TOKO FAHAROA
Fiomanana ho Amin’ny Fanambadiana Vanona
1, 2. a) Ahoana no nanantitranteran’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny fiomanana mialoha? b) Amin’ny lafiny inona indrindra indrindra no tena lehibe ny fiomanana mialoha?
MITAKY fiomanana amim-pitandremana ny fanorenana trano. Alohan’ny hametrahana ny fanorenana, dia tsy maintsy vidina ny tany ary atao ireo drafitra. Kanefa misy zavatra hafa izay lehibe dia lehibe. Hoy i Jesosy: “Iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” — Lioka 14:28.
2 Izay marina momba ny fanorenana trano dia mihatra koa amin’ny fanorenana fanambadiana vanona. Maro no milaza hoe: “Ta hanambady aho.” Firy anefa no miato mba handinihana izay hotakin’izany aminy? Na dia miresaka amim-pankasitrahana momba ny fanambadiana aza ny Baiboly, dia misarika ny saina ho amin’ireo zava-tsarotra atolotry ny fanambadiana koa izy. (Ohabolana 18:22; 1 Korintiana 7:28). Noho izany, ireo izay mieritreritra ny hanambady dia mila ny hanana fomba fihevitra araka ny tena izy, tsy ireo fitahiana ihany, fa izay hotakin’ny hoe manambady aminy koa.
3. Nahoana ny Baiboly no fanampiana sarobidy ho an’ireo miomana mialoha ho amin’ny fanambadiana, ary fanontaniana telo inona avy no hanampian’izy io antsika hahazo valiny?
3 Afaka manampy ny Baiboly. Ny torohevitra ao anatiny dia ara-tsindrimandrin’ilay Loharanon’ny fanambadiana, i Jehovah Andriamanitra. (Efesiana 3:14, 15; 2 Timoty 3:16). Amin’ny fampiasana ireo fotopoto-pitsipika hita ao amin’io boky fanoroana tranainy nefa tena araka ny toetr’andro io, dia aoka isika hamantatra ny hoe 1) Ahoana no ahafahan’ny olona iray milaza raha vonona ho amin’ny fanambadiana ny tenany?, sy ny hoe 2) Inona no tokony hotadiavina ao amin’ny ho vadin’ny tena?, ary ny hoe 3) Ahoana no azo ihazonana ny fiarahana alohan’ny fanambadiana ho mendri-kaja?
VONONA HO AMIN’NY FANAMBADIANA VE IANAO?
4. Inona no anton-javatra tena lehibe iray ahafahana mihazona fanambadiana vanona, ary nahoana?
4 Mety ho lafo ny fanorenana trano, nefa ny fikojakojana azy io maharitra koa dia mety hitaky vola be. Mitovy amin’izany koa ny amin’ny fanambadiana. Ny hoe mampaka-bady sy hoe ampakarina fotsiny dia toa efa zava-tsarotra; kanefa ny fikojakojana ny fifandraisana eo amin’ny mpivady arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia tsy maintsy heverina koa. Inona no takin’ny fikojakojana fifandraisana toy izany? Ny anton-javatra iray lehibe dia lehibe dia ny fanekena ilay adidy amin’ny fo manontolo. Izao no fomba ilazalazan’ny Baiboly ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:24). I Jesosy Kristy dia nanome ny hany fototra araka ny Soratra Masina ho an’ny fisaraham-panambadiana misy fahafahana hanambady indray — ny “fijangajangana”, izany hoe ny firaisana andrarana ivelan’ny fanambadiana. (Matio 19:9). Raha mieritreritra ny hanambady ianao, dia tazony ao an-tsaina ireo fari-pitsipika araka ny Soratra Masina ireo. Raha tsy vonona ho amin’io fanekena adidy mavesa-danja io ianao, dia tsy vonona ho amin’ny fanambadiana. — Deoteronomia 23:22; Mpitoriteny 5:3, 4.
5. Na dia mampahatahotra ny sasany aza ny fanekena adidy mavesa-danja entin’ny fanambadiana, nahoana kosa izy io no tokony hoheverin’ireo izay mikasa ny hanambady ho sarobidy?
5 Mampahatahotra olona maro ilay hevitra ny amin’ny fanekena adidy mavesa-danja. “Ny fahafantarana hoe voatery hifampifikitra mandra-pahafaty izahay roa dia nahatonga ahy hahatsiaro ho voafehifehy, ho voahidy, ho voafetra tanteraka”, hoy ny fieken’ny lehilahy tanora iray. Raha tena tia ilay olona kasainao hovadina anefa ianao, dia tsy ho toy ny enta-mavesatra ny fanekena ilay adidy. Hoheverinao ho toy ny loharanon’ny tsy fananana ahiahy kosa aza izy io. Ny fanekena ilay adidy entin’ny fanambadiana dia hahatonga ny mpivady haniry hiara-mitoetra na an-kasoavana na an-karatsiana, sy hifanohana na inon-kihatra na inon-kidona. I Paoly, apostoly kristiana, dia nanoratra fa “mandefitra ny zavatra rehetra” sy “maharitra ny zavatra rehetra” ny fitiavana marina. (1 Korintiana 13:4, 7). “Ny fanekena ilay adidy ao anatin’ny fanambadiana dia mahatonga ahy hahatsiaro ho tsy manana ahiahy kokoa”, hoy ny vehivavy iray. “Tiako be ilay fampiononana avy amin’ny fiekenay tamin’ny tenanay sy tamin’izao tontolo izao fa mikasa ny hifampifikitra izahay.” — Mpitoriteny 4:9-12.
6. Nahoana no tsara indrindra ny tsy hirotorotoana hiditra ao amin’ny fanambadiana raha mbola tanora kely?
6 Mitaky fahamatorana ny fiainana mifanaraka amin’ny fanekena adidy toy izany. Araka izany, dia manoro hevitra i Paoly fa tsara kokoa raha tsy manambady ny Kristiana raha tsy “efa dila ny fahatanorana vao mivelatra”, dia ilay fe-potoana anjakan’ny fihetseham-po eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ka ahafahan’izy io manolana ny fahaizan’ny tena mitsara zavatra. (1 Korintiana 7:36, NW ). Miova haingana ny tanora eo am-pihalehibeazany. Maro amin’ireo manambady raha mbola tanora kely, no mahita fa rehefa afaka taona vitsivitsy monja, dia niova ny zavatra ilainy sy iriny, ary koa ny an’ilay vadiny. Mampiharihary ireo antontan’isa fa ny zatovo manambady dia azo inoana kokoa fa tsy ho sambatra ka hitady fisaraham-panambadiana, noho ireo izay miandry ho lehibe kokoa. Koa aza mirotoroto hiditra ao amin’ny fanambadiana àry. Ny fitoerana ho olon-dehibe tanora mpitovo mandritra ny taona sasantsasany dia afaka manome anao fanandraman-javatra sarobidy izay hahatonga anao ho matotra kokoa ary hahafeno fepetra tsara kokoa mba ho vady tsara. Ny fanemorana ny fanambadiana dia afaka manampy koa mba hahalalanao tsara kokoa ny tenanao — zavatra izay tena ilaina raha tianao ny hamboly fifandraisana mahomby ao amin’ny fanambadianao.
FANTARO ALOHA NY TENANAO
7. Nahoana ireo izay miomana mialoha ny hanambady no tokony handini-tena aloha?
7 Hitanao ve fa mora ny mitanisa ireo toetra irinao ho hita ao amin’ny ho vadinao? Ny ankamaroan’ny olona no toy izany. Kanefa, ahoana ny amin’ireo toetran’ny tenanao manokana? Lafin-toetranao inona avy no hanampy anao ho anisan’ny hahatonga ny fanambadianao ho vanona? Ho karazana vady hanao ahoana ianao? Ohatra, moa ve ianao mora miaiky ireo fahadisoanao sy manaiky torohevitra, sa ianao mitady hiaro tena foana rehefa voahitsy? Moa ve ianao falifaly sy mijery lafy tsaran-javatra mazàna, sa ianao mirona ho manjombona, ka mitaraina matetika? (Ohabolana 8:33; 15:15). Tadidio fa tsy hanova ny toetra maha-ianao anao akory ny fanambadiana. Raha miavonavona, tsy azo tohinina, na mijery lafy ratsin-javatra tafahoatra ianao rehefa mpitovo, dia ho toy izany ihany koa ianao rehefa manambady. Koa satria sarotra ny mahita ny tenantsika araka ny fomba ahitan’ny hafa antsika, nahoana raha manontany ny rainao na ny reninao na ny namana itokianao iray, mba hanao fanamarihana na fanoloran-kevitra amim-pahatsorana? Raha manjary fantatrao fa misy fiovana ho azonao atao, dia miezaha hanao izany, alohan’ny hirosoana ho ao amin’ny fanambadiana.
8-10. Torohevitra inona no omen’ny Baiboly ka hanampy ny olona iray hiomana ho amin’ny fanambadiana?
8 Ny Baiboly dia mampirisika antsika hamela ny fanahy masin’Andriamanitra hiasa ao amintsika, ka hamokatra toetra toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena”. Milaza amintsika koa izy io mba ‘hohavaozina amin’ny fanahin’ny saintsika’ isika ka ‘hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana’. (Galatiana 5:22, 23, NW; Efesiana 4:23, 24). Ny fampiharana io torohevitra io raha mbola mpitovo ianao dia ho toy ny fametrahana vola any amin’ny banky — zavatra izay ho hita ho tena sarobidy amin’ny hoavy, rehefa tena hanambady tokoa ianao.
9 Ohatra, raha vehivavy ianao, dia mianara haneho fiheverana kokoa “ny toetra miafina ao am-po” noho ny fisehoanao ara-batana. (1 Petera 3:3, 4). Ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena dia hanampy anao hanana fahendrena, dia “satroboninahitra tsara tarehy” marina. (Ohabolana 4:9; 31:10, 30; 1 Timoty 2:9, 10). Raha lehilahy ianao, dia mianara hitondra ireo vehivavy amin’ny fomba feno hatsaram-panahy sy fanajana. (1 Timoty 5:1, 2). Eo am-pianaranao handray fanapahan-kevitra sy hiantsoroka andraikitra, dia mianara koa hihevi-tena araka ny antonona sy hanetry tena. Ny fihetsika manjakazaka dia hitarika ho amin’ny zava-manahirana ao amin’ny fanambadiana. — Ohabolana 29:23; Mika 6:8, NW; Efesiana 5:28, 29.
10 Na dia tsy mora aza ny manavao ny saina amin’ireo lafiny ireo, izany dia zavatra tokony hanaovan’ny Kristiana rehetra ezaka. Ary hanampy anao ho vady tsara kokoa ny fanaovana izany.
IZAY TADIAVINA AO AMIN’NY HO VADIN’NY TENA
11, 12. Ahoana no mety hahafantaran’ny olona roa raha mifanentana izy ireo na tsia?
11 Fanao mahazatra eo amin’ny misy anao ve ny hifidianan’ny tenan’ny olona iray manokana ny ho vadiny? Raha eny, dia ahoana no tokony hataonao raha hitanao fa manintona anao ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka anao? Voalohany aloha, dia manontania tena hoe: ‘Tena ny fanambadiana ve no fikasako?’ Tsy firaharahana izay tsapan’ny ankilany ny filalaovana amin’ny fihetseham-pony amin’ny famohazana fanantenana diso. (Ohabolana 13:12). Avy eo, dia manontania tena hoe: ‘Moa ve aho afaka manambady?’ Raha eny ny valin’ireo fanontaniana roa ireo, ireo dingana hataonao manaraka dia ho hafa, arakaraka ny fanao eo an-toerana. Any amin’ny tany sasany, rehefa avy nandinika ilay olona nandritra ny fotoana sasantsasany ianao, dia ho azonao atao ny hanatona azy sy hilaza ny fanirianao hifankahalala aminy tsara kokoa. Raha tsia ny valiny, dia aza mikiry ihany ka hahatonga ny tenanao hanorisory. Tadidio fa manana zo handray fanapahan-kevitra momba ilay raharaha koa ny ankilany. Kanefa, raha eny kosa ny valiny, dia mety handamina ny hiara-mandany fotoana hanaovan-javatra madio ianareo. Izany dia hanome anao fahafahana hahita raha ho fahendrena ny hanambadiana an’io olona io.a Inona no tokony hotadiavinao rehefa tonga amin’io ambaratonga io?
12 Mba hamaliana io fanontaniana io, dia alao sary an-tsaina ny zavamaneno roa, angamba piano sy gitara. Raha voahitsy tsara ny feon’izy ireo, ny tsirairay aminy dia afaka mamoaka mozika tokana kanto. Kanefa, inona no mitranga raha tendrena miaraka ireo zavamaneno ireo? Izao dia tsy maintsy mifanaraka ny feon’izy roa ireo. Mitovy amin’izany ny aminao sy ilay mety ho vadinao. Mety ho niezaka mafy ny tsirairay taminareo mba “hanitsy ny feon’ny” lafin-toetran’ny tenany manokana. Ny fanontaniana ankehitriny anefa dia hoe: Mifanara-peo ve ianareo roa? Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe mifanentana ve ianareo?
13. Nahoana no tena tsy fahendrena ny hiarahana amin’ny olona iray tsy mitovy finoana aminao?
13 Zava-dehibe ny hiombonanareo zavatra inoana sy fotopoto-pitsipika. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aza mety hasiana [zioga tsy mitovy tantana, NW ] hikambanana amin’ny tsy mino.” (2 Korintiana 6:14; 1 Korintiana 7:39). Ny fanambadiana olona iray tsy mitovy finoana an’Andriamanitra aminao dia mahatonga ho azo inoana kokoa ny hisian’ny tsy fifanarahana lehibe. Etsy an-danin’izany kosa, ny fifikiran’ny andaniny roa amin’i Jehovah Andriamanitra no fototra mafy indrindra ho an’ny firaisan-tsaina. Tian’i Jehovah ho sambatra sy hanana ny fehy akaiky indrindra misy, amin’ilay olona hovadinao, ianao. Tiany hanana fatorana Aminy sy aminareo samy ianareo, amin’ny alalan’ny fehim-pitiavana telo olana, ianareo. — Mpitoriteny 4:12.
14, 15. Moa ve ny fitoviam-pinoana no hany lafiny amin’ny firaisan-tsaina ao amin’ny fanambadiana iray? Hazavao.
14 Na dia ny lafiny lehibe indrindra amin’ny firaisan-tsaina aza ny fanompoana an’Andriamanitra miaraka, dia tsy izay ihany no tafiditra. Mba hifanarahanareo feo, dia tokony hanana tanjona mitovy ianao sy ilay mety ho vadinao. Inona avy ireo tanjonao? Ohatra, ahoana ny fiheveranareo roa ny fananan-janaka? Zavatra inona avy no manana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao?b (Matio 6:33). Ao amin’ny fanambadiana iray tena vanona marina, ilay mpivady dia mpinamana be, ary samy mankafy ny fiarahana amin’izy samy izy. (Ohabolana 17:17). Mba hisian’izany, dia mila ny hanana zava-mahaliana hiombonana izy ireo. Sarotra ny mihazona fisakaizana akaiky iray — ary indrindra fa ny fanambadiana iray — rehefa tsy eo izany. Na dia izany aza, raha tia ny fanaovan-javatra manokana iray, toy ny fitsangantsanganana an-tongotra, ilay mety ho vadinao, nefa ianao tsy tia, moa ve izany midika fa tsy tokony hivady ianareo roa? Tsy voatery ho izany. Angamba misy zava-mahaliana hafa, lehibe kokoa, iombonanareo. Ambonin’izany, dia ho azonao atao ny hanome fahasambarana an’ilay mety ho vadinao amin’ny fiarahana aminy amin’ny fanaovan-javatra madio, satria tia izany izy. — Asan’ny Apostoly 20:35.
15 Eny tokoa, amin’ny ampahany lehibe, ny hoe hifanentana ianareo roa dia hiankina amin’ny fahaizanareo hifanaraka amin’ny toe-javatra, fa tsy amin’ny fitovianareo akory. Aza manontany hoe: “Mitovy hevitra amin’ny zava-drehetra ve izahay?”, fa ny fanontaniana tsara kokoa sasany dia mety ho ny hoe: “Inona no mitranga rehefa tsy mitovy hevitra izahay? Afaka miresaka zavatra amim-pahatoniana ve izahay, ka mifanome fanajana sy fahamendrehana? Sa mikororosy kosa matetika ny resaka ifanaovana ka tonga fifamaliana mafy?” (Efesiana 4:29, 31). Raha ta hanambady ianao, dia mitandrema tsara amin’izay olona miavonavona sy tsy manaiky ho diso, ka tsy vonona ny handefitra, na izay mitaky na mikendry ny hanaovana izay tiany foana.
FANTARO MIALOHA
16, 17. Inona no ho azon’ny lehilahy na ny vehivavy iray tadiavina rehefa mandinika olona iray mety ho vadiny izy?
16 Ao amin’ny kongregasiona kristiana, ireo izay nanankinana andraikitra dia tokony ‘hozahan-toetra aloha’. (1 Timoty 3:10). Ianao koa dia afaka mampiasa io fotopoto-pitsipika io. Ohatra, ho azon’ny vehivavy mpitovo iray atao ny hanontany hoe: “Karazana laza manao ahoana no ananan’io lehilahy io? Iza avy ireo namany? Maneho fifehezan-tena ve izy? Amin’ny fomba ahoana no itondrany ireo zokiolona? Avy amin’ny karazana fianakaviana manao ahoana moa izy? Manao ahoana ny fifandraisany amin’izy ireo? Manao ahoana ny fihetsiny eo anoloan’ny vola? Mampiasa zava-pisotro misy alkaola tafahoatra ve izy? Moa ve izy saro-po, mahery setra mihitsy aza? Inona avy ireo andraikiny ao amin’ny kongregasiona, ary amin’ny fomba ahoana no iantsorohany azy ireo? Ho afaka ny hanaja azy lalina ve aho?” — Levitikosy 19:32; Ohabolana 22:29; 31:23; Efesiana 5:3-5, 33, NW; 1 Timoty 5:8; 6:10; Titosy 2:6, 7.
17 Ho azon’ny lehilahy mpitovo iray atao ny hanontany hoe: “Moa ve io vehivavy io maneho fitiavana sy fanajana an’Andriamanitra? Mahay mikarakara tokantrano ve izy? Inona no hantenain’ny fianakaviany aminay? Moa ve izy vehivavy hendry, mazoto miasa, tsy mandanilany foana? Momba ny inona no resahiny? Moa ve izy miahy amim-pahatsorana ny amin’izay hahasoa ny hafa, sa izy tia tena, mpiraharaha ny an’ny hafa? Azo itokiana ve izy? Vonona ny hanaiky ny fahefan’izay loha ve izy, sa izy kirina, angamba mikomy mihitsy aza?” — Ohabolana 31:10-31; Lioka 6:45; Efesiana 5:22, 23; 1 Timoty 5:13; 1 Petera 4:15.
18. Raha misy fahalemena madinika hita mandritra ny fiarahana alohan’ny fanambadiana, inona no tokony hotazonina ao an-tsaina?
18 Aza hadinoina fa taranak’i Adama tsy tanteraka no ifampiraharahanao, fa tsy olona mahery fo heverina ho filamatra avy ao amin’ny tantaram-pitiavana iray akory. Samy manana kileman-toetra ny tsirairay, ary ny sasany amin’izy ireo dia ho voatery hodian-tsy hita — ny anao sy ny an’ilay mety ho vadinao. (Romana 3:23; Jakoba 3:2). Ankoatra izany, ny fahalemena hita iray dia afaka ny hanolotra fahafahana hitombo ara-panahy. Ohatra, aoka hatao hoe mandritra ny fiarahanareo alohan’ny fanambadiana, dia misy fifamaliana eo aminareo. Izao heverina: Na dia ny olona mifankatia sy mifanaja aza dia tsy mitovy hevitra indraindray. (Ampitahao amin’ny Genesisy 30:2; Asan’ny Apostoly 15:39.) Sao dia mety hila ny ‘hanindry ny fanahinareo’ kely kokoa fotsiny ianareo roa, ary hianatra ny handamin-javatra amim-pilaminana kokoa? (Ohabolana 25:28). Mampiseho faniriana hihatsara ve ilay mety ho vadinao? Ary ianao? Ho afaka ny hianatra ny tsy ho mora tohina loatra, ny tsy ho mora tezitra loatra, ve ianao? (Mpitoriteny 7:9). Ny fianarana handamina zava-manahirana dia afaka manorina fahazarana hifampiresaka amim-pahamarinana, izay tena ilaina raha tena mivady tokoa ianareo roa. — Kolosiana 3:13.
19. Inona no ho lalana maneho fahendrena harahina, raha misy zava-manahirana lehibe miseho mandritra ny fiarahana alohan’ny fanambadiana?
19 Ahoana anefa raha mahamarika zavatra izay manelingelina mafy anao ianao? Ny fisalasalana toy izany dia tokony hoheverina amim-pitandremana. Na dia mety hahatsapa fitiavana toy inona aza ianao, na hoe mety ho may ny hanambady toy inona aza ianao, dia aza manakimpy ny masonao amin’ny tsiny lehibe. (Ohabolana 22:3; Mpitoriteny 2:14). Raha manana fifandraisana amin’ny olona iray izay ahatsapanao fisalasalana lehibe ianao, dia fahendrena ny tsy hanohizana ilay fifandraisana sy tsy hanaovana fanekena adidy maharitra mifandray amin’izany olona izany.
HAZONY HO MENDRI-KAJA NY FIARAHANAREO ALOHAN’NY FANAMBADIANA
20. Ahoana no ahafahan’ny olon-droa miaraka alohan’ny fanambadiana mihazona ny fitondran-tenany ho tsy azo kianina?
20 Ahoana no ahafahanareo mihazona ny fiarahanareo alohan’ny fanambadiana ho mendri-kaja? Voalohany aloha, dia ataovy azo antoka fa ho tsy azo kianina ny fitondran-tenanareo. Eo amin’ny misy anareo, moa ve heverina ho fitondran-tena mety ho an’ny olon-droa tsy mivady ny mifampitantana, ny mifanoroka na ny mifamihina? Na dia tsy mampaninona ny olona aza ny fanehoam-pitiavana toy izany, dia tsy tokony hanomezan-dalana afa-tsy rehefa raikitra ny fikasana hivady. Mitandrema mba tsy hitombo ireo fanehoam-pitiavana ka hitarika ho amin’ny fitondran-tena maloto, na ho amin’ny fijangajangana mihitsy aza. (Efesiana 4:18, 19; ampitahao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona 1:2; 2:6; 8:5, 9, 10.) Noho ny fo mamitaka, dia haneho fahendrena ianareo roa raha manalavitra ny fitokanana ao amin’ny trano iray, ny efitra iray, ny fiara iray mijanona eo amin’ny toerana iray, na ny toerana hafa rehetra hanome fahafahana hanana fitondran-tena ratsy. (Jeremia 17:9). Ny fihazonana ny fiarahanareo alohan’ny fanambadiana ho madio ara-pitondran-tena dia manome porofo mazava fa manana fifehezan-tena ianao ary koa fa mametraka ny fiahiana tsy amim-pitiavan-tena ny hahasoa ny ankilany alohan’ny fanirian’ny tenanao manokana. Ny zava-dehibe indrindra dia hoe ny fiarahana madio alohan’ny fanambadiana dia hahafaly an’i Jehovah Andriamanitra, izay mandidy an’ireo mpanompony hifady ny fahalotoana sy ny fijangajangana. — Galatiana 5:19-21.
21. Fifampiresahana amim-pahamarinana inona no mety hilaina mba hihazonana ny fiarahana alohan’ny fanambadiana ho mendri-kaja?
21 Faharoa, dia tafiditra ao amin’ny fiarahana mendri-kaja alohan’ny fanambadiana koa ny fifampiresahana amim-pahamarinana. Rehefa mihamandroso ho amin’ny fanambadiana ny fiarahanareo, dia misy zavatra sasany mila ny horesahina tsy an-kifonofono. Aiza ianareo no hipetraka? Samy hiasa ve ianareo roa? Ta hanan-janaka ve ianareo? Afa-tsy izany koa, dia rariny tsotra izao ny mampiharihary zavatra, angamba teo amin’ny fiainan’ny tena tamin’ny lasa, izay mety hisy fiantraikany eo amin’ilay fanambadiana. Mety ho trosa na adidy lehibe izany, na raharaha ara-pahasalamana, toy ny aretina na ny tsy fahasalamana lehibe iray mety hanananao. Koa satria olona maro voan’ny VIH (ilay viriosy miteraka ny SIDA) no tsy mampiseho famantarana aretina avy hatrany, dia tsy ho diso ny hangatahan’ny olona iray na ny ray aman-dreny feno fiahiana ny hampanaovana fitsirihana ny ra, hahitana raha misy SIDA, amin’ny olona iray izay mpanaraka fitondran-tena maloto na mpitsindrona zava-mahadomelina an-dalan-dra, tamin’ny lasa. Raha hita fa eny ny valin’ilay fitsapana, ilay olona voan’ilay viriosy dia tsy tokony hanery an’ilay nokasainy hovadina hanohy ilay fifandraisana raha maniry ny hamarana azy izy io ankehitriny. Raha ny tena izy tokoa, izay rehetra nanaraka fomba fiaina mampidi-doza be dia haneho fahendrena raha mampanao fitsirihana ny rany an-tsitrapo, hahitana raha misy SIDA, alohan’ny hanombohana fiarahana alohan’ny fanambadiana.
FIJERENA ANY AMBADIKY NY FAMPAKARAM-BADY
22, 23. a) Ahoana no mety hamoizana ny fandanjalanjana rehefa manomana fampakaram-bady iray? b) Fomba fihevitra voalanjalanja inona no tokony hohazonina rehefa mandinika ilay fampakaram-bady sy ilay fanambadiana?
22 Mandritra ireo volana farany alohan’ny fanambadiana, dia azo inoana fa ho be hatao aoka izany ianareo roa, noho ny fandaminana ilay fampakaram-bady. Afaka mampihena be dia be an’ilay fihenjanana ianareo amin’ny fahalalana onony. Ny fampakaram-bady iray nokalina be dia mety hahafaly ny havana sy ny mpiara-monina, nefa mety hamela ireo mpivady vao sy ny fianakaviany avy ho sasatra ara-batana sy ho ritra ara-bola. Fahalalana ny antonona ny fanarahana ny fanao sasany eo an-toerana, nefa ny fanarahana am-bokony ary angamba amim-pifaninanana izay ataon’ny hafa, dia afaka ny hanakona ny hevitr’ilay fankalazana ary mety hanesotra aminareo ilay fifaliana tokony hanananareo. Na dia tsy maintsy heverina aza ny fihetseham-pon’ny hafa, dia ilay mpampakatra no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanapahan-kevitra ny amin’izay hatao amin’ilay fety fampakaram-bady. — Jaona 2:9.
23 Tadidio fa tsy haharitra afa-tsy iray andro monja ny fampakaram-badinareo, fa ny fanambadianareo kosa haharitra mandritra ny androm-piainanareo. Halaviro ny hifantoka be loatra amin’ilay hoe hampaka-bady (na hoe hampakarina). Mitodiha kosa any amin’i Jehovah Andriamanitra mba hahazoana tari-dalana, ary miomàna mialoha ho amin’ny fiainan’ny olona manambady. Amin’izay ianao dia ho voaomana tsara ho amin’ny fanambadiana vanona.
a Izany dia hihatra any amin’ny tany iheverana fa mety ho an’ny Kristiana ny fiarahan’ny olon-droa.
b Na dia ao amin’ny kongregasiona kristiana aza, dia mety hisy sasany hanara-tsisiny, raha azo atao ny milaza izany. Tsy mpanompon’Andriamanitra amin’ny fony manontolo izy ireo, fa mety ho voataonan’ireo fihetsika sy fitondran-tenan’izao tontolo izao kosa. — Jaona 17:16; Jakoba 4:4.