ALGOMA
(algòma) [heb.: ʼalgommim (2Ta 2:8; 9:10, 11); ʼalmoggim (1Mp 10:11, 12)].
Anisan’ireo hazo nohafaran’i Solomona tamin’i Hirama avy any Tyro, mba hanorenana ny tempoly sy hanaovana tohatra sy tohana ary harpa sy lokanga.
Tsy tena fantatra hoe inona ilay hazo algoma eo. Heverina mazàna fa ny hazo sandaly mena (Pterocarpus santalinus) any Inde sy Sri Lanka ankehitriny izy io. Misy kosa milaza fa ny hazo sandaly fotsy (Santalum album) izy io, angamba satria nilaza i Josèphe fa somary fotsy ilay izy. (Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 177 [vii, 1]) Mahatratra 7,5 ka hatramin’ny 9 m eo ho eo ny haavon’ny sandaly mena, ary mafy, malamalama, mivolontsôkôlà somary mena, ary mety mangirana ny hazony. Nety tsara mba hanaovana an’ireo zavamaneno resahin’ny Baiboly, hono, izy io. Manitra ilay hazo, ary tsy laitran’ny bibikely.
Tsy maniry any Libanona ny hazo sandaly mena ankehitriny. Tsy lazain’ny Baiboly anefa raha avy any Libanona ireo hazo “algoma” na tsia. Na ahoana na ahoana, dia nentin’i Hirama avy tany Ofira izy ireo, angamba rehefa nohafarana avy tany an-tany hafa, satria afaka nifampiraharaha ara-barotra tamin’i Inde, Ejipta, ary firenen-kafa tany Afrika ny tao Ofira. (1Mp 10:11, 22) Tsy fahita firy sady sarobidy ny hazo nalefan’i Hirama matoa “tsy nisy hazo algoma toy izany intsony tonga tany [Israely], na hita tany, mandraka androany.”—1Mp 10:12.