ASORITA
(Asorìta).
Vahoaka nanjakan’i Isboseta zanakalahin’i Saoly. Voatonona eo anelanelan’i Gileada sy Jezirela izy ireo ao amin’ny 2 Samoela 2:9. “Gesorita” no ao amin’ny Vulgate latinina sy ny Peshitta syriàka, fa “Aserita” kosa no ao amin’ny Targoma. (Ampit. Mpts 1:32.) Misy anarana hoe Asorima ao amin’ny Genesisy 25:3, saingy Arabo taranak’i Abrahama avy tamin’i Dedana ireo.—Jereo SIPREY.