Fanomanana Drafitra
OLONA maro, rehefa asaina manao anjara na lahateny, no somokotra erỳ manoratra ny zavatra rehetra, hatramin’ny teny fampidirana ka hatramin’ny teny famaranana. Mety ho taratasy andrana be dia be no efa nomaniny, vao vita tanteraka ilay izy. Mety ho ora maro no laniny amin’izany.
Izany ve no fomba fanomananao ny anjaranao? Tianao ve ny hianatra fomba iray mora kokoa? Mianara manomana drafitra, dia tsy hila hanoratra ny teny rehetra intsony ianao. Hanam-potoana kokoa hanaovana famerenana ilay anjara na lahateny ianao amin’izay. Ho mora velabelarina ilay izy sady hahaliana kokoa ny mpihaino sy handrisika azy hanao zavatra.
Mazava ho azy fa efa misy drafitra natao ho an’ireo lahateny ho an’ny besinimaro ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy toy izany anefa ny ankamaroan’ny anjara hafa rehetra. Mety ho foto-kevitra iray na loha hevitra iray fotsiny no omena anao. Na mety hangatahina hanao famelabelarana miorina amin’ny lahatsoratra iray ianao. Indraindray dia mety ho toromarika sasantsasany fotsiny no omena anao. Mila manomana ny drafitrao manokana ianao amin’ny anjara toy ireo.
Manampy anao hanomana drafitra fohy ilay modely eo amin’ny pejy faha-41. Mariho fa manomboka eo amin’ny sisiny havia ny hevi-dehibe tsirairay, ary amin’ny sora-baventy. Eo ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay, ireo hevitra manohana azy. Eo ambanin’ireo kosa ny hevitra fanampiny izay natao mba hamelabelarana azy ireo, ary mihataka kely avy eo amin’ny sisiny havia. Diniho tsara io drafitra io. Mariho fa mifandray mivantana amin’ilay loha hevitra ireo hevi-dehibe roa. Mariho koa fa tsy hevitra mahaliana fotsiny akory ireo zana-kevitra, fa samy manohana ilay hevi-dehibe voasoratra eo amboniny avy.
Rehefa manomana drafitra ianao, dia mety tsy hitovy tanteraka amin’io modely io ilay izy. Raha azonao tsara anefa ireo tari-dalana nomena ireo, dia hanampy anao izany handamina ny fanazavanao, sy hanomana anjara na lahateny tsara ao anatin’ny fe-potoana antonony. Ahoana àry no tokony hanaovanao ny fanomananao?
Fakafakao sy fanteno ary alamino
Mila loha hevitra iray ianao. Tsy foto-kevitra ankapobe fotsiny, izay mety ho voalazan’ny teny tokana, akory ny loha hevitrao. Izy io no hevitra fototra tianao hampitaina, ary mampiseho ny endriny iray tianao hasongadina amin’ny foto-kevitrao. Raha omena loha hevitra ianao, dia fakafakao tsara ny teny lehibe tsirairay ao aminy. Raha asaina mamelabelatra ilay loha hevitra amin’ny alalan’ny lahatsoratra iray ianao, dia fakafakao io lahatsoratra io, ka tadidio foana ilay loha hevitra. Raha foto-kevitra fotsiny no omena anao, dia anjaranao ny mifidy loha hevitra. Alohan’ny hanaovana izany anefa, dia mety hanampy anao ny fanaovana fikarohana. Aoka ho mailo ny sainao, mba hahita hevitra vaovao.
Eo am-panarahanao ireo dingana ireo, dia manontania tena hoe: ‘Nahoana no zava-dehibe amin’ny mpihaino ahy ity fanazavana ity? Inona no zava-kendreko?’ Tsy tokony ho filazana ilay fanazavana fotsiny, na ho fanaovana lahateny mahafinaritra fotsiny ny zava-kendrenao, fa ho fampitana zavatra hahasoa ny mpihaino anao. Rehefa voafaritrao tsara ny zava-kendrenao, dia soraty. Tadidio foana izy io, eo am-panaovanao fanomanana.
Efa hitanao izao ny zava-kendrenao sy ilay loha hevitra hifanaraka aminy (na ny ifandraisan’ilay zava-kendrenao amin’ilay loha hevitra nomena anao). Afaka manao fikarohana voafaritra tsara amin’izay ianao. Mitadiava fanazavana sahaza indrindra ny mpihaino anao. Aza mianina amin’ny hevitra ambangovangony, fa mikaroha kosa hevitra voafaritra tsara izay tena hahazoana fahalalana sy fanampiana. Manehoa fitandremana eo amin’ny habetsahan’ny fikarohana ataonao. Amin’ny ankabeazan’ny fotoana, vetivety foana ianao dia hahangona fanazavana betsaka kokoa noho izay azonao ampiasaina. Koa mahaiza àry mifantina.
Fantaro ireo hevi-dehibe ilainao horesahina mba hamelabelarana ny loha hevitrao sy hanatanterahana ny zava-kendrenao. Ireo no ho drafitra fototry ny lahateninao. Firy ny hevi-dehibe tokony ho ao? Angamba roa dia ho ampy ho an’ny famelabelarana fohy iray, ary dimy mazàna ho an’ny lahateny maharitra adiny iray. Arakaraka ny havitsian’ireo hevi-dehibe, no hitadidian’ny mpihaino azy.
Raha vao azonao tsara ao an-tsaina ny loha hevitrao sy ireo hevi-dehibe, dia alamino ireo fanazavana nanaovanao fikarohana. Farito hoe inona no mifandray mivantana amin’ireo hevi-dehibenao. Izay hevitra hanome endriny vaovao ny famelabelaranao no fidio. Rehefa mifidy andinin-teny hanohanana ireo hevi-dehibe ianao, dia ampiasao tsara ireo hevitra ao anatiny mba hanaovana fanjohian-kevitra. Apetraho eo ambanin’ilay hevi-dehibe tokony hisy azy izay zavatra rehetra miaraka aminy. Raha misy hevitra tsy mifanentana amin’ireo hevi-dehibenao, dia aza raisina (na dia tena mahaliana aza ilay izy) fa tahirizo ao amin’ny antontan-taratasy iray mba hampiasainao amin’ny anjara hafa. Ny hevitra tsara indrindra ihany hazonina. Raha mitady hamelabelatra zavatra be loatra ianao, dia ho voatery hiteny haingana be, ary tsy ho lalina ny famelabelaranao. Tsara kokoa àry ny mampita hevitra vitsivitsy, izay tena ho sahaza ny mpihaino, sy ny manao izany tsara. Aza mihoatra ny fotoana nomena anao.
Eto, raha mbola tsy nataonao teo aloha, dia alaharo mba hirindra tsara ireo fanazavanao. Nanao izany i Lioka, mpanoratra Filazantsara. Rehefa avy nanangona fanazavana be dia be nifandray tamin’ny foto-keviny izy, dia nanoratra azy ireo “araka ny filaharany.” (Lioka 1:3) Mety ho tianao ny handahatra ireo fanazavana azonao, araka ny fotoana nisehoany, na araka ny foto-kevitra, na koa amin’ny fanomezana ny anton-javatra iray sy ny vokany, na ny olana iray sy ny vahaolana aminy, arakaraka izay mety indrindra mba hanatratrarana ny zava-kendrenao. Tsy tokony hisy fiovan’ny hevitra tampoka. Tokony hifindra mora foana avy amin’ny hevitra iray ho amin’ny manaraka ianao, ka tsy ho sahirana ny mpihaino hameno izay banga eo anelanelany. Tokony hitarika ny mpihaino ho amin’ny fanatsoahan-kevitra mirindra tsara ny porofo omenao. Eo am-pandaharanao ireo hevitrao, dia eritrereto ny ho vokatry ny famelabelaranao eo amin’ireo hihaino anao. Ho azony arahina mora foana ve ny fanjohian-kevitrao? Ho voatosika hampihatra izay reny ve izy, mifanaraka amin’ilay zava-kendrenao?
Avy eo, dia manomàna teny fampidirana izay hanaitra ny fahalianan’ny mpihaino amin’ny foto-kevitrao, ary hampiseho aminy fa tena ho sahaza azy ny zavatra horesahinao. Mety hanampy anao ny fanoratana ireo fehezanteny voalohany holazainao. Farany, dia manomàna teny famaranana mandrisika hanao zavatra sy mifanaraka amin’ny zava-kendrenao.
Omano aloha be ny drafitrao. Amin’izay ianao dia hanam-potoana hanatsarana azy, alohan’ny hanaovana ny anjaranao eo anoloan’ny mpihaino. Mety hila ny hanaporofo hevitra sasany amin’ny alalan’ny antontan’isa na ohatra na fitantarana iray, ianao. Ampiasao ny zava-niseho vao haingana, na ny zava-nahaliana iray teo an-toerana, izay mety hanampy ny mpihaino anao hahita haingana kokoa fa azo ampiharina ilay fanazavana. Rehefa mamerina mijery ilay anjaranao ianao, dia mety hahita fomba hafa azo ampiharana ilay fanazavana amin’ny mpihaino anao. Tena ilaina izany famakafakana sy fanatsarana izany, raha tiana ho tonga fampisehoana na lahateny mandaitra ireo fanazavana nanaovana fikarohana.
Mety hila hanoratra teny betsaka kokoa noho ny hafa ny mpandahateny sasany. Tsy hila ny hanoratra ny teny rehetra anefa ianao, arakaraka ny anarahanao ireto dingana voalaza teo aloha ireto: Hevi-dehibe vitsivitsy monja soratana, esory izay hevitra tsy tena manohana ireo hevi-dehibe ireo, alaharo mba hirindra tsara ny hevitrao rehetra. Tena hanampy anao hitsitsy fotoana izany! Ary hihatsara koa ireo anjara na lahateny hataonao. Hiharihary fa tena mandray soa avy amin’ny fampianarana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana tokoa ianao.