TOKO FAHA-3
“Lazao Amin’izy Ireo Izao Teny Izao”
1. a) Inona no itovizan’i Jesosy sy Jeremia? b) Nahoana isika no tokony hanahaka an’i Jeremia?
I JESOSY KRISTY no tena modely arahintsika rehefa mitory. Marihina anefa fa noheverin’ny olona tamin’ny taonjato voalohany hoe i Jeremia mpaminany ihany i Jesosy. (Mat. 16:13, 14) Misy itovizany tokoa izy ireo. Nandidy an’i Jeremia hitory Andriamanitra, toy ny nataony tamin’i Jesosy. Nilaza tamin’i Jeremia, ohatra, izy hoe: “Lazao amin’izy ireo izao teny izao: ‘Izao no nolazain’i Jehovah.’ ” (Jer. 13:12, 13; Jaona 12:49) Mitovy amin’ny toetran’i Jesosy ny toetra nasehon’i Jeremia teo amin’ny fanompoana.
2. Inona no tokony hataon’ny olona ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Jeremia?
2 Mety hisy hieritreritra anefa hoe: ‘Tsy mitovy amin’ny fitorian’i Jeremia ange ny antsika e! Vahoaka efa voatokana ho an’Andriamanitra no nitoriany, fa tsy mahalala an’i Jehovah kosa ny ankamaroan’ny olona itoriantsika.’ Marina izany, kanefa niala tamin’i Jehovah ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia, ary nantsoina hoe “vahoaka maditra.” (Vakio ny Jeremia 5:20-22.) Tsy maintsy niova izy ireo mba haneken’i Jehovah ny fanompoany. Toy izany koa ny olona ankehitriny, na milaza ny tenany ho Kristianina izy na tsia. Mila mianatra ny hatahotra an’i Jehovah sy manaraka ny fivavahana marina izy ireo. Hojerentsika fa manampy antsika hanompo an’i Jehovah ny modely navelan’i Jeremia, sady azontsika arahina rehefa manampy olona.
‘NOKASIHIN’I JEHOVAH NY VAVAKO’
3. Inona no fihetsika nataon’Andriamanitra tamin’i Jeremia, ary inona no vokatr’izany taminy?
3 Nilaza toy izao tamin’i Jeremia i Jehovah, tamin’izy vao hanomboka haminany: “Mandehana any amin’izay rehetra hanirahako anao, ary izay rehetra handidiako anao no ambarao. Aza matahotra azy, fa ‘momba anao aho, mba hanafaka anao.’ ” (Jer. 1:7, 8) Nisy fihetsika tsy nampoizina nataon’i Jehovah avy eo. Hoy i Jeremia: ‘Natsotran’i Jehovah ny tanany ka nokasihiny ny vavako. Dia hoy i Jehovah tamiko: “Efa nataoko ao am-bavanao ny teniko. Ary manendry anao aho anio.” ’ (Jer. 1:9, 10) Fantatr’i Jeremia nanomboka teo fa mpitondra tenin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra izy.a Nanohana azy tanteraka i Jehovah, ka vao mainka izy nazoto hanao fanompoana masina.—Isaia 6:5-8.
4. Inona avy ny ohatra hitanao, mampiseho fa tena be zotom-po ny mpitory sasany?
4 Tsy mikasika antsika mpanompony toy izany i Jehovah ankehitriny. Manome antsika ny fanahiny anefa izy mba hahatonga antsika hazoto hitory ny vaovao tsara. Tena be zotom-po ny maro amintsika. Anisan’izany i Maruja, anabavy any Espaina. Efa 40 taona mahery no nalemy ny tongony sy ny tanany. Sarotra aminy ny mitory isan-trano, ka mitady fomba hafa hitoriana izy. Mitory an-taratasy, ohatra, izy ka ny zanany vavy no asainy manoratra. Nisy fotoana izy mianaka nanao ezaka manokana nandritra ny iray volana, ka nahavita nandefa taratasy 150 mahery. Nampiarahin’izy ireo tamin’ny taratasy mivalona ilay izy. Nandre ny vaovao tsara ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra teo, noho ny ezaka nataon’izy mianaka. Hoy i Maruja tamin’ny zanany: “Raha tonga any amin’ny olona iray tso-po ny taratasy nalefantsika, dia notahin’i Jehovah isika, ka hahazo fampianarana Baiboly.” Nilaza ny anti-panahy iray any amin-dry zareo hoe: “Misaotra an’i Jehovah aho fa manana anabavy toa an’i Maruja. Manampy ny hafa izy hahita fa tena zava-dehibe ny fanompoana.”
5. a) Inona no nanampy an’i Jeremia hazoto foana, na dia tsy niraika aza ny olona? b) Inona no hitanao hoe afaka manampy anao hazoto hitory ny vaovao tsara foana?
5 Tsy niraika tamin’ny hafatr’Andriamanitra ny ankamaroan’ny mponina tao Jerosalema. “Tsy nahafinaritra” azy ireo ilay izy. Tsy nitory intsony ve i Jeremia noho izany? Vao mainka aza izy nazoto nitory! Hoy izy: “Mirehitra ato anatiko ny fahatezeran’i Jehovah, ary sasatry ny mitana izany aho.” (Jer. 6:10, 11) Inona no hanampy anao ho be zotom-po toy izany foana? Mila mitadidy ianao fa voninahitra lehibe ny misolo tena an’ilay tena Andriamanitra. Manala baraka ny anarany mantsy ireo olona ambony eto amin’ity tontolo ity. Mila tadidinao koa fa mamitaka an’ireo olona ao amin’ny faritaninao ny mpitondra fivavahana, toy ny nataon’ny mpisorona tamin’ny andron’i Jeremia. (Vakio ny Jeremia 2:8, 26, 27.) Ny vaovao tsara torintsika anefa mampiseho fa tsara fanahy amin’ny olona Andriamanitra. (Fitom. 3:31, 32) Raha mitadidy an’ireo ianao, dia hazoto hitory foana sy hazoto hanampy an’ireo olona toy ny ondry.
6. Inona avy ny olana mety ho nahakivy an’i Jeremia?
6 Ekenao angamba fa tsy mora ny ho be zotom-po foana amin’ny fanompoana. Nanana olana lehibe koa i Jeremia nanelingelina ny fanompoany. Teo ireo mpaminany sandoka. Mitantara iray amin’izany ny Jeremia toko faha-28. Tsy noraharahain’ny ankamaroan’ny olona koa ny hafatra nentiny. Nisy fotoana koa izy nahatsiaro ho manirery. (Jer. 6:16, 17; 15:17) Tsy izay ihany fa nitady hamono azy koa ny fahavalony indray mandeha.—Jer. 26:11.
Nahoana ianao no afaka matoky fa hanampy anao i Jehovah, rehefa manana olana ianao eo amin’ny fanompoana?
“NOFITAHINAO AHO, JEHOVAH Ô”
7, 8. Inona no dikan’ilay hoe ‘nofitahin’i Jehovah’ i Jeremia?
7 Namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra i Jeremia indray mandeha, satria nisy naneso sy nanambany azy foana. Nilaza anefa izy hoe ‘nofitahin’i Jehovah.’ (Vakio ny Jeremia 20:7, 8.) Inona no dikan’izany, araka ny hevitrao?
8 Azo antoka fa tsy nanao hafetsena i Jehovah mba hanambakana an’ilay mpaminany tsy nivadika na mba hahavoa azy. Toy ny hoe ‘namitaka’ an’i Jeremia izy mba hahasoa azy. Mafy loatra ny fanoherana nanjo an’i Jeremia, ka nihevitra izy hoe tsy ho vitany ny hanohy samirery ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy. Toy ny hoe namitaka azy ilay Mahery Indrindra teo, satria nampiany izy ka vitany ilay asa noeritreretiny hoe tsy ho vitany. Azo lazaina àry hoe nandresy an’i Jeremia i Jehovah, satria hita fa nahery lavitra noho i Jeremia izy, sady nahavita nanampy azy hiady tamin’ny fahakiviany. Azo lazaina hoe “voafitaka” koa i Jeremia, satria nomen’i Jehovah hery izy, ka mbola afaka nanohy nitory, na dia nieritreritra aza hoe tsy hahavita intsony. Nahavita nitory foana àry i Jeremia, na dia tsy niraika aza ny olona, nanilikilika azy, ary nahery setra taminy.
9. Nahoana no mampahery anao ny Jeremia 20:11?
9 Nanampy an’i Jeremia i Jehovah, ary toy ny “lehilahy mahery sy mampahatahotra” teo anilany. (Jer. 20:11) Afaka manatanjaka anao koa Izy, mba hahatonga anao hafana fo foana ho an’ny fivavahana marina sy hanompo azy na dia misy olana lehibe aza. Tadidio hoe toy ny miaramila iray matanjaka be mijoro eo akaikinao izy.
10. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona ianao rehefa misy fanoherana?
10 Tsy tokony hatahotra tokoa isika, satria manampy i Jehovah. Nanamafy an’izany i Paoly rehefa nampahery Kristianina niatrika fanoherana. Hoy izy: “Aoka ianareo hitondra tena mendrika ny vaovao tsara momba an’i Kristy ... mba ho reko ... fa mafy orina sady miray saina ianareo, ka miara-miezaka toy ny olona iray hampandroso ny finoana ny vaovao tsara, ary tsy manaiky hampitahorin’ireo mpanohitra anareo mihitsy.” (Fil. 1:27, 28) Afaka miantehitra amin’ilay Mahery Indrindra ianao eo am-panaovana ny fanompoana, ary tena tokony hanao izany, toa an’i Jeremia sy ireo Kristianina voalohany. Raha misy maneso anao na mahery setra aminao, dia tadidio fa eo anilanao i Jehovah. Afaka manome hery be dia be anao izy, toy ny nataony tamin’i Jeremia sy ireo rahalahinao maro be. Mangataha fanampiana aminy, ary matokia fa hamaly ny fitalahoanao izy. Ho hitanao fa ho ‘voafitaka’ toa an’i Jeremia koa ianao, satria homeny hery hiatrehana olana, ka tsy hatahotra fa ho feno fahasahiana. Hahavita be lavitra noho ny noeritreretinao ianao.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:29-31.
11, 12. a) Inona no fanitsiana azonao atao mba hahafahanao hitory amin’ny olona maro kokoa? b) Inona no hevitra hitanao hoe azo ampiharina eo amin’ny faritaninao, rehefa mijery ny sary eo amin’ny pejy faha-39 ianao?
11 Afaka manampy antsika hahita vokatra kokoa amin’ny fanompoana ny modely navelan’i Jeremia. Hoy izy rehefa nanompo nandritra ny 20 taona mahery: “Niteny taminareo foana aho, ka nifoha maraina mba hiteny taminareo, nefa tsy nihaino ianareo.” (Jer. 25:3) Mariho fa nanompo vao maraina i Jeremia. Tsy afaka manao toy izany koa ve isika? Mifoha maraina be ny mpitory any amin’ny fiangonana maro, mba hitory amin’ny olona eny amin’ny gara sy fiandrasana bisy. Maro koa ny mpitory any ambanivohitra no mandeha vao maraina mba hitory amin’ireo olona efa mifoha na efa miasa amin’izay fotoana izay. Misy fomba hafa koa ve azonao anahafana an’io mpaminany be zotom-po io? Ahoana raha mifoha aloha kokoa mba ho tonga ara-potoana any amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana?
12 Misy vokany tsara koa anefa matetika ny fitoriana isan-trano amin’ny tolakandro na ny takariva. Misy aza mitory amin’ny alina, ka miresaka amin’ny mpiasa eny amin’ny fivarotan-dasantsy, na hotely, na fivarotana hafa tsy mikatona mihitsy. Afaka manamboatra ny fandaharam-potoananao koa ve ianao, ka mitory amin’ny fotoana mety hahatratrarana olona any an-tranony, na any an-toeran-kafa?
Nahoana ianao no matoky fa manampy anao i Jehovah rehefa mitory ianao?
13, 14. a) Inona no nataon’i Jeremia, ka azo ampifandraisina amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika? b) Inona no ohatra mampiseho fa mila mitana ny teny nataontsika isika, rehefa nilaza fa hiverina hitsidika?
13 Nasain’i Jehovah nitory teo am-bavahadin’ny tempoly sy teny am-bavahadin’i Jerosalema i Jeremia, indraindray. (Jer. 7:2; 17:19, 20) Afaka niresaka tamin’ny olona maro izy rehefa nanao izany. Mety ho afaka niverimberina niresaka tamin’ny olona sasany aza izy, satria nivezivezy matetika teo amin’ireny vavahady ireny ny olona maro, anisan’izany ny olona ambony, ny mpivarotra, ary ny mpandraharaha. Afaka nanazava izay hevitra noresahiny teo aloha izy. Inona no ianarantsika avy amin’izany momba ny fiverenana mitsidika?
14 Fantatr’i Jeremia fa niankinan’ny aina ny asany amin’ny maha mpaminany azy. Rehefa tsy afaka nampita ny hafatr’Andriamanitra àry izy indray mandeha, dia i Baroka namany no nirahiny hanao izany. (Vakio ny Jeremia 36:5-8.) Ahoana no hanahafantsika azy? Mitana ny teny nataontsika ve isika, rehefa mampanantena olona hoe hiverina hitsidika azy? Mitady olona hisolo antsika ve isika, rehefa tsy afaka manao fiverenana mitsidika na fampianarana? Hoy i Jesosy: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny.” (Mat. 5:37) Tena mila mitana ny teny nataontsika isika, satria misolo tena an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana sy ny filaminana.—1 Kor. 14:33, 40.
15, 16. a) Toa an’i Jeremia, inona no ataon’ny mpitory maro mba hampitomboana ny fanompoany? b) Inona no ianarantsika avy amin’ilay zava-nitranga tany Silia, aseho an-tsary eo amin’ny pejy faha-40?
15 Nanoratra taratasy ho an’ireo Jiosy tany Babylona i Jeremia mba hampeherezana azy ireo. Nilaza ny ‘fampanantenan’i Jehovah’ izy io hoe haveriny any amin’ny taniny izy ireo. (Jer. 29:1-4, 10) Mety hahita vokatra tsara koa isika raha mitory an-taratasy na an-telefaonina, ka mampahafantatra ny ‘fampanantenan’i Jehovah’ momba ireo zavatra hataony tsy ho ela. Afaka manao toy izany koa ve ianao mba hanampiana ny havanao na ny olon-kafa mipetraka lavitra, na ny olona tsy tratra an-trano?
16 Mahita vokatra tsara ny mpitory matetika, rehefa manahaka an’i Jeremia, ka manao tsara ny fanompoany. Nitory tamin’ny vehivavy iray teny amin’ny gara ny anabavy iray tany Silia. Tena faly ilay vehivavy nandre ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly, ka nanaiky hianatra Baiboly any an-tranony. Hadinon’ilay anabavy anefa ny nanoratra ny adiresiny. Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah àry ilay anabavy, satria fantany fa tena mila tsidihina ilay vehivavy. Niverina teny amin’ny gara izy ny ampitson’iny, tamin’ilay ora nifankahitan’izy ireo, ka hitany ilay vehivavy. Tsy hadinony intsony ny naka ilay adiresy, ary niverina nitsidika an’ilay vehivavy izy mba hanazava ny Baiboly. Tsy ho ela dia hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny tontolon’i Satana i Jehovah. Misy fanantenana anefa ho an’ny olona mibebaka sy maneho finoana ny vaovao tsara. (Vakio ny Fitomaniana 3:31-33.) Raha mino an’izany isika, dia tokony hiasa tsara ny faritanintsika.
“HIHAINO IHANY ANGAMBA IZY IREO, KA SAMY HIALA AMIN’NY LALAN-DRATSINY”
17. Ahoana no azonao anahafana an’i Jeremia rehefa manompo?
17 Tsy tian’i Jehovah ho faty ny olona. Nasainy nilaza faminaniana manome fanantenana i Jeremia, folo taona teo ho eo talohan’ny naharavan’i Jerosalema. Hoy Izy tamin’ireo olona ho lasa babo any Babylona: “Hitsinjo azy ireo ny masoko, ary hampodiko eto amin’ity tany ity izy ireo, ka haoriko fa tsy horavako, ary hamboleko fa tsy hongotako.” Nilaza tamin’ireo olona ireo àry i Jeremia hoe: ‘Misy fanantenana ny hoavinareo.’ (Jer. 24:6; 26:3; 31:17) Nanahaka an’i Jehovah i Jeremia, ka tena niahy an’ireo olona nitoriany. Nampita ny fiangavian’i Jehovah izy hoe: “Samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo ianareo e, ka ahitsio ny fanaonareo.” (Jer. 35:15) Misy fomba hafa hitanao koa ve azonao ampisehoana fa tena miahy ny olona ao amin’ny faritaninao ianao?
18, 19. a) Inona no toe-tsaina tsy tokony hananantsika rehefa mitory? b) Inona no toe-tsain’i Jeremia tokony hotahafintsika?
18 Tsy nihena mihitsy ny fitiavan’i Jeremia ny olona. Mbola nangoraka azy ireo izy, rehefa noravana i Jerosalema. (Vakio ny Fitomaniana 2:11.) Voa tamin’ny nataony izy ireo, nefa tsy nilaza i Jeremia hoe: ‘Tsy efa niteny taminareo aho!’ Tena nalahelo kosa izy nahita ny nanjo azy ireo. Tokony hanahaka azy isika. Tsy tokony hataontsika kitoatoa ny fanompoantsika, ka hoe ho toy ny adidy fotsiny. Tokony ho hita kosa hoe tena tia an’i Jehovah, ilay Andriamanitra miavaka, isika, sady tia ny olombelona izay natao araka ny endriny.
19 Mbola tsara lavitra noho ny asa na toerana ambony mety hananan’ny olona eto amin’ity tontolo ity, ny hoe mitory sy misolo tena an’ilay tena Andriamanitra. Toy izany ny fomba fihevitr’i Jeremia, ka niteny izy hoe: “Hitako ny teninao ka nohaniko. Maharavoravo ahy ny teninao sady mahafaly ny foko. Fa antsoina amin’ny anaranao aho, ry Jehovah!” (Jer. 15:16) Raha manahaka an’i Jeremia isika, ka mazoto mitory ny vaovao tsara sy manompo noho ny fitiavana, dia mety hihamaro ny olona hahafantatra sy ho tia an’ilay nanome ny aina.
Rehefa mandinika ny nataon’i Jeremia ianao, inona avy no fomba mety ho azonao andramana mba hampahafantarana ny ‘fampanantenan’i Jehovah’?
a Nampiasa anjely i Jehovah teo rehefa niresaka tamin’i Jeremia, ka toy ny hoe izy mihitsy no niteny. Nanao toy izany i Jehovah matetika mba hampitana hafatra.—Mpits. 13:15, 22; Gal. 3:19.