ADRAMYTENA
(Adramytèna).
Tanàna nisy seranana teo amoron’ny Ranomasina Egée. Tany avaratr’i Pergamosy no nisy azy io, tany Mysia izay teo amin’ny zorony avaratrandrefan’i Azia Minora. Mbola ahitana ny anarany fahiny ao amin’ny hoe Edremit, tanàna afovoan-tany any atsinanan’ilay seranana, any Torkia ankehitriny.
Nataon’ny Romanina ho anisan’ny faritanin’i Azia i Adramytena. Nisy fotoana nampahalaza an’io seranan-tsambo fivezivezen’ny entam-barotra io, satria namakivaky azy io ilay lalana romanina izay nandalo tany Pergamosy sy Efesosy tany atsimo, ary koa tany Aso sy Troasy ary Hellespont tany andrefana sy avaratra. Toa nandalo tany Adramytena i Paoly, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Ny Asan’ny Apostoly 27:2 ihany no miresaka an’i Adramytena. Sambo avy tany Adramytena no nitondra an’i Paoly avy tao Kaisaria nankany amin’ny toerana maro teny amin’ny morontsirak’i Azia Minora. Voafonja i Paoly tamin’izay, ary teo ambany fiandraiketan’i Jolio manamboninahitra romanina. Nifindra sambo i Paoly sy ireo niaraka taminy rehefa tonga tao amin’ny seranan’i Myra, tany Lykia, ary niondrana tao amin’ny sambo iray mpitondra varimbazaha avy tany Aleksandria hankany Italia.—As 27:3-6.