Toko 22
Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
Mbola andron’ny Ady Lehibe II tamin’izay, nefa ny Vavolombelona efa nandamina asa be kokoa hatao aorian’ny ady. Asehon’ny tatitra eo amin’ny pejy 462-501 ny tsipiriany mahaliana momba izay nitranga tamin’ny 1945-1975, rehefa nihamaro izy ireo, ary nitory sy nampianatra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fomba feno kokoa noho ny hatramin’izay.
EFA somary nitoriana momba ilay Fanjakana ny ankamaroan’ireo nosin’i Antilles, tamin’ny 1945, nefa nilaina ny fitoriana feno kokoa. Handray anjara be amin’izany ny misioneran’i Gileada.
Nanatevina ny asan’ny Vavolombelona tany Antilles ny misionera
Nanompo tany amin’ny nosy 27 tany Karaiba ny misionera, tamin’ny 1960. Tsy nisy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny antsasak’ireo toerana ireo, rehefa tonga ny misionera. Izy ireo no nampianatra Baiboly ny olona liana, sy nandamina fivoriana tsy tapaka. Tena nampiofana ny mpitory izy ireo, raha efa nisy fiangonana teo an-toerana. Nihatsara àry ny fivoriana sy ny vokatra azo tamin’ny fanompoana.
Efa nitory tany Trinité ny Mpianatra ny Baiboly voalohany, talohan’ny Ady Lehibe I. Nisongadina kokoa anefa ny fampianarana Baiboly ny olona liana, rehefa tonga ny misioneran’i Gileada, tamin’ny 1946. Efa ho 50 taona no nitoriana tany Jamaika, ary arivo teo ho eo ny Vavolombelona tany, rehefa tonga ny misionera voalohany. Faly anefa izy ireo, satria nahazo fanampiana mba hitory tamin’olona nahita fianarana, indrindra fa nanodidina ny renivohitra. Efa nitoriana be kosa ny olona niteny anglisy tany Aruba, ka nifantoka tamin’ny mponina teo an-toerana ny misionera. Tsy maintsy nandre ny vaovao tsara ny rehetra.
Nanamboatra sambo nirefy 18 metatra nantsoiny hoe Sibia ny Fikambanana tamin’ny 1948, mba hataon’ny misionera trano teny ambony rano, hitoriana tany tamin’ny nosy rehetra tany. Notendrena ilay ekipa mba hitory tany amin’ny nosy mbola tsy nitoriana tany Antilles. I Gust Maki no kapiteny, ary niaraka taminy i Stanley Carter sy Ronald Parkin ary Arthur Worsley. Tany amin’ireo nosy mitokana tany Bahamas aloha no nalehan’izy ireo, ary nianatsimoatsinanana izy ireo avy eo, nandalo ny Nosy Sous-le-vent sy Îles du Vent. Inona no vokatry ny fitsidihan’izy ireo? Hoy ny mpandraharaha iray tany Saint-Martin tamin’izy ireo: “Tsy zatra niresaka momba ny Baiboly mihitsy ny olona, nefa manjary miresaka Baiboly daholo izy izao, hatramin’ny nahatongavanareo.” Nosoloana sambo lehibe kokoa nantsoina hoe Light ny Sibia, tatỳ aoriana. Niova koa ilay ekipa. Mpitory niasa teny an-tanety no nanohy ny fitoriana ny vaovao tsara, rehefa niasa nandritra ny folo taona ny sambo.
Fitoriana voalohany tany an-tanàn-dehibe
Toy ny tany Antilles koa ny tany Amerika Afovoany sy Atsimo. Efa nanana bokin’ny Fikambanana ny olona sasany, talohan’ny nahatongavan’ny misioneran’i Gileada. Nilaina anefa ny fandaminana tsara kokoa, mba hitoriana tamin’ny olona rehetra sy hanampiana ny olona tso-po ho tonga mpianatra.
Nisy Vavolombelon’i Jehovah an-jatony tany Arzantina sy Brezila, tamin’ny 1945; 3 000 tany Meksika; fiangonana kely vitsivitsy tany Guyane britannique (Guyana ankehitriny), Guyane néerlandaise (Suriname ankehitriny), Orogoay, Paragoay, ary Silia; mpitory vitsivitsy tany Goatemalà sy Kolombia ary Venezoelà. Mbola tsy niorina maharitra kosa ny asan’ny Vavolombelona tany Bolivia, Ekoatera, Honduras, Nikaragoà, ary Salvadaoro, talohan’ny nahatongavan’ny misioneran’i Gileada.
Ny tanàna be mponina aloha no nifantohan’ny misionera. Tsara homarihina fa ny tanàna nanamorona ny lalan-dehibe ho any Azia Minora sy Gresy no tena nitorian’ny apostoly Paoly. Nandany herintaona sy tapany tany Korinto (anisan’ny tanàna lehibe indrindra tany Gresy) i Paoly, mba hampianarana ny Tenin’Andriamanitra. (Asa. 18:1-11) Nitoriany nandritra ny roa taona mahery koa tany Efesosy, sampanan-dalana sy toeram-pivarotana fahiny.—Asa. 19:8-10; 20:31.
Tsy toerana nanana toetany tsara koa no notadiavin’i Edward Michalec sy Harold Morris, misionera nahazo diplaoman’i Gileada, rehefa tonga tany Bolivia izy ireo, tamin’ny 1945. I La Paz renivohitra, any Andes, kosa no nifantohan’izy ireo, na dia 3 700 metatra ambonin’ny ranomasina aza no misy azy io. Sarotra ho an’ny vahiny ny miakatra amin’izany haavo izany, ka nitepotepo haingana be ny fon’izy ireo matetika. Nahita olona maro liana tamin’ny hafatry ny Baiboly anefa ireo misionera. Matetika no nisy nilaza taminy hoe: “Katolika aho, nefa tsy tiako ny pretra.” Nitarika fampianarana Baiboly 41 izy mirahalahy ireo, tao anatin’ny roa volana monja.
Nisy misionera hafa tonga, ary nihamaro ny Vavolombelona teo an-toerana, nandritra ny folo taona nanaraka, ka nojerena koa ny tanàna hafa tany Bolivia: Cochabamba, Oruro, Santa Cruz, Sucre, Potosí, ary Tarija. Nojerena taorian’izay ny tanàna kely kokoa sy ny ambanivohitra.
Tany Bogotá renivohitra koa no nifantohan’ireo misionera tany Kolombia tamin’ny 1945, ary tany Barranquilla, tanàna amoron-dranomasina, ny taona nanaraka. Nojerena tsikelikely taorian’izay ny tany Cartagena, Santa Marta, Cali, ary Medellín. Maro kokoa ny olona hita tao anatin’ny fotoana fohy, rehefa ny tanàn-dehibe no niasana voalohany. Ireo nianatra ny fahamarinana tany no nitondra ilay hafatra tany amin’ny manodidina.
Nafindra toerana ireo misionera, raha vitsy ny olona liana. Nafindra tany Machala, tanàna feno olona mahay mandefitra sy malala-tsaina àry i Carl Dochow, tany Ekoatera, tamin’ireo taona 1950, rehefa tsy nisy olona nanaraka ny fahamarinana tany Cuenca, tao anatin’ny telo taona, satria nafana fo tafahoatra tamin’ny fivavahana ny mponina tao. Nitoriana indray anefa tany Cuenca, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana. Niova ny olona, ary resy ireo sakana, ka olona 1 200 mahery tany Cuenca sy ny manodidina no lasa Vavolombelona, teo anivon’ny fiangonana 25, tamin’ny 1992!
Maharitra mitady olona toy ny ondry
Nila faharetana be ny fitadiavana olona toy ny ondry. Tsy maintsy nitoriana tany Suriname àry ny Indianina, Indonezianina, Jiosy, Libaney, taranaka holandey valovotaka, Sinoa ary ny foko bushinengués mponina an’ala, taranaka andevo nandositra. An-jatony tamin’izy ireny no tena tia fahamarinana. Nisy tsy maintsy niala tamin’ny fivavahana tamin’ny natiora sy ny fifandraisana amin’ny demonia. Anisan’izany i Paitu, mpisikidy. Nandray am-po ny hafatra ao amin’ny Baiboly izy, ka nariany tany an-drenirano ny sampy sy odiny. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 7:25; 18:9-14; Asan’ny Apostoly 19:19, 20.) Nanolo-tena ho an’i Jehovah, Andriamanitra marina, izy, tamin’ny 1975.
Maro amin’ny Perovianina no mipetraka any amin’ny tanàna kely any an-tendrombohitra Andes sy ny ala manodidina ny loharanon’i Amazone. Ahoana no hitoriana amin’izy ireo? Nisy fianakaviana Vavolombelona avy teto Etazonia, nandeha tany Peroa tamin’ny 1971, mba hitsidika an’i Joe Leydig, misionera zanak’izy ireo. Te hanao zavatra izy ireo, rehefa nahalala fa maro ny tanàna miparitaka any an-dohasaha any an-tendrombohitra. Nanampy izy ireo mba hahazoana tranofiara iray aloha, ary roa hafa avy eo. Nanome môtô tsy mataho-dalana koa izy ireo, mba hanaovana dia fitoriana lavitra.
Toa vitsy ihany no liana tamin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly, na dia teo aza ny ezaka natao tany amin’ny toerana maro. Eritrereto izay tsapan’ny misionera tanora enina tany Barquisimeto, any Venezoelà, tamin’ireo taona 1950, rehefa tsy nahita fandrosoana firy izy ireo, nefa niasa mafy nandritra ny herintaona. Sariaka be ny olona, nefa tena ninonino foana, ary noheveriny fa fahotana ny mamaky andininy ao amin’ny Baiboly. Nokivin’ny havana na ny mpiara-monina matetika, izay niseho ho liana. (Matio 13:19-21) Nitory isan-trano hatrany anefa ireo misionera, satria natoky izy ireo fa tsy maintsy nisy olona toy ny ondry tany Barquisimeto, hangonin’i Jehovah amin’ny fotoana mety. Tena faly àry i Penny Gavette indray andro, rehefa nisy vehivavy efa fotsy volo nihaino azy, sy niteny hoe:
“Efa tamin’izaho mbola tovovavy no niandry olona ho tonga eto amiko sy hanazava an’ireo zavatra vao avy nolazainao teo. Mpanadio tranon’ny pretra aho, tamin’izany, ary nisy Baiboly teo amin’ny talantalam-bokiny. Fantatro fa tsy navela hamaky an’ilay izy izahay, nefa tena tiako ho fantatra ny anton’izany. Nentiko tany an-trano ilay izy indray andro, rehefa tsy nisy nahita aho, ary novakiko an-tsokosoko. Hitako avy tamin’izay novakiko fa tsy nampianatra fahamarinana anay ny Eglizy Katolika, ka tsy fivavahana marina. Natahotra ny hiresaka izany tamin’olona aho, nefa ninoako fa ho avy teo an-tanànanay, indray andro any, ny olona manaraka ny fivavahana marina. Noheveriko fa ny Protestanta izany, rehefa tonga izy ireo, nefa hitako avy hatrany fa mampianatra zavatra diso toy ny Katolika koa izy ireo. Izay zavatra vao avy nolazainareo tamiko teo mihitsy no novakiko tao amin’ny Baiboly, taona maro lasa izay.” Nanaiky hianatra Baiboly avy hatrany izy, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanohitra ny havany, nefa nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana izy, mandra-pahafatiny.
Nilaina ny ezaka mafy mba hanangonana olona toy ny ondry ho eo anivon’ny fiangonana sy hampiofanana azy ireny amin’ny fanompoana. Nanao dia 60 kilaometatra tsy tapaka, avy tany General San Martín, any Chaco, i Rosendo Ojeda, tany Arzantina, mba hitarika fivoriana tany an-tranon’i Alejandro Sozoñiuk, olona liana. Naharitra adiny folo ilay dia, am-bisikileta indraindray, an-tongotra indraindray, ary nita renirano hatreo ambany helika indraindray. Nanao io dia io isam-bolana izy, nandritra ny dimy taona, ary nijanona herinandro isaky ny nandeha, mba hitory tany. Nisy vokany ve izany? Tena mino izany izy, satria fiangonana iray faly midera an’i Jehovah no vokany.
Fampianarana hahazoana fiainana
Nanao ny asany araka ny lalàna momba ny fikambanana ara-kolontsaina, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Meksika. Tsy ny hitarika fivoriana nisy lahateny fotsiny no tanjon’izy ireo. Tian’izy ireo ny olona mba ho toy ny Berianina tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, izay afaka “nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.” (Asa. 17:11) Tafiditra tamin’izany ny fanampiana manokana ny olona tsy nianatra, mba ho afaka hamaky ny Tenin’Andriamanitra.
Nanampy olona an’aliny ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra notarihin’ny Vavolombelona tany Meksika. Ankasitrahan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-bahoakan’i Meksika io asa io, ka nanoratra toy izao ho an’ny Fikambanana La Torre del Vigía de México (anaran’ny fikambanan’ny Vavolombelona any), ny lehiben’ny Birao Foiben’ny Fampianarana Olon-dehibe: “Hararaotiko izao mba hisaorana anareo ... noho ny fiaraha-miasa mendri-piderana nasehon’ny fikambananareo nandritra ny taona maro, ka nahasoa ny vahoaka.”
Manomana ny olona ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra hiaina mandrakizay ny fampianaran’ny Vavolombelona, sady manatsara ny fiainam-pianakaviana ankehitriny. Nanoratra fanambadiana Vavolombelona maro ny mpitsara iray tany El Salto, any Durango, ka hoy izy tamin’ny 1952: “Milaza ho tia tanindrazana sy olom-pirenena mahafatra-po isika, nefa mahamenatra raha ampitahaina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Modely ho antsika izy ireo, satria tsy avelany hisy olona eo aminy hiara-mipetraka, nefa tsy mpivady vita soratra. Ianareo Katolika anefa saika maloto fitondran-tena daholo, sady tsy mpivady vita soratra.”
Manampy olona koa io fampianarana io mba hihavana sy hifankatia, fa tsy hifankahala sy hifamono. Hitan’ny Vavolombelona nitory tany Venado, any Guanajuato, fa nanana basy daholo ny olona. Ripaka ny fianakaviana maro, vokatry ny fifandrafiana naharitra. Nitondra fiovana lehibe anefa ny fampianarana Baiboly. Namidy ny basy mba hividianana Baiboly. Olona 150 tao no lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny farany. Toy ny “nanefy ny sabany ho fangady” izy ireo, ka niezaka hitandro fihavanana.—Mika 4:3.
Maro ny Meksikanina nandray am-po ny zavatra nampianarin’ny Vavolombelona avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Koa raha an’arivony vitsivitsy monja ny mpitory tany Meksika taorian’ny Ady Lehibe II, dia lasa 10 000, avy eo 20 000, 40 000, 80 000, na mahery, ireo nampiseho tamin’ny olona ny fomba hampiharana ny Tenin’Andriamanitra sy hampianarana izany.
Fivoriambe tao anaty fahasahiranana
Nihamaro ny Vavolombelona, nefa voatery niatrika zava-tsarotra maro izy ireo tany amin’ny tany maro, mba hanaovana fivoriambe kristianina. Noraran’ny fanjakana izy ireo tany Arzantina, tamin’ny 1950. Nankatò an’Andriamanitra anefa izy ireo, ka tsy nitsahatra nitory sy nivory. Sarotra kokoa ny fandaminana fivoriambe, nefa natao ihany izany.
Nandalo tany Arzantina, ohatra, ny Rahalahy Knorr sy ny Rahalahy Henschel tamin’ny 1953, mba hanao fivoriambe. Niditra avy tany andrefana ny Rahalahy Knorr, fa nanomboka ny fitsidihany tany atsimo kosa ny Rahalahy Henschel. Nanao lahateny tany amin’ny toeram-piompiana izy ireo, na teny amin’ny saham-boankazo, na tamin’ny fitsangantsanganana teny amoron-drano, na tany an-trano. Tsy maintsy nanao dia lavitra izy ireo matetika, mba hamonjena ny fivoriambe nanaraka. Tonga tany Buenos Aires izy ireo, ka samy nanao lahateny tamin’ny toerana 9, tao anatin’ny iray andro, ary tany amin’ny trano 11 ny ampitson’iny. Nanao lahateny tamin’ny fivoriambe 56 izy ireo, ka 2 505 no nanatrika azy ireny. Nandreraka izany, nefa faly izy ireo nanompo ny rahalahiny.
Niomana hanao fivoriambe ny Vavolombelona tany Kolombia tamin’ny 1955, ka nanao fifanekena hampiasana efitrano iray tany Barranquilla. Noteren’ny eveka anefa ny ben’ny tanàna sy ny governora, ka nofoanana ilay fifanekena, iray andro talohan’ilay izy. Voatery nandamina ilay fivoriambe teo an-tokotanin’ny biraon’ny sampana ireo Vavolombelona. Nisy polisy nitondra fitaovam-piadiana anefa, tonga handrava an’ilay fivoriambe, ny harivan’ilay andro voalohany. Nikiry ihany ireo rahalahy. Nakarina tany amin’ny ben’ny tanàna ilay raharaha, ny ampitson’iny, ka niala tsiny ny sekreterany. Olona efa ho 1 000 no nifanizina tao amin’ilay tanin’ny Fikambanana, ny andro faran’io Fivoriambe “Fanjakana Mandresy” io. Nahazo torohevitra ara-baiboly nampahery àry ireo rahalahy, na teo aza izany rehetra izany.
Manompo any amin’izay mila mpitory maro kokoa
Lehibe ny saha, ary be ny mpiasa nilaina tany Amerika Latinina sy tany an-toeran-kafa. Nampirisihina àry ny fianakaviana Vavolombelona matotra eran-tany, tamin’ny fivoriambe tamin’ny 1957, mba hihevitra ny hifindra tany amin’ny toerana nila mpitory, ka hipetraka sy hanao ny fanompoany any. Nisy fampirisihana toy izany nomena foana tatỳ aoriana. Io fanasana io dia toy ilay nasehon’Andriamanitra ny apostoly Paoly, izay nahita lehilahy niangavy azy toy izao, tamin’ny fahitana: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.” (Asa. 16:9, 10) Nisy namaly an’io antso io ve ankehitriny? Nanolo-tena ny mpanompon’i Jehovah.—Sal. 110:3.
Nila finoana lehibe ny fianakaviana nisy ankizikely, raha te hifindra sy handao havana sy trano ary asa, mba handeha any amin’ny toerana vaovao tanteraka. Mety ho voatery hanaiky fomba fiaina vaovao sy hianatra fiteny vaovao indraindray, ireo te hifindra. Vavolombelona an’arivony anefa no nifindra toy izany mba hanampy olon-kafa hianatra momba ny fandaharana feno fitiavan’i Jehovah momba ny fiainana mandrakizay.
Nanaiky izany haingana ny Vavolombelona maromaro, ka nifindra tamin’ny faran’ireo taona 1950, sy tamin’ireo taona 1960, ary tamin’ireo taona 1970. Ary mbola misy Vavolombelona mifindra ho any amin’ny toerana mila mpitory hatramin’izao.
Avy aiza ireo nifindra? Maro no avy any Aostralia, Etazonia, Kanada, ary Nouvelle-Zélande. Nisy avy any Alemaina sy Frantsa ary Grande-Bretagne. Eo koa ireo avy any Aotrisy, Belzika, Danemark, Espaina, Failandy, Italia, Japon, Repoblikan’i Korea, Norvezy, Soeda sy Soisa, ary ny hafa koa. Nihamaro ny Vavolombelona tany Arzantina, Brezila, Meksika ary tany hafa tany Amerika Latinina, ka nanjary vitan’izy ireo koa ny nandefa mpiasa vonona hanompo any amin’ny tany mila mpitory maro kokoa. Nifindra tany an-tany hafa koa ny mpiasa mazoto tany Afrika, mba hanampy tamin’ny fitoriana.
Nifindra taiza izy ireo? Tany toa an’i Afghanistan sy Malezia ary Sénégal, ary nosy toa an’i La Réunion sy Sainte-Lucie. Nisy 1 000 teo ho eo nifindra tany Irlandy, ary niovaova ny faharetan’ny fanompoany tany. Maro koa no nifindra tany Islandy, na dia lava sy maizina aza ny ririnina any. Nisy mihitsy aza nijanona, ka lasa andrin’ny fiangonana sy nanampy an’ireo vaovao. Ny tany Amerika Afovoany sy Atsimo no tena nahazo fanampiana. Vavolombelona 870 mahery no nifindra tany Ekoatera, 1 000 mahery tany Kolombia, ary 110 mahery tany Salvadaoro.
Anisan’ireo nifindra i Harold sy Anne Zimmerman. Efa misionera mpampianatra tany Etiopia izy ireo. Nitaiza zaza efatra anefa izy ireo tamin’ny 1959 (dimy taona ny voalohany ary dimy volana ny farany), teo am-piomanana hiala teto Etazonia ho any Kolombia, mba hitory tany. Lasa nitady asa tany i Harold. Nampanahy azy ny vaovao teo an-toerana, rehefa tonga tany izy. Nisy ady an-trano tsy nambara mazava, nipoaka, ary maro ny olona maty. ‘Tiako hoentina hipetraka atỳ tokoa ve ny ankohonako?’, hoy izy. Nieritreritra toro lalana na ohatra ara-baiboly hitarika azy izy. Tsaroany ireo mpisafo tany israelita saro-tahotra, nitondra vaovao ratsy momba ny Tany Nampanantenaina. (Nom. 13:25–14:4, 11) Tsy te ho toa azy ireo izy! Nataony haingana izay hahatongavan’ny ankohonany. Efa telo dolara sisa ny tahirin’izy ireo, vao nahita asa izy, nefa nahazo izay tena nilaina foana izy ireo. Niovaova foana ny habetsahan’ny asa nataony, nefa niezaka nametraka an’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany foana izy. Vavolombelona 1 400 no tany Kolombia, tamin’izy ireo tonga tany. Nahita fitomboana be izy ireo, taorian’izay!
Tsy voatery handeha any an-tany hafa ny Vavolombelona te hanompo amin’ny toerana mila mpitory maro kokoa. Vavolombelona an’arivony no nifindra tamin’ny toerana hafa tao amin’ny taniny ihany. Nifindra tany Prado, toerana tsy nisy Vavolombelona, ny fianakaviana tany Bahia, any Brezila. Nipetraka sy niasa tao amin’ilay tanàna sy ny manodidina izy ireo, nandritra ny telo taona, na dia teo aza ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana. Novidina sy novana ho Efitrano Fanjakana ny trano fiangonana iray tsy nisy nampiasa intsony. Tsy ela dia nisy Vavolombelona 100 narisika teo amin’ilay toerana. Vao fiandohana ihany anefa izany.
Mihamaro hatrany ireo tia ny fahamarinana any Amerika Latinina, manaiky ilay fanasan’ny Salamo 148 hoe: ‘Haleloia. Miderà an’i Jehovah etỳ an-tany sy ny vahoaka rehetra.’ (and. 1, 7-11) Nisy mpidera an’i Jehovah tokoa tany amin’ny tany rehetra tany Amerika Latinina, tamin’ny 1975. Nisy 80 481 izy ireo, tany amin’ny fiangonana 2 998, tany Meksika tamin’io taona io. Olona 24 703 kosa no niresaka momba ny Fanjakan’i Jehovah, tany amin’ny fiangonana 462 tany Amerika Afovoany. Ary 206 457 ny mpidera an’i Jehovah tany amin’ireo fiangonana 3 620 tany Amerika Atsimo.
Fitoriana tany amin’ireo nosin’i Pasifika
Nisy fitomboana be tany Amerika Atsimo, nefa nitodika tany amin’ireo nosin’i Pasifika koa ny Vavolombelona. An-jatony ireo nosy miparitaka eo anelanelan’i Aostralia sy Amerika, ary maro aminy no zara raha miseho avy ao anaty ranomasina. Fianakaviana vitsivitsy monja no mponina any amin’ny sasany, fa olona an’aliny kosa no any amin’ny hafa. Tsy afaka nandefa misionera tany ny Fikambanana, tamin’ireo taona 1950, noho ny fanavakavahan’ny fitondrana. Tokony handre momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany koa anefa ny mponina tany, araka ny Isaia 42:10-12, hoe: “Samia mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ny faran’ny tany. Aoka ... hitory ny fiderana Azy any amin’ny nosy.” Nasaina hihaona tamin’ny Rahalahy Knorr àry ny mpisava lalana sy mpiandraikitra ny faritra te hitory tany amin’ireny nosy ireny, nandritra ny fivoriambe tany Sydney, tamin’ny 1951. Nisy 30 no nirotsaka hanao izany tamin’io.
Anisan’izy ireo i Tom sy Rowena Kitto, izay nankany Papouasie, toerana tsy nisy Vavolombelona. Nitory tamin’ny Eoropeanina tany Port Moresby aloha izy ireo. Tsy ela izy ireo dia nandany ny takarivany tany Hanuabada, ilay “Tanàna Lehibe”, niaraka tamin’olona 30 na 40 teo an-toerana, izay tena liana tamin’ny fahamarinana. Ireo no niresaka tamin’olona tamin’ny tanàna hafa. Vetivety dia nandefa solontena mba hangataka fampianarana Baiboly ny Kerema. Nisy lehiben’ny fokonolona tany Haima koa tonga, niangavy hoe: “Tongava re, mba hampianatra fahamarinana ny vahoakako e!” Niparitaka toy izany àry ilay izy.
Nandeha tany Nouvelle-Calédonie mba hanomboka ny asa i John sy Ellen Hubler. Visa iray volana ho an’ny mpizaha tany no nananan’izy ireo, tamin’izy tonga, tamin’ny 1954. Nahita asa anefa i John, ka azo nohalavaina ny visa ho azy ireo. Vavolombelona 31 hafa koa tatỳ aoriana, no nifindra toy izany. Tany amin’ny sisin-tany izy ireo tamin’ny voalohany no nitory, mba tsy hisarika ny sain’ny olona loatra. Nitory tany Nouméa renivohitra kosa izy, tatỳ aoriana. Nisy fiangonana iray niforona. Nahazo toerana ambony tao amin’ny fitondrana ny olona iray anisan’ny Fikambanana Katolika, tamin’ny 1959. Tsy nohavaozina intsony ny visa ho an’ny Vavolombelona. Tsy maintsy nandeha ry Hubler. Norarana ny bokin’ny Fikambanana. Efa namaka anefa ny vaovao tsara, ka nihamaro hatrany ny Vavolombelona.
Maro ny olona liana tamin’ny asan’ny Vavolombelona tany Tahiti, rehefa nitsidika vetivety tany ireo rahalahy. Tsy nisy Vavolombelona anefa tany tamin’ny 1957, sady voarara ny asa, ary tsy navela hiditra tany ireo misionera. Soa ihany fa lasa Vavolombelon’i Jehovah i Agnes Schenck, tahisianina nipetraka tany Etazonia. Rehefa fantany fa nila mpitory tany Tahiti, dia niondrana an-tsambo avy any Kalifornia ho any Tahiti izy mivady sy ny zanany, tamin’ny Mey 1958. Nisy fianakaviana roa hafa nanaraka azy ireo, tsy ela taorian’izay, na dia visa telo volana ho an’ny mpizaha tany ihany aza no azony. Nisy fiangonana niforona tany Papeete, ny taona nanaraka. Neken’ny fitondrana tamin’ny 1960 ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana.
Nisy anabavy misionera roa avy any amin’ny toerana nanendrena azy, tonga nitsidika havana tany amin’ny nosy Niue, mba hitory ny vaovao tsara. Nahita vokatra izy ireo, nandritra ilay volana nijanonany tao, satria maro ny olona liana. Tsy maintsy nandeha anefa izy ireo, rehefa tonga ny sambo. Tsy ela dia nahita asa tao amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy tany Niue, i Seremaia Raibe, avy any Fidji, ka nitory tany rehefa tsy niasa. Nofoanana anefa ny taratasy fahazoany mijanona, rehefa afaka volana vitsivitsy, vokatry ny faneren’ny mpitondra fivavahana, ary namoaka lalàna ny Antenimiera tamin’ny Septambra 1961, nilaza fa tsy azo nidiran’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay tany. Nitohy anefa ny fitoriana ny vaovao tsara tany. Tamin’ny fomba ahoana? Nanompo an’i Jehovah hatrany ireo Vavolombelona teo an-toerana, na dia vaovao ihany aza. Neken’ny fitondrana koa ny hampiasa an’i William Lovini, mponin’i Niue, nipetraka tany Nouvelle-Zélande. Nahoana izy no maika hiverina tany Niue? Satria lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, ary te hanompo tany amin’ny toerana nila mpitory maro kokoa. Nitombo ho 34 ny Vavolombelona tany tamin’ny 1964.
Nipetraka tao amin’ny trano tsara tarehy tany Nouvelle-Zélande i David Wolfgramm sy ny vadiny ary ny zanany valo, avy any Tonga, tamin’ny 1973. Nialan’izy ireo anefa izany, ka lasa izy ireo nifindra tany Tonga mba hitory. Nitory tany amin’ireo nosy maro tany Tonga izy ireo avy eo (nosy 30 eo ho eo no misy mponina).
Nila fotoana sy ezaka ary vola be ny fitoriana tany amin’ireo nosy. Heverin’ny Vavolombelona ho sarobidy anefa ny ain’ny olona, ka ataony ny ezaka rehetra hanampiana azy handray soa avy amin’ny fandaharan’i Jehovah hahazoana fiainana ao amin’ny tontolo vaovao.
Namidin’ny fianakaviana iray ny fiompiany tany Aostralia, ka nifindra tany amin’ny nosy iray any Pasifika izy ireo. Izao no zavatra tsapany: “Tena nahazo valisoa sarobidy izahay satria nanapa-kevitra ny hamaly ilay antso tatỳ Pasifika Atsimo ... Mahafinaritra mantsy ny mandre an’ireo mponina milaza hoe nanjary nahafantatra an’i Jehovah izy, antsoiny hoe zanany ny zanakay, satria tiany vokatry ny fahamarinana; hitanay ny fitomboan’ny asan’ilay Fanjakana sy ny mpanatrika fivoriana, ary renay ireo olona ireo nilaza hoe: ‘Tsy hanambady afa-tsy ao amin’ny Tompo ihany’ ny zanako, na dia efa taona maro aza no nanarahany fombafomba fanambadiana tatsinanana; hitanay izy ireo nanova sy nanadio ny fanambadiany, ... ary hitanay izy ireo nianatra teo am-piandrasana ny bibiny teny amoron-dalana, taorian’ny asa mafy teny an-tanimbary; renay fa miresaka any am-pivarotana sy toeran-kafa izy ireo hoe tsy mety ny manompo sampy, tsara ny anaran’i Jehovah; miantso anao hoe ranadahy sy rahavavy ny ramatoa zokiolona indianina, ary mangataka mba hiaraka aminao hiresaka momba ilay Andriamanitra marina amin’ny olona.”
Tsy ny mponina tany Pasifika ihany anefa no nitoriana. Nisy mpisava lalana za-draharaha avy any Philippines, nanomboka tamin’ny 1964, notendrena mba hanampy misionera mazoto tany Hong Kong, Indonezia, Repoblikan’i Korea, Laos, Malezia, Tailandy, Taïwan, ary Vietnam.
Eo anatrehan’ny faneren’ny havana sy ny mpiara-monina
Tsy voatery hoheverin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ho safidin’ny tsirairay ny fahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah.—Matio 10:34-36; 1 Pet. 4:4.
Tanora ny ankamaroan’ireo lasa Vavolombelona any Hong Kong. Niharam-panerena faran’izay mafy anefa izy ireo, satria manindrahindra ny fianarana ambony sy asa be karama io tany io. Heverin’ny ray aman-dreny ho tahirim-bola hahafahany hiadana ny zanany, rehefa antitra izy ireo. Nanohitra mafy àry ny ray aman-drenin’ny tovolahy iray atao hoe Kwun Tong, satria nanakantsakana ny fitadiavany vola ny fianarana Baiboly sy fanatrehana fivoriana ary fanompoana. Nanenjika azy tamin’ny antsibe ny rainy, ary nandrora azy teny imasom-bahoaka ny reniny. Tsy nitsahatra nandritra ny volana maro ny teny mahery. Hoy izy tamin-dray sy reniny, indray mandeha: “Tsy notezainareo noho ny fitiavana angaha aho?” Hoy izy ireo: “Tsy izany mihitsy, fa mba hahazoam-bola!” Nataon’ilay tovolahy teo amin’ny toerana voalohany foana anefa i Jehovah. Nanampy ara-bola ny ray aman-dreniny araka izay azony natao izy, na dia niala tao an-trano aza, satria fantany fa mahafaly an’i Jehovah izany.—Matio 15:3-9; 19:19.
Tsy ny havana akaiky ihany no manery, rehefa mifandray akaiky ny olona. Anisan’ny niharan’izany i Fuaiupolu Pele, tany Samoa Andrefana. Heverin’ny mponin’i Samoa fa tsy mety ny mandà ny fombafomba sy fivavahan-drazana, ka fantatr’i Pele fa tsy maintsy hampamoahina izy. Nianatra mafy sy nivavaka tamin’i Jehovah izy. Nantsoin’ny lehiben’ny fianakaviana izy mba hivory tany Faleasiu. Ireto avy no nihaona taminy tao: loham-pianakaviana enina, mpandahateny telo, pasitera folo, mpampianatra teolojia roa, ilay lehibe izay nitarika ny fivoriana, ary ny lehilahy sy vehivavy zokiolona teo amin’ny fianakaviana. Nanozona sy nanameloka an’i Pele sy ny havana iray liana tamin’ny Vavolombelona ireo olona ireo. Nisy adihevitra taorian’izay, naharitra hatramin’ny efatra maraina. Tezitra ny sasany, rehefa nampiasa Baiboly i Pele, ka hoy izy ireo nikiakiaka: “Esory any iny Baiboly iny!” Niteny moramora anefa ilay lehibe, tamin’ny farany hoe: “Nandresy ianao, ry Pele.” Hoy anefa i Pele: “Aza fady, tompoko, fa tsy nandresy aho. Renareo izao alina izao ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary iriko mihitsy ny mba hanekenareo izany.”
Fanoherana mafy avy amin’ny mpitondra fivavahana
Tonga tany amin’ireo nosin’i Pasifika tamin’ireo taona 1800 ny misioneran’ny Kristianisma Anarana. Nilamina ny fahatongavan’izy ireo tamin’ny toerana maro, fa nampiasana hery kosa tany an-toeran-kafa. Nozarazarain’izy ireo tamin’ny fomba tsotra ny nosy sasany. Niady fahefana koa anefa ny Katolika sy Protestanta. Nampiasa ny fomba rehetra ireo “mpiandry”, na mpitondra fivavahana, ireo mba tsy hisian’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny toerana noheveriny fa azy. Notereny indraindray ny manam-pahefana mba handroaka ny Vavolombelona tany amin’ny nosy sasany. Namorona lalàna koa izy ireo indraindray.
Tena liana tamin’ny fahamarinana ny olona anisan’ny foko sulka, tany an-tanànan’i Vunabal, any Nouvelle-Bretagne. Izao anefa no nitranga indray alahady, tamin’ny 1959, rehefa nitarika fampianarana Baiboly tany i John Davison: Nisy vahoaka katolika notarihin’ny katekista, niditra an-keriny tao amin’ilay trano, ka nampijanona ilay fianarana, satria nikiakiaka be izy ireo. Noresahina tamin’ny polisy tany Kokopo izany.
Tsy nandao an’ireo ondry ny Vavolombelona, fa niverina afaka herinandro, mba hampaherezana ireo olona tia fahamarinana tany Vunabal. Teo koa ny pretra, na dia tsy nasain’ny tao an-tanàna aza, sady nitondra Katolika an-jatony avy amin’ny foko hafa. Nampirisihin’ny pretra ilay vahoaka, ka nanompa an’ireo Vavolombelona sy nandrora azy, sady nanambana totohondry, nandrovitra ny Baiboly teny an-tanan’ireo mponina. Nanao “croiser les bras” sy nitsiky fotsiny tamin’izany ilay pretra. Tena gaga ireo polisy niezaka nanakana an’ilay vahoaka. Nanjary natahotra koa ireo mponina. Nahery fo anefa ny olona iray, ka nijoro tamin’izay fantany fa marina. An-jatony ankehitriny no nanao toy izany teo amin’io nosy io.
Tsy ny mpitondra fivavahana rehetra anefa no tsy tia Vavolombelona. Nahatsapa ny adidiny tamin’ireo nihevitra azy ho mpitarika i Shem Irofa’alu, tany amin’ny Nosy Salomon. Takany fa nisy nandainga taminy, rehefa voavakiny ny boky Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray. Niresaka tamin’ny Vavolombelona izy sy ny mpampianatra teo ambany fiadidiany, ary nametraka fanontaniana sy nijery andininy tao amin’ny Baiboly. Samy naniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ka novany ho Efitrano Fanjakana ny trano fiangonany 28 tany amin’ny tanànany.
Nitosaka tany Afrika ny ranon’ny fahamarinana
Tamin’ireo taona 1920 indrindra no niezahana mafy ny hampahafantatra tamin’ny Afrikanina, an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, sy ny fikasany feno fitiavana. Nisy Vavolombelona tany amin’ny tany afrikanina 14, taorian’ny Ady Lehibe II. Tany afrikanina 14 hafa no efa nitoriana, nefa tsy nisy Vavolombelona nanao tatitra momba izany tamin’ny 1945. Tonga tany amin’ny tany 19 hafa tany Afrika ny vaovao tsara, nandritra ireo 30 taona nanaraka, hatramin’ny 1975. Nisy fiangonana niforona tamin’ireny tany ireny sy ireo nosy manodidina azy, ka vitsy ny sasany, fa arivo mahery kosa ny tany Zambia, ary efa ho roa arivo ny tany Nizeria. Ahoana no nahatonga izany rehetra izany?
Toy ny rano mahery ny fahatongavan’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mandeha amin’ny lalan-drenirano ny ankamaroan’ny rano, na dia misy aza tafahoatra ka lasa eo amin’ny tany eo akaikiny. Mitady lalan-kafa na miangona mba hahazo hery ny rano sakanana, ary mitosaka eny ambony avy eo.
Nampiasa ny lalana mahazatra azy ny Fikambanana, ka nanendry mpitory manontolo andro (mpisava lalana sy mpisava lalana manokana ary misionera) ho any amin’ny tany zara raha nitoriana, na mbola tsy nitoriana mihitsy. Nanasa olona foana izy ireo mba “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:17) Anisan’ny nanasa ny mponin’i Alzeria, any Afrika avaratra, ohatra, ny mpisava lalana manokana efatra avy any Frantsa, tamin’ny 1952. Tsy ela dia nanaiky ny fahamarinana ny vehivavy iray mpanandro tany, ka takany fa tsy maintsy najanony ny asany raha te hampifaly an’i Jehovah izy. Nanomboka nitory tamin’ireo olona mpankao aminy izy. (Deot. 18:10-12) Nampiasain’ireo mpisava lalana tsara ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, mba hanampiana ny olona tso-po hahita ny fahasamihafan’ny Baiboly Masina sy ny fombafombam-pivavahana. Lehibe ny herin’izy io nanafaka ny olona tamin’ny fombam-pivavahan-diso, ka izao no nataon’ny mpitondra fivavahana iray: nentiny teo amin’ny polipitra ilay boky, ka nozoniny ilay izy sy izay nizara azy, ary izay namaky azy.
Noroahina tany Espaina ny misionera iray tamin’ny 1954, satria nampianatra Baiboly, nefa tsy nahazo lalana avy tamin’ny mpitondra fivavahana. Lasa nitory tany Maroc àry izy sy ilay mpisava lalana namany, ny taona nanaraka. Tsy ela dia tonga nanampy azy ireo ny fianakaviana Vavolombelona dimy mianaka, noroahina avy tany Tonizia. Nisy korontana be mantsy tany, satria nisy mpivady jiosy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia, ka niresaka izany haingana tamin’olona. Nisy mpisava lalana tany Ghana nasaina ho any Mali, tamin’ny 1962. Nangatahina hanampy tany Mali koa, tatỳ aoriana, ny mpisava lalana frantsay nanompo tany Alzeria. Maro tamin’ireo tonga Vavolombelona tany no nirotsaka tamin’ny fanompoana manontolo andro koa. Mpisava lalana manokana valo tany Nizeria no voatendry ho any Niger, tamin’ny 1966. Tany tsy dia misy mponina izy io, sady misy ampahany efa anisan’ny Efitr’i Sahara. Afaka nandre momba ilay Fanjakana i Burundi, rehefa nisy mpisava lalana manokana roa nalefa avy any Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny), tamin’ny 1963, sy misioneran’i Gileada efatra, tato aoriana.
Nisy misionera koa tany Etiopia, tamin’ireo taona 1950. Notakin’ny fitondrana etiopianina ny hanorenan’izy ireo misiona sy hanokafany fianarana, ka nataon’izy ireo izany. Nampianatra Baiboly koa anefa izy ireo, ka vetivety dia maro ny olona tonga tao an-tranon’ny misionera, ary maro ny vaovao tonga isan’andro mba hangataka olona hanampy azy hahatakatra ny Baiboly. Firenena 39 tany Afrika no nahazo fanampian’ny misioneran’i Gileada, nandritra ireo 30 taona taorian’ny Ady Lehibe II.
Niparitaka tany amin’ny toerana mbola tsy nitoriana koa anefa ny ranon’ny fahamarinana, satria nisy Vavolombelona nifindra tany noho ny asany. Nazoto nitory, ohatra, ireo Vavolombelona avy any Ejipta, izay lasa niasa tany Libya, tamin’ny 1950. Nisy Vavolombelona mpivarotra lamba volonondry avy any Ejipta, nifindra ho any Khartoum, any Soudan, niaraka tamin’ny ankohonany. Nataony fahazarana ny nitory tamin’ny mpividy, talohan’ny niresahany varotra. Solontenan’ny tranombarotra iray ny Vavolombelona voalohany tany Sénégal (anisan’i Afrika Andrefana frantsay tamin’izany), ary tonga tany tamin’ny 1951. Takany koa anefa fa Vavolombelon’ilay Avo Indrindra izy. Ny asan’ny Vavolombelona iray koa, tamin’ny 1959, no nahatonga azy hifindra tany Fort-Lamy (N’Djamena ankehitriny), lasa anisan’i Tchad tatỳ aoriana, ka nohararaotiny ny fahafahana rehetra hitory tany. Nisy Vavolombelona mpivarotra tany akaikin’i Niger, ka ankoatra an’ireo mpisava lalana manokana niasa tany Niger nanomboka tamin’ny 1966, dia teo koa ireo mpivarotra ireo nitory tamin’ny mponin’i Niger nividy entana taminy. Nanararaotra nitory tany Maoritania koa ny Vavolombelona roa nanaraka ny vadiny niasa tany, tamin’ny 1966.
Niresaka tamin’olon-kafa ireo velombelona noho ilay ‘ranon’aina.’ Nanatrika fivoriana sasany tany Cameroun, ohatra, ny lehilahy iray, tamin’ny 1947, ary nifindra tany Oubangi-Chari (République centrafricaine ankehitriny). Nandre izy fa nisy lehilahy tena liana tamin’ny Baiboly tany Bangui, ka nataony izay handefasan’ny biraon’ny sampan’i Soisa boky ho an’io lehilahy io. Faly be io lehilahy atao hoe Etienne Nkounkou io, noho ny fanazavana momba ny Baiboly tao anatin’ilay boky, ka namaky azy io isan-kerinandro tamin’ny olona liana hafa izy. Nifandray tamin’ny foiben’ny Fikambanana izy ireo. Nitombo ny fahalalany, ka lasa nitory koa izy ireo. Baiboly fotsiny no nentin’ireo Vavolombelona vaovao ireo nitory, satria noraran’ny fitondrana ny bokin’ny Fikambanana, noho ny faneren’ny mpitondra fivavahana. Tia miresaka Baiboly ny mponin’io tany io, ka efa maherin’ny 500 ny Vavolombelona tany tamin’ny 1957, rehefa nesorina ilay fandrarana ny bokin’ny Fikambanana.
Sakana samihafa
Nahita lalana naleha foana ilay rano manome aina, rehefa nisy nanakana. Nitory vetivety tany Togo français (Togo ankehitriny) i Ayité Sessi, mpisava lalana avy any Dahomey (Bénin ankehitriny), tamin’ny 1949, nefa noroahin’ny fanjakana tany. Niverina tany Togo tanindrazany, niaraka tamin’ny rahalahiny anefa i Akakpo Agbetor, mpanao ady totohondry teo aloha, tamin’ny 1950. Afaka nitory nalalaka sy nanao fivoriana izy, satria tanindrazany tany. Noroahina tany Fernando Poo (any Guinée équatoriale ankehitriny) ny mpisava lalana voatendry tany, raha vao tonga kelikely tamin’ny 1950, nefa nisy Vavolombelona hafa nahazo asa nahafahany nipetraka tany. Mazava ho azy fa nitory izy ireo, araka ny didin’i Jesosy.—Marka 13:10.
Nalefa nandritra ny herinandro vitsivitsy tany Haute-Volta (Burkina Faso ankehitriny) i Emmanuel Mama, mpiandraikitra ny faritra avy any Ghana, tamin’ny 1959, ka afaka nitory betsaka tany Ouagadougou renivohitra. Tsy nisy Vavolombelona nipetraka anefa tany. Nisy Vavolombelona fito avy any Togo sy Dahomey (Bénin ankehitriny) ary Congo, nifindra tany Ouagadougou sy nitady asa tany, efa-taona taorian’io, mba hahafahany hanompo tany. Nisy mpisava lalana manokana maromaro avy any Ghana, tonga nanampy azy ireo, volana vitsivitsy taorian’izay. Noteren’ny mpitondra fivavahana anefa ny mpitondra, ka nosamborina ireo Vavolombelona, tamin’ny 1964, nogadraina nandritra ny 13 andro, ary avy eo noroahina tao amin’ilay tany, taorian’ny herintaona latsaka niasana tao. Nisy vokany ve ny ezak’izy ireo? Nahita ny fahamarinana i Emmanuel Johnson, mponin’ilay tany. Nianatra Baiboly an-taratasy izy, ary natao batisa tamin’ny 1969. Niampy indray ny tany niorenan’ilay Fanjakana.
Tsy namaly ny fitondrana frantsay, rehefa nangatahana visa hahafahan’ny misioneran’i Gileada hanompo tany Côte d’Ivoire. Nalefa hanao mpisava lalana tany an-drenivohitr’i Côte d’Ivoire, avy any Côte-de-l’Or (Ghana ankehitriny) àry i Alfred Shooter, tamin’ny 1950. Tonga koa ny vadiny, rehefa tafapetraka tsara izy; ary tonga, afaka volana vitsivitsy, i Gabriel sy Florence Paterson, mpivady misionera. Nitranga ny olana. Nalaina ny bokin’izy ireo indray andro, satria tsy nahazo lalana tamin’ny fitondrana, ary nasaina nandoa onitra ireo rahalahy. Hitan’izy ireo namidy teny an-tsena anefa ireo boky, tatỳ aoriana, ka novidiny indray, ary nampiasainy tsara.
Nitsidika biraom-panjakana maro ireo rahalahy ireo, nandritra izany, ary niezaka nangataka visa maharitra. Vonona hanampy Atoa Houphouët-Boigny, izay lasa prezidàn’i Côte d’Ivoire tatỳ aoriana. “Tsy azo sakanana”, hoy izy, “ny fahamarinana. Sahala amin’ny renirano mahery izy io, ka raha tohananao izy, dia hihoatra an’ilay tohana.” Nilaza toy izao i Ouezzin Coulibaly, solombavambahoaka, rehefa saika hanakana izany ny pretra iray sy ny pasitera metodista iray: “Solontenan’ny vahoakan’ity firenena ity aho. Izahay no vahoaka, ary tianay ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tianay hipetraka eto.”
Mpianatra tena mahatakatra
Nilaza i Jesosy, rehefa nanome baiko ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra’, fa tokony hatao batisa ireo tonga mpianatra, izany hoe ireo mino sy mampihatra ny fampianarany. (Matio 28:19, 20) Misy batisa foana àry any amin’ireo fivoriamben’ny Vavolombelona. Mety ho vitsy ny atao batisa indraindray. Nisy Vavolombelona vaovao 3 775 kosa natao batisa tany Nizeria tamin’ny 1970. Tsy ny hamaroana anefa no tena tanjona.
Takatra, tamin’ny 1956, fa nanorina ny finoany teo amin-javatra nalemy ny sasany tamin’ireo natao batisa tany Côte-de-l’Or, ka nisy fandaharana natao mba hanasivanana an’ireo nilatsaka hatao batisa. Ny mpiandraikitra an’ireo fiangonana no nandinika tsirairay an’izay naniry hatao batisa, mba hahazoana antoka fa nahafantatra tsara ny fahamarinana fototra ara-baiboly ilay olona, niaina nifanaraka tamin’ny fitsipik’izy io, ary nahatakatra tsara ny adidy nifandray tamin’ny fanoloran-tena sy batisa, ho Vavolombelon’i Jehovah. Nampiharina eran-tany io fomba fiasa io, tatỳ aoriana. Nomena tao amin’ilay boky hoe “Fanilon’ny Tongotro ny Teninao” (1967) ny tsipiriany momba ny fampianarana fototra, niaraha-nidinika tamin’ny mpilatsaka hatao batisa. Nampiasaina nandritra ny taona maro izany, ary nasiana fanatsarana, ka navoaka tao amin’ilay boky hoe Voalamina mba Hanatanteraka ny Fanompoantsika, tamin’ny 1983.
Noheverina tamin’izany ve ny olona tsy nahita fianarana loatra?
Fiatrehana ny olana momba ny tsy fahaiza-mamaky teny
Nilaza ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina, tamin’ny 1957, fa tsy nahay namaky teny na nanoratra ny antsasany latsaka kely tamin’ny olona 15 taona na mihoatra, eran-tany. Voalaza fa tsy nahay namaky teny ny 75 isan-jaton’ny mponina any amin’ny tany 42 any Afrika, 2 any Amerika, 28 any Azia, ary 4 any Oseania. Tokony homena fahafahana hianatra ny lalàn’Andriamanitra koa anefa izy ireo, mba hiomanany ho anisan’ny vahoakan’ilay Fanjakany. Kinga saina ny maro tamin’ireo tsy nahay namaky teny, ka nahatadidy ny zavatra reny. Tsy afaka namaky ny Tenin’Andriamanitra anefa izy ireny, na nampiasa an’ireo boky fianarana Baiboly.
Nanampy olona maro hianatra hamaky teny ny Vavolombelona tsirairay, nandritra ny taona maro. Nasian’ny Vavolombelona kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra anefa nanomboka tamin’ny 1949 sy 1950, tany amin’ny fiangonany eran’i Afrika. Natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana izany matetika; ny mponina rehetra tao an-tanàna mihitsy indraindray no nasaina nanatrika azy io.
Niara-niasa tamin’ny fitondrana ny Vavolombelona, raha nisy fampianarana mamaky teny nataon’ny fitondrana. Tsy maintsy nanamboatra sy nampiasa ny fitaovany ihany anefa izy ireo, tany amin’ny toerana maro. Olona an’aliny, anisan’izany ny vehivavy sy zokiolona, no nampianarina hamaky teny, tamin’ireny kilasy notarihin’ny Vavolombelona ireny. Tsy vitan’ny hoe nanjary nahay namaky teny sy nanoratra anefa izy ireny, fa nanjary fantany koa ny fahamarinana fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanjary vitan’izy ireo àry ilay asa fampianarana, nasain’i Jesosy natao. Maro no naniry hanao io asa io, ka niezaka mafy hahay hamaky teny.
Tapa-kevitra ny hianatra hamaky teny ny Vavolombelona iray tany Dahomey (Bénin ankehitriny), rehefa tsy nihaino azy ny lehilahy iray, noho izy tsy nahay namaky teny. Nanatrika an’ilay kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra izy, sady niezaka mafy. Niverina tany amin’ilay lehilahy izy, iray volana sy tapany tatỳ aoriana. Tena gaga ilay lehilahy, rehefa nandre an’io olona tsy nahay namaky teny taloha io, namaky ny Tenin’Andriamanitra taminy, ka lasa liana tamin’ny fampianaran’ny Vavolombelona koa izy. Nisy tamin’ireo nanatrika an’io kilasy io lasa mpiandraikitra mpitety faritany, mampianatra fiangonana maromaro. Anisan’izany i Ezekiel Ovbiagele, any Nizeria.
Fampianarana amin’ny alalan’ny sarimihetsika sy sary tsy mihetsika
Navoaka tamin’ny 1954 ilay sarimihetsika hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa, mba hanampiana an’ireo liana tamin’ny Baiboly hahatakatra ny halehiben’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Nandrava ny fanavakavahan’ny mpiara-monina izy io.
Nila milina manome herinaratra azo nobataina ny tany Zambia mba handefasana an’ilay horonan-tsary. Labasy fotsy nofatorana teo amin’ny hazo roa no nandefasana an’ilay sary. Nijery an’ilay horonan-tsary niaraka tamin’ny fianakaviany ny lehiben’ny foko tany amin’ny Faritanin’i Barotse, ka tiany haseho tamin’ny vahoaka koa ilay izy. Olona 2 500 àry no nahita azy io ny ampitso harivan’io. Nihoatra ny iray tapitrisa ny olona nijery azy io tany Zambia, nandritra ny 17 taona. Faly ireo nahita azy io. Voalaza fa rehefa nijery azy io ny tany Tanganyika (any Tanzania ankehitriny), dia nanako teny amin’ny rivotra ny tenin’ireo mpijery hoe “Ndaka, ndaka” (Misaotra, misaotra).
Nisy horonan-tsary hafa koa nanaraka an’io: Ny Fahasambaran’ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao, Fitoriana Eran-tany An’ilay “Vaovao Tsara Mandrakizay”, Tsy Mahay Mandainga Andriamanitra, ary Lova. Nisy sary tsy mihetsika naseho koa, niaraka tamin’ny fanazavana mahakasika an’ireto: Azo ampiharina ankehitriny ny Baiboly, avy amin’ny fanompoan-tsampy ny fampianarana sy fanaon’ny Kristianisma Anarana, ary ny dikan’ny zava-mitranga eran-tany, araka ny faminanian’ny Baiboly. Nisy sary hafa koa momba ny Vavolombelon’i Jehovah, nampiseho ny foibeny, ny fivoriambe tany amin’ny tany nisy fandrarana taloha, ary ny tantarany ankehitriny. Nanampy ny olona ireo rehetra ireo mba hahatakatra fa tena manana vahoaka eto an-tany i Jehovah, ary Teniny avy amin’ny fanahiny ny Baiboly.
Famantarana ny tena ondry
Nilaza ho Vavolombelon’i Jehovah, na nampiasa ny anarana Tilikambo Fiambenana ny olona nanana bokin’ny Fikambanana, tany amin’ny tany sasany. Nanova ny finoany sy ny fiainany mba hifanaraka amin’ny Baiboly ve anefa izy ireo? Tena olona toy ny ondry ve izy ireo, rehefa nomena toromarika, ka nanaraka ny feon’i Jesosy Kristy Tompo?—Jaona 10:4, 5.
Nisy taratasy nahagaga voarain’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana tany Afrika Atsimo, tamin’ny 1954, avy tamin’ny Afrikanina vitsivitsy tany Baía dos Tigres, fonja tany atsimon’i Angola. Hoy i João Mancoca, ilay nanoratra azy io: “Misy 1 000 ny Vavolombelon’i Jehovah eto Angola. I Simão Gonçalves Toco no mpitarika azy ireo.” Iza i Toco? Tena Vavolombelon’i Jehovah ve ireo niaraka taminy?
Nalefa hitsidika an’i Angola i John Cooke, misionera mahay teny portogey. Navela hiresaka tamin’i Mancoca ihany ny Rahalahy Cooke, rehefa namotopototra azy ela ny mpitondra mpanjana-tany. Fantatry ny Rahalahy Cooke fa niaraka tamin’ny Batista tany Congo belge (Zaïre ankehitriny) i Toco, tamin’ireo taona 1940, ary nahazo bokin’ny Fikambanana, ka niresaka ny zavatra nianarany tamin’ireo namany akaiky. Nisy olona nifandray tamin’ny fanahy ratsy anefa nitaona azy ireo, ka tsy nampiasa ny boky ara-baibolin’ny Fikambanana intsony i Toco, tamin’ny farany. Olona mpanao sikidy kosa no nakan’izy ireo hevitra. Naverin’ny fanjakana tany Angola izy ireo, ary niparitaka eran’i Angola.
Anisan’ny naman’i Toco i Mancoca, ary nanandrana niteny an’ireo namany mba tsy hifandray tamin’ny demonia, fa hanaraka ny Baiboly. Tsy tia an’izany ny sasany tamin’ireo mpiaraka tamin’i Toco, ary niampanga an’i Mancoca tany amin’ny mpitondra portogey, ka nigadra i Mancoca sy ireo niray hevitra taminy. Nifandray tamin’ny Fikambanana izy tany, ka nahazo boky ara-baiboly maro kokoa. Nanetry tena izy, olona araka ny fanahy, ary tena tia niara-niasa tamin’ilay fandaminana nianarany ny fahamarinana. Niresaka fahamarinana ara-baiboly nandritra ny ora maro tamin’io antokon’olona io ny Rahalahy Cooke, ka fantany tsara fa anisan’ny ondrin’ny Tompo i João Mancoca. Nanaporofo izany nandritra ny taona maro izao ny Rahalahy Mancoca, tao anatin’ny toe-javatra sarotra indrindra.
Niresahana koa i Toco sy ny sasany tamin’ny mpanaraka azy. Vitsy ihany anefa izy ireo no nanaporofo ny tenany ho anisan’ny ondry mpanara-dia an’i Kristy. Tsy 1 000 àry ny Vavolombelon’i Jehovah tany tamin’izany, fa 25 teo ho eo monja.
Nisy korontana kely niseho koa tany Congo belge (Zaïre ankehitriny) tamin’izany. Nisy antokom-pivavahana manao politika, nantsoina hoe Kitawala, nampiasa kely ny anarana hoe Tilikambo Fiambenana koa. Nisy bokin’ny Vavolombelona, nalefan’olona tamin’ny paositra, tany an-tranon’ny sasany taminy. Tsy nitovy mihitsy anefa ny finoana sy fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny azy ireo (fanavakavaham-bolon-koditra, fanonganam-panjakana mba hitondrana fiovana politika sy eo amin’ny fiaraha-monina, fitondran-tena maloto atao amin’ny anaran’ny fivavahana). Nisy tatitra navoaka anefa nilaza fa Vavolombelon’i Jehovah ny Kitawala.
Tsy navelan’ny mpitondra belza handefa mpiandraikitra mahay ho any amin’ilay tany ny Vavolombelona, na dia nangataka imbetsaka aza. Faly ny Katolika sy Protestanta. Nisy fepetra henjana mihitsy tany, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1949, nanasazy an’ireo nianatra Baiboly tamin’ny alalan’ny bokin’ny Fikambanana. Izao anefa no nolazain’ny Vavolombelona iray mahatoky tany: “Sahala amin’ny katsaka ao anaty harona izahay. Milatsaka tsirairay any amin’izay itondrany anay ilay Teny, ka hitany mitsiry amin’ny toerana rehetra izahay, rehefa avy ny orana.” Marina izany, satria lasa 1 528 ireo Vavolombelona 48 nanao tatitra momba ny fanompoana, tamin’ny 1949-1960, nisian’izany zava-tsarotra izany.
Hitan’ny mpitondra tsikelikely fa samy hafa tanteraka ny Kitawala sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nomena fahafahana kely hivory izy ireo, ka hitan’ny mpitondra matetika, ny fitondran-tenany tsara sy ny filaminany. Fantatry ny olona fa tsy niditra tamin’ny fihetsiketsehana nisy herisetra mba hangatahana fahaleovan-tena ara-politika, ny Vavolombelona. Afaka niditra tany ihany tamin’ny 1961 ny Vavolombelona mpiandraikitra mahay, dia i Ernest Heuse zanany, avy any Belzika. Niezahana mafy ny hanampiana tsikelikely an’ireo rahalahy hampifanaraka kokoa ny fiangonana sy ny fiainany tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Maro ny zavatra tsy maintsy nianarany, ka nitaky faharetana be izany.
Nihevitra ny hahazo toerana ireo Kitawala tany amin’ny toerana sasany, ka nandefa anaran’olona maro tiany hekena ho Vavolombelon’i Jehovah. Naleon’ny Rahalahy Heuse anefa nandefa rahalahy mahay tany amin’ireny toerana ireny, mba hijery akaiky an’ireo olona voatonona. Nampianarina Baiboly tsirairay izy ireny, fa tsy niara-nekena ho Vavolombelona.
Niavaka tsikelikely ny tena ondry, manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpiandry, ary maro izy ireo. Izy ireo indray no nampianatra olon-kafa. Maro ny misioneran’ny Fikambanana tonga nampiofana sy nanampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Nisy Vavolombelona 17 477, avy amin’ny fiangonana 526, eran’i Zaïre tamin’ny 1975, nitory sy nampianatra ny Tenin’Andriamanitra.
Fandresena ny herin’ny ody
Any andrefan’i Nizeria no misy an’i Bénin (Dahomey fahiny), misy foko 60 mampiasa fiteny sy fitenim-paritra 50 eo ho eo. Mpivavaka amin’ny natiora, toy ny Afrikanina maro, ny ankamaroan’ny olona any, sady mivavaka amin’ny razana. Lasa minomino foana sy matahotra ny olona, noho izany. Mivavaka amin’ny natiora koa ny olona milaza ho Kristianina.
Nitory tsindraindray tamin’ny toerana maro tany Dahomey ny Vavolombelona avy any Nizeria, tamin’ireo taona 1920 ka hatramin’ireo taona 1940, ary nizara boky ara-baiboly. Nila fanondrahana kely fotsiny ny maro tamin’ireo voa, mba hamokarany. Tonga izany tamin’ny 1948, rehefa niverina mba hanao ny asan’ny mpisava lalana tany Dahomey i Nouru Akintoundé, izay nipetraka tany Nizeria. Efa-bolana monja dia nisy olona 300 nandray ny fahamarinana sy niara-nanompo taminy. Tena tsy araka ny noeritreretina mihitsy izany vokatra izany.
Tsy ela dia sosotra ny mpitondra fivavahana sy ny mpivavaka amin’ny natiora, vokatr’io asa io. Liana tamin’ny fahamarinana ny sekreteran’ny foibe fanaovana ody tany Porto-Novo, ka nolazain’ilay lehibe tao fa ho faty io vehivavy io, afaka fito andro. Izao anefa no nolazain’ilay sekretera: “Raha ny ody no nanao an’i Jehovah, dia ho faty aho; fa raha i Jehovah kosa no Andriamanitra fara tampony, dia ho resiny ny ody.” (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 4:35; Jaona 17:3.) Te hanatanteraka ny faminaniany ilay lehiben’ny mpanao ody ny alin’ilay andro fahenina, ka nampiasa sikidy isan-karazany, ary nilaza fa maty ilay sekretera taloha. Tena gaga anefa ireo mpanao ody, ny ampitson’iny, rehefa tonga tany an-tsenan’i Cotonou io vehivavy io, ary tena velona. Nanofa fiara ny rahalahy iray tatỳ aoriana, ary nitondra an’ilay vehivavy nitety an’i Porto-Novo, mba hahitan’ny rehetra fa velona tokoa izy. Maro tamin’ireo mpanao ody no lasa nanaraka ny fahamarinana, taorian’izay.—Ampitahao amin’ny Jeremia 10:5.
Tsy ela dia voarara tany Dahomey ny bokin’ny Fikambanana, vokatry ny faneren’ny fivavahana. Nankatò an’i Jehovah Andriamanitra anefa ny Vavolombelona, ka nitory foana, ary Baiboly ihany no nampiasainy matetika. Mody nivarotra nitety trano izy ireo indraindray, nitondra entana isan-karazany. Nampiditra resaka Baiboly izy ireo, raha nafana ilay resaka. Mety ho navoakany avy tao amin’ny paosy anatin’ny akanjony mihitsy aza ny boky ara-baiboly.
Nitory tany ambanivohitra izy ireo, rehefa nanahirana azy ny polisy tany an-drenivohitra. (Ampitahao amin’ny Matio 10:23.) Nitory tany am-ponja koa izy ireo, rehefa nogadraina. Voafonja sy mpiambina 18, fara fahakeliny, no liana tany Abomey, tamin’ny 1955.
Folo taona monja taorian’ny niverenan’ilay mpisava lalana tany Dahomey, dia efa 1 426 ny mpitory, na dia noraran’ny fanjakana aza ny asa!
Mpijinja maro kokoa
Nazava fa maro ny olona tia fahamarinana eran’i Afrika. Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy. Faly àry ireo rahalahy, satria novalian’i Jehovah Andriamanitra ilay vavaka fangatahana mpiasa maro kokoa hanampy amin’ny fijinjana ara-panahy.—Matio 9:37, 38.
Maro ny boky napetraky ny mpisava lalana nitety faritany tany Kenya tamin’ireo taona 1930, fa tsy nisy fiverenana mitsidika natao. Nifindra avy any Grande-Bretagne ho any Nairobi anefa i Mary Whittington, tamin’ny 1949, mba hanaraka ny vadiny izay niasa tany. Vao herintaona no natao batisa ny Anabavy Whittington, nefa toy ny an’ny mpisava lalana ny toe-tsainy. Tsy nahafantatra Vavolombelona tany Kenya izy, nefa lasa nanampy olon-kafa tany amin’io faritany lehibe io hianatra ny fahamarinana. Tsy kivy izy, na maro aza ny sakana. Nisy Vavolombelona hafa tonga koa avy any Afrika Atsimo, Aostralia, Etazonia, Grande-Bretagne, Kanada, Soeda, ary Zambia, nifindra tany mba hitory ilay Fanjakana.
Nisy mpivady misionera maromaro koa nalefa tany mba hanampy tamin’ilay fijinjana. Tsy maintsy niasa ireo lehilahy tamin’ny voalohany, mba hahafahany hijanona tany, ka kely ny fitoriana vitany. Afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana anefa ny vadin’izy ireo. Misioneran’i Gileada zato mahery no tonga tany Kenya, tamin’ny farany. Nanakaiky ny fahaleovan-tena, ka efa hifarana ny fanavakavaham-bolon-koditra napetraky ny Anglisy mpanjana-tany. Nianatra teny swahili àry ireo Vavolombelona eoropeanina, ka afaka nitory tamin’ny Afrikanina maro kokoa. Nitombo haingana ny Vavolombelona tany amin’io tany io.
Nahazo mpijinja fanampiny koa i Botswana tamin’ny 1972, rehefa nifindra tany an-tanàn-dehibe ireo Vavolombelona avy any Afrika Atsimo sy Grande-Bretagne ary Kenya. Tonga koa ny misioneran’i Gileada, telo taona tatỳ taoriana. Niparitaka tany ambanivohitra anefa ny ankamaroan’ny mponina. Namakivaky an’ilay efitra antsoina hoe Kalahari àry ireo Vavolombelona avy any Afrika Atsimo, mba hahatratrarana azy ireny. Rehefa tany ambanivohitra lavitra izy ireo, dia nitoriany ny lehiben’ny tanàna kely, sy mpampianatra, ary matetika olona liana 10 na 20 indray niaraka. Hoy ny lehilahy zokiolona iray: “Tonga hatratỳ ve ianareo mba hiresaka aminay momba izany? Tena mahafinaritra mihitsy izany.”
Nanao lahateny ara-baiboly nandrisika tany Liberia i “Brown Baiboly”, tamin’ireo taona 1920, nefa be ny fanoherana. Tsy nandroso loatra ny fijinjana ara-panahy tany, raha tsy tonga ny misioneran’i Gileada. Voalohany tamin’izany i Harry Behannan, tonga tamin’ny 1946. Maro no tonga nandritra ireo taona nanaraka. Nanampy azy ireo tsikelikely ny Liberianina, ka nihoatra ny arivo ny mpivavaka tamin’i Jehovah tany, tamin’ny 1975.
Betsaka kokoa aza ny fitoriana nataon’i “Brown Baiboly” tany Nizeria. Firenena mizarazara ho fanjakana maromaro sy tanàna maro, ary rafi-piaraha-monina maro izy io, ary mampiasa fiteny sy fitenim-paritra 250 mahery. Vao mainka mampizarazara koa ny fivavahana. Nivantambantana, nefa nampiasa ny Soratra Masina ny Vavolombelona voalohany tany, rehefa nanala sarona ny mpitondra fivavahana sy ny fampianaran-disony. Voarara ny bokin’izy ireo, nandritra ny Ady Lehibe II, ka ny Baiboly ihany no nampiasainy isan-trano. Nandray tsara ny olona tia fahamarinana. Niala tamin’ny fiangonany izy ireny, sady niala tamin’ny fampirafesana, nanary ny odiny, izay noleferin’ny fiangonany taloha. Nisy 8 370 ny Vavolombelona tany Nizeria tamin’ny 1950. Avo folo heny noho izany izy ireo, tamin’ny 1970.
Tsy maintsy noresena foana ny sakana teo an-toerana, mba hanampiana ny olona liana tany Rodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny). Efa tamin’ireo taona 1920 no niezahana nosoratana ara-dalàna ny Fikambanana. Nasaina niala tao amin’ilay tany ny mpisava lalana avy any Afrika Atsimo, tamin’ny 1932, ary nolazaina tsotra izao, fa tsy azony natao ny nampakatra fitsarana ambony. Nampakarina fitsarana ambony ihany anefa ilay raharaha. Noresahina tamin’ny fitsarana ilay fiampangana hoe mampirisika olona hikomy ny bokin’ny Fikambanana. Nogadraina ireo rahalahy tamin’ireo taona 1940, satria nizara boky nanazava ny Baiboly. Efa tamin’ny 1966 vao nekena ho fivavahana ara-dalàna tany Zimbabwe ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanahirana be ny asa fijinjana ara-panahy nandritra ny 40 taona mahery, nefa nanampy olona 11 000 ho tonga mpanompon’i Jehovah Andriamanitra ireo mpiasa be herim-po.
Fitoriana tamin’ny governora sy mpanjaka
Fantatr’i Jesosy fa hahita mpanohitra ny mpianany, eny amin’ny fanompoany. Nolazainy fa hatolotra “amin’ny fitsarana eo an-toerana” izy ireo, ary ho eo anatrehan’ny “governora sy ny mpanjaka” mihitsy, mba “ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.” (Matio 10:17, 18) Nihatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny zavatra nolazain’i Jesosy, nefa niezaka nitory foana izy ireo, araka ny tenin’i Jesosy.
Natahotra ny manam-pahefana sasany, ka tsy nanao soa tamin’ny mpianatr’i Kristy. (Jaona 12:42, 43) Hitan’i Llewelyn Phillips izany, tamin’ny 1948, rehefa nihaona tamin’ny manam-pahefana maro tany Congo belge izy, mba hampihenana ny fanenjehana ny Vavolombelona tany. Nohazavainy tamin’ireny lehilahy ireny ny finoana sy asan’ny Vavolombelona. Nalahelo anefa ny governora jeneraly iray, ka nanontany hoe: “Inona anefa izao no hanjo ahy raha manampy anareo aho?” Fantany fa nanan-kery be tany ny Eglizy Katolika.
Tsy niraharaha ny hevitry ny mpitondra fivavahana loatra anefa ny Mpanjaka Sobhuza II, ilay tena lehiben’ny firenena swazi. Niresaka matetika tamin’ny Vavolombelona izy, nanana ny bokiny, ary tia azy ireo. Nasainy ho ao an-dapany ny mpitondra fivavahana afrikanina, isaky ny “zoma masina.” Navelany hanazava teo izy ireo, nefa nasainy niteny koa ny Vavolombelona. Niresaka momba ny fanahy tsy mety maty sy ny anaram-boninahitry ny mpitondra fivavahana ny Vavolombelona, tamin’ny 1956. Nanontany an’ireo mpitondra fivavahana ilay mpanjaka avy eo hoe: “Marina sa diso izany zavatra lazain’ny Vavolombelon’i Jehovah izany? Raha diso, dia lazao hoe nahoana.” Tsy afaka nandiso izany izy ireo. Toran’ny hehy mihitsy ilay mpanjaka, indray mandeha, satria tena gaga tamin’izay nolazain’ny Vavolombelona ireo mpitondra fivavahana.
Ny polisy matetika no nasaina nanontany ny Vavolombelona ny antony nanaovany ny asany. Nandeha tsy tapaka tany Ceuta (tanàna misy seranana eo ambany fitondran’ny Espaniola, nefa any amin’ny morontsirak’i Maroc) ny Vavolombelona avy amin’ny fiangonana any Tanger. Nosakanan’ny polisy izy ireo indray mandeha, tamin’ny 1967, ary nofotopotorana nandritra ny adiny roa, ka afaka nanao fitoriana tsara. Nanontany azy ireo ilay inspektera tamin’izay hoe mino an’i “Maria Virjiny” ve ny Vavolombelona. Nolazaina taminy, fa niteraka zaza hafa i Maria, taorian’ny niterahany an’i Jesosy, ka rahalahy sy anabavin’i Jesosy ireo. Gaga be ilay polisy, ary nilaza fa tsy ao amin’ny Baiboly mihitsy izany. Naseho azy ireo anefa ny Jaona 7:3-5, ary nijery azy io naharitra ilay polisy iray, nefa tsy niteny. Nilaza kosa ilay iray hafa hoe: “Ento atỳ iny Baiboly iny, fa hohazavaiko ilay andininy!” Hoy anefa ilay polisy voalohany: “Aza misahirana amin’izany, fa mazava be io andininy io.” Maro ny fanontaniana voavaly moramora avy eo. Tsy nanelingelina ny fitorian’ny Vavolombelona tao intsony ny manam-pahefana taorian’izay.
Nanjary fantatry ny mpitondra ambony sasany tsara ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asany. Takatry ny sasany aminy fa tena mahasoa ny asan’ny Vavolombelona. Nomanina tamin’ny 1959 ny fahaleovan-tenan’i Nizeria, ka niangavy an’i W. Brown ny Dr. Nnamdi Azikiwe, governora jeneraly, mba hanatrika eo amin’ny maha solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy mantsy izy tamin’ny filan-kevitry ny minisitra: “Tsy hisy mpamono olona, mpangalatra, maditra, voafonja, na baomba ataomika, raha toy ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny fivavahana rehetra. Tsy hila hohidiana ny varavarana, na andro na alina.”
Nandeha tsara tokoa ny fijinjana ara-panahy tany Afrika. Nisy 312 754 ny Vavolombelona nitory tany amin’ny tany afrikanina 44, tamin’ny 1975. Latsaka ny 50 ireo nandray ny fahamarinana sy nitory, tany amin’ny sivy tamin’ireo. Heverin’ny Vavolombelona ho sarobidy anefa ny ain’ny olona tsirairay. An’arivony kosa ny Vavolombelona nitory isan-trano tany amin’ny 19 tamin’ireo. Nisy fitomboana be tany amin’ny toerana sasany. Vavolombelona 355, ohatra, no tany Angola tamin’ny 1970, nefa lasa 3 055 izany tamin’ny 1975. Nisy 112 164 kosa ny Vavolombelona tany Nizeria, tamin’ny 1975. Tsy olona faly namaky bokin’ny Fikambanana fotsiny ireo, na nanatrika fivoriana tsindraindray, fa mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra nazoto daholo kosa.
Namokatra mpidera an’i Jehovah i Azia
Nitombo be, toy ny tany an-tany hafa, ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Philippines, taorian’ny Ady Lehibe II. Nifandray haingana araka izay azony natao tamin’ny biraon’ny Fikambanana teto New York i Joseph Dos Santos, rehefa navoaka ny fonja ny 13 Martsa 1945. Tiany ho azo ny boky fianarana Baiboly sy toromarika rehetra nomen’ny fandaminana, izay tsy azon’ny rahalahy tany Philippines nandritra ny ady. Nitsidika ny fiangonana tsirairay izy avy eo, mba hampiray saina sy hanatanjaka azy ireny. Nisy fivoriambe natao tany Lingayen, any Pangasinan tamin’io taona io, ary nomena toromarika ny mpanatrika, nahakasika ny fampianarana Baiboly. Niezahana manokana, nandritra ireo taona nanaraka, ny nandika boky maro kokoa tamin’ny fiteny teo an-toerana (tagalog sy iloko ary cebuano). Vonona tsara ho amin’ny fitomboana ireo rahalahy, ary tena haingana ny fitomboana.
Nisy 2 000 ny Vavolombelona tany Philippines taorian’ny ady, nefa lasa 24 000, folo taona tatỳ aoriana. Nisy 78 000 mahery kosa izy ireo, 20 taona taorian’io.
I Chine no anisan’ny tany aziatika voalohany nandefasana misioneran’i Gileada. Tonga tany Shangaï tamin’ny 1947 i Harold King sy Stanley Jones, ary tamin’ny 1949 kosa i Lew Ti Himm. Tonga nitsena azy ireo ny mpisava lalana alemà telo efa tonga tany tamin’ny 1939. Bodista ny ankamaroan’ny olona, ka tsy tena nazoto niresaka Baiboly. Nisy toerana masina sy alitara tao an-tranon’izy ireo. Misy fitaratra eo ambonin’ireo varavarany, mba hampitahorana ny fanahy ratsy. Eny am-bavahady kosa ny lamba kely menamena misy firariana ho ‘tsara vintana’, sy sarin’andriamanitra bodista mampahatahotra. Niova be anefa i Chine tamin’izay. Tsy maintsy nianatra ny ‘hevitr’i Mao Tsé-toung’ ny rehetra, teo ambany fitondrana kominista. Tsy maintsy nanatrika fivoriana lava be nanazavana ny Kominisma izy ireo, rehefa avy niasa. Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ireo rahalahintsika, tao anatin’izany.
Efa nahafantatra ny Baiboly, tany amin’ny Kristianisma Anarana, ny maro tamin’ireo nanaiky hianatra tamin’ny Vavolombelona. Anisan’izany i Nancy Yuen, mpiasan’ny fiangonana sady mpikarakara tokantrano, izay nankasitraka ny zavatra nasehon’ny Vavolombelona azy tao amin’ny Baiboly. Tsy ela izy dia nazoto nitory isan-trano sy nitarika fampianarana Baiboly. Tena Sinoa na Bodista kosa ny sasany, ka mbola tsy nahalala ny Baiboly mihitsy. Nisy 57 ny mpitory tamin’ny 1956. Nogadraina anefa i Nancy Yuen tamin’io taona io, rehefa nosamborina inenina noho ny fitoriana. Nosamborina na noterena handao an’i Chine kosa ny sasany. Nosamborina i Stanley Jones sy Harold King, ny 14 Oktobra 1958. Nogadraina nandritra ny roa taona izy ireo, vao notsaraina. Nofotopotorana imbetsaka izy ireo nandritra izany. Nohelohina higadra ela be izy ireo, rehefa notsaraina ihany tamin’ny 1960. Voatery nijanona àry ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Chine, tamin’ny Oktobra 1958. Tsy nitsahatra tanteraka anefa ny fitorian’izy ireo. Nisy fomba nitoriana foana na dia tany am-ponja sy toby fiasana an-terivozona aza. Hisy fitoriana bebe kokoa hatao ve any amin’io tany lehibe io? Ho fantatra any aoriana izany.
Inona no nitranga tany Japon nandritra izany? Zato teo ho eo monja ny Vavolombelona nitory tany, talohan’ny Ady Lehibe II. Nanaiky lembenana ny maro tamin’ireo, rehefa nampijalina be nandritra ny ady. Nisy vitsivitsy ihany tsy nivadika, nefa nitsahatra ny asa fitoriana voalamina. Velona indray anefa ny fitoriana momba ilay Fanjakana tany, rehefa tonga tany Tokyo i Don Haslett, misioneran’i Gileada, tamin’ny Janoary 1949. Tonga koa i Mabel vadiny, roa volana taorian’io. Maro ny olona nitady ny fahamarinana tany. Tsy nilaza ho andriamanitra intsony ny emperora. Tsy tian’ny olona daholo ny Shintoisma, Bodisma, Katolika, ary Kyodan (Protestanta maromaro nitambatra), satria nanohana ny ady, nefa faharesena no vokany.
Misioneran’i Gileada 13 no nanompo tany Japon tamin’ny 1949. Maro no tonga tatỳ aoriana, ka 160 mahery izy, tamin’ny farany. Vitsy kely ny boky azo nampiasaina. Nahay teny japoney tranainy ny misionera sasany tany Hawaii, kanefa tsy maintsy nianatra ny fomba fiteny vaovao. Nahay zavatra vitsivitsy ny sasany, nefa tsy maintsy nijery diksionera matetika, mandra-pahainy tsara an’ilay fiteny vaovao. Tsy ela dia nifandray tamin’ny fandaminana indray ry Ishii sy Miura mianakavy, izay tsy nanadino ny finoany, nandritra ny ady, ka nanomboka nitory indray.
Nisy tranon’ny misionera nosokafana tany Kobe, Nagoya, Osaka, Yokohama, Kyoto, ary Sendai. Ny hanombohana fitoriana tany amin’ireo tanàn-dehibe japoney no tanjona tamin’ny 1949-1957. Nisy mpitory nifindra tany an-tanàna hafa avy eo. Lehibe ilay faritany. Mazava fa maro ny mpisava lalana nilaina, raha tiana hitoriana amin’ny fomba feno i Japon manontolo. Nantitranterina izany, ary maro no nirotsaka, ka tsara ny vokatra naterak’io fiaraha-miasan’ny mpitory nazoto io! Lasa 1 390 ny mpidera an’i Jehovah tany, tamin’ilay folo taona voalohany. Nisy 33 480 ireo mpidera an’i Jehovah eran’i Japon, tamin’ny 1975 tany ho any, ary nihafaingana ilay fanangonana.
Nandroso be koa ny asa tany Korea, tamin’ny 1949, ilay taona nahatongavan’i Don Haslett tany Japon. Teo ambany fitondrana japoney i Korea nandritra ilay ady lehibe, ary nenjehina tamin-kabibiana ny Vavolombelona. Nisy olona vitsivitsy niara-nivory taorian’ny ady, nefa tsy nifandray tamin’ny fandaminana izy ireo, raha tsy tamin’ny 1948, nahitan’i Choi Young-won ny tatitra momba ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny gazety Kintana sy Tsipika, an’ny tafika amerikanina. Niforona tany Séoul, ny taona nanaraka, ny fiangonana nisy mpitory 12. Tamin’ny faramparan’ny 1949 no tonga i Don sy Earlene Steele, misioneran’i Gileada voalohany tonga tany. Nisy misionera enina hafa tonga, fito volana taoriana.
Nahita vokatra tsara izy ireo, satria samy nitarika fampianarana Baiboly 20 teo ho eo, ary 336 ny mpivory. Nipoaka avy eo ny Adin’i Korea. Nalefa tany Japon daholo ireo misionera, telo volana taorian’ny nahatongavan’ireo farany. Herintaona mahery tatỳ aoriana vao afaka niverina tany Séoul i Don Steele, ary herintaona taorian’izay vao afaka nankany i Earlene. Nijoro sy nazoto nitory hatrany ireo rahalahy koreanina, nandritra izany, na dia very trano aza, ary mpitsoa-ponenana ny ankamaroany. Niezahana manokana anefa ny hamokarana boky amin’ny fiteny koreanina, taorian’ilay ady. Nampandroso be ny asa ny fivoriambe sy ny misionera maro kokoa tonga. Nisy Vavolombelona 32 693 tany amin’ny Repoblikan’i Korea tamin’ny 1975 (saika nitovy tamin’ny tany Japon), ary mbola be ny fitomboana nantenaina, satria 32 000 mahery ny fampianarana Baiboly.
Ary tany Eoropa?
Tsy nahazo fahalalahana feno hampianatra Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa, na dia taorian’ny Ady Lehibe II aza. Nanaja azy ny mpitondra sasany, vokatry ny fijoroany nandritra ny ady. Vao mainka anefa nenjehina izy ireo tamin’ny toerana sasany, satria nindrahindraina ny fitiavan-tanindrazana sy ny tsy fitiavana fivavahana.
Nisy Vavolombelona avy any Alemaina, tonga nitory ny vaovao tsara tany Belzika. Nohazain’ny Gestapo toy ny bibidia izy ireo, satria tsy nanohana ny fitondrana nazia. Nampangain’ny mpitondra belza ho Nazia indray anefa ny sasany tamin’izy ireo, ka nogadrainy sy naondrany tany an-tany hafa. Nitombo avo telo heny mahery anefa ny isan’ny Vavolombelona nitory tany Belzika, tao anatin’ny dimy taona taorian’ny ady.
Inona no tena nahatonga an’ireo fanenjehana? Ny Eglizy Katolika. Niezaka namotika ny Vavolombelon’i Jehovah foana izy ireo, raha mbola azony natao koa.
Fantatry ny mpitondra fivavahana katolika tany Cork, tanàna irlandey, fa maro ny tandrefana matahotra Kominista, ka nantsoiny hoe “Devoly kominista” foana ny Vavolombelona, tamin’ny 1948. Nandeha nitory àry i Fred Metcalfe indray mandeha, ka nisy vahoaka namely totohondry sy daka azy, sady nanaparitaka teny an-dalana ny boky ara-baiboly nentiny. Soa ihany fa nisy polisy tonga teo nanaparitaka an’ilay vahoaka. Niaritra foana anefa ny Vavolombelona. Tsy ny Irlandey rehetra no tia an’ilay herisetra. Nanenina mihitsy aza ny sasany tamin’ireo nandray anjara tamin’ilay izy. Mbola tsy nahita Baiboly mihitsy ny ankamaroan’ny Katolika any Irlandy. Nandray ny fahamarinana izay nanafaka azy anefa ny sasany, rehefa nampiana tamim-paharetana sy fitiavana.—Jaona 8:32.
Na dia zato teo ho eo monja aza ny Vavolombelona tany Italia tamin’ny 1946, dia nisy fiangonana kely 64 niasa mafy tany, telo taona taorian’io. Natahotra ny mpitondra fivavahana. Tsy afaka nanda an’ireo fahamarinana ara-baiboly notorin’ny Vavolombelona izy ireo, ka nanery ny mpitondra mba handroaka azy ireo. Noroahina tany àry ny misionera Vavolombelona, tamin’ny 1949.
Nanakorontana fivoriamben’ny Vavolombelona na nisakana izany imbetsaka ny mpitondra fivavahana katolika tany Italia. Naniraka mpanakorontana izy ireo tamin’ny 1948, mba handrava fivoriambe tany Sulmona. Noterena ny lehiben’ny polisy tany Milan, tamin’ny 1950, mba tsy hanome ilay fahazoan-dalana hanao fivoriambe tao amin’ny Teatro dell’Arte. Nasain’ny mpitondra fivavahana nofoanan’ny polisy koa ny fahazoan-dalana hanao fivoriambe tany Cerignola, tamin’ny 1951. Nampiaka-peo anefa ny fampahalalam-baovao italianina, rehefa nandidy ny hanajanonana fivoriamben’ny Vavolombelona tany Milan ny polisy, tamin’ny 1957, ka nisy fanontaniana napetraka tany amin’ny Antenimiera. Tsy nisalasala ny gazety Il Mondo, tany Roma, ny 30 Jolay 1957, fa nilaza hoe natao io didy io, mba “hanomezana fahafaham-po ny arseveka” Giovanni Battista Montini, izay lasa Papa Paoly Faha-6 tatỳ aoriana. Fantatra nandritra ny taonjato maro fa tsy navelan’ny Eglizy Katolika havoaka amin’ny fiteny mahazatra ny olona ny Baiboly. Niezaka hatrany anefa ny Vavolombelona mba hampahafantatra amin’ny Katolika tso-po ny zavatra lazain’ny Baiboly. Niharihary ny tsy fitovian’ny fampianaran’ny Baiboly sy ny an’ny eglizy. An’arivony no niala tamin’ny Eglizy Katolika, na dia niezaka mafy nanakana izany aza izy. Nisy 51 248 ny Vavolombelona tany Italia tamin’ny 1975. Mpitory daholo ireo, ary nitombo haingana ny isany.
Tsy nahagaga raha nanery ny mpitondra handrara ny Vavolombelona ny mpitondra fivavahana tany Espaina, rehefa niverina tsikelikely ny asan’izy ireo, taorian’ny 1946. Nokorontanina ny fivorian’ny fiangonan’ny Vavolombelona. Noterena hiala tany ireo misionerany. Nosamborina ny Vavolombelona, satria fotsiny nanana Baiboly na boky ara-baiboly. Nohazonina tany amin’ny fonja maloto be izy ireo matetika, hatramin’ny telo andro, ary nafahana, nefa nosamborina sy nalaina am-bavany ary nogadraina indray avy eo. Maro no nigadra iray volana, na mihoatra. Nampirisihin’ny pretra ny mpitondra mba hitady izay rehetra nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona. Ela vao nisy ny fiovana, na dia nekena tamin’ny 1967 aza ny Lalàna Momba ny Fahalalahana Ara-pivavahana. Nisy 11 000 mahery anefa ny Vavolombelona tany Espaina, tamin’ny 1970, rehefa nekena ho ara-dalàna izy ireo. Nisy 30 000 mahery izy ireo, dimy taona tatỳ aoriana, ary mpitory nazoto daholo izy rehetra.
Ary i Portogaly? Noroahina tany koa ireo misionera. Nampirisihin’ny mpitondra fivavahana katolika ny polisy, ka nisava ny tranon’ny Vavolombelona, naka ny bokiny, ary nandrava ny fivoriany. Namoaka didy voasoratra mihitsy aza ny lehiben’ny Polisin’ny Filaminam-bahoaka, tany Caldas da Rainha, tamin’ny Janoary 1963, nandrara ny ‘famakian’izy ireo Baiboly.’ Tsy nanajanona ny fanompoany anefa ny Vavolombelona. Nisy 13 000 mahery izy ireo tany Portogaly, rehefa nekena ho ara-dalàna, tamin’ny 1974.
Nanakana ny fitoriana ny vaovao tsara ny mpitondra sasany tany Eoropa, ka nolazainy fa varotra ny fizarana boky ara-baiboly, ka tokony hofehezin’ny lalàn’ny varotra. Nampiharina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tanàna maro tany Soisa, ny lalàna momba ny varotra noho izy ireo nangataka fanomezana an-tsitrapo tamin’ny boky nozarainy. Nosamborina sy notsaraina ny Vavolombelona, teo am-panaovany ny asany. Nilaza anefa ny fitsarana sasany, anisan’izany ny Fitsarana Tampon’i Vaud, tamin’ny 1953, fa tsy azo lazaina hoe varotra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nataon’ny tany Danemark kosa izay hamerana ora nahafahan’ny Vavolombelona nametraka boky, ho amin’ny ora noferan’ny lalàna ahafahan’ny fivarotana mivoha. Tsy maintsy niadiana tany amin’ny fitsarana koa izany. Nitory foana ny Vavolombelona hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no fanantenana ho an’ny olombelona, na teo aza ny sakana maro.
Anisan’ny nanahirana ny Vavolombelona tany Eoropa sy tany an-tany hafa, ny tsy fanaovana raharaha miaramila. Tsy mamela ny Vavolombelona hirotsaka amin’ny ady ny feon’ny fieritreretany, ka nogadraina izy ireo, tany amin’ny tany samihafa. (Isaia 2:2-4) Tsy afaka nitory isan-trano toy ny nahazatra àry ireo tovolahy. Anisan’ny zavatra tsara anefa ny fahafahany nitory tamin’ny mpisolovava, mpitsara, miaramila manamboninahitra, ary mpiambina fonja. Nahita fomba nitoriana foana ny Vavolombelona, na tany am-ponja aza. Nampijalina ny Vavolombelona tany amin’ny fonja sasany, nefa afaka nanao fitoriana an-taratasy tsara ireo tany amin’ny fonjan’i Santa Catalina, tany Cadix, any Espaina. Nanjary fanta-bahoaka koa ny raharaham-pitsarana momba ny tsy fanaovan’ny Vavolombelona raharaha miaramila. Nanjary fantatry ny olona foana àry fa tena manana Vavolombelona eto an-tany i Jehovah, ary manaraka tsara ny fitsipiky ny Baiboly izy ireo.
Nisy zavatra hafa nahaliana ny olona tamin’ny Vavolombelona, sady nampandroso ny asa fitoriana koa anefa.
Nandray anjara tamin’ny fitoriana ny fivoriambe
Nasehon’ny filazam-baovao tamin’ny tele, ny zava-nitranga tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Paris, tamin’ny 1955. Nisy fivoriambe hafa natao tany Paris tamin’ny 1969, ka hita fa namokatra ny asan’ny Vavolombelona. Nisy 3 619 ny natao batisa, izany hoe 10 isan-jaton’ny mpanatrika. Nilaza toy izao ny gazety France-Soir 6 Aogositra 1969: “Tsy ny fizarana boky be dia be ataon’ny vavolombelon’i Jehovah no mampahatahotra ny mpitondra fivavahana hafa, fa ny fanovan’izy ireo olona. Tsy maintsy mitory ny finoany sy mampiasa Baiboly isan-trano ny vavolombelon’i Jehovah tsirairay.”
Nisy fivoriambe iraisam-pirenena efatra hafa natao tamin’io taona 1969 io ihany, tany Londres, Copenhague, Roma, ary Nuremberg. Olona 150 645 avy amin’ny tany 78 no nanatrika tany Nuremberg. Ankoatra ny fiaramanidina sy sambo, dia fiara 20 000, bisy 250, ary fiarandalamby manokana 40 no nitaterana an’ireo mpanatrika.
Tsy vitan’ny hoe nampahery sy nanome fitaovana ny Vavolombelona mba hitoriany ilay fivoriambe, fa nahafahan’ny olon-kafa nahita azy ireo koa. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena nokasaina hatao tany Dublin, any Irlandy, tamin’ny 1965, ka nanery mafy ny manam-pahefana ny mpitondra fivavahana mba hanafoana an’ireo fandaminana natao. Natao anefa ilay fivoriambe, ary maro ny mponin’i Dublin nampiantrano ny mpanatrika. Inona no vokany? “Tsy marina ny zavatra nolazaina taminay momba anareo”, hoy ny sasany tamin’ireo vehivavy nampiantrano, taorian’ny fivoriambe. “Nandainga taminay ny pretra, ka ho faly handray anareo foana izahay, satria fantatray ianareo izao.”
Fitoriana amin’olona mampiasa fiteny hafa
Tena nanahirana ny Vavolombelona tany Eoropa tato ho ato, ny niresaka tamin’olona avy any an-tany hafa. Maro tamin’ireo vahiny no nifindra tany mba hitady asa. Nanjary foiben’ny fikambanana iraisam-pirenena lehibe ny tanàna eoropeanina sasany, nefa tsy mahay ny fiteny eo an-toerana ireo mpiasa amin’izy ireny.
Efa nisy olona nampiasa fiteny hafa foana tany amin’ny toerana maro. Misy fiteny lehibe 14, ohatra, any Inde, ary misy fitenim-paritra 1 000 eo ho eo. Mampiasa fiteny 700, hono, i Papouasie-Nouvelle-Guinée. Tamin’ireo taona 1960 sy 1970 indrindra kosa no hitan’ny Vavolombelona tany Luxembourg fa misy olona avy amin’ny firenena 30 ao amin’ny faritanin’izy ireo, ary olona avy amin’ny firenena 70 hafa, fara fahakeliny, no tonga taorian’izay. Milaza i Soeda fa fiteny iray ihany no nampiasaina tany taloha, fa 100 kosa ankehitriny. Ahoana no niatrehan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’izany?
Namantatra ny fitenin’ilay olona fotsiny izy ireo, tamin’ny voalohany, ary nitady boky tamin’io fiteny io. Nisy kasety nampiasaina tany Danemark, mba handrenesan’ny Tiorka tso-po an’ilay hafatra amin’ny fiteniny. Betsaka ny mpiasa avy any Italia sy Espaina, tonga tany Soisa. Hita amin’ny fanampian’i Rudolf Wiederkehr ny fomba natao tamin’izany. Te hitory tamin’ny lehilahy italianina iray izy, saingy tsy nifankahazo ny fiteniny. Inona no azo natao? Nametraka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny italianina taminy ilay rahalahy. Niverina ny Rahalahy Wiederkehr, na teo aza ilay olana momba ny fiteny. Nampianarina Baiboly ilay lehilahy sy ny vadiny ary ny zanany lahy 12 taona. Tamin’ny teny alemà ny boky fianaran’ny Rahalahy Wiederkehr, ary tamin’ny teny italianina ny an’ilay fianakaviana. Fihetsika no nampiasaina, rehefa tsy azo ny teny. Nandika teny indraindray ilay zazalahy, izay nianatra teny alemà tany am-pianarana. Nanaiky ny fahamarinana izy mianakavy kely, ary tsy ela dia lasa nitory izany tamin’olona.
Nisy mpiasa an-tapitrisany avy any Espaina, Gresy, Iogoslavia, Italia, Portogaly, ary Torkia anefa nifindra tany Alemaina sy tany an-tany hafa. Azo nampiana hahalala an’Andriamanitra tamin’ny fiteniny izy ireo. Tsy ela dia nianatra ny fitenin’ireo mpiasa vahiny ny Vavolombelona teo an-toerana. Ny biraon’ny sampana mihitsy aza no nandamina fianarana teny tiorka, tany Alemaina. Nasaina ny Vavolombelona avy any an-tany hafa nahay an’ilay fiteny nilaina, mba hifindra any amin’ny toerana nila fanampiana.
Mbola tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny sasany tamin’ireo mpiasa, nefa tena nitady ny fahamarinana. Nankasitrahany ny ezaka natao mba hanampiana azy. Maro ny fiangonana niteny vahiny niforona. Niverina tany an-tanindrazany ny sasany tamin’ireny mpiasa ireny tatỳ aoriana, mba hanohy ny fanompoany tany amin’ny toerana mbola tsy nitoriana tsara ny Fanjakan’Andriamanitra.
Vokatra be, na dia nisy sakana aza
Mitovy ny fomba fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Efa zato taona mahery izy ireo no nitory tatỳ Amerika. Tsy mahagaga àry raha nisy vokatra ara-panahy betsaka teto. Nisy 624 097 ny Vavolombelon’i Jehovah eran’i Etazonia sy Kanada, tamin’ny 1975. Nisy fanoherana ihany anefa ny asa fitorian’izy ireo.
Nesorin’ny fitondrana kanadianina ny fandrarana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, tamin’ny 1945, nefa tsy tsapa avy hatrany tany Québec ny vokatr’izany. Nisy vahoaka katolika nanafika Vavolombelon’i Jehovah tany Châteauguay sy Lachine, tamin’ny Septambra 1945. Nosamborina sy nolazaina fa nampirisika olona hikomy ny Vavolombelona, satria nanakiana ny Eglizy Katolika ny bokiny. Nogadraina ny sasany, satria nizara boky tsy nahazo faneken’ny lehiben’ny polisy. Nisy raharaha 1 700 nahakasika Vavolombelona, tany amin’ny fitsaran’i Québec, tamin’ny 1947.
Nokarakaraina tany amin’ny fitsarana izay raharaha ahazoana didim-pitsarana azo ampiharina amin’ny raharaha hafa, nefa nomena toromarika ny Vavolombelona mba hitory ny vaovao tsara, ka ny Baiboly ihany no hampiasaina (Dikan-tenin’i Douay an’ny Katolika, raha azo natao). Nianatra teny frantsay ny mpanompo manontolo andro avy any an-toeran-kafa tany Kanada, ary nifindra tany Québec mba hizara ny fahamarinana tany.
Katolika tso-po maro no nampandroso ny Vavolombelona sy nametraka fanontaniana, na dia nilaza matetika aza izy ireo hoe: ‘Katolika aho, ka tsy hiova finoana mihitsy.’ An’aliny anefa no niova finoana, rehefa nahita izay nolazain’ny Baiboly, sy noho ny fitiavany ny fahamarinana ary ny faniriany hampifaly an’Andriamanitra.
Tsy maintsy nakarina fitsarana koa ny raharaha momba ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hitory ampahibemaso sy isan-trano teto Etazonia. Nisy 59 ny raharaha nahakasika Vavolombelona nentina hatrany amin’ny Fitsarana Tampony, tany Washington, tamin’ny 1937-1953.
Fijerena an’ireo faritany tsy misy tompony
Tsy ny hitory kely fotsiny no tanjon’ny Vavolombelona, fa ny hitory ilay Fanjakana amin’izay rehetra mety ho hitany. Notondroin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny faritany itorian’ny sampana tsirairay. Omena ampahany amin’io faritany io mba hitoriany ny fiangonana tsirairay eo anivon’ilay sampana. Ilay fiangonana kosa no mizara ny faritaniny mba hitorian’ny mpitory iray na maromaro eo anivony. Miezaka hitory isan-trano tsy tapaka izy ireo. Ahoana anefa ireo toerana tsy misy fiangonana miandraikitra azy?
Nojerena tamin’ny 1951 hoe iza amin’ireo faritany teto Etazonia no tsy notsidihin’ny Vavolombelona tsy tapaka. Efa ho ny antsasak’izy ireo no tsy nitoriana mihitsy, na zara raha nitoriana. Nisy Vavolombelona àry nankany amin’ireny toerana ireny nandritra ny vanin-taona mafana, na fotoana hafa nety taminy, mba hamoronana fiangonana tany. Nisy hafatra an-tsoratra navela niaraka tamin’ny boky ara-baiboly, raha tsy tao an-trano ilay olona. Natao an-taratasy ny fianarana Baiboly. Nisy mpisava lalana manokana nalefa tany amin’ireny faritany ireny avy eo, mba hikarakara an’ireo olona liana.
Tsy tamin’ireo taona 1950 ihany no natao izany. Efa itoriana foana ny tanàn-dehibe eran-tany, nefa misy faritany tsy misy tompony, ka iezahana foana ny mitory any amin’izy ireny. Tany amin’ny tanàna lavitra no nipetraka ny ampahadimin’ny mponin’i Alaska, tamin’ireo taona 1970. Maro aminy no mety ho tratra amin’ny ririnina, satria tsy azo atao loatra ny manjono. Mety hampidi-doza anefa ny fandehanana fiaramanidina amin’izany, satria mangatsiaka sady manjavona be ny andro. Tokony handre momba ilay fiainana mandrakizay eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa ny Esquimaux sy Indianina, ary ny Aléoutes. Nampiasa fiaramanidina kely ny Vavolombelona 11 mba hitetezana tanàna 200 niparitaka tany amin’ny 844 000 kilaometatra toradroa, nandritra ny roa taona. Fanomezana an-tsitrapo avy tamin’ny Vavolombelona teo an-toerana no nanatanterahana izany.
Ankoatra ireny dia fitoriana ireny, dia nampirisihina koa ny Vavolombelona matotra mba hifindra any amin’ny toerana mila mpitory maro kokoa ao amin’ny taniny. An’arivony no nanaraka izany, anisan’izany i Eugene sy Delia Shuster, teto Etazonia, izay niala tany Illinois, tamin’ny 1958, mba hanompo tany Hope, any Arkansas. Nijanona tany nandritra ny 30 taona mahery izy ireo, mba hitady olona liana, handamina azy ireny ho fiangonana, ary hanampy azy ho Kristianina matotra.
Nampirisihin’ny mpiandraikitra ny faritra koa i Alexander Green sy ny vadiny, tamin’ny 1957, ka niala tany Dayton, any Ohio, mba hanompo tany Mississippi. Notendrena ho any Jackson aloha izy ireo, ary tany Clarksdale, roa taona taoriana. Nanompo tany amin’ny toerana dimy hafa ny Rahalahy Green, tamin’ny farany. Nisy fiangonana kely nila fanampiana tany amin’izy rehetra ireo. Nanadio, nanao zaridaina, nanamboatra fanaka sy fiara, na toy izany izy, mba hivelomany. Ny fitoriana ny vaovao tsara anefa no asany lehibe indrindra. Nampiany mba hihamatotra ara-panahy ny Vavolombelona teo an-toerana, niara-nitory tamin’izy ireo izy, ary matetika no nanampy azy ireo hanorina Efitrano Fanjakana, talohan’ny nifindrany toerana.
Lasa Vavolombelona i Gerald Cain tany andrefan’i Etazonia, tamin’ny 1967, ary tsapan’izy mianakavy fa asa maika ny fitoriana ny vaovao tsara. Mbola tsy nisy vita batisa akory izy ireo, dia efa niomana ho any amin’ny toerana nila mpitory maro kokoa. Niara-niasa efa-taona tamin’ny fiangonana tany Needles, any Kalifornia, izy ireo. Fanjakana telo eto Etazonia no faritanin’izy io. Tsy maintsy nifindra izy ireo, noho ny resaka fahasalamana, nefa toerana tena nila fanampiana ihany no nofidiny, ary natao Efitrano Fanjakana ny efitra iray tao an-tranony. Nifindra imbetsaka izy ireo, nefa nodinihiny tsara foana ny toerana nila mpitory maro kokoa.
Nihamaro ny fiangonana, ka nila anti-panahy mahay maro kokoa. Anti-panahy an’arivony àry no nanolo-tena handeha tsy tapaka tany amin’ny fiangonana lavitra (nianto-tena izy ireo tamin’izany). Nandeha intelo na inefatra na indimy, na mahery isan-kerinandro izy ireo, mba hitarika fivorian’ilay fiangonana sy ny fitoriana, ary hiandry ny ondry. Tsy teto Etazonia ihany no natao izany, fa tany Espaina, Japon, Holandy, Salvadaoro, ary tany maro hafa. Nisy anti-panahy sy ny fianakaviany nifindra mba hikarakarana izany.
Inona no vokatr’izany? Ohatra amin’izany ny tany iray. Nambara tamin’ny 1951 ny fandaharam-pitoriana tany amin’ny faritany tsy nisy tompony, kanefa fiangonana 3 000 no teto Etazonia tamin’izany, ary 45 teo ho eo avy ny isan’ny mpitory. Lasa 7 117 ny isan’ny fiangonana tamin’ny 1975, ka efa ho 80 ny isan’ny Vavolombelona isam-piangonana.
Betsaka noho ny hatramin’izay ny fitoriana ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany tamin’ny 1945-1975.
Nisy 156 299 ny Vavolombelona eran-tany tamin’ny 1945, nefa lasa 2 179 256 tamin’ny 1975. Samy nitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy rehetra ireo.
Nitory tany amin’ny tany 212 ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1975 (araka ny sarintanin’izao tontolo izao tamin’ireo taona 1990). Nisy 624 097 ny mpitory eran’i Etazonia sy Kanada. Nisy 614 826 kosa izy ireo eran’i Eoropa, ankoatra ny Firaisana Sovietika. Nandray ny fahamarinana i Afrika, vokatry ny asan’ireo Vavolombelona 312 754. Vavolombelona 311 641 no nanompo tany Meksika sy Amerika Afovoany sy Atsimo; 161 598 tany Azia; ary 131 707 tany Aostralia sy ny nosy maro eran-tany.
Nanokana ora 4 635 265 939 mba hitoriana sy hampianarana ny Vavolombelona eran-tany, nandritra ny 30 taona, hatramin’ny 1975. Nahapetraka boky sy bokikely ary gazety 3 914 971 158 tamin’ny olona liana izy ireo, mba hanampiana azy ireny hahatakatra ny fomba handraisany soa amin’ny fikasan’i Jehovah. Nanaraka ny didin’i Jesosy hanao mpianatra izy ireo, ka nanao fiverenana mitsidika 1 788 147 329, sy nitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana 1 411 256, tamin’ny 1975.
Tany 225 no nitoriana ny vaovao tsara tamin’ny 1975. Efa nisy fiangonan’ny Vavolombelona mazoto tamin’ny 1975, tany amin’ny tany 80 mahery efa nitoriana tamin’ny 1945, nefa mbola tsy nisy fiangonana. Anisan’ izany ny Repoblikan’i Korea, izay nisy fiangonana 470, Espaina: 513, Zaïre: 526, Japon: 787, ary Italia: 1 031.
Tsy nanantena ho anisan’ny voahosotry ny fanahin’Andriamanitra hiaina any an-danitra ny ankamaroan’ireo lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1945-1975. Ny 93 isan-jaton’ireo nandray anjara tamin’ny fitoriana tamin’ny 1935, no nihinana ny mofo sy nisotro ny divay tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (Fantatra tatỳ aoriana tamin’io taona io ihany fa olona hiaina mandrakizay eto an-tany ny “vahoaka be” voalazan’ny Apokalypsy 7:9.) Nihamaro hatrany ny Vavolombelona nanantena hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany, tamin’ny 1945, ka izy ireo no 86 isan-jaton’ny mpitory ny vaovao tsara. Latsaka ny 0,5 isan-jaton’ny Vavolombelona eran-tany ny voahosotry ny fanahy, tamin’ny 1975. Niparitaka tany amin’ny tany 115 izy ireo tamin’izany, nefa nanompo toy ny vatana iray teo ambany fahefan’i Jesosy Kristy hatrany.
[Teny notsongaina, pejy 463]
“Miresaka Baiboly daholo izy izao, hatramin’ny nahatongavanareo”
[Teny notsongaina, pejy 466]
“Izay zavatra vao avy nolazainareo tamiko teo mihitsy no novakiko tao amin’ny Baiboly, taona maro lasa izay”
[Teny notsongaina, pejy 470]
An’arivony no nifindra tany amin’ny toerana nila Vavolombelona maro kokoa tao amin’ny taniny
[Teny notsongaina, pejy 472]
“Valisoa sarobidy”
[Teny notsongaina, pejy 475]
Nalefa tany amin’ny tany nila fanampiana ny Vavolombelona mahay
[Teny notsongaina, pejy 486]
Nampiasa ny Soratra Masina ny Vavolombelona voalohany tany Nizeria, rehefa nanala sarona ny mpitondra fivavahana sy ny fampianaran-disony
[Teny notsongaina, pejy 497]
Fihetsika no nampiasaina, rehefa tsy azo ny teny
[Teny notsongaina, pejy 499]
Inona no tanjona? Hitory ilay Fanjakana amin’izay rehetra mety ho hita
[Sarintany/Sary, pejy 489]
Niezahana be ny nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah tamin’ny mponin’i Chine
Taratasy sy trakta ary boky an’arivony no nalefa avy tany Tche-fou, tamin’ny 1891-1900
Nanao lahateny tany Shangaï sy nitsidika tanàna 15 i C. Russell, 1912
Nizara boky eran’ny morontsirak’i Chine ny mpisava lalana, ary nanao dia tany afovoan-tany, 1912-1918
Nanompo teto ny mpisava lalana japoney, 1930-1931
Nisy fandaharana tamin’ny radio tamin’ny teny sinoa, nalefa avy any Shangaï sy Pékin ary Tientsin, tamin’ireo taona 1930; taratasy maro nangataka boky no voaray avy tamin’ny lafivalon’i Chine
Nisy mpisava lalana avy any Aostralia sy Eoropa nitory tany Shangaï, Pékin, Tientsin, Tsingtao, Pei-tai-ho, Tche-fou, Weihaiwei, Canton, Shantou, Amoy, Foochow, Hankow, ary Nankin, tamin’ireo taona 1930 sy 1940. Nisy avy any Birmania nitory tany Pao-shan sy Chongqing ary Ch’eng-tu. Nanompo tany Shensi sy Ningpo ny mpisava lalana teo an-toerana
[Sary]
Nanompo teto niaraka tamina fianakaviana Vavolombelona nazoto teo an-toerana, ny misioneran’i Gileada, toa an’i Stanley Jones (ankavia) sy Harold King (ankavanana), 1947-1958
[Sarintany]
CHINE
[Sarintany/Sary, pejy 462]
Tranon’ny misionera teny ambony rano ny “Sibia”
S. Carter
G. Maki
R. Parkin
A. Worsley
[Sarintany]
(Jereo ny boky)
BAHAMAS
NOSY SOUS-LE-VENT
NOSY VIERGES (AMERIKANINA)
NOSY VIERGES (BRITANIKA)
ÎLES DU VENT
[Sarintany, pejy 477]
(Jereo ny boky)
Tonga tany Afrika avy any an-tany hafa ny fahamarinana, toy ny rano mamelona
AFRIKA ATSIMO
GHANA
KENYA
MALAWI
NIZERIA
SIERRA LEONE
ZAMBIA
[Sary, pejy 464]
Tany La Paz aloha no nitorian’i Edward Michalec (ankavia) sy Harold Morris (ankavanana), misionera tany Bolivia
[Sary, pejy 465]
Ilay sambo “El Refugio” namboarin’ny Vavolombelona tany Peroa, izay nampiasaina mba hitoriana tamin’ny olona nanamorona ny reniranon’i Amazone ambony
[Sary, pejy 467]
Olona an’aliny no afaka mamaky ny Tenin’Andriamanitra, vokatry ny kilasy fianarana mamaky teny, notarihin’ny Vavolombelona tany Meksika
[Sary, pejy 468]
Rahalahy Knorr (aloha ankavanana), nihaona tamin’ny Vavolombelona tamin’ny fivoriambe tany amin’ny toeram-piompiana tany an-tendro- mbohitr’i Arzantina, tamin’izy ireo tsy navela hanao fivoriambe ampahibemaso
[Sary, pejy 469]
Anisan’ny Vavolombelona an’arivony nifindra tany amin’ny tany nila mpitory maro kokoa ny fianakaviana toa an’i Harold sy Anne Zimmerman, sy ny zanany efatra (Kolombia)
[Sary, pejy 471]
Nifindra tany Papouasie mba hampianatra ny fahamarinana ara-baiboly i Tom sy Rowena Kitto, ho valin’ilay fampirisihana
[Sary, pejy 471]
Nifindra tany Nouvelle-Calédonie i John sy Ellen Hubler, ary nisy 31 nanaraka azy. Nisy fiangonana nijoro tsara tany, talohan’ny tsy maintsy nialan’ izy ireo
[Sary, pejy 473]
Noteren’ny havana sy ny mpiara-monina i Fuaiupolu Pele, rehefa nanapa-kevitra ho Vavolombelon’i Jehovah, tamin’izy mbola tovolahy, tany Samoa Andrefana
[Sary, pejy 474]
Novana ho Efitrano Fanjakana ireo trano fiangonana tany amin’ny tanàna 28 tany amin’ny Nosy Salomon, rehefa niaiky i Shem Irofa’alu sy ny namany fa tena ny fahamarinana no ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 476]
Nasaina nanorina misiona sy nanokatra fianarana ny Vavolombelona tany Etiopia, tamin’ireo taona 1950, mba hahafahany hitory tany
[Sary, pejy 478]
Norahonana horoahina i Gabriel Paterson (hita eto), nefa nisy manam-pahefana nanome toky azy hoe: ‘Sahala amin’ny renirano mahery ny fahamarinana, ka raha tohananao izy, dia hihoatra an’ilay tohana’
[Sary, pejy 479]
Vavolombelona vaovao 3 775 no naroboka tamin’ny fivoriambe tamin’ny 1970 tany Nizeria; nojerena tsara raha tena nahafeno fepetra ny tsirairay
[Sary, pejy 481]
Nahitan’ny olona ny halehiben’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany ny fampisehoana horonan-tsary (tany Afrika sy eran-tany)
[Sary, pejy 482]
Nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro i João Mancoca (miaraka amin’i Mary vadiny eto), na dia teo aza ny toe-javatra tena sarotra
[Sary, pejy 483]
Tafiditra tany Zaïre (Congo tamin’izany) ry Ernest Heuse zanany, tamin’ny 1961, mba hampianatra Baiboly an’ireo tena te hanompo an’i Jehovah
[Sary, pejy 485]
Vao vita batisa herintaona i Mary Whittington, sady tsy nahalala Vavolombelona tany Kenya, nefa lasa nanampy olon-kafa hianatra ny fahamarinana
[Sary, pejy 487]
Mary Nisbet (aloha afovoany), eo afovoan’ireo zanany lahy roa, dia i Robert sy George, izay mpisava lalana tany Afrika Atsinanana tamin’ireo taona 1930; ary i William zanany lahy (eo aoriana) sy Muriel vadiny, izay nanompo tany Afrika Atsinanana tamin’ny 1956-1973
[Sary, pejy 488]
Nampianarina tamin’ny fivoriambe tany Philippines tamin’ny 1945 ny fomba fampianarana Baiboly any an-trano
[Sary, pejy 490]
Don sy Mabel Haslett, misionera voalohany tany Japon taorian’ny ady, mitory eny an-dalana
[Sary, pejy 491]
Nanompo tany Japon nandritra ny 25 taona i Lloyd Barry (ankavanana), misionera aloha, ary mpiandraikitra ny sampana avy eo
[Sary, pejy 491]
Don sy Earlene Steele, voalohany tamin’ireo misionera tany amin’ny Repoblikan’i Korea
[Sary, pejy 492]
Noroahin’ny vahoaka indraindray i Fred Metcalfe, taloha, rehefa nitory ny Baiboly tany Irlandy; an’arivony anefa no lasa Vavolombelon’i Jehovah, rehefa tena nihaino azy
[Sary, pejy 493]
An’arivony no nanatrika ireo fivoriambe tany Italia (Roma, 1969), na teo aza ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana
[Sary, pejy 494]
Natao tany ambanivohitra toy ny fitsangantsanganana matetika ny fivorian’ny fiangonana, nandritra ny fandrarana, toy ity tany Portogaly ity
[Sary, pejy 495]
Nanao fitoriana an-taratasy ny Vavolombelona tany am-ponjan’i Cadix, any Espaina
[Sary, pejy 496]
Hitan’ny olona sy reny mihitsy hoe iza ny Vavolombelona, nandritra ireo fivoriambe
Paris, Frantsa (1955)
Nuremberg, Alemaina (1955)
[Sary, pejy 498]
Tsy maintsy nampiasa boky amin’ny fitenin’olona avy amin’ny firenena 100, fara fahakeliny, ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hitoriana any Luxembourg