Manontany ny Tanora Hoe...
Inona no Hanampy Ahy Tsy Hijery Sary Vetaveta?
“Nifanakaiky ny fitoeran’entanay sy ny ankizilahy iray tany am-pianarana. Vao sokafana anefa ny varavaran’ny azy, dia sarina ankizivavy miboridana no mipetaka eo.”—Robert.a
“Nikaroka fanazavana tao amin’ny Internet aho, hanaovako famelabelarana any am-pianarana, kanjo sendra sary vetaveta.”—Antsa.
TAMIN’NY ray aman-dreninao nitovy taona taminao, dia tsy maintsy nikaroka ny olona vao nahita sary vetaveta. Tsy mila mikaroka anefa ianao ankehitriny, satria hita hatraiza hatraiza izy ireny. Toa an’i Robert, dia mety hahita tsy nahy sary vetaveta any amin’ny mpiara-mianatra aminao ianao. Mety ho sendra azy ireny ao amin’ny Internet, toa an’i Antsa koa ianao. Hoy ny tovovavy iray 19 taona: “Mipoitra tampoka avy any ny sary vetaveta, rehefa mampiasa Internet aho, mba hanaovana fikarohana na hividianana zavatra na hanamarinana kaontin’ny banky.”b
Tsy maningana mihitsy izany. Nilaza ny 90 isan-jato tamin’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 16 taona nadinadinina, fa efa nahita tsy nahy sary vetaveta tao amin’ny Internet izy ireo. Teo am-panaovana entimody mazàna no nitrangan’izany! Mora noho ny hatramin’izay tokoa ny mahita sary vetaveta, satria an-tapitrisany ny toerana ahitana azy ireny ao amin’ny Internet. Pejy an-jatony tapitrisa ao amin’izy io no mirakitra sary toy ireny. Azo jerena amin’ny alalan’ny finday koa aza izy ireny. Hoy i Denise, 16 taona: “Malaza be ilay izy any am-pianaranay. Isaky ny alatsinainy dia izao foana no resaka: ‘Inona indray no sary nampidirinao tao anaty telefaonina tamin’ny faran’ny herinandro?’ ”
Maro be ny olona mijery sary vetaveta. Mety hanontany àry ianao hoe: ‘Tena manimba ve izy io?’ Eny tokoa! Misy antony maromaro ilazana izany, fa ny telo amin’izany no hodinihintsika:
◼ Mampietry ny olona hita ao sy izay mijery azy, ireny sary ireny.—1 Tesalonianina 4:3-5.
◼ Adalana firaisana toy ireo fanahy ratsy tamin’ny andron’i Noa ny olona liana amin’ny sary vetaveta.—Genesisy 6:2; Joda 6, 7.
◼ Mitarika ny olona hanao firaisana maloto mazàna ny fijerena sary vetaveta.—Jakoba 1:14, 15.
Misy vokany mahatsiravina eo amin’ireo olona voafandriny ny sary vetaveta. Diniho fotsiny ireto ohatra roa ireto:
“Mbola kely mihitsy aho dia efa nijery sary vetaveta, ary tena sarotra tamiko ny niala tamin’izany. Taona maro izay no lasa, saingy mbola tsy voakosoka ao an-tsaiko ireny sary ireny. Toa tsy miala ao an-tsainao mihitsy izany, ary hoatran’ny hoe tsy mety madio mihitsy ny eritreritrao. Mahatonga anao hihevi-tena ho maloto sy tsy misy vidiny ny fijerena sary vetaveta. Manavesatra anao foana io olana miafina io.”—Erica.
“Nanandevo ahy nandritra ny folo taona ny fijerena sary vetaveta. Efa 14 taona izao no nahafahako tamin’izany, nefa mbola mila miady mafy aho isan’andro. Mbola ao amiko ihany ny faniriana hijery sary vetaveta. Mbola mijanona ao an-tsaiko ilay sary. Tahaka izay aho tsy nanomboka an’io fanao ratsy io. Toa tsy misy maha ratsy azy ilay izy amin’ny voalohany, nefa fantatro izao fa tsy izany mihitsy no izy. Manimba sady faran’izay ratsy ny fijerena sary vetaveta, ary mampietry ny olona nanao azy sy izay mijery azy. Tsy misy maha tsara azy ireny mihitsy, na inona na inona mety holazain’ireo mpankafy azy.”—Jery.
Aoka ianao handini-tena
Inona no azonao atao mba tsy hahitana sary vetaveta, na dia tsy fanahy iniana aza? Diniho aloha ny zava-misy.
Isaky ny inona ianao no sendra mahita azy ireny?
□ Tsy mahita mihitsy □ Tsindraindray
□ Isan-kerinandro □ Isan’andro
Aiza no tena ahitanao azy matetika?
□ Ao amin’ny Internet □ Any am-pianarana
□ Ao amin’ny tele □ Any an-toeran-kafa
Efa misy fomba fitrangan’ilay izy ve?
Diniho ireto ohatra ireto:
Mety ho efa mpandefa sary vetaveta amin’ny e-mail na finday ve ny ankizy sasany mpiara-mianatra aminao? Raha izany no izy, dia vonoy izay zavatra ampiarahiny amin’ny hafatra alefany, fa aza sokafana akory.
Efa nitranga taminao ve ny hoe nipoitra tampoka teo amin’ny ordinateranao ny hafatra na sary manasa anao hanokatra toerana hafa ao amin’ny Internet, rehefa nampiditra teny sasany teo amin’ny faritra fanaovana fikarohana ianao? Raha fantatrao fa mety hitranga izany, dia ataovy mazava kokoa ny teny ampidirinao eo.
Soraty eto izay nahatonga anao hahita sary vetaveta:
․․․․․․
Inona àry no azonao atao mba ho mahalana kokoa no ahitanao tsy nahy sary vetaveta? (Soraty eto ny hevitrao.)
․․․․․․
Inona no ataonao rehefa sendra mahita sary vetaveta ianao?
□ Tsy mijery aho sady akatoko avy hatrany ilay toerana nahitako azy.
□ Mijery vetivety aho satria te hahafanta-javatra.
□ Mijery maharitra aho, ary vao mainka mitady hafa koa.
Inona no tanjona azonao tratrarina, raha ny faharoa na ny fahatelo no valin-teninao?
․․․․․․
Fomba ialana amin’ilay fahazarana
Mety hanjary ho liana amin’ny sary vetaveta ny olona sasany nahita tsy nahy azy ireny. Mety ho lasa zatra mijery izany izy, atỳ aoriana. Tsy mora ny miala amin’io fahazarana io. Hoy i Jery, voalaza etsy aloha: “Saika efa nandramako avokoa ny zava-mahadomelina rehetra, talohan’ny nianarako Baiboly. Tamin’ny zavatra rehetra nanandevo ahy anefa, dia ny sary vetaveta no sarotra nialana indrindra.”
Aza kivy raha lasa zatra mijery sary vetaveta ianao. Afaka mahazo fanampiana ianao. Amin’ny fomba ahoana?
◼ Tadidio hoe inona marina moa ny sary vetaveta. Tsy inona izy ireny fa fomba ampiasain’i Satana hanambaniana ny zavatra noforonin’i Jehovah ho mendri-kaja. ‘Hankahala ny ratsy’ ianao, raha mahatakatra izany.—Salamo 97:10.
◼ Eritrereto ny ho vokany. Mandrava tokantrano ny fijerena sary vetaveta. Mampihena ny hasin’ny vehivavy sy ny lehilahy izy io, ary mampietry ilay olona mijery azy. Misy antony tsara matoa ny Baiboly milaza hoe: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery.” (Ohabolana 22:3) Soraty eto ambany ny loza iray mety hahazo anao, raha zatra mijery sary vetaveta ianao.
․․․․․․
◼ Mandraisa fanapahan-kevitra hentitra. Hoy i Joba, lehilahy nahatoky: “Efa nanao fanekena tamin’ny masoko aho, fa tsy hanam-pijery mitsiriritra tovovavy.” (Joba 31:1, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Anisan’ny ‘fifanekena’ na fanapahan-kevitra hentitra azonao raisina ireto:
□ Tsy hampiasa Internet aho rehefa irery ao amin’ny efitra.
□ Hakatoko avy hatrany izay hafatra na sary na toerana ao amin’ny Internet mampiseho sary vetaveta.
□ Hiresaka amin’ny namana matotra aho, raha niverina nijery azy ireny indray.
Misy fanapahan-kevitra hafa azonao raisina ve mba hiadiana amin’ny fahazarana mijery sary vetaveta? Raha eny, dia soraty eto ny iray na roa amin’izany.
․․․․․
◼ Mivavaha momba izany. Nivavaka toy izao tamin’i Jehovah ny mpanao salamo: “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana.” (Salamo 119:37) Ekena fa sarotra ny manohitra zavatra manintona ny nofo mpanota. Tena tian’i Jehovah Andriamanitra hahavita izany anefa ianao, ary afaka manome anao “hery fanampiny” izy, mba hanaovanao ny tsara!—2 Korintianina 4:7.
◼ Miresaha amin’ny olona iray. Mahasadaikatra anao angamba izany. Eritrereto anefa fa ho maivamaivana erỳ ianao, rehefa avy mamboraka ny olana manavesatra anao. Afaka ny ho toy ny ‘rahalahy mamonjy amin’ny fahoriana’ ilay olona hiresahanao. (Ohabolana 17:17) Mazàna no tena manampy ny olona ho afaka tanteraka amin’ilay fahazarana ny fifidianany namana mahatoky azony amborahana izay manjo azy.
Raha zatra mijery sary vetaveta ianao, iza no olona matotra azonao iresahana izany ka tsy hahasadaikatra anao? Soraty eto ny anarany.
․․․․․
Matokia fa tena afaka mandresy an’io fahazarana io ianao. Isaky ny mahavita tsy mijery sary vetaveta ianao, dia mahazo fandresena lehibe. Lazao an’i Jehovah izany fandresena izany, ary isaory izy nanome hery anao. Tadidio foana fa mampifaly ny fony ianao, rehefa tsy mijery an’ireny sary manimba ireny!—Ohabolana 27:11.
Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ireo anarana.
b Natao hanairana ny filan’ny nofo ny sary vetaveta. Mety horaisina feo na atao an-tsoratra koa izy ireny.
ERITRERETO IZAO:
◼ Nahoana ny sary vetaveta no manambany ny zavatra natao ho mendri-kaja?
◼ Inona avy no azonao atao mba tsy hahitanao sary vetaveta?
◼ Ahoana no hanampianao ny mpiray tam-po aminao, raha mijery sary vetaveta izy?
[Sary, pejy 12, 13]
Mety ho efa mpandefa sary vetaveta amin’ny finday ve ny ankizy sasany mpiara-mianatra aminao?