Toko Faha-8
Mpiara-belona Iray Tsara Fanahy
MAHAFANTATRA olona hafa volon-koditra noho ny anao ve ianao? — Any amin’ny tany sasany, amin’ny ankapobeny, ny olona dia mainty hoditra na zarazara hoditra. Any amin’ny tany hafa, dia saika fotsy hoditra ny olona rehetra. Teraka toy izany ireny olona ireny.
Tsara kokoa ve ianao satria hafa ny volon-koditrao? — Moa ve ny olona mainty hoditra iray tokony hihevitra fa ambony noho ny olona fotsy hoditra iray izy? Sa ny Fotsy hoditra iray no tokony hihevi-tena ho ambony noho ny Mainty hoditra iray? Ahoana ny eritreritrao? —
Raha mihaino an’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, isika, dia hiseho ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra. Tsy manova na inona na inona ny firenena na ny volon-koditry ny olona iray. Tokony ho tia ny karazan’olona rehetra isika. Izany no nampianarin’i Jesosy.
Indray andro, dia nanontany zavatra sarotra tamin’i Jesosy ny Jiosy iray. Nino izy fa tsy ho afaka hamaly izany i Jesosy. Hoy izy: ‘Inona no tokony hataoko mba handovana ny fiainana mandrakizay?’
Fanontaniana mora ho an’ilay Mpampianatra Lehibe izany. Tsy ny tenany ihany anefa no nanome ny valiny, fa nanontany an’ilay lehilahy toy izao izy: ‘Araka ny Lalàn’Andriamanitra, inona no tokony hataontsika?’
Namaly toy izao ilay lehilahy: ‘Milaza ny Lalàn’Andriamanitra hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, ary tiava ny mpiara-belona aminao tahaka ny tenanao.”’
Nanampy teny toy izao i Jesosy: ‘Marina ny navalinao. Aza mitsahatra manao izany, dia hahazo ny fiainana ianao.’
Tsy naniry ho tia ny olona rehetra anefa io lehilahy io. Koa nanandrana nitady fialan-tsiny izy. Nanontany an’i Jesosy toy izao izy: “Iza, raha ny marina, no mpiara-belona amiko?” Ahoana no ho navalinao? Iza, raha ny marina, no mpiara-belona aminao? —
Tian’io lehilahy io angamba ny hilazan’i Jesosy taminy hoe: ‘Ny namanao no mpiara-belona aminao.’ Ary ny hafa? Moa ve tsy mpiara-belona amintsika ny olona tsirairay avy? —
Mba hamaliana ny teniny, dia nilaza tantara iray i Jesosy. Ny amin’ny Jiosy iray sy ny Samaritana iray izany. Toy izao ilay fitantarana:
Nidina nanaraka ny lalana mankany Jeriko ny lehilahy iray. Jiosy izy io. Nisy mpanendaka namely azy ka naka ny volany sy ny fitafiany, nikapoka azy sy namela azy teo amin’ny arabe, rehefa saiky maty izy.
Tsy ela taorian’izay, dia nandalo teo amin’io lalana io ny mpisorona iray ka nahita ilay lehilahy naratra mafy. Inona no nataony? Inona no ho nataonao? —
Nianina tamin’ny fiampitana ny arabe, tsy nijanona, ilay mpisorona. Tsy nanao na inona na inona mba hanampiana an’io lehilahy io izy.
Rehefa avy eo dia nandalo teo amin’io toerana io koa ny lehilahy iray mpivavaka be. Levita mpanompo tao amin’ny tempoly tany Jerosalema izy io. Hijanona ve izy ka hitondra ny fanampiany? Tahaka ny nataon’ilay mpisorona no nataony, tsy nanolotra fanampiana mihitsy ho an’ilay naratra. Tsara ve izany? —
Farany, dia nandalo ny Samaritana iray ary nahita ilay Jiosy nitsitra teo amin’ny tany, naratra mafy. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nifankatia ny ankamaroan’ny Samaritana sy ny Jiosy. Hamela an’io lehilahy io ka tsy hamonjy azy ve ilay Samaritana? Hiteny anakampo ve izy hoe: “Nahoana moa no hamonjy an’io Jiosy io aho? Tsy hamonjy ahy izy raha maratra aho!”
Nijery an’ilay lehilahy nitsitra teo an-dalana io Samaritana io ka nangoraka azy. Tsy afaka namela azy ho faty izy.
Nidina niala tamin’ilay biby nitaingenany izy, nandinika ilay lehilahy ary nanomboka nitsabo ireo ratrany, tamin’ny fandrarahana diloilo sy divay teo amboniny. Io fanafody io dia hanafaingana ny fahasitranan’ireo fery izay nofeheziny tamin’ny akanjo iray.
Nampakarin’ilay Samaritana moramora teo amin’ilay biby nitaingenany ilay naratra. Nidina niadana nanaraka ilay lalana izy ireo nony avy eo, mandra-pahatongany tany amin’ny hotely iray. Tany, dia nahita trano hitoeran’io lehilahy io ilay Samaritana ary nikarakara azy tsara.
Nanontany an’ilay olona niresahany i Jesosy tamin’izay: ‘Iza amin’ireo telo ireo no hitanao ho mpiara-belona tamin’io lehilahy io?’ Ahoana no ho navalinao? Ilay mpisorona, sa ilay levita, sa ilay Samaritana? —
Namaly toy izao ilay lehilahy: ‘Ilay Samaritana nijanona sy nikarakara ilay naratra no mpiara-belona taminy.’
Nanampy teny toy izao i Jesosy: ‘Marina ny voalazanao. Mandehana, ka mba manaova toy izany koa.’ — Lioka 10:25-37, NW.
Tantara mahafinaritra ilay izy, sa tsy izany? — Asehony tsara ny hoe iza no mpiara-belona amintsika. Tsy ireo namantsika akaiky ihany, na ireo mponina ao amin’ny tanintsika, na olona mitovy volon-koditra amintsika. Mpiara-belona amintsika daholo ny olona rehetra.
Raha mahita olona niharan-doza ianao, inona àry no hataonao? — Hanao ahoana ny fihetsikao raha hafa firenena izy io na hafa volon-koditra noho ny anao? — Mbola mpiara-belona aminao ihany izy io. Tokony hanampy azy ianao. Raha tsapanao fa mbola kely loatra ianao ka tsy hahavita izany, dia antsoy aho. Na antsoy ny polisy na ny mpampianatra. Hitovy amin’ilay Samaritana ianao raha manao toy izany.
Irin’ilay Mpampianatra Lehibe ho tsara fanahy sy hanampy ny hafa tsy misy fanavakavahana isika. Izany no antony nilazany ny tantaran’ilay lehilahy nanao ny tenany ho mpiara-belona tamin’ny hafa.
(Momba ny fihetsika tokony hasehontsika eo anoloan’ny olona avy amin’ny firazanana hafa na ny tany hafa, dia vakio koa ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 17:26, Matio 5:44-48.)