FAMAKY
Fitaovana misy lelany sy tahony (zarany) fikapana hazo na vato; atao fitaovam-piadiana koa.
Teny hebreo sy grika maromaro no ilazana an’io fitaovana io. Ny teny hebreo hoe garzen no ilazan’ny Baiboly ny famaky fikapana hazo, sy ilazan’ny soratra any Siloama ny famaky fihadiana vato. (De 19:5; Is 10:15) Sagar kosa ny teny hebreo nadika hoe “famaky roa lela” (Sl 35:3) (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1958, p. 650), ary barzel (a.b.t.: vy) no nadika hoe “lelam-pamaky.”—2Mp 6:5, 6.
Nisy tamin’ireo mpandova ny fanjakan’ny lanitra “novonoina tamin’ny famaky noho izy nitory momba an’i Jesosy sy niresaka momba an’Andriamanitra.” (Ap 20:4) Noheverin’ny mpitondra hoe tokony ho faty ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika ireo, ka novonoiny tamin’ny famaky (fanao tsindraindray tamin’ireo voaheloka ho faty).