Toko Faha-11
Mampianatra Antsika Hivavaka i Jesosy
MIRESAKA amin’i Jehovah Andriamanitra ve ianao? — Iriny ny hitenenanao aminy. Rehefa miresaka aminy ianao, dia mivavaka aminy.
Matetika i Jesosy no niresaka tamin’ny Rainy any an-danitra. Naniry ho irery izy indraindray mba hiresahana aminy. Milaza amintsika ny Baiboly fa indray mandeha “dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy”. — Matio 14:23.
Amin’ny fotoana toy inona ianao no afaka ny ho irery mba hivavaka amin’i Jehovah? — Angamba amin’ny hariva, alohan’ny hatoriana. Hoy ny nambaran’i Jesosy: “Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao”. Mivavaka isan-kariva ve ianao, alohan’ny hatoriana? — Fahazarana tsara izany. — Matio 6:6.
Nivavaka koa i Jesosy rehefa niaraka tamin’olon-kafa, niaraka tamin’ireo mpianany, ohatra. Afaka mankany amin’ireo fivoriana kristiana izay anaovana vavaka ianao. Mandrakariva dia rahalahy iray be taona noho ianao no mivavaka. Henoy tsara izy, satria miteny amin’Andriamanitra ho anao. Ho afaka hilaza hoe “amena” ianao amin’izay rehefa vita ny vavaka ataony.
Fantatrao ve ny antony ilazanao hoe “amena” rehefa vita ny vavaka iray? — Milaza izany fa mety aminao ilay izy, fa ekenao ny voalaza tamin’izany ary irinao mba ho vavaka ataonao koa izy io.
Nivavaka koa i Jesosy tamin’ny fotoana fisakafoana. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny sakafo azo. Mivavaka foana ve ianao alohan’ny hisakafoana? —
Tsara ny hisaorana an’i Jehovah noho ny sakafo omeny antsika, alohan’ny hanombohana hihinana. Rehefa miaraka amin’ny fianakaviana ianao, dia ny dadanao no manao ny vavaka. Fa ahoana no hatao raha irery ianao na raha miaraka amin’ny olona tsy misaotra an’i Jehovah? — Ny tenanao ihany amin’izay no tokony hivavaka.
Tokony hivavaka amin’ny feo avo foana ve ianao? — Tsia. Afaka mahare anao i Jehovah na dia tsy mivavaka amin’ny feo avo aza ianao. Rehefa miaraka amin’olona tsy mivavaka amin’Andriamanitra àry ianao, dia afaka mivavaka mangina aminy. Izany no atao raha misakafo any an-tsekoly ianao.
Rehefa mivavaka ianao, tokony hiondrika ve ianao, sa handohalika? Ahoana ny hevitrao? —
Nandohalika i Jesosy indraindray. Niandrandra tany amin’ny lanitra izy tamin’ny fotoana hafa. Nasehony koa fa azo atao ny mivavaka amin’Andriamanitra sady mitsangana.
Inona no porofoin’izany? Tokony hanaraka fitoetra na fihetsika mitovy foana ve ianao rehefa mivavaka? — Tsy ny fitoetra na ny fihetsika no zava-dehibe. Tsara anefa indraindray ny hanondrehana ny loha. Amin’ny fotoana hafa, dia ho tianao aza angamba ny hanahaka an’i Jesosy ka handohalika. Tadidio anefa fa afaka mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra amin’ny antoandro na amin’ny alina ianao, ary handre anao izy.
Ao amin’ny vavaka, ny zava-dehibe dia ny hinoana mafy fa mihaino anao i Jehovah. Inoanao ve fa mandre anao izy? —
Inona no tokony holazaintsika ao amin’ny vavaka ataontsika? — Rehefa mivavaka ianao, ny amin’inona no resahinao amin’Andriamanitra? —
Manome antsika zavatra tsara be dia be i Jehovah ka tsara ny hisaorana azy noho izany, sa tsy izany? — Misaotra azy isika noho ny sakafo omeny antsika. Kanefa, mba efa nieritreritra ny hilaza aminy hoe “misaotra” ve ianao noho ny lanitra manga sy ny hazo ary ny voninkazo tsara tarehy? — Namorona izany rehetra izany koa izy.
Indray andro, dia nangataka an’i Jesosy mba hampianatra azy ireo hivavaka ny mpianatra. Nasehon’ilay Mpampianatra Lehibe azy ireo zavatra lehibe indrindra tokony hampidirina ao amin’ny vavaka. Fantatrao ve izy ireo? — Raiso ny Baibolinao ao amin’ny toko faha-6 amin’ny Matio; eo amin’ny andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-13 no ahitantsika ilay vavaka antsoina hoe ny “Rainay Izay any An-danitra”. Aoka hovakintsika izy io.
Mampirisika antsika mba hivavaka ho an’ny anaran’Andriamanitra i Jesosy, mba hanamasinana na hiheverana izany ho masina. Iza moa no anaran’Andriamanitra? — Milaza amintsika ny Baiboly fa Jehovah no anarany ary tokony ho tia io anarana io isika.
Faharoa, mampianatra antsika hivavaka ho an’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Zava-dehibe tokoa izany, satria hanorina ny fiadanana eto an-tany mba hanaovana azy ho paradisa.
Fahatelo, milaza amintsika ilay Mpampianatra Lehibe mba hivavaka mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany toy ny anaovana izany any an-danitra. Milaza izany fa tokony hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika.
I Jesosy dia nampianatra antsika koa mba hivavaka hahazoana ny sakafo ilaintsika amin’io andro io ihany. Nolazainy fa tokony hanambara amin’Andriamanitra ny fanenenantsika isika rehefa manao fahadisoana. Tokony hangata-pamelana aminy isika. Ilaina anefa aloha ny hamelana an’ireo izay nety ho nanisy ratsy antsika. Manao izany ve ianao? —
Farany, dia milaza amintsika i Jesosy mba hangataka amin’i Jehovah hiaro antsika amin’ilay ratsy, dia i Satana Devoly. Ireo àry no zavatra tsara tokony hampidirina ao amin’ireo vavaka ataontsika amin’Andriamanitra.
Tokony hino mafy isika fa mihaino ireo vavaka ataontsika i Jehovah ary hanohy hisaotra azy isika sady hangataka ny fanampiany. Tian’i Jehovah ny mandre antsika mivavaka. Faly izy rehefa mieritreritra tokoa izay lazaintsika aminy isika ka mangataka zavatra tsara aminy. Hanome izany antsika izy. Mino izany ve ianao? —
(Misy torohevitra tsara hafa momba ny vavaka omena ao amin’ny 1 Petera 3:12; 1 Jaona 5:14; Romana 12:12.)