Fizarana 9
Rahoviana no ho Lasa Paradisa ny Tany?
Hita avy amin’ireo olana eto an-tany fa kely sisa dia ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Lioka 21:10, 11; 2 Timoty 3:1-5
Efa nolazain’ny Baiboly mialoha ny zavatra maro mitranga ankehitriny. Nolazainy fa ho tia vola ny olona, tsy hankatò ray aman-dreny, ho lozabe, ary ho tia fahafinaretana.
Voalaza fa hisy horohoron-tany lehibe sy ady ary mosary, sady hihanaka ny aretina. Efa mitranga izany ankehitriny.
Nilaza koa i Jesosy fa hotorina maneran-tany ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana. —Matio 24:14.
Hanala ny faharatsiana rehetra ilay Fanjakana. 2 Petera 3:13
Kely sisa dia haringan’i Jehovah ny ratsy fanahy rehetra.
Hosazina i Satana sy ireo demonia.
Ho tafavoaka velona ireo mihaino an’Andriamanitra, ka hiaina ao amin’ny tontolo iray hanjakan’ny fahamarinana. Tsy hisy intsony ny tahotra, ary hifampatoky sy hifankatia ny olona.