HIRA 148
Jehovah no Mpanafaka Antsika
1. Jehovah ô, ’zao rehetra izao maneho tokoa
Hoe tena misy ianao,
mahery sy tsy toha.
’Reo andriamani-kafa tsisy hoatr’anao,
Resinao
Ny fahavalonao.
(FIVERENANA)
Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika,
Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana.
’Sika mino sy feno herim-po
mitory izany,
Fa Jehovah no Mpanafaka,
derao hatrany.
2. Ny fahafatesana mandrahona ny aiko.
Ianao, Jehovah ô,
no hany antenaiko.
Mba omeo herim-po aho fa miantso anao,
Ampio aho
Fa mialoka aminao.
(FIVERENANA)
Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika,
Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana.
’Sika mino sy feno herim-po
mitory izany,
Fa Jehovah no Mpanafaka,
derao hatrany.
3. Hiteny ianao,
anaty kotroka mahery.
Ny fahavalonao
hatahotra sy hiery.
’Zay rehetra nokasainao tsy maintsy to
Avokoa.
Mpanafaka tokoa!
(FIVERENANA)
Jehovah Mpanafaka, Mpiaro antsika,
Ary azo itokiana amin’ny andro fahoriana.
’Sika mino sy feno herim-po
mitory izany,
Fa Jehovah no Mpanafaka,
derao hatrany.
(Jereo koa ny Sal. 18:1, 2; 144:1, 2.)