Mihanaka Be ny SIDA atỳ Afrika
“Mahatsiravina be ny zava-misy atrehintsika.”
IZANY no tenin’Andriamatoa Stephen Lewis, iraka manokana manadihady momba ny VIH/SIDA atỳ Afrika. Voalaza amin’izany teniny izany ny zavatra tsapan’ny olona momba ny fihanaky ny SIDA ao Afrika atsimon’i Sahara.
Maro ny antony mahatonga ny virosy VIH hihanaka be. Vao mainka mampitombo olana hafa indray koa ny SIDA. Ireto tanisaina manaraka ireto matetika no anisan’ny mahatonga ny SIDA hihanaka be atỳ amin’ny tany afrikanina sy any an-tany hafa:
Fitondran-tena. Ny firaisana no tena mamindra ny VIH, ka mazava ho azy fa vao mainka miparitaka izy io raha ratsy fitondran-tena ny olona. Betsaka anefa no mihevitra fa tsy tokony horarana ny firaisan’ny olona tsy mpivady. Hoy i François Dufour, ao amin’ny Kintana (anglisy), gazetin’i Johannesburg: “Tsy handaitra ny fandrarana fotsiny ny tanora tsy hanao firaisana. Be dia be ny sary manaitaitra ny filan’ny nofo hitan’izy ireo isan’andro sy mampiseho aminy ny tokony ho paoziny sy fitondran-tenany.”
Toa manamarina izany ny fitondran-tenan’ny tanora. Nasehon’ny fanadihadiana natao tany amin’ny tany iray, ohatra, fa efa nanao firaisana ny ampahatelon’ny ankizy 12 ka hatramin’ny 17 taona.
Ilana vahaolana haingana eto Afrika Atsimo koa ny fametavetana vehivavy. Hoy ny lahatsoratra iray tao amin’ny Tera-tany (anglisy), gazetin’i Johannesburg: “Mihabetsaka [ny fametavetana] ka izy io no atahorana kokoa noho ny aretina, hamely ny vehivavy ary ny ankizy koa tato ho ato.” Milaza koa io lahatsoratra io hoe: “Nitombo avo roa heny ny isan’ny ankizy nisy nametaveta tato ho ato . . . Ny nahatonga izany dia ny finoana fa ho sitrana ny olona mitondra ny virosy VIH raha mametaveta ankizy virjiny.”
Aretina azo avy amin’ny firaisana. Be dia be ny olona voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, atỳ amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Milaza ny Gazety Ara-pitsaboan’i Afrika Atsimo (anglisy), fa ‘atahorana kokoa hifindran’ny VIH karazany voalohany ny olona voan’ny aretina hafa azo avy amin’ny firaisana.’
Fahantrana. Miady amin’ny fahantrana ny firenena maro eto Afrika, ary tena mahatonga ny SIDA hihanaka izany. Tsy misy any amin’ny ankamaroan’ny tany an-dalam-pandrosoana ny zavatra heverin’ny tany mandroso fa ilaina andavanandro. Betsaka ny faritra tsy misy jiro sy rano fisotro madio. Ratsy na tsy misy lalana mihitsy any ambanivohitra. Betsaka ny olona tsy ampy sakafo ary vitsy sady tsizarizary ny toeram-pitsaboana.
Misy fiantraikany eo amin’ny fandraharahana sy ny indostria koa ny SIDA. Mihabetsaka ny mpiasa voan’izy io, ka mihena ny vokatra azon’ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany. Misy orinasa mieritreritra hampiasa milina maro kokoa hanao ny asa, ho solon’ireo mpiasa marary. Nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ny mpiasa voan’ny SIDA tao amin’ny orinasa iray mpitrandraka platinina, tamin’ny taona 2000, ary voa koa izao ny ampahefany mahery amin’ny mpiasa.
Zavatra mampalahelo vokatry ny SIDA ny fitomboan’ny isan’ny zaza kamboty, rehefa matin’ny SIDA ny ray aman-dreniny. Sady kamboty ireny ankizy ireny no mahantra, nefa koa tsy maintsy mizaka ny henatra vokatry ny SIDA. Mahantra koa matetika ny havana na ny mpiara-monina ka tsy afaka manampy azy ireo, na tsy te hanampy fotsiny. Voatery tsy mianatra intsony ny maro amin’ireo ankizy kamboty. Ny sasany lasa mivaro-tena ka mihabetsaka ihany ny voan’ny SIDA. Maro ny tany manorina fikambanana ara-panjakana na tsy miankina, mba hanampiana ireny zaza kamboty ireny.
Tsy fahalalana. Betsaka ny olona tsy mahalala akory hoe mitondra ny virosy VIH izy. Betsaka koa no tsy te hamantatra izany satria mahamenatra ilay aretina. Hoy ny filazana an-gazety navoakan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Miady Amin’ny VIH/SIDA (ONUSIDA): “Ny olona mitondra ny virosy VIH na ahiahina ho mitondra azy io, dia mety tsy horaisina any amin’ireo toeram-pitsaboana, tsy homen’ny olona trano sy asa, handosiran’ny namana sy ny mpiara-miasa, tsy heken’ny fikambanam-piantohana, na tsy havela hiditra any an-tany hafa.” Ny sasany aza nisy namono mihitsy raha vao fantatra hoe nitondra an’io virosy io.
Kolontsaina. Araka ny kolontsaina afrikanina maro, dia tsy mahazo miteny ny vehivavy na dia miaraka amin’olon-kafa aza ny vadiny. Tsy mahazo mandà tsy hanao firaisana koa izy, ary tsy mahazo manome soso-kevitra momba izay azo atao mba tsy hahazoana aretina avy amin’ny firaisana. Hita amin’ny zavatra inoan’ny olona koa matetika fa tsy fantatr’izy ireo na tsy inoany ny tena marina momba ny SIDA. Misy milaza, ohatra, fa famosaviana no nahatonga ilay aretina, ka mitady fanafody any amin’ny mpimasy izy.
Toeram-pitsaboana tsizarizary. Efa vitsy ireo toeram-pitsaboana, nefa vao mainka feno hipoka izy ireny rehefa nisy ny SIDA. Milaza ny hopitaly lehibe roa fa mitondra ny virosy VIH ny antsasany mahery amin’ireo marary ao amin’izy ireo. Milaza ny tompon’andraikitry ny hopitaly iray any KwaZulu-Natal, fa betsaka loatra ny marary ao amin’ny sampana iandraiketany. Tsy maintsy miray fandriana, indraindray, ny marary roa ary matory amin’ny tany ny fanintelony!—Gazety Ara-pitsaboan’i Afrika Atsimo.
Mampihoron-koditra ny zava-misy atỳ Afrika, nefa mety mbola hiharatsy kokoa izany. “Vao manomboka mihanaka anefa ilay areti-mifindra”, hoy i Peter Piot, avy ao amin’ny ONUSIDA.
Tsy takona afenina ny ezaka atao hiadiana amin’io aretina io any amin’ny tany maro. Vao voalohany no nanao konferansa manokana momba ny VIH/SIDA ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, tamin’ny Jona 2001. Hisy vokany ve ny ezaky ny olombelona? Rahoviana no hifarana ny fandripahan’ny SIDA?
[Efajoro/Sary, pejy 5]
NY NÉVIRAPINE SY NY OLAN’I AFRIKA ATSIMO
Inona moa ny névirapine? “Fanafody miady amin’ireo antsoina hoe virosy mivadika” izy io, hoy ilay mpanao gazety atao hoe Nicole Itano. “Hita tamin’ny andrana natao fa mety ho voaron’izy io tsy hifindran’ny SIDA [avy amin’ny reniny] ny antsasak’ireo zazakely any am-bohoka.” Vonona hanome maimaim-poana an’io fanafody io ho an’i Afrika Atsimo mandritra ny dimy taona, ny orinasa alemà mpanamboatra fanafody. Nolavin’ny fanjakana afrikanina tatsimo anefa izany fanampiana izany, tamin’ny Aogositra 2001. Fa inona ny olana?
Efa 4,7 tapitrisa no mitondra ny virosy VIH eto Afrika Atsimo, ary izany no betsaka indrindra eran-tany. Resahin’ny gazety Toe-karena (anglisy), any Londres anefa fa ‘tsy inoan’i Thabo Mbeki, filoham-pirenen’i Afrika Atsimo, hoe mahatonga ny SIDA ny VIH.’ Lazain’io gazety io ihany, fa “mihevitra koa izy hoe mandany vola sady mety hampidi-doza ary tsy ilaina ny fanafodin’ny SIDA. Tsy nandrara ny ampiasana azy ireny io filoham-pirenena io, nefa tsy nampirisika ny dokotera hampiasa azy ireny koa izy.” Nahoana izany no tena mampahatahotra? Satria zazakely an’arivo isan-taona eto Afrika Atsimo no mitondra an’io virosy io hatrany an-kibon-dreniny, ary mitondra azy io koa ny ampahefatry ny vehivavy bevohoka.
Nentina tany amin’ny fitsarana ilay raharaha, mba hanerena ny fanjakana hizara ny fanafody névirapine. Namoaka didy àry ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenan’i Afrika Atsimo, tamin’ny Aprily 2002. Izao no nolazain’i Ravi Nessman momba izany, tao amin’ny Gazetin’i Washington (anglisy): “Tsy maintsy ataon’ny fanjakana izay hisian’ilay fanafody, any amin’ny toeram-pitsaboana afaka manome azy io.” Toeram-pitsaboana 18 eto Afrika Atsimo no omen’ny fanjakana an’io fanafody io hanaovana fanandramana, ka velom-panantenana noho io lalàna vaovao io ireo vehivavy bevohoka mitondra ny virosy VIH eto amin’ny firenena.
[Efajoro/Sary, pejy 6]
MAMANDRIKA NY SELA ILAY VIROSY FETSY
Diniho kely ny momba ilay virosy bitika kely (VIH) mamono ny hery fanefitra ao amin’ny vatana. Hoy ny mpikaroka iray: “Nodinihiko tamin’ny mikraoskaopy nandritra ny taona maro be ny virosy. Mbola gaga sy talanjona foana anefa aho, fa tena maty paika sy saro-takarina ny fomba fiasan’io zavatra tena bitika kely io.”
Bitika tokoa ny sela ao amin’ny tenan’ny olombelona, kanefa mbola bitika lavitra noho ireny ny virosy. Milaza ny boky iray fa tena bitika tokoa ny virosy VIH, ka “230 tapitrisa [amin’izy io] vao mitovy habe amin’ilay teboka amin’ny faran’ity fehezanteny ity.” Tsy afaka mitombo isa ny virosy raha tsy miditra ao anaty sela sy mampiasa ny zavatra ao.
Matanjaka be ny hery fanefitra ao amin’ny vatana ka tsy maintsy miady amin’izany ny VIH rehefa tafiditra ao amin’ny vatan’ny olona.a Mamokatra liofotsy misy ny hery fiarovana ny tsoka amin’ny taolana. Misy ny liofotsy antsoina hoe sela mpiaro, ary ao amin’izy io no misy ireo antsoina hoe sela T sy sela B. Misy koa ny liofotsy antsoina hoe “mpihinana sela.”
Misy karazany ny sela T ary samy manana ny asany izy ireo. Misy aloha ireo antsoina hoe sela T mpanampy izay tena miasa be amin’ilay tetikady. Izy ireo mantsy no mamantatra ny mikraoba tafiditra ao amin’ny vatana sy manome baiko hamokarana sela hanafika sy hamono ireo fahavalo. Ireny sela T mpanampy ireny no tena kendren’ny VIH. Misy koa ny antsoina hoe sela T mpamono, izay mamono ny sela efa nidiran’ny mikraoba. Ny sela B indray kosa no mpamokatra hery fiarovana izay manampy hiadiana amin’ny aretina.
Tetikady mamitaka
Anisan’ireo antsoina hoe virosy mivadika ny VIH. Tsy ao amin’ny ADN toy ny mahazatra mantsy no misy an’ireo rafitra maha izy azy, fa ao amin’ny ARN kosa. Anisan’ireo virosy mikiky miadana izy io satria mety tsy ho hita mihitsy raha tsy efa misy soritr’aretina be miseho.
Rehefa tafiditra ao anaty sela ny VIH, dia afaka mampiasa ny zavatra ao izy mba hahavitana izay tiany hatao. Amboariny ny ADN an’ilay sela mba hamokatra VIH be dia be. Tsy afaka manao an’izany anefa izy raha tsy ovany ho ADN aloha ny ARN ao aminy, mba ho fantatr’ireo zavatra ao amin’ilay sela misy azy. Mampiasa anzima manokana izy mba hanaovana izany fanovana izany. Maty ilay sela nidirany amin’ny farany, rehefa avy namokatra VIH vaovao an’arivo. Miditra any amin’ny sela hafa indray ireo VIH vaovao ireo.
Tsy matahotra ny hisy hanafika intsony ireo virosy manenika ny vatana, rehefa lasa vitsy kely ny sela T mpanampy. Tsy mahatohitra aretina intsony àry ny vatana. Izay vao tena voan’ny SIDA ilay olona. Efa matin’ny VIH ny hery fanefitra rehetra tao amin’ny vatana.
Fanazavana notsorina ihany izany, fa mbola betsaka ny zavatra tsy fantatr’ireo mpikaroka momba ny hery fanefitra ao amin’ny vatana sy ny fiasan’ny VIH.
Nandany ron-doha sy nandany hery ny mpikaroka momba ny fitsaboana eran-tany, nandinika momba an’io virosy bitika kely io, nandritra ny 20 taona. Be koa ny vola lany tamin’izany. Betsaka àry ny zavatra efa fantatra momba ny VIH. Taona vitsivitsy lasa izay, dia nilaza toy izao ilay dokotera mpandidy atao hoe Sherwin Nuland: ‘Tena mahavariana ny habetsahan’ny zavatra fantatra momba an’ilay virosy mamono ny hery fanefitra ao amin’ny vatana. Mahavariana koa ny zava-bita teo amin’ny fikarohana fomba hisakanana azy io tsy handripaka olona be dia be.’
Mbola mandripaka olona maro be foana anefa ny SIDA.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 8 Febroary 2001, pejy 13-15.
[Sary]
Idiran’ny VIH ireo sela mpiaro ampiasain’ny hery fanefitra, ary amboariny mba hamokatra VIH
[Sary nahazoan-dalana]
CDC, Atlanta, Ga.
[Sary, pejy 7]
Misy tanora an’arivo manaraka tsara ny toro lalan’ny Baiboly