Tsy Miafina Aminao ny Endrika Kanton’ny Natiora
MARO amintsika no mahamarika ny hakanton’ny natiora rehefa mitsangantsangana eny ambanivohitra eny. Mety ho hita eny amin’ny voninkazo mitangorona izany, na vorona maro loko, na hazo midoroboka mahafinaritra, na toerana mahavariana. Maro no mino fa avy amin’ilay Mpamorona, na ilay Mpamolavola Mahay Indrindra ireny zavatra kanto ireny.
Mety hihevitra anefa ianao fa ny mpahay siansa ihany no afaka mahita ny tsipiriany madinika amin’ny endriky ny natiora. Tsy mila fitaovana ary fomba anefa ianao vao hahita ireo endrika kanton’ny natiora. Mila mandinika tsara fotsiny ianao, maka sary an-tsaina kely, ary mahay mankafy ny hakanto sy ny bikan’ny zavaboary. Mila mandinika akaiky kokoa ny zavatra toa nahazatra anao sy tsy noraharahainao firy angamba ianao.
Ny endrika miolikolika no anisan’ny tsotra indrindra. Hita amin’ireo zavatra nataon’olombelona, toy ny tady, na ny fisintonana bosoa, izy io. Tsara kokoa anefa ny endrika miolikolika eo amin’ny akorandriaka na ny voana kesika. Ho hitanao koa fa misy endrika miolikolika ny ivon’ny voninkazo tanamasoandro, raha dinihinao tsara. Mandravaka ny ivon’ny raozy sy tranon-kala koa ny endrika miolikolika, na dia tsy mora hita aza.
Diniho tsara ny tranon-kala. Mametraka kofehy maromaro ho fototry ny tranony aloha ilay hala, toy ireny tanan-kodiarana ireny. Manomboka mampifandray ireo kofehy ireo amin’ny kofehy madity vita amin’ny landy izy aorian’izay, ka eo ampovoany no anombohany azy. Sady mihodinkodina eo ilay hala no mandrary ny tranony, mandra-pahavitany azy. Ireo kofehy mihodinkodina hatrany ireo no manome ilay endrika miolikolika.
Endri-javatra manitikitika ny saina koa ireo maso kely. Eny amin’ny toerana tena tsy ampoizina no ahitana azy io. Anisan’izany, ohatra, ny volom-borona, na elatry ny lolo, na kiran-trondro mihitsy aza. Milaza ny mpahay siansa fa ny maso kely no manampy ny biby sasany hahita vady, hamitaka fahavalo, na hanilika izay mitady hisarika azy nefa tsy tiany. Ny vorombola angamba no malaza indrindra amin’ny fampiderana maso kely. Tena mahatalanjona ny fomba famelarany ny rambony mba hampiaiky izay vorombola vavy maha raiki-pitia azy. Nampiaiky volana an’i Aleksandra Lehibe ny hakanton’ny vorombola, ka nanizingizina izy fa tokony harovana io vorona io manerana ny fanjakany.
Fahita koa ny endrika boribory sy bola. Anisan’izany ny masoandro mody mivolombolamena sy ny diavolana mangoratsaka, izay mahavariana antsika foana. Maro koa ny voninkazo marigirity miendrika masoandro, mavomavo ny eo afovoany ary misy loko isan-karazany ny felany mivelatra. Misarika lolo io faritra boribory mivolombolamena sy feno mamimbony io, toy ny torapasika mivolombolamena misarika mpizaha tany avy hatrany.
Ny zavatra bola no mora amonosan-javatra indrindra, hany ka saika bola avokoa ny voankazo, fa samy hafa ny lokony sy ny habeny. Voasariky ny lokony marevaka ny vorona, izay manaparitaka ny voany, ho takalon’ilay sakafo natsiro.
Marina aloha fa santionany fotsiny amin’ireo endrika fahita eny amin’ny natiora ny endrika miolikolika, maso kely, boribory, ary bola. Manan-java-kendrena manokana ny sasany, ny hafa kosa natao handravaka na hiafenana. Na izany na tsy izany, dia tadiavo izy ireo ary ankafizo.
[Sary, pejy 26]