ADONIRAMA
(Adôniràma) [Ny Tompo (Tompoko) dia Avo (Misandratra)].
Tompon’andraiki-panjakana sy mpiandraikitra mahay, zanakalahin’i Abda. I Adonirama no niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana nandritra ny fanjakan’i Davida sy Solomona ary Rehoboama. Nandray anjara lehibe tamin’ireo tetikasa fanorenana maro be nataon’i Solomona koa izy. Rehefa nikomy tamin’ny fitondrana jadon’i Rehoboama ny foko folo tany Sekema (997 T.K.), dia nirahin’ny mpanjaka tany amin’ny vahoaka i Adonirama. “Nitora-bato azy anefa ny zanak’Israely, ka maty izy.” (2Ta 10:18) Samy anarana niantsoana azy ny hoe Adonirama (1Mp 4:6; 5:14) na Adorama (2Sa 20:24; 1Mp 12:18) na Hadorama.—2Ta 10:18.