LESONA 8
Hamafin’ny Feo Antonony Tsara
METY hatoritory ny mpanatrika sasany raha tsy miteny mafy tsara ny mpandahateny iray. Mety tsy hihazona ny fahalianan’ny tompon-trano ny mpitory iray, raha miteny mora loatra eny amin’ny fanompoana. Ary tsy hahazo ny fampaherezana ilainy ny mpanatrika hafa, raha tsy mafy tsara ny feon’ireo manome valin-teny any am-pivoriana. (Heb. 10:24, 25) Etsy an-danin’izany kosa, raha miteny mafy kokoa amin’ny fotoana tsy mety amin’izany ny mpandahateny iray dia tsy ho azoazon’ny mpanatrika izany, hanorisory azy mihitsy aza.—Ohab. 27:14.
Hevero ireo mpihaino anao. Iza no itenenanao? olona iray ve? sa fianakaviana iray? sa olona vitsivitsy miara-mivory alohan’ny fanompoana? sa ny fiangonana iray manontolo? sa ireo mpanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra? Mazava fa tsy hitovy ny hamafin’ny feo hampiasainao amin’ireo tarehin-javatra samihafa ireo.
Niteny tamin’ny mpanatrika maro be, tamin’ny toe-javatra maro samihafa, ny mpanompon’Andriamanitra fahiny. Tsy nisy fanamafisam-peo tamin’ny fitokanana ny tempoly tao Jerosalema, tamin’ny andron’i Solomona. Nitsangana teo ambonin’ny lampihazo avo àry i Solomona, ary nitso-drano an’ilay vahoaka “tamin’ny feo mahery.” (1 Mpanj. 8:55; 2 Tant. 6:13) An-jatony taona maro tatỳ aoriana, taorian’ny nirotsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nisy olona sesehena—ny sasany liana, ny hafa nanaraby—tafangona nanodidina an’ireo Kristianina vitsivitsy tao Jerosalema. ‘Nitsangana àry i Petera, ka nanandra-peo.’ (Asa. 2:14) Tena nandaitra ny fitoriana nataony tamin’izay.
Ahoana no hamaritanao raha mety tsara amin’ny tarehin-javatra iray ny hamafin’ny feonao? Ny fihetsiky ny mpihaino no iray amin’ireo famantarana tsara indrindra. Raha mahamarika ianao fa mananosarotra ny sasany rehefa mihaino anao, dia tokony hiezaka hanitsy ny hamafin’ny feonao ianao.
Na miteny amin’olona iray ianao, na amin’olona maromaro, dia tsara ny handinihanao hoe karazan’olona iza moa izy ireo. Mety hila hiteny mafy kokoa ianao, raha tsy mandre tsara ny iray aminy. Aza mihiakiaka anefa, satria tsy tia an’izany ireo be taona, izay somary votsa fandray zavatra fotsiny, fa tsy hoe tsy mandre akory. Mety hoheverina ho tsy fahalalam-pomba mihitsy aza ny fikiakiahana. Any amin’ny firenena sasany, dia heverin’ny hafa ho tezitra na tsy manam-paharetana ny olona miteny mafy loatra.
Hevero ireo tabataba manelingelina. Tena hiankina amin’ny toe-javatra hitanao eny am-pitoriana ny tokony ho hamafin’ny feonao. Mety ho samy mety hifaninana aminao daholo ny fiara mandalo, ny ankizy mitabataba, ny alika mivovò, ny radio na ny televiziona mitatatata. Any amin’ny faritany misy trano mifanizina kosa anefa, dia mety hahasanganehana ny tompon-trano ianao, raha miteny mafy be ka misarika ny sain’ny mpifanila trano aminy.
Tojo toe-javatra maro samihafa ireo rahalahy manao lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ny fivoriambe koa. Tsy mitovy velively ny fanaovana lahateny amin’ny mpanatrika eny an-kalamanjana sy ao amin’ny efitrano misy fanamafisam-peo tomombana tsara. Tany Amerika Atsimo, dia nanao lahateny tao an-tokotanin’ny olona liana iray ny rahalahy misionera roa, nefa nisy afomanga nipoapoaka tsy an-kijanona tao amin’ilay kianja teo akaiky sy akoholahy tsy nitsaha-naneno tao ambadika!
Mandritra ny lahateny iray, dia mety ho voatery hiteny mafy kokoa ilay mpandahateny, na hiato mandra-pitsahatry ny fanelingelenana mitranga tampoka. Ohatra, mety tsy hahare an’ilay mpandahateny ny mpanatrika raha fanitso ny tafon’ilay toerana anaovana fivoriana, ka avy be tampoka ny orana. Tena manelingelina koa ny zaza mitomany na ny olona tonga tara. Mahaiza mandresy izany, mba hahafahan’ny mpihaino anao handray soa feno avy amin’ilay fanazavana atolotrao.
Marina fa hanampy ny fanamafisam-peo, raha misy azo ampiasaina eo an-toerana. Tsy misakana an’ilay mpandahateny tsy hiteny mafy kokoa anefa izany, raha izany no takin’ny tarehin-javatra. Any amin’ny toerana sasany misy fahatapahan’ny jiro matetika, dia voatery manohy ny lahateniny, tsy misy mikrô, ireo mpandahateny.
Hevero ilay zavatra resahinao. Miankina amin’ilay fanazavana ao amin’ny lahateninao koa ny tokony ho hamafin’ny feonao. Raha mitaky ny hitenenana amin-kery ilay foto-kevitra, dia aza miteny mora loatra, ka hahatonga ny famelabelaranao ho maivana. Ohatra, tokony ho mafy kokoa ny feonao, rehefa mamaky momba ireo fanamelohana ao amin’ny Soratra Masina ianao, tsy toy ny rehefa mamaky torohevitra momba ny fanehoana fitiavana. Ataovy mifanentana amin’ilay zavatra resahinao ny hamafin’ny feonao, nefa mitandrema sao hisarika ny saina ho amin’ny tenanao ny fomba fanaovanao izany.
Hevero ny zava-kendrenao. Mety hila hiteny mafy kokoa ianao, raha maniry handrisika ny mpihaino ho be zotom-po. Raha maniry ny hanovan’izy ireo ny fomba fisainany kosa ianao, dia aza miteny mafy loatra ka hahatonga azy ireo handa izay lazainao. Ary feo malefaka kokoa mazàna no tsara indrindra raha maniry hampionona ny hafa ianao.
Fitenenana mafy kokoa, mba hahazoana ny vokatra ilaina. Rehefa te hisarika ny sain’ny olona iray variana ianao, dia miteny mafy kokoa. Fantatry ny ray aman-dreny tsara izany, hany ka miteny mafy kokoa izy ireo, rehefa miantso ny zanany hody avy any an-tokotany. Mety hilain’ny mpitari-draharaha iray koa ny hiteny mafy kokoa, rehefa hanomboka ny fotoam-pivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ny fivoriambe. Mety hiantso mafy ny mpitory eny amin’ny fanompoana, rehefa miarahaba olona miasa eny ivelany.
Tena ilaina ny hitenenana amin’ny feo mafy tsara foana na dia rehefa avy nahasarika ny sain’ny olona iray aza ianao. Mety hihevitra ny mpihaino hoe tsy niomana tsara ny mpandahateny iray, na hoe tsy ampy fatokisan-tena, raha miteny mora.
Rehefa arahina baiko ny fitenenana mafy kokoa, dia handrisika ny olona hanao zavatra. (Asa. 14:9, 10) Mety hisoroka loza koa ny fikiahana baiko iray. Tany Filipy, ohatra, dia saika hamono tena ny mpiandry tranomaizina iray, satria noheveriny fa nandositra ny gadra rehetra. “Paoly niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.” Nisakana olona iray tsy hamono tena izany hiakiaka izany. Nitorian’i Paoly sy i Silasy avy eo, ilay mpiandry tranomaizina sy ny ankohonany, ka nanaiky ny fahamarinana izy rehetra.—Asa. 16:27-33.
Ny fomba hanatsarana ny hamafin’ny feonao. Mila manao ezaka fanampiny ny olona sasany, mba ho antonony tsara ny hamafin’ny feony. Mety hanana feo malefaka kely, ohatra, ny olona iray, ka tsy hiteny mafy tsara. Mety hanatsara izany anefa izy raha miezaka, na dia mety ho mbola malefa-piteny ihany aza izy. Tandremo ny fifohanao rivotra sy ny fijoronao na ny fipetrakao. Mianara mipetraka sy mijoro mahitsy. Ataovy mankany aoriana ny sorokao, ary mianara mifoka rivotra lalina. Fenoy rivotra ny tapany ambany amin’ny havokavokao. Ny fahaizanao mifehy tsara izay habetsahan-drivotra fohinao sy avoakanao izay, no hahatonga anao hahay hifehy ny hamafin’ny feonao.
Ny hafa kosa miteny mafy loatra. Angamba izy ireo zatra niasa teny ivelany na teo amin’ny faritra be tabataba. Na nety ho notezaina tao amin’ny tokantrano feno olona nihiakiaka sy nanapaka ny tenin’ny hafa, izy ireo, ka nanjary nino fa raha mba te hampidi-dresaka koa ny tenany, dia voatery miteny mafy noho ny hafa rehetra. Rehefa mampihatra miandalana ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hitafy famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana’ ny olona toy izany, dia hanitsy ny hamafin’ny feony, rehefa miresaka amin’ny hafa.—Kol. 3:12.
Ny fanomanana tsara sy ny fahazarana azo avy amin’ny fitoriana tsy tapaka, ary ny fivavahana amin’i Jehovah dia hanampy mba hahatonga ny hamafin’ny feonao ho antonony tsara rehefa miteny ianao. Na miteny eny amin’ny lampihazo ianao, na amin’ny olona iray eny am-pitoriana, dia eritrereto foana ny fomba hitenenanao mba handraisan’ilay olona soa avy amin’ny zavatra lazainao.—Ohab. 18:21.