TOKO 9
“Mandehana ... Ampianaro ny Olona”
1-3. a) Inona no nataon’ny mpamboly iray rehefa be loatra ny vokatra, ka tsy ho voangony samirery? b) Inona no olana natrehin’i Jesosy tamin’ny taona 33, ary inona no vahaolana hitany?
TENA sahirana ny mpamboly iray. Niasa ny tanimboliny sy namafy voa teny izy, volana vitsivitsy talohan’izay. Nanara-maso tsara ny sahany izy, rehefa hitany fa nitsiry ny voa namboleny. Faly erỳ izy rehefa vokatra ny sahany. Novalian-tsoa ny fisasarany, satria tonga izao ny fotoana fijinjana. Sahirana anefa izy satria be loatra ny vokatra, ka tsy ho voangony samirery. Nanakarama mpiasa àry izy, mba hanao ny fijinjana. Fohy koa ny fotoana hanangonana an’io vokatra io, izay tena sarobidy.
2 Nanana olana nitovy tamin’izany i Jesosy tamin’ny taona 33, rehefa avy nitsangana tamin’ny maty. Namafy ny voan’ny fahamarinana izy nandritra ny fanompoany, ary nahazo vokatra be dia be izay nila nojinjaina. Maro mantsy ny olona nanaiky ny vaovao tsara, ary nila nangonina izy ireo mba ho lasa mpianany. (Jaona 4:35-38) Inona àry no vahaolana hitan’i Jesosy? Naniraka ny mpianany izy mba hitady mpiasa maro kokoa. Hoy izy tamin’izy ireo, teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia, taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra: ‘Mandehana àry, ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy. Ataovy batisa izy ireo, sady ampianaro hankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.’—Matio 28:19, 20.
3 Anisan’ny zava-dehibe indrindra amantarana ny tena mpanara-dia an’i Kristy ny fanaovana an’io asa io. Andeha àry isika handinika fanontaniana telo: Nahoana i Jesosy no nampitady mpiasa maro kokoa? Ahoana no nampiofanany ny mpianany mba hitady mpiasa? Nahoana no azo lazaina fa anisan’ireo irahin’i Jesosy koa isika?
Nahoana no mila mpiasa maro kokoa?
4, 5. Nahoana no tsy vitan’i Jesosy samirery ilay asa natombony? Iza no tsy maintsy nanohy ilay asa rehefa niverina tany an-danitra izy?
4 Rehefa nanomboka ny fanompoany i Jesosy tamin’ny taona 29, dia fantany fa tsy ho vitany samirery io asany io. Fotoana fohy sisa no nijanonany teto an-tany, ka tsy hahavita hitory afa-tsy amin’ny faritany kely sy olona vitsy ihany izy. Marina fa ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy no tena nitoriany, izany hoe ny ‘ondry very tamin’ny taranak’Israely.’ (Matio 15:24) Niparitaka eran’ny faritanin’ny Israely, izay nahatratra an’arivony kilaometatra toradroa, anefa ireo “ondry very” ireo. Tsy vitan’izay ihany fa ny olona eran-tany mihitsy amin’ny farany no mila mandre ny vaovao tsara.—Matio 13:38; 24:14.
5 Niaiky i Jesosy fa mbola be ny asa tsy maintsy hatao aorian’ny hahafatesany. Hoy izy tamin’ny apostoliny 11 tsy nivadika: “Lazaiko marimarina aminareo fa izay maneho finoana ahy, dia hanao ny asa ataoko koa. Hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria izaho hankany amin’ny Ray.” (Jaona 14:12) Tsy maintsy nanohy ny fitoriana sy ny fampianarana ny mpanara-dia ny Zanak’Andriamanitra, rehefa niverina tany an-danitra izy. Tsy ny apostoly ihany anefa no tiana holazaina amin’izany, fa izay rehetra ho lasa mpianany atỳ aoriana koa. (Jaona 17:20) Nanetry tena i Jesosy ary nanaiky fa hanao asa “lehibe noho” ny nataony izy ireo. Nahoana no hoe hanao asa lehibe kokoa izy ireo? Noho ny antony telo.
6, 7. a) Nahoana no hoe hanao asa lehibe kokoa noho i Jesosy ny mpanara-dia azy? b) Ahoana no azontsika ampisehoana fa tena mety ny nametrahan’i Jesosy fitokisana tamin’ny mpanara-dia azy?
6 Voalohany, hitety faritany betsaka kokoa ny mpanara-dia an’i Jesosy. Mitory hatrany amin’ny faran’ny tany izy ireo ankehitriny, ary tena lasa lavitra raha oharina amin’ny faritany nitorian’i Jesosy. Faharoa, hitory amin’ny olona betsaka kokoa izy ireo. Vitsy ihany ny mpianatr’i Jesosy taorian’ny nahafatesany, nefa nitombo haingana izy ireo ka lasa an’arivony. (Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4) An-tapitrisany kosa izy ireo ankehitriny, ary ana hetsiny ny olona vaovao atao batisa isan-taona. Fahatelo, hitory mandritra ny fotoana maharitra kokoa izy ireo. Mbola mitory izy ireo mandraka ankehitriny, izany hoe efa ho 2 000 taona taorian’ny fanompoan’i Jesosy naharitra telo taona sy tapany.
7 Natoky ny mpanara-dia azy i Jesosy, matoa nilaza fa hanao “asa lehibe noho” ny nataony izy ireo. Tena zava-dehibe taminy ilay asa nankininy tamin’izy ireo, dia ny fitoriana sy ny fampianarana “ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 4:43) Natoky izy fa hamita an-tsakany sy an-davany an’io asa io izy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha be zotom-po amin’ny fanompoana isika sady manao azy io amin’ny fo manontolo, dia mampiseho fa tena mety ny nametrahan’i Jesosy fitokisana tamin’ny mpanara-dia azy. Tsy voninahitra lehibe tokoa ve izany?—Lioka 13:24.
Nampiofanina hitory
8, 9. Inona no modely nomen’i Jesosy teo amin’ny fanompoana? Ahoana no anahafantsika azy?
8 Nomen’i Jesosy ny fampiofanana tsara indrindra ho amin’ny fanompoana ny mpianany. Ny modely tonga lafatra nomeny no fomba lehibe indrindra nampiofanany azy ireo. (Lioka 6:40) Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha fa tena tian’i Jesosy ny fanompoana. Rehefa niaraka taminy, ohatra, ny mpianany, dia nahita azy nitory teny amin’izay toerana rehetra nisy olona. Nitety tanàna izy, nitory teny amorom-parihy, teny amin’ny tehezan-kavoana, teny an-tsena, ary tany an-tranon’olona. (Matio 5:1, 2; Lioka 5:1-3; 8:1; 19:5, 6) Hitan’izy ireo fa niasa mafy i Jesosy. Nifoha maraina be izy mba hanao ny fanompoany, ary tsy nijanona raha tsy efa alina. Tsy nataony fandaniana andro tsindraindray fotsiny ilay izy! (Lioka 21:37, 38; Jaona 5:17) Azo antoka fa tsapan’ny mpianany hoe ny fitiavana lalina ny olona no nahatonga azy hitory. Hitan’izy ireo nisoritra teny amin’ny endriny mihitsy angamba ny fangoraham-pony. (Marka 6:34) Araka ny hevitrao, inona no vokatr’izany modely navelan’i Jesosy izany teo amin’ny mpianany? Inona no nety ho vokatr’izany teo aminao, raha niaraka taminy koa ianao?
9 Mpanara-dia an’i Kristy isika, ka manaraka ny modely nomeny rehefa manao fanompoana. Tsy mikely soroka mihitsy àry isika ‘mitory amin’ny fomba feno’ ny fahamarinana. (Asan’ny Apostoly 10:42, f.a.p.) Mitsidika ny olona any an-tranony isika, toy ny nataon’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 5:42) Amboarintsika ny fotoanantsika, raha ilaina izany, mba hankanesana any amin’ny olona amin’ny fotoana mety hahatratrarana azy ao an-tranony. Mitady ny olona eny amin’ny toerana falehan’ny besinimaro koa isika, ary mitandrina mba tsy hisarika be loatra ny sain’ny mpitazana. Mety ho eny an-dalana izany, na eny amin’ny zaridainam-panjakana, na toeram-pivarotana, na toeram-piasana. ‘Miasa mafy sy mikely aina’ foana isika mba hanao ny fanompoana, satria zava-dehibe amintsika izy io. (1 Timoty 4:10) Ny fitiavantsika lalina ny olona no mahatonga antsika hitady hatrany izay fomba hitoriana aminy, na aiza na aiza misy azy ary amin’ny fotoana rehetra.—1 Tesalonianina 2:8.
10-12. Inona avy ireo zava-dehibe roa nampianarin’i Jesosy ny mpianany, talohan’ny nanirahany azy ireo hitory?
10 Nisy fomba hafa nampiofanan’i Jesosy ny mpianany: Nomeny toromarika tamin’ny an-tsipiriany izy ireo. Talohan’ny hanirahana azy ireo hitory, dia novoriny izy ireo ary natorony azy tamin’ny an-tsipiriany izay tokony hatao. Nanao izany izy tamin’ny apostoly 12, ary tatỳ aoriana tamin’ny mpianany 70. (Matio 10:1-15; Lioka 10:1-12) Nisy vokany tsara ilay fampiofanana, satria “faly ireo mpianatra 70 rehefa niverina”, araka ny Lioka 10:17. Andeha hodinihintsika ny zava-dehibe roa nampianarin’i Jesosy azy ireo. Mila tadidintsika koa anefa ireo fombafomba jiosy tamin’izany andro izany.
11 Voalohany, nampianatra ny mpianany mba hatoky an’i Jehovah i Jesosy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao anaty fehikibo fasianareo vola, ary aza mitondra kitapom-batsy any amin’izay halehanareo, na akanjo roa, na kapa na tehina. Mendrika hahazo sakafo mantsy ny mpiasa.” (Matio 10:9, 10) Fanaon’ny olona tamin’izany andro izany ny nitondra fehikibo fasiana vola, kitapom-batsy, ary kapa hisoloana, rehefa hanao dia lavitra.a Rehefa nampitandrina ny mpianany mba tsy hanahy momba an’ireo zavatra ireo i Jesosy, dia toy ny nilaza hoe: “Matokia tanteraka an’i Jehovah, fa hikarakara izay ilainareo izy.” Hanome izay ilain’izy ireo i Jehovah, ka hampirisika an’ireo mandray ny vaovao tsara mba hampiantrano azy ireo. Izany rahateo no fomba teo amin’ny Israely.—Lioka 22:35.
12 Faharoa, nampianatra ny mpianany i Jesosy mba tsy ho variana amin’ny zavatra tsy dia ilaina loatra. Hoy izy: “Aza miarahaba olona eny an-dalana.” (Lioka 10:4) Te hilaza ve i Jesosy fa tsy tokony ho sariaka izy ireo na hihatakataka amin’ny olona? Tsy izany mihitsy. Matetika no tsy vitan’ny “manahoana” tsotra ny fiarahabana tamin’izany andro izany. Nanao fombafomba sy nifanantsafa ela be ny olona, rehefa nifampiarahaba. Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nilaza hoe: “Tsy niondrika kely fotsiny, na nifandray tanana toy ny fanaontsika ny [Jiosy fahiny], rehefa nifampiarahaba. Nifamihina imbetsaka kosa izy ireo, sady niondrika be, ary niankohoka tamin’ny tany mihitsy aza. Nitaky fotoana be izany rehetra izany.” Rehefa niteny tamin’ny mpianany mba tsy hanao ny fombafomba fifampiarahabana àry i Jesosy, dia toy ny nilaza hoe: “Tsy maintsy mampiasa tsara ny fotoananareo ianareo, satria mitondra hafatra maika.”b
13. Inona no ataontsika, raha manaraka ny toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany isika?
13 Manaraka ny toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany koa isika. Matoky tanteraka an’i Jehovah isika, rehefa manao ny fanompoana. (Ohabolana 3:5, 6) Fantatsika fa hanana izay tena ilaintsika foana isika, raha ‘mikatsaka foana an’ilay Fanjakana’ alohan’ny zavatra hafa. (Matio 6:33) Tsy fohy mihitsy ny tanan’i Jehovah, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Afaka manamarina izany ny mpitory manontolo andro eran-tany. (Salamo 37:25) Ankoatra izany, dia miaiky isika fa mila mitandrina mba tsy ho varimbariana. Mora amin’ity tontolo ity ny hanao izay haharevo antsika amin-javatra hafa, raha tsy mailo isika. (Lioka 21:34-36) Tsy fotoana tokony hahavarimbariana anefa izao. Tandindomin-doza ny ain’ny olona, ka maika ilay hafatra entintsika. (Romanina 10:13-15) Mila mitadidy foana isika fa akaiky ny farany. Amin’izay dia tsy ho lany amin’ny zavatra mahavarimbariana eto amin’ity tontolo ity ny fotoana sy ny herintsika, izay tsara kokoa raha ampiasaina amin’ny fanompoana. Tadidio fa be ny vokatra nefa kely sisa ny fotoana tavela.—Matio 9:37, 38.
Irahin’i Jesosy koa isika
14. Inona no manaporofo fa ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra no irahina hanao ilay asa resahina ao amin’ny Matio 28:18-20? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
14 Nanankina andraikitra lehibe tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, rehefa nilaza hoe: “Mandehana ... ampianaro ny olona ... mba ho lasa mpanara-dia ahy.” Tsy ny mpianany tafavory teo an-tendrombohitra tany Galilia ihany anefa no tao an-tsainy tamin’izay.c Ny “olona any amin’ny firenena rehetra” no nasainy natao mpianatra, ary hitohy “mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao” io asa io. Midika izany fa ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra no irahina hanao io asa io, anisan’izany isika. Andeha àry hodinihintsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:18-20.
15. Nahoana no hendry isika raha mankatò an’ilay baikon’i Jesosy hoe: ‘Ampianaro ny olona mba ho lasa mpanara-dia ahy’?
15 Hoy i Jesosy talohan’ny nanirahany ny mpianany: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Andininy 18) Tena manana fahefana be toy izany ve i Jesosy? Izany mihitsy! Izy no arkanjely, izay mibaiko anjely an’alinalina. (1 Tesalonianina 4:16; Apokalypsy 12:7) “Lohan’ny fiangonana” koa izy, ka manana fahefana amin’ny mpanara-dia azy rehetra eto an-tany. (Efesianina 5:23) Ary lasa Mesia Mpanjaka any an-danitra izy nanomboka tamin’ny 1914. (Apokalypsy 11:15) Na ny fahafatesana aza ananany fahefana, satria afaka manangana ny maty mihitsy izy. (Jaona 5:26-28) Matoa ny fahefana lehibe ananany aloha no noresahin’i Jesosy, dia te hilaza izy fa baiko no omeny, fa tsy soso-kevitra fotsiny. Hendry isika raha mankatò azy, satria tsy nanendry tena izy, fa Andriamanitra mihitsy no nanome azy fahefana.—1 Korintianina 15:27.
16. Inona no tian’i Jesosy hataontsika, rehefa nilaza izy hoe: “Mandehana”? Ahoana no anaovantsika an’izany?
16 Niresaka momba ilay asa i Jesosy avy eo. Teny tokana no nanombohany azy, dia ny hoe: “Mandehana.” (Andininy 19) Midika izany fa isika no tiany hitady fomba hiresahana momba ilay Fanjakana amin’ny olona. Maro ny fomba azo anaovana izany. Anisan’izany ny fitoriana isan-trano, izay mety tsara mba hihaonana mivantana amin’ny olona. (Asan’ny Apostoly 20:20) Mitady fomba hitoriana tsy ara-potoana koa isika. Mailaka àry isika hiresaka momba ny vaovao tsara, na aiza na aiza mety hanaovana an’izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Mety hiovaova ny fomba fitoriantsika, satria ampifanarahintsika amin’ny toe-javatra sy izay ilain’ny olona eo amin’ny faritany. Ny zavatra tsy miova anefa dia hoe ‘mandeha’ isika ary mitady izay mendrika.—Matio 10:11.
17. Ahoana no ‘ampianarantsika ny olona mba ho lasa mpanara-dia’ an’i Jesosy?
17 Nohazavain’i Jesosy taorian’izay fa ny ‘hampianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia azy’ no tanjona. (Andininy 19) Ahoana no anaovantsika an’izany? Olona ampianarina no atao hoe mpanara-dia, raha tsorina. Tsy mampita fahalalana amin’ny olona fotsiny anefa ny hoe mampianatra. Ny hanampy ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Kristy no tanjontsika, rehefa mampianatra Baiboly azy isika. Manasongadina ny ohatra navelan’i Jesosy isika, isaky ny afaka manao izany. Amin’izay dia i Jesosy mihitsy no lasa Mpampianatra sy Modelin’ilay olona, ka hanahaka ny fomba fiainany izy sady hanao ilay asa nataony.—Jaona 13:15.
18. Nahoana ny batisa no fotoana miavaka indrindra eo amin’ny fiainan’ny mpianatra iray?
18 Lafiny tena lehibe amin’ilay asa nampanaovin’i Jesosy ny hoe: “Ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina” ny olona. (Andininy 19) Ny batisa no fotoana miavaka indrindra eo amin’ny fiainan’ny mpianatra iray, satria porofoiny amin’io fa nanokan-tena tamin’ny fony manontolo ho an’Andriamanitra izy. Tena ilaina àry ny batisa mba hahazoana famonjena. (1 Petera 3:21) Afaka manantena ny hahazo fitahiana maro ao amin’ny tontolo vaovao mihitsy aza ny olona vita batisa, rehefa manome izay tsara indrindra foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Efa nanampy olona mba ho lasa mpanara-dia an’i Kristy vita batisa ve ianao? Tsy misy antom-pifaliana lehibe mihoatra noho izany eo amin’ny fanompoana.—3 Jaona 4.
19. Inona no ampianarintsika an’ireo vaovao? Nahoana izy ireo no mety ho mbola mila ampianarina, na dia rehefa vita batisa aza?
19 Mbola misy zavatra hafa tafiditra amin’ilay asa nanirahan’i Jesosy. Hoy izy: “Ampianaro hankatò an’izay rehetra nandidiako anareo” izy. (Andininy 20) Mampianatra an’ireo vaovao mba hankatò ny didin’i Jesosy isika. Anisan’izany ny hoe tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona izy, ary hanao mpianatra. (Matio 22:37-39) Ampianarintsika tsikelikely izy ireny, mba hahay hanazava ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy hiaro ny finoany, izay mitombo miandalana. Rehefa mahafeno fepetra hitory miaraka amin’ny fiangonana izy, dia miara-mitory aminy isika. Lazaintsika aminy ny fomba hahazoana vokatra tsara amin’io asa io, ary isika mihitsy no manome ohatra. Tsy voatery ho vita alohan’ny batisany ilay fampianarana. Mety ho mbola mila ampianarina ny olona vao vita batisa, mba hiatrehany ireo zava-tsarotra mpahazo ny mpanara-dia an’i Kristy.—Lioka 9:23, 24.
“Hiaraka aminareo foana aho”
20, 21. a) Nahoana isika no tsy tokony hatahotra, rehefa manao ilay asa nanirahan’i Jesosy antsika? b) Nahoana no tsy fotoana tokony hampihenana ny fanompoana mihitsy izao? Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
20 Tena mampahery ny famaranan-tenin’i Jesosy. Hoy izy: “Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.” (Matio 28:20) Niaiky i Jesosy fa andraikitra lehibe no nankininy tamin’ny mpanara-dia azy. Fantany koa fa hanenjika an’izay manao an’io asa io ny mpanohitra. (Lioka 21:12) Tsy misy antony tokony hatahorana anefa. Tsy asain’ilay Mpitarika antsika hanao samirery an’io asa io mantsy isika. Miaraka amintsika kosa izy mba hanampy antsika hanao an’ilay asa. Ary tadidio fa izy no manana “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Tsy mampahery tokoa ve izany?
21 Nanome toky ny mpianany i Jesosy fa hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny fanompoana foana izy, mandra-pahatongan’ny “faran’izao tontolo izao.” Tsy maintsy manohy ilay asa nanirahan’i Jesosy antsika isika, mandra-pahatongan’ny farany. Tsy fotoana tokony hampihenana ny fanompoantsika mihitsy izao. Betsaka tokoa ny vokatra efa jinjaina! Efa angonina mantsy izao ny olona maro be manaiky ny vaovao tsara. Aoka àry isika mpanara-dia an’i Kristy ho tapa-kevitra hamita ilay asa lehibe nankinina tamintsika. Aoka isika ho tapa-kevitra hahafoy fotoana sy hery ary fananana, mba hankatoavana ilay baikon’i Kristy hoe: ’Mandehana ampianaro ny olona mba ho lasa mpanara-dia ahy.’
a Vola madinika no atao ao amin’ny fehikibo fasiana vola. Lehibe kokoa ny kitapom-batsy. Vita tamin’ny hoditra izy io mazàna, ary nolanjaina teo an-tsoroka. Sakafo na vatsy hafa no natao tao anatiny.
b Mitovy amin’izany ny toromarika nomen’i Elisa mpaminany an’i Gehazy mpanompony. Nilaza toy izao izy, rehefa naniraka azy io ho any amin’ny vehivavy iray maty zanaka: “Raha mifanena amin’olona ianao, dia aza miarahaba azy.” (2 Mpanjaka 4:29) Maika mantsy ilay asa nanirahana an’i Gehazy, ka tsy nahazo nitaredretra izy.
c Tany Galilia ny ankamaroan’ny mpanara-dia an’i Jesosy. Noho izany, dia nety ho tamin’ilay fotoana tantaraina ao amin’ny Matio 28:16-20 no nisehoan’i Jesosy tamin’ny olona “maherin’ny 500.” (1 Korintianina 15:6) Nety ho olona an-jatony àry no nandre an’ilay baikon’i Jesosy hoe: “Ampianaro ny olona ... mba ho lasa mpanara-dia ahy.”