Fianarana Momba ny Soratra Ara-tsindrimandry sy ny Tantara Momba Azy
Fianarana Faha-8 — Ny Tombon’ny “Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao”
Fandinihana ny fiteny maoderina ampiasainy, ny tsy fiovaovan’izany, ny dika tenin’ny matoanteny voatandrina ampiasainy, ary ny fampisehoany amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry.
1. a) Fironana inona no ahitsin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao, ary amin’ny fomba ahoana? b) Amin’ny teny anglisy, nahoana ny hoe Jehovah fa tsy ny hoe Yahweh na endriny hafa sasany amin’ilay anarana no ampiasaina?
TAO anatin’ireo taona faramparany, dia fandikan-tenin’ny Baiboly maoderina maromaro izay natonta no nanampy be dia be ireo tia ny Tenin’Andriamanitra mba hahazo haingana ny hevitr’ireo asa soratra voalohany. Maro anefa ny fandikan-teny nanafoana ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny firaketana an-tsoratra masina. Eo an-danin’izany, ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao dia manome voninahitra sy manaja ny anarana mendrik’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, amin’ny famerenana azy io ho eo amin’ny toerany ara-dalàna, ao anatin’ny soratra. Miseho ao amin’ny toerana 6 973 ankehitriny ilay anarana ao amin’ilay fizarana atao hoe Soratra Hebreo ary koa ao amin’ny toerana 237 ao amin’ilay fizarana atao hoe Soratra Grika, ka manome tontaliny 7 210 amin’ny fitambarany. Ny endriny hoe Yahweh no tian’ireo manam-pahaizana momba ny teny hebreo kokoa amin’ny ankapobeny, kanefa mbola tsy tratra ankehitriny ny fahazoana antoka ny amin’ny fanononana. Noho izany, ny endriny amin’ny teny latina hoe Jehovah dia ampiasaina hatrany satria io no efa nampiasaina nandritra ny taonjato maro ary io no fandikana ny Tetragrama, na ny anarana amin’ny litera efatra hebreo יהוה eken’ny besinimaro indrindra. Nanao izao fanamarihana izao i R. H. Pfeiffer, manam-pahaizana momba ny teny hebreo: “Na inona na inona mety holazaina momba ny fiandohany mampisalasala, dia ny hoe ‘Jehovah’ no fandikana anglisy mety amin’ny Yahweh ary tokony ho izany hatrany.” a
2. a) Nisy famerenana tamin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Soratra Grika Kristiana ve teo aloha? b) Fisalasalana inona, araka izany, no voaesotra?
2 Tsy ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao akory no dikan-teny voalohany namerina tamin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Soratra Grika Kristiana. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-14 fara fahelany, dia mpandika teny maro no nahatsiaro ho voatery hamerina amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra ao amin’ilay soratra, indrindra fa teo amin’ireo toerana izay nakan’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana teny avy tamin’ny Soratra Hebreo, izay mirakitra ny anaran’Andriamanitra. Dikan-teny amin’ny fiteny maoderina maro nataon’ny misionera, anisan’izany ireo dikan-tenin’ny Soratra Grika amin’ny teny afrikana, aziatika, amerikana, ary tenin’ireo nosy any Pasifika, no mampiasa malalaka ny anarana hoe Jehovah, toy ny ataon’ireo dikan-teny amin’ny fiteny eoropeanina sasany. Isaky ny adika ny anaran’Andriamanitra, dia tsy misy isalasalana intsony ny amin’ny hoe “tompo” iza no voalaza. Izy io dia i Jehovah, ny Tompon’ny lanitra sy ny tany, izay ny anarany dia hamasinina amin’ny fihazonana azy ho tokana sy miavaka ao amin’ny Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao.b
3. Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao mba hampitana ny hery sy ny hakanto ary ny hevitry ny asa soratra voalohany?
3 Ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao dia mampitombo ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, amin’ny fampisehoana ireo Soratra ara-tsindrimandriny amin’ny fiteny mazava, mora azo, izay manome amin’ny fomba mazava ny heviny nokendrena ao an-tsain’ny mpamaky. Mampiasa fiteny tsotra sy maoderina izy io, tsy miovaova araka izay azo atao amin’ny dika teniny, mampita araka ny marina ny asa na ny toe-javatra voalaza ao amin’ireo matoanteny hebreo sy grika, ary manavaka ny mpisolo anarana milaza tokana “ianao” sy ny milaza maro “ianareo”. Manisy fanavahana koa izy io amin’ny fampiasana ny matoanteny amin’ny endrika mandidy rehefa tsy mampiharihary izany ny teny manodidina. Amin’izany fomba izany sy amin’ny fomba hafa, no ampihariharian’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao amin’ny fiteny maoderina, araka izay azo atao, ny hery sy ny hakanto ary ny hevitr’ireo asa soratra voalohany.
NADIKA AMIN’NY FITENY MAODERINA
4. a) Fikasana ambony inona no nasehon’ny mpandika tenin’ny Baiboly tany am-boalohany iray? b) Inona no nanjary tena nilaina rehefa nandeha ny fotoana?
4 Ireo fandikan-tenin’ny Baiboly tranainy kokoa dia mirakitra teny lany andro maro izay nampiasaina tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17. Na dia tsy azo aza ny hevitr’izy ireny ankehitriny, dia azo avy hatrany kosa izany tamin’izay. Ohatra, ny lehilahy iray izay niezaka mafy mba hampiditra azy ireny tao amin’ny Baiboly anglisy, dia i William Tyndale, izay voatantara fa nilaza toy izao tamin’ny iray tamin’ireo mpanohitra azy ara-pivavahana: ‘Raha mitsimbina ny aiko Andriamanitra, tsy hisy taona maro akory dia hataoko izay hahafantaran’ny ankizilahy mitarika angadin’omby bebe kokoa noho ianao, ny Soratra Masina.’ Ny fandikan-tenin’ny Soratra Grika nataon’i Tyndale dia mora azon’ny ankizilahy mpitarika angadin’omby tsara tamin’ny androny. Maro tamin’ireo teny nampiasainy anefa no manjary teny tranainy ankehitriny, hany ka tsy hahazo mazava tsara intsony ny hevitry ny teny maro ao amin’ny dikan-tenin’ny King James sy ao amin’ny dikan-tenin’ny Baiboly tranainy hafa ‘ny ankizilahy iray mitarika angadin’omby’. Araka izany, dia nanjary tena nilaina ny nanesotra ireo rakotry ny fiteny tranainy sy ny namerina ny Baiboly ho amin’ny fiteny mahazatra ny olon-tsotra.
5. Amin’ny fiteny inona no tokony hisehoan’ny Baiboly, ary nahoana?
5 Ny fitenin’ny olon-tsotra no nampiasaina tamin’ny fanoratana ny Soratra ara-tsindrimandry. Tsy nampiasa ny teny grika kilasikan’ireo filozofa toy an-dry Platon ireo apostoly sy Kristiana hafa tany am-boalohany. Nampiasa ny teny grika fampiasa andavanandro izy ireo, dia ny koine, na teny grika niombonana. Koa amin’izany, ny Soratra Grika, tahaka ny Soratra Hebreo teo alohany, dia nosoratana tamin’ny fitenin’ny vahoaka. Tena zava-dehibe tokoa àry izany ny hoe tokony ho amin’ny fitenin’ny vahoaka koa ny fandikan-tenin’ny Soratra Masina voalohany, mba ho azo avy hatrany. Noho izany antony izany no ampiasan’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao, tsy ny fiteny tranainy tamin’ny taonjato telo na efatra lasa izay, fa fiteny maoderina mazava sy mahalaza zavatra, mba ho tena fantatr’ireo mpamaky hoe inona no lazain’ny Baiboly.
6. Inona no tombony azo amin’ny tsy fampiasana ireo teny tranainy?
6 Hatramin’ny voalohandohan’ny taonjato fahafito ambin’ny folo, fe-potoana nivoahan’ny Dikan-tenin’ny King James tamin’ny teny anglisy, dia nisy fivoarana be dia be ny teny anglisy. Ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao dia manisy fiheverana izany fivoarana izany ary tsy mampiasa ireo teny tranainy, izay tsy azo ny heviny ankehitriny, hita ao amin’ny Dikan-tenin’ny King James. — Ampitahao ao amin’ireo fandikan-teny roa ireo: Genesisy 31:7; Eksodosy 9:31; Mpitsara 2:14; 1 Samoela 8:12; Matio 6:6; Marka 2:3; Romana 4:17; 1 Korintiana 10:25; 2 Tesaloniana 2:7.
TSY FIOVAOVAN’IREO DIKA TENY
7. Ahoana no ifanarahan’ny dika tenin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao?
7 Manao ny ezaka rehetra ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao mba hifanaraka ny dika teniny. Ho an’ny teny hebreo na grika iray nomena, dia nisy teny anglisy iray natokana ho azy, ary nampiasaina tamin’ny fomba tsy niovaova izy io, araka izay namelan’ilay teny na ny teny manodidina izany, tamin’ny fanomezana ny fahazoana feno ny heviny tamin’ny teny anglisy. Ohatra, adika amin’ny fomba tsy miovaova hoe “fanahy âme” ny teny hebreo hoe neʹphesh. Adika hoe “fanahy âme” isaky izay miseho ny teny grika mifanandrify amin’izany hoe psy·kheʹ.
8. a) Manomeza ohatra ny amin’ny teny homographes. b) Ahoana no nampiasana azy ireny tao amin’ilay fandikan-teny?
8 Mipoitra amin’ny toerana sasany ny zava-manahirana momba ny fandikana teny homographes. Izy ireny dia teny ao amin’ny fiteny tany am-boalohany, izay mitovy tsipelina nefa manana heviny fototra samy hafa. Koa amin’izany, ny zava-tsarotra dia ny hanomezana an’ilay teny ny heviny marina rehefa manao fandikan-teny. Misy homographes toy ny hoe “hofa” (vola na zavatra aloa) sy ny “hofa” (fiantsoana olona) ary ny hoe “alina” (haizina) sy ny hoe “alina” (arivo folo) izay mitovy tsipelina nefa teny samy hafa miavaka tsara, amin’ny teny malagasy. Ohatra iray ao amin’ny Baiboly ny teny hebreo hoe rav, izay mampiseho amin’ny fomba miavaka tsara fototeny samy hafa, ary noho izany, izy ireny dia adika amin’ny fomba samy hafa ao amin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao. Ny rav tena mahazatra indrindra dia manana heviny hoe “maro”, toy ny ao amin’ny Eksodosy 5:5. Kanefa, ny teny hoe rav izay ampiasaina amin’ny anaram-boninahitra, toy ny ao amin’ny hoe “Rabsake” (Heb.: Rav-sha·qehʹ ) ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:17, dia midika hoe “lehibe”, araka ny andikana azy hoe “lehiben’ny tandapany” ao amin’ny Daniela 1:3. (Jereo koa ny Jeremia 39:3, NW, f.a.p.) Ny teny hoe rav, mitovy endrika amin’izany ihany, dia midika hoe “mpandefa zana-tsipìka”, izay manazava ilay dika teny ao amin’ny Jeremia 50:29. Neken’ireo mpandika teny ho manam-pahefana raha ny amin’ny fampisarahana ireny teny mitovy tsipelina ireny ireo manam-pahaizana momba ny teny, toa an-dry L. Koehler sy W. Baumgartner.
9. Ahoana no nanombanan’ny mpanazava hevi-teny hebreo sy grika iray ny hasarobidin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao?
9 Raha ny amin’io lafin’ny tsy fiovaovana io, dia mariho izay tsy maintsy ho nolazain’ilay mpanazava hevi-teny hebreo sy grika atao hoe Alexander Thomson tao amin’ny fitsikerany Ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao: “Ilay fandikan-teny dia miharihary fa asan’ny manam-pahaizana mahay sy kinga saina, izay nitady hamoaka araka izay azo atao ny heviny marina amin’ny soratra grika, araka izay azon’ny teny anglisy ilazana azy. Mikendry ny hihazona hevi-teny anglisy tokana isaky ny teny grika lehibe tsirairay ilay dikan-teny sady ho ara-bakiteny araka izay azo atao. (...) Ilay teny adika mazàna hoe ‘manamarina’ dia adika amin’ny ankapobeny amin’ny fomba tena marina hoe ‘manambara fa marina’. (...) Nadika hoe ‘hazo fijaliana’ ny teny mifanitsy amin’ny hoe Lakroa, ka fanatsarana hafa izany. (...) Voadika tsara toy izao ny Lioka 23:43: ‘Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao’. Izany dia fanatsarana lehibe eo amin’ny famakiana ny ankamaroan’ireo dikan-teny.” Momba ny fandikan-tenin’ny Soratra Hebreo, dia nanao izao fanazavana izao io mpanao tsikera io ihany: “Ny Dikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao dia mahazo toerana mendrika tsara. Mandrisika sy tena velona izy io ary mahatonga ny mpamaky hieritreritra sy hianatra. Tsy asan’ireo Mpanao Tsikera Ambony izy io, fa asan’ireo manam-pahaizana izay manaja kosa an’Andriamanitra sy ny Teniny.” — The Differentiator, Aprily 1952, pejy 52-57, sy Jona 1954, pejy 136.
10. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba anandratan’ny fifanarahan’ny zavatra raketin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao, ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
10 Nandresy tamin’ireo ady hevitra ara-teknika momba ny Baiboly teny am-pitoriana ny fifanarahan’ny zavatra raketin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao. Ohatra, taona vitsivitsy lasa izay, dia nangataka tamin’ny Fikambanana Watch Tower ny fikambanan’ny libres penseurs tany New York mba handefa mpandahateny roa hiresaka mivantana amin’ny antokony momba ny foto-kevitra ara-baiboly, ary nekena ny fangatahany. Ireny olona manam-pahaizana ireny dia nitana fotopoto-pitsipika fototra latina hoe: falsum in uno falsum in toto, izay midika fa ny hevitra aroso voaporofo fa diso amin’ny lafiny iray dia diso tanteraka. Nandritra ilay ady hevitra, dia nihaika ny Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy iray momba ny maha-azo ianteherana ny Baiboly. Nangataka ny hamakiana tamin’ny mpihaino ny Genesisy 1:3 izy, ary natao izany, avy tamin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao hoe: “Ary Andriamanitra nanomboka niteny hoe: ‘Aoka hisy ny hazavana.’ Ary dia nisy ny hazavana.” Tamim-patokian-tena, dia nangatahiny nanaraka izany ny Genesisy 1:14, ary dia novakina avy tamin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao koa izy io hoe: “Ary Andriamanitra nanohy niteny hoe: ‘Aoka hisy eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo fanazavana.’ ” “Ajanòny hoe”, hoy izy, “inona izany vakinao izany? Milaza ny Baiboliko fa Andriamanitra dia nanao ny hazavana tamin’ny andro voalohany, ary avy eo tamin’ny andro fahefatra indray, ary tsy mifanaraka izany.” Na dia nilaza aza izy fa nahay teny hebreo, dia tsy maintsy nohazavaina taminy fa ny teny hebreo nadika hoe “hazavana” eo amin’ny andininy faha-3 dia hoe ʼohr, fa hafa kosa ny teny eo amin’ny andininy faha-14, dia ny hoe ma·ʼohrʹ, izay miresaka momba ny fanazavana iray, na loharanon-kazavana. Nipetraka ilay lehilahy nanam-pahaizana fa resy lahatra.c Ny fifanarahana mahatokin’ny zavatra raketin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao dia nandresy tamin’ilay ady hevitra, ka nanandratra ny Baiboly ho azo ianteherana sy mahasoa.
DIKA TENIN’NY MATOANTENY VOATANDRINA
11. Lafin-javatra mahery inona ao amin’ny Soratra Masina voalohany no voatahiry ao amin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao? Amin’ny fomba ahoana?
11 Manome fiheverana manokana ny amin’ny fampitana ny hevitry ny asa amin’ny matoanteny grika sy hebreo ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao. Amin’ny fanaovana toy izany, dia miezaka mitahiry ny toetoetra manintona, ny fahatsorana, ny hery, ary ny fomba fitenenana manokan’ireo asa soratra tamin’ny fiteny tany am-boalohany ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao. Araka izany, dia tena nilaina ny fampiasana matoanteny mpanampy tamin’ny teny anglisy mba hampitana tamim-pitandremana ny tena toetoetr’ilay asa. Mahery sy mahalaza asa aoka izany ny Soratra Masina voalohany, noho ny herin’ireo matoanteny ao aminy.
12. a) Inona no fomba iray izay maha-samy hafa ny teny hebreo amin’ny fiteny tandrefana? b) Hazavao ireo toetoetra roa ananan’ny matoanteny hebreo.
12 Tsy manana “filazam-potoana” amin’ny fomba ampiharana ny teny hoe “filazam-potoana” ao amin’ny ankamaroan’ireo fiteny any Andrefana ny matoanteny hebreo. Amin’ny teny malagasy dia ahitana filazam-potoana misy fifamaliana telo lafy: lasa sy ankehitriny ary hoavy. Eo an-danin’izany, ny matoanteny hebreo, amin’ny fotony, dia milaza ny toetoetr’ilay asa, izany hoe, ilay asa dia heverina ho, na vita (toe-javatra efa), na tsy vita (toe-javatra tsy efa). Azo ampiasaina ireny toetoetry ny matoanteny hebreo ireny mba hilazana asa tany amin’ny lasa na amin’ny hoavy, ka ny teny manodidina no hamantarana ny fotoana. Ohatra, ny toe-javatra efa, na vita, amin’ny matoanteny dia mampiseho avy hatrany asa tany amin’ny lasa, nefa ampiasaina mba hilazana zavatra hitranga amin’ny ho avy koa izy io, toy ny hoe tsy maintsy ho nitranga sahady sy efa lasa izany, ka mampiseho ny maha-azo antoka azy amin’ny ho avy na ny tsy maintsy hitrangany.
13. Nahoana no zava-dehibe ny fiheverana araka ny mety ny toetoetry ny matoanteny hebreo amin’ny fahazoana marina ny Genesisy 2:2, 3?
13 Tena zava-dehibe indrindra ny fampitana araka ny marina ny toetoetry ny matoanteny hebreo ho amin’ny teny anglisy; raha tsy izany, dia mety ho voaolana ny heviny ka hevitra hafa tanteraka no ho voalaza. Ohatra amin’izany, dia hevero ireo fitenenana ao amin’ny Genesisy 2:2, 3. Ao amin’ny fandikan-teny maro, amin’ny firesahana momba ny fitsaharan’Andriamanitra tamin’ny andro fahafito, dia nampiasaina ny fitenenana toy ny hoe “nitsahatra izy”, “nijanona izy”, “efa nijanona izy”, “nitsahatra àry izy”, “nitsahatra Andriamanitra”. Avy amin’ny famakiana ireo teny ireo, dia mety hanatsoaka hevitra ny olona iray fa ny fitsaharan’Andriamanitra tamin’ny andro fahafito dia efa vita tamin’ny lasa. Kanefa mariho ny fomba amoahan’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao ny hevitry ny matoanteny ampiasaina eo amin’ny Genesisy 2:2, 3 hoe: “Ary tamin’ny andro fahafito Andriamanitra dia tonga tamin’ny fahavitan’ny asany izay nataony, ary nanomboka nitsahatra tamin’ny andro fahafito tamin’ny asa rehetra izay nataony izy. Ary Andriamanitra dia nanomboka nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’io izy no teo am-pitsaharana tamin’ny asany rehetra izay noforonin’Andriamanitra noho ny fikasana hanao zavatra.” Ny fitenenana eo amin’ny andininy faha-2 hoe “nanomboka nitsahatra izy” dia matoanteny amin’ny toe-javatra tsy efa amin’ny teny hebreo ary noho izany dia milaza ny hevitra momba ny asa tsy vita na mitohy. Ny fandikana hoe “nanomboka nitsahatra izy” dia mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny Hebreo 4:4-7. Eo an-danin’izany, ny matoanteny ao amin’ny Genesisy 2:3 dia amin’ny toe-javatra efa, kanefa mba hifanarahany amin’ny andininy faha-2 sy amin’ny Hebreo 4:4-7, izy io dia nadika hoe ‘teo am-pitsaharana izy’.
14. Amin’ny fialana amin’ny fiheveran-diso momba ny waw mifanarakaraka, dia miezaka hanao inona moa ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao raha ny amin’ny matoanteny hebreo?
14 Antony iray mahatonga ny tsy maha-araka ny marina ny fandikana ireo endriky ny matoanteny hebreo ny tsangan-kevitra ara-pitsipi-pitenenana amin’izao andro izao antsoina hoe waw mifanarakaraka. Ny waw (ו) dia teny fampitohizana hebreo izay midika hoe “sy”, amin’ny fotony. Tsy mandeha irery mihitsy izy io fa ampiarahina amin’ny teny hafa mandrakariva, matetika miaraka amin’ny matoanteny hebreo, mba hahaforona teny iray miaraka aminy. Nitompoan’ny sasany ary mbola itompoany teny fantatra ihany fa io fifandraisana io dia manan-kery hanova ny matoanteny iray avy amin’ny toe-javatra iray ho amin’ny hafa, izany hoe, avy amin’ny tsy efa ho amin’ny efa (araka ny natao tamin’ny fandikan-teny maro, anisan’izany ireo maoderina, tao amin’ny Genesisy 2:2, 3), na avy amin’ny efa ho amin’ny tsy efa. Izany vokatra izany dia nolazalazaina koa tamin’ny fitenenana hoe “waw mifamadika”. Io fampiharana tsy marina ny endriky ny matoanteny io dia nitarika ho amin’ny fisafotofotoana be sy ho amin’ny fandikan-tenin’ny soratra amin’ny teny hebreo tsy marina. Tsy manaiky ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao fa ny litera waw dia manan-kery hanova ny toetoetr’ilay matoanteny. Ny ezaka natao kosa dia ny hamoaka ny hery manokana sady mampiavaka ny matoanteny hebreo, ka hitahiry amin’izany ny hevitry ny teny tany am-boalohany araka ny marina.d
15. a) Nanao ahoana ny fitandremana tamin’ny fandikana ireo matoanteny grika? b) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny soa azo amin’ny fampisehoana araka ny marina ny hevitra milaza fanaovan-javatra mitohy.
15 Nisy fitandremana toy izany natao tamin’ny fandikana ireo matoanteny grika. Amin’ny teny grika, ny filazam-potoana ho an’ireo matoanteny dia tsy milaza ny fotoan’ilay asa fotsiny na ny toetoetrany fa ny karazan’ ilay asa koa, na vetivety izany, vao manomboka, mitohy, miverimberina, na vita. Ny fitandremana amin’ny heviny toy izany eo amin’ny endriky ny matoanteny grika dia mitarika ho amin’ny fandikana marina miaraka amin’ny hery manontolon’ilay asa voalazalaza. Ohatra, ny fanomezana ny hevitra mampiseho fanaovan-javatra mitohy, isaky ny itrangan’izany eo amin’ny matoanteny grika, dia tsy vitan’ny hoe mamoaka ny tena fisehon’ny tarehin-javatra iray fa mahatonga koa ny fananarana sy ny torohevitra ho mahery kokoa. Ohatra, ny tsy finoana nitohy nananan’ireo Fariseo sy Sadoseo dia nasehon’ireto tenin’i Jesosy ireto mazava tsara: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia tsy mitsahatra mitady famantarana”. Ary ny ilana asa mitohy amin-javatra mahitsy dia asehon’ireto tenin’i Jesosy ireto tsara: “Tiavo hatrany ny fahavalonareo”. “Aza mitsahatra mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana”. “Aza mitsahatra mangataka, dia homena ianareo; aza mitsahatra mitady, dia hahita ianareo; aza mitsahatra mandondona, dia hovohana ianareo.” — Matio 16:4, NW; 5:44, NW; 6:33, NW; 7:7, NW.
16. Amin’ny fanehoana fiheverana ny filazam-potoana grika aoriste, ahoana no ampisehoana araka ny marina ny fanazavan’i Jaona ny hoe “manota” ao amin’ny 1 Jaona 2:1 (NW )?
16 Ny teny grika dia manana filazam-potoana tsy fahita loatra antsoina hoe aoriste, izay miresaka asa indray mandeha monja, na vetivety. Ireo matoanteny amin’ny filazam-potoana aoriste dia azo adika amin’ny fomba isan-karazany, arakaraka ny teny manodidina azy. Ny fomba iray izay ampiasana azy io dia hanondroana asa iray amin’ny karazany iray, na dia tsy ampifandraisina amin’ny fotoana manokana aza izy io. Ny ohatra toy izany dia hita ao amin’ny 1 Jaona 2:1, izay andikan’ny dikan-teny maro ny matoanteny amin’ny hoe “manota” amin’ny fomba izay manome lalana ny fanaovana ota mitohy, fa ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao kosa dia amakiana hoe: “manao ota iray”, izany hoe, asa fanaovana ota tokana. Mampita ny heviny marina izany dia ny hoe raha toa ny Kristiana iray ka nanao fahotana iray, dia manana an’i Jesosy Kristy izay miasa amin’ny maha-mpisolovava, na mpanampy, eo anatrehan’ny Ray any an-danitra izy. Araka izany, ny 1 Jaona 2:1 dia tsy mifanohitra velively amin’ny fanamelohana ny ‘fahazarana manota’ hita ao amin’ny 1 Jaona 3:6-8 sy 5:18 fa mampiseho fotsiny ny tsy fitoviany.e
17. Ankoatra ny fampisehoana asa mitohy, dia inona koa no asehon’ny filazam-potoana tsy efa grika? Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra izany.
17 Ny filazam-potoana tsy efa amin’ny teny grika dia mety hampiseho, tsy asa iray izay mitohy fotsiny fa asa iray koa izay niezahana natao nefa tsy tanteraka. Mariho ny hamakiana ny Hebreo 11:17 ao amin’ny fandikan-teny malagasy: “Finoana no nanateran’i Abrahama an’Isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zanani-lahy tokana no naterin’ilay efa nandray tsara ny teny fikasana.” Ny matoanteny hoe ‘nanatitra’ dia miseho amin’ny endrika samy hafa amin’ireo toerana roa ireo, amin’ny teny grika. Ny fisehony voalohany dia filazam-potoana efa (vita), fa ny faharoa kosa dia filazam-potoana amin’ny endrika tsy efa (lasa mbola mitohy). Ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao, dia mandika toy izao ilay andininy, amin’ny fanehoana fiheverana ireo filazam-potoana samy hafa: “Abrahama, fony nozahan-toetra, dia toy ny efa nanolotra an’i Isaka, ary ilay lehilahy (...) dia niezaka ny hanolotra ny zanany lahy tokana.” Voatana araka izany, ny heviny milaza fahavitan-javatra eo amin’ny matoanteny voalohany fa ny filazam-potoana tsy efa kosa eo amin’ny matoanteny faharoa dia manondro fa nokendrena na niezahana natao ilay asa kanefa tsy tonga hatramin’ny fahavitany. — Gen. 22:9-14.
18. Inona no vokatry ny fiheverana tamim-pitandremana ny anjara asan’ireo tapany hafa amin’ny fiteny? Manomeza ohatra.
18 Ny fiheverana amim-pitandremana ny anjara asan’ireo teny samihafa, toy ny amin’ny anarana, ohatra, dia nitarika ho amin’ny fanazavana ireo toa fifanoheran-javatra. Ohatra, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:7, amin’ny fitantarana amin’ny an-tsipiriany ny zava-nitranga nahavariana teo amin’ny fiainan’i Paoly teny an-dalana ho any Damaskosy, dia fandikan-teny maromaro no milaza fa “nandre ny feo” nefa tsy nahita na iza na iza ireo namany niray dia taminy. Avy eo, eo amin’ny Asan’ny Apostoly 22:9, rehefa miresaka ny amin’io fisehoan-javatra io i Paoly, dia amakiana ao amin’ireo fandikan-teny ireo ihany fa ‘tsy nahare ny feo izy ireo’ na dia nahita ny hazavana aza. Kanefa, eo amin’ilay andininy nalaina voalohany, ny teny grika hoe “feo” dia amin’ny endriny mampiseho fananan-javatra, fa eo amin’ilay faharoa kosa dia amin’ny endrika famenon’ny matoanteny, toy ny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:4. Nahoana no tsy mitovy? Tsy voampita ny tsy fitoviana eo amin’ireo fandikan-teny eo ambony, kanefa ny teny grika, amin’ny alalan’ny fiovan’ny endrika, dia milaza zavatra samy hafa. Nandre ara-bakiteny “ny feo” ireo lehilahy kanefa tsy nandre izany tahaka an’i Paoly izay nandre ny teny sy nahazo ny heviny. Araka izany, ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao, amin’ny fanamarihana ny fampiasana ny endrika mampiseho fananan-javatra eo amin’ny Asan’ny Apostoly 9:7, dia amakiana fa ireo lehilahy izay niaraka taminy dia “nandre tokoa ny feon’ny teny iray, nefa tsy nahita na iza na iza”.
TONDROINA NY HOE “IANAREO”
19, 20. a) Inona no nataon’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ireo endrika toa masina enti-miresaka amin’olona, ary nahoana? b) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba anavahana ny hoe “ianao” milaza tokana amin’ny “ianareo” milaza maro.
19 Notanan’ireo fandikan-teny maoderina sasany ireo endrika tranainy sasany amin’ny mpisolo anarana hoe “ianao” amin’ny teny anglisy, rehefa Andriamanitra no iresahana. Kanefa, amin’ny fiteny nanoratana ny Baiboly, dia tsy misy endrika manokana ho an’ny mpisolo anarana ampiasaina amin’ny firesahana amin’Andriamanitra, fa ny endrika nitovy tamin’ny rehefa niresaka tamin’olona ihany no nampiasaina. Koa namela ireny fomba fiteny toa masina ankehitriny ireny, ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao ka mampiasa ny hoe “ianao” fampiasa amin’ny resaka andavanandro amin’ny toe-javatra rehetra. Mba hanavahana ny mpisolo anarana milaza maro hoe “ianareo” sy ireo matoanteny izay tsy miharihary avy hatrany ny maha-milaza maro azy amin’ny teny anglisy, dia atao pirinty manontolo amin’ny sora-baventy kely ireo teny. Ilain’ny mpamaky izany matetika mba hahafantarana na miresaka momba ny hoe “ianao” amin’ny maha-isam-batan’olona ny andinin-teny omena iray na ny hoe “IANAREO” amin’ny maha-antokon’olona, na kongregasiona.
20 Ohatra, ao amin’ny Romana 11:13, i Paoly dia miresaka amin’ny olona maro hoe: “Fa HIANAREO jentilisa no itenenako”. Kanefa eo amin’ny andininy faha-17, dia miova ho milaza tokana hoe “ianao” ny teny grika, ary manondro mivantana ny isam-batan’olona ny fampiharana azy io: “Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary hianao (...) no natsofoka teo (...)”.
FANDIKAN-TENIN’IZAO TONTOLO IZAO VAOVAO AMIN’NY FITENY HAFA
21. a) Ahoana no nahatonga hety ho an’ny mponina eto an-tany mihamaro isa hatrany ny fankafizana ireo soa entin’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao? b) Firy ny tontalin’isan’ireo Baiboly Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao nataon’ny Fikambanana Watch Tower pirinty tamin’ny 1989?
21 Tamin’ny 1961 dia nambara fa hanomboka handika ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao ho amin’ny fiteny enina fampiasa miely indrindra, dia ny neherlandey, frantsay, alemanina, italiana, portogay, ary espaniola ny Fikambanana Watch Tower. Nankinina tamina mpandika teny mahay sy nanolo-tena io asa fandikan-teny io, ka niara-niasa tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower any Brooklyn, New York izy rehetra. Niasa tamin’ny naha-komity iraisam-pirenena lehibe iray teo ambany fitarihana feno fahaizana izy ireo. Tamin’ny Jolay 1963, tao amin’ilay Fivoriambe hoe “Vaovao Tsara Mandrakizay” nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Milwaukee, Wisconsin, tany Etazonia, no nanjary teo am-pelatanana ireo voaloham-bokatr’io asa fandikan-teny io rehefa niaraka navoaka tamin’ny fiteny enina voalaza etsy ambony Ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao. Ireo mponina amin’ny tany izay miteny amin’ny fiteny ankoatra ny teny anglisy ankehitriny dia afaka nanomboka nankafy ireo tombony azo tamin’io fandikan-teny maoderina io. Hatramin’izay, dia nitohy ny asa fandikan-teny, hany ka niseho tamin’ny fiteny 11 Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny 1989, ka nisy 56 000 000 mahery no vita pirinty.f
FANKASITRAHANA NOHO ILAY FITAOVANA MAHERY
22, 23. Amin’ny fomba miavaka inona avy no mahasoa ny Kristiana io fandikan-tenin’ny Soratra ara-tsindrimandry io?
22 Fitaovana mahery tokoa ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao mba hampisehoana fa “ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”. Avy tamin’ireo hevitra nodinihina tamin’itỳ fianarana itỳ, dia afaka mankasitraka isika fa araka ny marina sy azo ianteherana izy io ary afaka manome fifaliana marina ho an’ireo izay maniry ny handre an’Andriamanitra miteny amin’olona amin’ny fomba mampientana amin’ny fiteny maoderina sy velona. Mandrisika ara-panahy ny fiteny ampiasain’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao ary mampifanaraka haingana ny mpamaky amin’ny fitenenana mahery nampiasain’ny Soratra ara-tsindrimandry voalohany izy io. Tsy mila ny mamaky sy mamerina mamaky andininy intsony isika mba hahazoana ny hevitr’ireo fehezanteny manjavozavo. Miteny tsy amim-pisalasalana amin-kery sy amin’ny fomba mazava izy io, manomboka amin’ny famakiana azy voalohany mihitsy.
23 Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao dia fandikan-teny mahatokin’ny Tenin’Andriamanitra, “ny sabatry ny fanahy”. Amin’ny maha-toy izany azy, dia tena fitaovam-piadiana mahomby izy io eo amin’ny ady ara-panahy ataon’ny Kristiana, fanampiana amin’ny ‘fandravana fampianaran-diso sy fanjohian-kevitra voaorina mafy natsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra’. Tsara toy inona moa ny fanomezan’izy io fahafahana antsika mba hanambara, amin’ny fahazoana azy tsara kokoa, ireo zavatra mahasoa sy mampahery, ireo zavatra be voninahitra mifandray amin’ny Fanjakam-pahamarinan’Andriamanitra — eny, “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra”! — Efes. 6:17; 2 Kor. 10:4, 5, NW; Asa. 2:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Introduction to the Old Testament, Robert H. Pfeiffer, 1952, pejy 94.
b Kingdom Interlinear Translation, Fanontana 1985, pejy 1133-1138.
c Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy 528.
d Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy), appendice 3C, “Matoanteny Hebreo Enti-manondro Asa Mitohy na Miandalana”.
e Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 612.
f Fanontana feno navoaka tamin’ny teny danoa, neherlandey, anglisy, frantsay, alemanina, italiana, japoney, portogay, ary espaniola (ary koa tapany tamin’ny teny finoa sy soedoa).