Hira 151
Haseho Miharihary Ireo Zanak’Andriamanitra
Iza avy ireo voafidy hanjaka
Any an-danitra?
Tsy ho ela izany dia
Hasehon’Andriamanitra.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
’Reo zanak’i Jehovah ireo
Hasehony avokoa
Ka hiaraka amin’i Kristy,
Handray ny valisoa.
Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka,
Amin’ny fahefany,
No ho avy hanangona an’ireo
’Zay mbola eto an-tany.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Reo zanak’i Jehovah ireo
Hasehony avokoa
Ka hiaraka amin’i Kristy,
Handray ny valisoa.
(TETEZANA)
Avy eo ireo no hiara-hanao
’Lay ady farany,
Ary hampakarin’i Kristy
Mba hiaraka aminy.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Reo zanak’i Jehovah ireo
Hasehony avokoa
Ka hiaraka amin’i Kristy,
Handray ny valisoa.
(Jereo koa ny Dan. 2:34, 35; 1 Kor. 15:51, 52; 1 Tes. 4:15-17.)