BARJESOSY
(Barjesôsy) [Zanakalahin’i Jesosy].
Jiosy nonina tany Pafo, tany amin’ny nosy Sipra, tamin’ny taonjato voalohany. “Mpilalao ody sady mpaminany sandoka” izy. (As 13:6) Elyma (midika hoe “Mpilalao Ody”) no fiantsoana azy, noho ny asany.—Jereo ELYMA.
Toa nitana toerana ambony tao an-dapa i Barjesosy, izay sady mpilalao ody no mpanolo-tsaina an’i Sergio Paolo, ilay governoram-paritra romanina tao Pafo. “Mpisorona” tao amin’ny fivavahan’ireo mpisikidy i Barjesosy, ka nanohitra ny Fivavahana Kristianina. Tsy te hamoy ny asany be karama izy ka notoheriny mafy ny fitorian’i Paoly sy Barnabasy. Rehefa “naniry mafy handre ny tenin’Andriamanitra” àry i Sergio Paolo, dia “nitady hisakana an’ilay governoram-paritra tsy hanaiky ny finoana” i Elyma.—As 13:7, 8.
“Feno fanahy masina” i Paoly, ka sady nibanjina an’io mpilalao ody nampiasain’i Satana io no nilaza hoe: “Ry lehilahy feno an’izao karazam-pitaka sy faharatsiana rehetra izao, sady zanaky ny Devoly no fahavalon’ny fahamarinana rehetra! Tsy hitsahatra hanolana ny lala-mahitsin’i Jehovah mihitsy ve ianao? Koa hamely anao ny tanan’i Jehovah ka ho jamba ianao, ary hisy fe-potoana tsy hahitanao ny hazavan’ny masoandro.” Teo no ho eo ihany, dia jamba i Barjesosy. Io no fahagagana voalohany nataon’i Paoly voarakitra an-tsoratra. Rehefa nahita izany ilay governoram-paritra, dia “talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah” ka nanaiky ny hafatra ary “nino.”—As 13:9-12.