Fianarana 38
Aoka Hiharihary ny Fandrosoanao
1, 2. Nahoana moa isika rehetra no tokony haniry handroso?
1 Ankehitriny rehefa avy nianatra tamim-pitandremana sy nampihatra ireo lesona rehetra tato amin’ity boky ity ianao, moa ve ianao izao vonona ny hahazo diplaoma avy amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika? Tsia, satria izy io dia fandaharam-pampiofanana eo amin’ny fanompoana izay mitohy hatrany. Tsy misy diplaoma azo avy amin’ny fanangonana fahalalana tsara sy avy amin’ny fampiharana ireo zavatra nianaranao. Mifanohitra amin’izany kosa, amin’ny maha mpianatra mazoto anao, dia azonao atao ny mandroso hatrany ka ho voamarik’ireo izay mahafantatra anao izany.
2 Nananatra an’i Timoty, rahalahiny tanora tao amin’ny finoana, ny apostoly Paoly mba ‘hitandrina ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana, hihevitra izany zavatra izany, hikely aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoany’. (1 Tim. 4:13, 15). Ianao izay mivavaka amin’io Andriamanitra io koa, dia azonao atao ny mampiseho ny fandrosoanao amin’ny hafa. Azonao atao ny manohy toy izany foana. Tsy hisy mihitsy anefa fetra tsy ahafahanao mandroso intsony. I Jehovah no loharanon’izay rehetra mety ho fahalalana marina, ary izany loharano izany dia mitovy amin’ny fantsakana lalina be tsy hita fetra izay misy rano mamelombelona. Na dia tsy ho vitantsika mihitsy aza ny handrefy ny halaliny hatrany amin’ny fanambaniny, dia afaka manovo fiainana sy famelombelomana avy ao isika mandritra ny fotoana tsy voafetra. (Rom. 11:33, 34; Isaia 55:8, 9). Nefa ahoana no hisehoan’ny fandrosoanao amin’ireo izay mandinika anao?
3, 4. Ahoana no ampisehoantsika ny fandrosoantsika ao amin’ny sekolin’ny fanompoana sy ny fivoriana hafan’ny kôngregasiôna?
3 Ireo fomba isehoan’ny fandrosoana. Voalohany indrindra dia miseho izany amin’ny lahateny ataonao amin’ny sekolin’ny fanompoana. Mety hihevitra angamba ianao fa tsy nandroso firy, nefa mety ho ny hafa no hahamarika kokoa ny fandrosoanao noho ianao. Amin’io lafiny io isika rehetra dia mitovy amin’ny ankizy iray malahelo fa ela loatra izy vao lehibe, nefa rehefa tonga mamangy ireo havana dia milaza aminy hoe: “Oadray! Tena efa lehibe ianao izany!” Tadidio ilay lahateny voalohany nataonao tao amin’ny sekoly. Tadidinao ve ilay izy? Ampitahao amin’ireo nataonao vao haingana izany. Niana-javatra betsaka sy nahazo traikefa sarobidy ianao hatramin’izay, sa tsy izany? Mandrosoa hatrany àry.
4 Tsy amin’ny lahateny ataonao ao amin’ny sekolin’ny fanompoana fotsiny no isehoan’ny fandrosoanao. Azo marihina koa izany mandritra ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Manatrika izany tsy tapaka ve ianao? Raha eny dia milaza izany fa mandroso ianao ary ankamaminao be dia be izay rehetra ataon’i Jehovah mba hiarovana ny fahasalamanao ara-panahy. Ankoatra izany, ny hatsaran’ny valin-teninao any amin’ny fivoriana dia manaporofo koa fa nandroso ianao. Mampiseho ny fandrosoany ireo izay manome valin-teny amin’ny fomba fiteniny manokana fa tsy mamaky izany fotsiny. Toy izany koa ny amin’ireo izay manazava ny hevitr’ilay zavatra ianarana sy milaza ny hasarobidin’izany eo amin’ny fiainantsika. Asehon’izy ireo fa nitombo izy ireo teo amin’ny fahaiza-manavaka. Araka izany, ny fanatrehantsika tsy tapaka ireo fivoriana sy ny hatsaran’ny fandraisantsika anjara amin’izany dia mendrika ny homarihina rehefa heverina ny fandrosoana vita.
5. Inona no manaporofo ny fandrosoantsika eo fanompoana eny amin’ny saha?
5 Inona izao no azo lazaina ny amin’ny fandrosoanao eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha? Tadidio izay tsapanao fony ianao tonga teo amin’ny varavarana voalohany, tamin’ny nandraisanao anjara voalohany indrindra tamin’ny asa fitoriana. Jereo ankehitriny izay hainao atao. Nisy zavatra nihatsara, sa tsy izany? Kanefa tsy isalasalana fa miaiky ianao fa mbola afaka manatsara ny fahaizanao amin’ny maha mpitory sy mpampianatra. Moa ve tsy ho azonao atao koa ny handray anjara bebe kokoa amin’ireo lafim-panompoana rehetra azonao atao? Nanao izao fampirisihana izao ny apostoly Paoly: ‘Toy ny efa nandraisanareo ny toromarika avy tatỳ aminay ny amin’ny fomba tokony handehananareo sy hampifalianareo an’Andriamanitra, toy ny efa andehananareo rahateo, dia aza mitsahatra manao izany amin’ny fomba feno kokoa.’ (1 Tes. 4:1, NW ). Raha mandroso hatrany ianao amin’ny fandraisana anjara feno kokoa amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia tsy vitan’ny hoe hanjary handaitra kokoa ny fitoriana sy ny fampianarana ataonao, fa hihalalina koa ny fankasitrahanao ny tombontsoa hanompo an’i Jehovah. Na dia tsy tsara aza ny fandraisan’ny olona, dia mbola hoheverinao ho tombontsoa ihany ny nampiasan’i Jehovah anao mba hampita ny hafany tamin’ny olona.
6. Amin’ny ahoana ny resaka ataontsika no manome taratry ny fitomboantsika ara-panahy?
6 Ny resaka ataontsika dia mampiseho koa ny fandrosoantsika. Nambaran’i Jesosy fa ‘amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava’. (Lioka 6:45). Rehefa mitana toerana bebe kokoa eo amin’ny resaky ny olona iray i Jehovah sy ny fikasany dia manaporofo izany fa nandroso izy. Mampiseho izany fa mitombo ny fitiavany an’i Jehovah ary manatona akaiky kokoa an’Andriamanitra izy. Kanefa arakaraka ny anatonantsika azy no hiarovany antsika kokoa.
7. Aiza ny fandrosoantsika eo amin’ny fampiharana ireo foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly no hiharihary?
7 Miseho ihany koa ny fandrosoantsika rehefa mampihatra ireo foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro isika. Moa ve tsy tsapanao fa manao zavatra amin’ny fomba hafa kokoa ianao ankehitriny fa tsy toy ny talohan’ny nahafantarana ny Tenin’i Jehovah? Ireo fandrosoana vitanao tamin’ny fanaovan-javatra araka ny fomba natoron’i Jehovah dia tsy isalasalana fa hita taratra eo amin’izay rehetra ataonao na aiza aiza. Miseho izany ao an-tranonao, eo amin’ny fifandraisanao amin’ireo mpianakavinao. Hita taratra izany eo amin’ny fomba fiantsorohanao ny andraikitrao. Any am-piasana ianao dia mitandrina kokoa mba hampihatra ireo foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Milaza izany rehetra izany fa nandroso ianao. Nefa afaka mihatsara koa isika rehetra eto, ka hiezaka hampihatra amin’ny fomba feno kokoa ireo foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly.
8, 9. Milaza inona ny maha vonona antsika hanampy mpitory hafa ary fahafahana inona no atolotra antsika noho izany?
8 Aoka ianao hiseho ho vonon-kanompo. Fomba iray hafa koa hampisehoana ny fandrosoantsika ny fisehoantsika ho vonon-kanompo an’i Jehovah amin’ny fomba miitatra kokoa. Izao no vakintsika ao amin’ny Salamo 110:3 (Liénart): “Ho avy hanolo-tena an-tsitrapo ny olonao amin’ny andro hanafihanao.” Azo atao ve ny milaza toy izany koa ny aminao? Hanao izany amin’ny fomba miitatra kokoa ve ianao amin’ny ho avy?
9 Afaka mampiseho ny fahavononanao ianao rehefa manao izay ahafahanao manampy ny hafa, maneho fiahiana azy ireo amim-pahatsorana. Ireo loholona ao amin’ny kôngregasiôna dia mety hangataka anao mba hanampy rahalahy na anabavy amin’ny fomba iray na hafa. Angamba mila fanampiana izy ireny mba hahatongavana any amin’ireo fivoriana? Moa ve ianao vonona hanampy? Tsy voatery hiandry ny olona hangataka ny fanampianao koa ianao. Nahoana no tsy mirotsaka an-tsitrapo hanampy ireo toa mila izany? Misy olona marary na niditra hopitaly ve? Aza dia miandry ireo loholona hisarika ny sainao ho amin’izany; afaka mandeha mitsidika azy ianao na manampy azy amin’ny fomba hafa raha fantatrao izay ilainy. Moa ve ianao manao fianaram-pianakaviana tsy tapaka ao an-tranonao? Mety hanampy fianakaviana iray izay mifandray vao haingana amin’ny kôngregasiôna ka tsy manana fianarana toy izany ve ny fanasanao azy indraindray hiara-mianatra amin’ny ankohonanao? Na koa, raha mandeha irery ianao eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, moa ve misy Kristianina hafa maniry hiara-hivoaka aminao raha milaza izany aminy fotsiny ianao? Nahoana no tsy manao fandaharana mialoha mba hanasa mpitory hafa iray hiaraka aminao? Marina fa tena be zavatra atao tokoa ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao, nefa mampiharihary ny fandrosoantsika ny fahavononantsika hanampy rahalahy sy anabavy hafa. “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” — Gal. 6:10.
10, 11. Mifanaraka amin’ny 1 Timoty 3:1, ahoana no ahafahan’ireo rahalahy miseho ho vonon-kanompo?
10 Raha rahalahy ianao, dia afaka miseho ho vonon-kanompo ianao raha miezaka mameno ireo fepetra takin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ireo mitari-dalana ao amin’ny kôngregasiôna. Ny 1 Timoty 3:1 dia midera ireo izay miezaka handroso ho amin’ny asan’ny mpiandraikitra. Izany akory tsy hoe misehoseho mba ho voamarika, na hoe mifaninana amin’ny hafa. Izany kosa dia fiezahana mba hanaporofoana fa Kristianina matotra ny tena, “loholona” ampy fahaizana sady vonona hanompo na inona na inona asa ilana azy. Ny kôngregasiôna tsirairay avy dia mila “loholona” sy “mpanampy amin’ny fanompoana” maro mba hitari-dalana eo amin’ny fampianarana sy ny fitoriana, ary ny fisahanana ireo andraikitra ao amin’ny kôngregasiôna.
11 Ireo vonon-kanompo dia afaka mandray tombontsoa maro eo anivon’ny kôngregasiôna. Mety hangatahina izy ireo mba hanao fampisehoana mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, na mba hanampy loholona na mpanampy amin’ny fanompoana, satria nampiseho ny fahavononany hanompo izy ireo ary niseho ho mendri-pitokisana tamin’ny fanatontosana ireo asa rehetra nankinina taminy. Amin’ny fotoana ilana izany, ny fahavononany sy ny fandrosoany dia mety hahatonga azy ireo ho voamarika ho rahalahy azo atolotra mba ho tonga mpanampy amin’ny fanompoana. Nahoana izy ireny no ho voatendry? Satria nampiseho fahavononana izy ireo ary nandroso ka nahafeno ireo fepetra takin’i Jehovah ao amin’ny Teniny. Ireo voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana dia hasaina hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana atao ara-potoana, mba handray fiofanana amboniny mahakasika ny fisahanana ireo raharahan’ny kôngregasiôna.
12, 13. Tombontsoa hafa inona koa no atolotra ny Kristianina maro izay sady dodona no afaka miseho ho vonon-kanompo?
12 Misy tombontsoa hafa izay azon’ny Kristianina rehetra raisina raha vonona izy ireo, ary raha mamela ny hanaovany izany ny toerana misy azy manokana. Tahaka izay nataon’ireo Kristianina an’aliny maro hafa, moa ve ianao ho afaka hanolo-tena mba hanompo amin’ny maha mpisava lalana mpanampy indraindray? Angamba ho afaka ny ho tonga anankiray amin’ireo mpisava lalana maharitra mitombo isa hatrany ianao. Moa ve ny toerana misy anao manokana sy ny fomba fiheveranao ny fanompoana an’i Jehovah mahatonga anao ho vonona hifindra any an-toeran-kafa mba hanompo, raha ilaina izany? Maro no nanao izany tamin’ny naha mpisava lalana manokana, tamin’ny fandehanana tany amin’ny Sekolin’i Gileada sy tany amin’ny asa misionera, na koa, tamin’ny naha mpitory nifindra toerana mba hanompoana any amin’izay ilana fanampiana kokoa. Ny sasany dia nirotsaka mba hanompo tao amin’ny anankiray amin’ireo Betela hita saika hatraiza hatraiza maneran-tany. Nahazo fitahiana maro izy ireo noho ny nanolorany tena an-tsitrapo ho an’i Jehovah.
13 Miaina amin’ny vanim-potoana mampientam-po isika izao. Amin’izao “andro farany” izao i Jehovah dia manao izay hahatontosan’ny asa fitoriana sy fampianarana mahatalanjona iray eto ambonin’ny tany. Rehefa mandefa fanasana amin’ny alalan’ny fandaminany i Jehovah mba handraisana anjara amin’ny endri-panompoana iray dia manontania tena toy izao: “Zavatra lazain’i Jehovah amiko ve izany?” Diniho ny toerana misy anao sy ny fonao. Tsy isalasalana fa efa bebe ihany ny fandrosoana efa vitanao ary tena mampiseho fahavononana tokoa ianao. Tsara izany, nefa moa ve misy fomba hafa azo ampisehoana ny fandrosoanao, amin’ny fisehoana ho vonon-kanompo amin’ny fomba feno kokoa? Hahazo fitahiana tondraka ianao arakaraka ny androsoanao eo amin’ny fankatoavana ny toromarik’i Jehovah, sy arakaraka ny anekenao ny fitarihany. Afaka manaporofo izany ny mpanompon’i Jehovah rehetra maneran-tany, izay manana fahavononana hanompo. Marina tokoa fa miankina amin’ny fandrosoantsika no hahazoantsika ilay kanto indrindra amin’ny fitahiana rehetra, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Izany no antony ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra antsika amin’izao teny izao: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” — 1 Tim. 4:15, 16.