Toko 8
Ahoana no Hahazoako Namana Hendry?
“Rehefa tezitra aho, dia mila olona hihaino ahy. Tiako koa hoe misy mampahery aho rehefa malahelo. Fa na faly koa aza aho, dia mila olona hiara-mifaly amiko. Tena ilaina aloha ny namana amiko e!”—Ialy.
MISY milaza fa mpiara-milalao no ilain’ny ankizikely, fa namana no ilain’ny tanora. Tsy mitovy ny hoe mpiara-milalao sy ny hoe mpinamana.
Ankizy miaraka aminao matetika fotsiny ny mpiara-milalao aminao.
Ny namanao kosa mihoatra noho izany, satria izay zava-dehibe aminao, dia tiany koa.
Milaza koa ny Baiboly fa ny tena namana dia ‘tia amin’ny fotoana rehetra, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.’ (Ohabolana 17:17) Tsy mpiara-milalao fotsiny àry no atao hoe mpinamana.
Mila namana tsara ianao amin’izao ianao efa mihalehibe izao. Hoatran’ny ahoana àry no tokony ho namanao?
1. Tsara toetra
2. Mankatò izay lazain’ny Baiboly
3. Manampy anao ho hendry
Hoatr’izany ve ny namanao? Andeha àry hodinihintsika tsirairay ireo.
1. Tsara toetra
Fantaro izao: Tsy izay miseho ho namana no tena namana. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa “misy mpinamana vonona hifamotika.” (Ohabolana 18:24) Mety hiteny ianao hoe: ‘Izany koa ve dia marina?’ Eritrereto anefa izao: Efa nisy olona niseho ho namanao ve nefa nanararaotra anao, na nifosa anao, na nanaratsy anao? Azo inoana fa lasa tsy natoky azy intsony ianao.a Aleo àry namana vitsy nefa tsara toetra, toy izay namana maro nefa ratsy toetra!
Inona no tokony hataonao? Mifidiana namana tsara toetra mba ho modely ho anao.
‘Misy namako izay any, malaza hoe tsara toetra be, dia mba te ho hoatr’azy koa aho. Tena mba tiako izany.’—Mirantsoa, 17 taona.
Ataovy ireto:
1. Vakio ny Galatianina 5:22, 23.
2. Mieritrereta hoe: ‘Manana “ny vokatry ny fanahy” ve ny namako?’
3. Soraty eto ny anaran’izay tena namanao. Soraty eo amin’ny ilany ny toetrany.
Anarana
․․․․․
Toetra
․․․․․
Raha hita hoe tsy tsara toetra ry zareo, tsy aleo ve miova namana?
2. Mankatò izay lazain’ny Baiboly
Fantaro izao: Mety ho sendra naman-dratsy ianao, raha maimaika hahazo namana. Hoy ny Ohabolana 13:20: ‘Hahita loza izay minamana amin’ny tsisy saina.’ Tsy hoe olona tsy mahay na tsy misaina no tiana holazaina eo, fa izay tsy miraharaha torohevitra ary manao zava-dratsy foana. Aleo tsy minamana amin’ny olona hoatr’izany!
Inona no tokony hataonao? Aza maika hinamana amin’olona, fa mahaiza mifidy. (Salamo 26:4) Tsy midika anefa izany hoe tokony hanavakavaka ianao. Tokony handinika tsara kosa ianao, satria tsy voatery ho ‘marina sy manompo an’Andriamanitra’ daholo ny olona. Misy koa ‘ratsy fanahy sy tsy manompo azy.’—Malakia 3:18.
“Faly aho fa nampian’ny dadanay sy mamanay hahita namana tia manompo an’Andriamanitra, sady mitovy taona amiko.”—Christophe, 13 taona.
Valio ireto:
Miferinaina ve ianao rehefa miaraka amin’ny namanao sao hasainy manao zava-dratsy?
□ Eny
□ Tsia
Afeninao amin’ny ray aman-dreninao ve hoe iza no namanao, satria matahotra ianao sao tsy ho tian-dry zareo izy?
□ Eny
□ Tsia
Raha eny no valin-teninao amin’ireo, dia mitadiava namana mankatò izay lazain’ny Baiboly, izany hoe Kristianina matotra.
3. Manampy anao ho hendry
Fantaro izao: Milaza ny Baiboly fa “ny naman-dratsy dia manimba” ny toetra tsara. (1 Korintianina 15:33) Hoy i Antsa: “Tsy tian’ny mpiara-mianatra tamiko aho raha vao tsy nanao izay noteneniny. Tsy nana-namana aho, dia naleoko nanaiky.” Hitan’i Antsa anefa hoe tsy mety ny manaraka fotsiny izay tenenin’ny namana. Lasa toy ny kilalaon’izy ireo mantsy ianao, satria ampanaoviny izay tiany fotsiny. Ianao ve dia hanaiky hatao an’izany?
Inona no tokony hataonao? Aza minamana intsony amin’ny ankizy manery anao hitovy aminy. Ho vitsy kokoa ny namanao, nefa tsy hiferinaina intsony ianao. Hinamana aminao koa ny ankizy tsara toetra, ary hanampy anao ho hendry izany.—Romanina 12:2.
‘Misy namako be izay any, tena mahay mampahery satria matotra sady tsara fanahy.’—Jason, 21 taona.
Valio ireto:
Te ho tian’ny namako ve aho ka lasa maditra, na manao akanjo tsy maotina, na manao ny fitenin-dry zareo?
□ Eny
□ Tsia
Matahotra ny namako ve aho, ka manaiky hiaraka aminy ho any amin’ny toerana tsy tokony halehako?
□ Eny
□ Tsia
Raha eny no valin-teninao amin’ireo, dia mangataha torohevitra amin’ny ray aman-dreninao, na olon-dehibe matotra hafa. Miresaha koa amin’ny anti-panahy, raha Vavolombelon’i Jehovah ianao. Anontanio izy hoe iza no azonao atao namana, ka hanampy anao ho hendry.
JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 9, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Mitaona anao hanao ratsy ve ny namanao, sa ianao mihitsy no mitady ho resin’ny fakam-panahy?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manao fahadisoana daholo anefa isika. (Romanina 3:23) Raha nahasosotra anao àry ny namanao nefa tena manenina, dia avelao ny fahadisoany. Tsarovy fa “manarona fahotana maro be ny fitiavana.”—1 Petera 4:8.
ANDININ-TENY MAHASOA
‘Misy namana mifikitra noho ny rahalahy.’—Ohabolana 18:24.
SOSO-KEVITRA
Miezaha foana hankatò izay lazain’ny Baiboly, dia hinamana aminao ny olona hendry. Ho hitanao fa izy ireo no tena namana!
FANTATRAO VE... ?
Tsy manavakavaka Andriamanitra, saingy mifidy tsara izay tiany ‘hivahiny ao an-tranolainy’, izany hoe izay olona ataony namana.—Salamo 15:1-5.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Te hahazo namana hendry aho, ka izao no hataoko: ․․․․․
Tiako koa raha minamana amin’ny olona efa zokiko aho. (Manorata anarana vitsivitsy.) Ohatra hoe i ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Inona avy no toetra tena tianao hananan’ny namanao? Nahoana?
● Inona avy no toetra tokony hiezahanao hananana, mba ho tian’ny namanao kokoa ianao?
[Teny notsongaina, pejy 60]
‘‘Nisy ankizy tsy navelan-dry dadanay hiarahako. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Izaho indray dia tsy hiova namana izany! Ry zareo ihany no tiako.’ Tonga saina aho tatỳ aoriana hoe hay tsy mety tokoa ny minamana amin-dry zareo. Nandinika tsara aho, dia nahita fa be dia be ny ankizy hendry azo iarahana.’’—Faly
[Efajoro, pejy 61]
Andramo Atao Ireto:
Miresaha amin’ny ray aman-dreninao. Anontanio azy ny ankizy nataony namana, tamin’izy nitovy taona taminao. Nanenina ve izy niaraka tamin’izy ireo? Raha eny, nahoana? Anontanio izy hoe inona no azonao atao, mba tsy ho tratran’izany.
Asehoy an’ny ray aman-dreninao ny namanao. Raha misalasala ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Fa maninona aho no tsy sahy?’ Matahotra ve ianao hoe tsy ho azoazon’ny ray aman-dreninao izy? Raha izany, dia mila mahay mifidy namana kokoa ianao.
Henoy tsara ny namanao. Raha manao izany ianao, dia ho fantatrao izay ilainy sy izay manahirana azy.—Filipianina 2:4.
Miezaha hamela heloka. Aza mieritreritra hoe tsy hanao fahadisoana mihitsy izy. “Manao fahadisoana imbetsaka mantsy isika rehetra.”—Jakoba 3:2.
Aza terena hiaraka aminao foana ny namanao. Aza matahotra fa raha tena namana izy, dia ho eo foana rehefa mila azy ianao.—Mpitoriteny 4:9, 10.
[Sary, pejy 63]
Lasa toy ny kilalaon’ny namanao ianao, raha manaiky hampanaoviny izay tiany fotsiny