Biby Mahafinaritra sa Mpamono Mahatsiravina?
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY POLONINA
NOTAFIHIN’NY alika masiaka ny mpihazakazaka iray ary nandeha ra be ka maty. Ny alikany ihany no namono ny ankizivavy kely iray. Maty nokaikerin’ny berger alemà teo imason’ny ray aman-dreniny ny ankizilahy sivy taona. Ireo dia vitsivitsy monja amin’ny loza avy amin’ny alika masiaka any Polonina.
Mba hisorohana ny loza toy izany dia misy manam-pahefana tsy mamela ny olona hiompy karazana alika sasany raha tsy mahazo taratasy fahazoan-dalana. I Barbara Zaleska, avy amin’ny Fikambanana Poloney Mikarakara ny Alika, dia manazava fa tokony hatao amin’ny anaran’ilay tompony ilay taratasy fa tsy amin’ny anaran’ilay alika, satria ‘miankina amin’ny fomba hitondran’ilay tompony ilay alika mpiandry tanàna no hahatonga azy hampidi-doza na ho naman’ny olona hatrany.’
Ofanina ho mpamono ny alika sasany indraindray. Mety hokapohin’ilay mpampiofana azy izy ary tsy homeny sakafo. “Zarina hamono” mihitsy koa aza izy, ka asaina manafika sy mandrovidrovitra sariolona, ohatra. Avy eo izy dia asaina manafika alika tsy matanjaka noho izy, izay azo antoka fa hovonoiny ho faty. Vonona hiady amin’ny alika hafa amin’izay izy rehefa vita ilay fampiofanana, ho fahafinaretan’ireo mpiloka sy mpijery lian-dra.
Lazain’ny Baiboly mazava tsara ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fampijaliana biby. Hoy izy: “Ny marina mitsimbina ny ain’ny bibiny; fa fahasiahana kosa no famindrampon’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 12:10) Tsy faly mampijaly biby ireo te hampifaly an’Andriamanitra. Faly isika satria tsy hisy intsony ny fampiofanana biby mba ho mpamono, noho ny fialam-boly na noho ny antony hafa, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.—Salamo 37:9-11.