Toko Faha-41
Sakafo Iray Manampy Antsika Hahatsiaro
RAHA misy manome anao fanomezana tsara tarehy, inona no tsapanao? — Milaza fotsiny ve ianao hoe: “Misaotra”, avy eo dia hadinonao ilay olona nanome izany anao? Sa tsaroanao izy io? —
Nanolotra fanomezana mahatalanjona ho antsika i Jehovah. Naniraka ny Zanany teto an-tany izy mba ho faty ho antsika. Noho izany, dia mety ho afaka amin’ny aretina sy ny fahafatesana isika. Naneho fitiavana lehibe Andriamanitra sy i Jesosy. Azo antoka fa tsy tiantsika ny hanadino izay nataon’izy ireo ho antsika, sa tsy izany? —
Fantatrao ve fa ny Zanak’Andriamanitra dia nanome antsika fomba tsara dia tsara hahatsiarovana izay nataony? — Ho tianao ve ny hahafantatra izany? —
Alao sary an-tsaina fa hoe ao amin’ny efitrano ambony rihana amin’ny trano iray any Jerosalema ianao. Manomboka ny alina. Hojerentsika hoe iza no ao anatiny. Ao ilay Mpampianatra Lehibe sy ireo apostoliny. Mandry ilika eo amin’ny farafara manodidina ny latabatra iray izy ireo. Misy zanak’ondry natsatsika sy mofo fisaka ary divay mena eo ambonin’io latabatra io. Tsy sakafo mahazatra izany. Manokana izy io. Fantatrao ve hoe nahoana? —
Io sakafo io dia tokony hampahatsiaro azy ireo fisehoan-javatra lehibe tokoa izay nitranga an-jatony taona maro talohan’izay, tamin’ny alina nanafahan’i Jehovah ny firenen’Isiraely avy amin’ny fanandevozana tany Egypta.
Nilaza toy izao i Jehovah: ‘Mamonoa zanak’ondry iray isam-pianakaviana ary ataovy eo amin’ireo tolam-baravaran’ny tranonareo ny rany. Midira ao an-tranonareo ary hano ilay zanak’ondry.’
Izany no nataon’izy ireo, ary tamin’io alina io dia nandalo tao amin’ilay tany ny anjelin’Andriamanitra ka namono ny ankamaroan’ireo zanaka lahimatoa. Rehefa hitany ny ra teo amin’ny varavaran’ireo trano, dia nandalo teo ambonin’ireny trano ireny, izay tsy nisy zanaka ringana mihitsy, izy. Raha tany ianao, trano iza no ho tianao hisy anao? —
Raiki-tahotra noho izay nataon’ilay anjelin’i Jehovah ny mpanjakan’i Egypta. Hoy izy tamin’ny Isiraelita: ‘Afaka ianareo. Mivoaha avy eto Egypta!’ Natainginy tamin’ireo rameva sy ireo boriky àry ny entan’izy ireo, dia lasa izy.
Tsy tian’i Jehovah anefa ny hanadinoan’ny vahoakany fa nanafaka azy ireo izy. Hoy izy taminy: ‘Indray mandeha isan-taona, dia hihinana sakafo sahala amin’ilay nohaninareo tamin’io hariva io ianareo. Tokony hotantarainareo amin’ireo zanakareo izay nitranga tamin’io alina io tany Egypta.’
Nantsoin’izy ireo hoe Paska (hebreo: “mandalo eo ambony”) io sakafo manokana io. Fantatrao ve hoe nahoana? — Satria tamin’io alina io, dia ‘nandalo teo ambonin’ireo’ trano voamariky ny ra ny anjelin’Andriamanitra.
Mieritreritra an’io fisehoan-javatra io i Jesosy sy ireo apostoliny amin’ny fihinanana ny sakafon’ny Paska. Aorian’izany, dia manao zavatra lehibe tokoa i Jesosy. Jereo tsara ange.
Raisiny ny iray amin’ireo mofo fisaka, avy eo, rehefa avy nivavaka izy, dia mamaky izany. Atolony an’ireo mpianany izany ka hoy izy: “Raiso, hano.” Avy eo dia manampy teny toy izao izy: ‘Mampiseho ny tenako izay homeko ho anareo amin’ny fahafatesana itỳ mofo itỳ.’
Mandray kapoaka misy divay mena izy rehefa avy eo. Aorian’ny vavaka hafa iray, dia atolony io ka hoy izy: “Sotroinareo rehetra ity.” Avy eo dia manampy teny toy izao izy: ‘Mampiseho ny rako itỳ divay itỳ. Halatsako tsy ho ela izany mba hanafahana anareo amin’ny fahotanareo. Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.’ — Matio 26:26-28, NW; 1 Korintiana 11:23-26.
Voamarikao ve fa nilaza tamin’izy ireo i Jesosy mba hanohy hanao izany ho fahatsiarovana azy? — Tsy hihinana ny Paska intsony izy ireo. Ho solony, isan-taona izy ireo dia hanana an’io sakafo manokana io ho fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Antsoina hoe Sakafo Harivan’ny Tompo izy io. Resahintsika ho toy ny Fahatsiarovana koa izy io. Nahoana? — Satria mampahatsiaro na mampahatsiahy antsika izay nataon’i Jesosy sy ny Rainy ho antsika.
Hiara-manatrika amiko ny Fahatsiarovana manaraka ve ianao? — Ho hitanao handalo ny mofo fisaka iray sy ny divay mena. Hahatonga anao hieritreritra inona izany? —
Ny mofo dia hahatonga antsika hieritreritra ny tenan’i Jesosy izay naha-vonona azy ny hanome izany mba hahafahantsika hahazo ny fiainana mandrakizay. Ary ny divay mena? — Izany dia tokony hampahatsiahy antsika ny ran’i Jesosy izay nalatsany fony izy nahantona teo amin’ny hazo.
Sarobidy lavitra noho ny an’ny zanak’ondrin’ny Paska tany Egypta ny ran’i Jesosy. Nahoana? — Manome antsika famelana ireo fahotantsika izany.
Milaza inona ny fanafoanana ny fahotantsika rehetra? — Tsy hanao ratsy intsony mihitsy isika. Tsy harary intsony isika; tsy hihantitra sy tsy ho faty isika. Tokony hieritreritra izany isika amin’ny Fahatsiarovana.
Tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divay daholo ve ny olona rehetra? — Tsia; ireo izay afaka manao izany dia nanambaran’i Jesosy hoe: ‘Hanana anjara amin’ny fanjakako ianareo ary hiara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra.’ Milaza izany fa ireo izay ho mpanjaka hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra ihany no tokony handray ny mofo sy ny divay.
Kanefa na dia tsy mandray amin’izany aza isika, dia tokony hanatrika ny Fahatsiarovana. Nahoana? — Satria nanome ny ainy ho antsika koa i Jesosy. Amin’ny fankanesana any amin’ny Fahatsiarovana, dia asehontsika fa tsy manadino azy isika. Tsaroantsika ny fanomezana mahatalajona natolotr’Andriamanitra ho antsika tamin’ny alalan’i Jesosy.
(Mba hahitana ny maha-zava-dehibe ny hanatrehana ny Fahatsiarovana, dia hovakintsika koa ny Lioka 22:19, 20, 28-30; 1 Korintiana 11:27.)