BETI-NIMRA
(Beti-nimrà) [Tranon’ny Leopara].
Tanàna nomena ny fokon’i Gada, tany amin’ny ilany atsinanan’i Jordana, ary antsoina fotsiny koa hoe Nimra. (No 32:3, 34, 36) Voalaza fa tany amin’ny ‘lemaka iva’ izy io, ary i Sihona Mpanjaka no nifehy azy taloha. (Js 13:27) Toa mbola ahitana ny anaran’ilay tanàna fahiny ao amin’ny hoe Tell Nimrin, any amin’ny sisiny atsimon’ny Lohasaha Falehan-driaka Nimrin. Ny tena nisy an’ilay tanàna anefa taloha dia tao Tell Bleibil, tokotokony ho 2,5 km any avaratratsinanan’i Tell Nimrin, izany hoe eo amin’ny sisiny avaratry ny lohasahan’i Nimrin. Hita tamin’ny fikarohana natao tao Tell Bleibil fa nonina tao ny Israelita taloha ary niala tao tatỳ aoriana. Tokotokony ho 19 km any atsinanana avaratratsinanan’i Jeriko àry no nisy an’i Beti-nimra.