan’iny. Betsaka no tsy nahalala mihitsy hoe nenjehin’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah ka nametraka fanontaniana tamiko.”
Niaiky i Andrew fa nila herim-po ny niresaka momba ny finoany. Hoy izy: “Fantatro fa hisy haneso ahy, kanefa ho nanenina mafy aho raha tsy nanao izany. Olona namoy ny ainy noho ny finoany an’i Jehovah no tena noresahiko tao amin’ilay famelabelarana. Koa noheveriko fa ny kely mba azoko natao dia ny niaritra fanakianana.”
Faly i Andrew tamin’ny farany satria nanararaotra nitory. Hoy izy: “Niresaka tamin’ny olona maro momba ny antony tsy handehanantsika hiady aho, ary nahapetraka Baiboly sy boky ary trakta tamin’ireo liana.” Hoy koa izy: “Mbola tsy faly ohatra izany mihitsy aho satria hoe Vavolombelon’i Jehovah.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Telozoro volomparasy no marika nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toby. Vavolombelon’i Jehovah ry Kusserow, ary tsy nivadika tamin’ny finoany nandritra ny fitondrana nazia. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1985, pejy faha-10-15.