Ny Fiheveran’ny Baiboly
Fialam-boly toy ny Rehetra ve ny Boky sy Sary Mamoafady?
GAGA tanteraka ireo arkeology rehefa nahita ny tao amin’ireo sisa tsy rava tamin’ny tanànan’i Pompéi, tamin’ny taona 1850 tany ho any. Feno sary hoso-doko sy sokitra mampiseho olona miboridana na manao firaisana, tamin’ireo sarivongana sy sary samihafa. Notahirizin’ny manam-pahefana tany amin’ny tranombakoka miafina ireny sary ireny, satria tena nanafintohina loatra. Namorona teny vaovao mihitsy izy ireo mba hiantsoana ireo sary ireo. Nalaina avy tamin’ny teny grika midika hoe “fanoratana zavatra momba ny mpivaro-tena” izany teny izany. Mbola misy karazan-javatra toy izany ankehitriny, dia ireo boky, sary, sarivongana, sinema, sns., mampiseho fanaovana firaisana, ka natao hanairana ny filan’ny nofo.
Feno boky sy sary mamoafady ankehitriny, ary toa eken’ny fiaraha-monina maoderina izany. Tany amin’ny sinema tsy dia tsara, na tanàna malaza ratsy ihany no nisy azy ireny taloha, saingy efa fahita amin’ny toerana maro izany ankehitriny. Maherin’ny iray alina tapitrisa dolara isan-taona ny vola ampidirin’ny boky sy sary mamoafady, any Etazonia fotsiny!
Misy olona tia boky sy sary mampiseho firaisana milaza fa manampy mba hamelomana fanambadiana matimaty izany. Hoy ny mpanoratra iray: “Manaitra ny fisainana izy io, ary mampianatra ny fomba hahazoana fahafinaretana amin’ny firaisana.” Misy koa milaza fa ahafahana mampiseho tsotra sy mivantana ny zavatra momba ny firaisana izy io. “Mahasoa ny vehivavy ny boky sy sary mampiseho firaisana”, hoy i Wendy McElroy, mpanoratra.
Tsy ny rehetra anefa no manaiky izany. Matetika no voatondro ho antony miteraka zava-mitranga na fihetsika ratsy ny boky sy sary mamoafady. Misy milaza fa ireny no mahatonga ny fanerena hanao firaisana sy herisetra hafa ampiharina amin’ny vehivavy sy ankizy. Niaiky i Ted Bundy, efa namono olona maro be, fa “tena tiany ny sary misy herisetra mifandray amin’ny firaisana.” Hoy izy: “Tsy tsapan’ilay olona avy hatrany io faniriana io, na tsy heverina ho olana lehibe. ... Mitarika tsikelikely ho amin’ny raharaha momba ny firaisana misy herisetra anefa io faniriana io. Antitranteriko fa mitombo tsikelikely izy io. Tsy mipoitra vetivety io faniriana io.”
Betsaka ny adihevitra tsy misy farany sy ny boky sy sary vetaveta ankehitriny, ka mety hanontany tena ianao hoe: ‘Misy tari-dalana omen’ny Baiboly momba io raharaha io ve?’
Miresaka mivantana momba ny firaisana ny Baiboly
Resahina tsotra sy tsy toy ny zavatra mahamenatra mihitsy ny raharaha momba ny firaisana, ao amin’ny Baiboly. (Deoteronomia 24:5; 1 Korintiana 7:3, 4) “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao”, hoy ny torohevitr’i Solomona, ary “aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva.” (Ohabolana 5:18, 19) Misy torohevitra mazava momba ny firaisana ao, ka anisan’izany ny faritra tokony hankafizana azy io. Raran’ny Baiboly ny fanaovan’ny olona tsy mpivady firaisana. Rarany koa ny firaisana mamoafady rehetra.—Levitikosy 18:22, 23; 1 Korintiana 6:9; Galatiana 5:19.
Mbola tokony hisy fifehezan-tena sy fifanajana koa, na dia ao anatin’ny faritry ny fanambadiana aza. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana.” (Hebreo 13:4) Mifanohitra tanteraka amin’ny zava-kendren’ny boky sy sary mamoafady izany.
Manimba ny firaisana ny boky sy sary mamoafady
Fomba tsara sy manokana ifanehoan’ny mpivady fitiavana ny fanaovana firaisana, nefa manambany sy manimba izany ny boky sy sary mamoafady. Asehony ho toy ny manaitaitra sy faniry ny firaisana atao araka izay itiavana azy sy mamoafady. Asehony fa tsara ny manome fahafaham-po ny tena, na dia zara raha jerena, na tsy jerena mihitsy aza, ny fihetseham-pon’ny andaniny.
Asehony ho toy ny zavatra natao hahazoana fahafinaretana fotsiny ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy. Hoy ny tatitra iray: “Ny faritra amin’ny vatana no andrefesana ny hatsaran-tarehy, ka nofinofy fotsiny no tena antenaina.” Izao no famaranan’ny tatitra iray hafa: “Aseho ho toy ny olona tsy manana anarana sy maniry hanao firaisana foana ny vehivavy, ary toy ny kilalao anaovan’ny lehilahy firaisana. Miboridana sy mampiseho ny vatany izy mba hahazoana vola sy hatao fialam-boly. Tsy azo inoana ho mifanaraka amin’ilay tanjona hoe fitoviana sy fahamendrehana mihitsy izany.”
Tsy mba toy izany ny fitiavana, hoy ny apostoly Paoly, satria ny fitiavana dia “tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy”, na tsy tia tena. (1 Korintiana 13:5) Mampirisika ny lehilahy ny Baiboly, mba “ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany”, ka ‘hanaja azy’, fa tsy hihevitra azy ho toy ny fitaovana hanaovana firaisana. (Efesiana 5:28; 1 Petera 3:7) Manao izay mahamendrika tokoa ve ny olona (na lehilahy na vehivavy) mijery tsy tapaka sary mampiseho olon-kafa miboridana, na manao firaisana? Manaja koa ve ny olona toy izany? Mahatonga ny olona tsy hihevitra afa-tsy ny tenany ny boky sy sary mamoafady, fa tsy mahatonga azy hanam-pitiavana.
Misy lafin-javatra hafa koa. Tsy ho ela dia hanjary zavatra mahazatra fotsiny, toy ny zavatra manaitaitra rehetra, ilay zavatra nanaitra ny filana, tamin’ny voalohany. “Mitady sary miharihary kokoa sy mamoafady kokoa [ireo mpijery boky sy sary mamoafady], rehefa mandeha ny fotoana”, hoy ny mpanoratra iray. “Mety hotarihiny hanao firaisana amin’ny fomba hafahafa hatrany ilay manao firaisana aminy . . ., ka manjary tsy afaka maneho tena fitiavana intsony izy.” Fialam-boly toy ny rehetra ve izany? Mbola misy antony lehibe tokony hanalavirana ny boky sy sary mamoafady koa anefa.
Ny Baiboly sy ny filan-dratsin’ny nofo
Maro ankehitriny no mihevitra fa tsy misy maha ratsy ny mijery zavatra manaitaitra filan’ny nofo, ary tsy mampidi-doza izany. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly, fa hazavainy tsara kosa fa mifandray ny zavatra ampidirintsika ao an-tsaina sy ny zavatra ataontsika. Izao no nolazain’i Jakoba mpianatra: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota.” (Jakoba 1:14, 15) Hoy i Jesosy: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.”—Matio 5:28.
Asehon’ireo tenin’i Jakoba sy Jesosy ireo fa irin’ny olona ilay zavatra matoa tanterahiny. Manjary tsy azo toherina intsony ireny faniriana ireny rehefa kolokoloina eo foana. Sarotra ny manohitra izany, ka manjary manosika an’ilay olona hanao zavatra. Misy akony lehibe amin’ny zavatra ataontsika àry ny zavatra ampidirintsika ao an-tsaintsika.
Mety hanelingelina ny fivavahantsika amin’Andriamanitra ny nofinofy momba ny firaisana. Izany no antony nilazan’i Paoly hoe: “Vonoy ny momba ny tenanareo . . . dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.”—Kolosiana 3:5.
Ampifandraisin’i Paoly amin’ny faniriana hanao firaisana ny fieremana, izany hoe ny faniriana tafahoatra hanana zavatra tsy ananan’ny tena.a Anisan’ny fanompoan-tsampy izany. Nahoana? Satria ilay faniriany no ataon’ilay olona ho ambonin’ny zavatra rehetra, anisan’izany Andriamanitra. Manaitra faniriana hanana zavatra tsy ananana ny boky sy sary mamoafady. Hoy ny mpanoratra iray: “Firaisana ataon’olon-kafa no irinao. . . . Tsy misy tonga ao an-tsainao afa-tsy ny faniriana an’io zavatra tsy anananao io. . . . Ivavahantsika mihitsy ilay fanirian-dratsin’ny nofontsika.”
Manimba fitondran-tena ny boky sy sary mamoafady
Izao no fampirisihan’ny Baiboly: “Na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy . . . dia hevero izany.” (Filipiana 4:8) Tsy manaraka ny torohevitr’i Paoly izay mijery sy mameno ny sainy amin’ny boky sy sary mamoafady. Tsy madio izy ireny, satria tsy menatra mampiharihary ny zavatra miafina sy manokana indrindra. Tsy mahatehotia koa izy ireny, satria manambany olona. Ary tsy misy fitiavana, satria tsy maneho tena fitiavana sy fiahiana. Fitiavan-tena sy fanirian-dratsy fotsiny no asehony.
Manakantsakana sy manimba ny fiezahan’ny Kristianina ‘hankahala ny ratsy’ ny boky sy sary mamoafady, satria mampiseho fitondran-tena maloto sy tsy voafehy. (Amosa 5:15) Mampirisika ny hanotana izy ireny, ary mifanohitra tanteraka amin’ny fampirisihan’i Paoly ny Efesianina, manao hoe: “Ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana . . . na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao.”—Efesiana 5:3, 4.
Tena manimba ny boky sy sary mamoafady. Sady fanararaotana izy ireny no manimba fitondran-tena. Mety hanimba fifandraisana izy ireny, satria manova ny firaisana, izay fomba voajanahary fanehoana fitiavana, ho lasa fitadiavana fahafinaretana amin’ny alalan’ny fijerena boky sy sary mampiseho firaisana. Manapoizina ny saina sy ny fahasalamana ara-panahin’ilay olona mijery azy izany. Mahatonga ny olona ho tia tena sy hanana faniriana tsy voafehy izy ireny, ary mampianatra ny olona hihevitra ny olon-kafa ho zavatra tsy ilaina afa-tsy mba hanomezana fahafaham-po ny filan-dratsin’ny nofony. Manakana ny fiezahana hanao ny tsara sy hadio eritreritra izy ireny. Ny mbola lehibe koa aza, dia ny hoe mety hanakana, na hanimba ny fifandraisan’ilay olona amin’Andriamanitra izy ireny. (Efesiana 4:17-19) Loza tokony hohalavirina tokoa ny boky sy sary mamoafady.—Ohabolana 4:14, 15.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy ny faniriana ara-dalàna hanao firaisana, dia ny faniriana hanao firaisana amin’ny vadin’ny tena, no resahin’i Paoly eto.
[Sary, pejy 12]
Manimba ny fomba fiheverana ny olon-kafa ny boky sy sary mamoafady