Hira 112
Ho Fantany fa Ianao no Jehovah
1. Jehovah ô, ’reo fahavalonao
Maniratsira ny anaranao;
Nefa Kristy hitsara tsy ho ela,
Hanorotoro an’i Satana.
(Averina isan’andininy)
2. Hasehonao izao ny herinao,
’Zay notoherin’ilay rafinao.
Koa amin’ny Hara-magedona,
Haringanao ’zay tsy mibebaka.
(Averina isan’andininy)
3. Hovalianao ireo mpampahory
Manjakazaka eto an-tany.
’Zay mampijaly ny vahoakanao,
Hiharan’ny fahatezeranao.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ho fantany fa ianao no Jehovah;
Ho fantany fa marina ianao.
Ho fantany fa Avo Indrindra ianao,
Ka ho tanteraka ’zay kasainao.