KALEBA
(Kalèba) [Alika].
1. Zanakalahin’i Hezrona sady rahalahin’i Jeramela ary zafiafin’i Joda sy Tamara. (1Ta 2:3-5, 18) Nantsoina koa hoe Kelobay i Kaleba. (1Ta 2:9) Taranany i Bezalila, ilay mpanao asa tanana mahay, izay voatendry hiandraikitra ny fanamboarana ny tranolay masina. (1Ta 2:19, 20; Ek 35:30) Toa taranany koa i Kaleba No. 2.
2. Zanakalahin’i Jefone Kenizita avy amin’ny fokon’i Joda. Dadatoan’i Otniela i Kaleba ary azo inoana fa taranak’i Kaleba No. 1. (No 32:12; Js 15:17; 1Ta 4:13, 15; jereo OTNIELA.) Iray tamin’ireo mpitsikilo 12 lahy nirahin’i Mosesy mba hijery taratra ny tany Kanana nandritra ny 40 andro izy, tamin’izy 40 taona. Nilaza zavatra tsara momba an’ilay tany izy sy Josoa rehefa tafaverina, na dia nanohitra izany aza ireo mpitsikilo hafa rehetra. Hoy izy roa lahy: “Andao isika hiakatra avy hatrany, fa tsy maintsy ho azontsika io tany io.” (No 13:6, 30; 14:6-9) ‘Nanaraka an’i Jehovah Andriamaniny tamin’ny fony manontolo’ i Kaleba. Izy ihany àry, tamin’ireo olon-dehibe niara-belona taminy, no tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina tamin’ny 1473 T.K., ankoatra an’i Josoa sy ny Levita sasany. Hoy i Kaleba, enin-taona tatỳ aoriana, tamin’izy 85 taona: “Efa nitsimbina ny aiko i Jehovah araka izay nampanantenainy, nandritra izay dimy amby efapolo taona izay, nanomboka tamin’ny nilazan’i Jehovah izany fampanantenana izany tamin’i Mosesy, rehefa nandehandeha tany an-tany efitra ny Israely. Ary dimy amby valopolo taona aho izao. Mbola matanjaka toy ny tamin’ilay andro nanirahan’i Mosesy ahy anefa aho. Tahaka ny hery nentiko niady tamin’izany ihany ny heriko ankehitriny, na rehefa mivoaka hiady na rehefa miverina avy any.”—Js 14:6-11.
Nomena ho anjaran’i Kaleba ny tanànan’i Hebrona (ilay tanàna voaro mafy atao hoe Kiriata-arba izay nipetrahan’ireo Anakita goavam-be) sy ny faritra manodidina azy, anisan’izany i Debira. Miresaka momba ny nanafihan’ny Amalekita “ny faritra atsimon’i Kaleba” ny 1 Samoela 30:13, 14. Tsy tanàna ilay hoe “Kaleba” eto, fa ilay faritra nomena an’i Kaleba ka nantsoina tamin’ny anarany. ‘Ny faritra atsimo tamin’ny faritanin’i Kaleba’ àry no tiana holazaina.
Hoy i Kaleba, taoriana kelin’izay: “Izay mamely an’i Kiriata-sefera [na Debira] ka mahazo an’io tanàna io, dia homeko ho vadiny i Aksa zanako vavy.” Nandresy an’ilay tanàna i Otniela, zana-drahalahiny (mpitsara voalohany teo amin’ny Israely, taorian’ny nahafatesan’i Josoa). Nomen’i Kaleba ho vadin’i Otniela àry i Aksa. Nataony fanomezana tamin’ny fampakaram-badin’i Aksa i Golota Ambony sy Golota Ambany, satria nangatahin’i Aksa ho fanampin’ilay “sombin-tany any atsimo.”—Js 15:13-19; Mpts 1:11-15; 3:9-11.
Voalaza hoe zanakavavin’i “Kaleba rahalahin’i Jeramela” (Kaleba No. 1) i Aksa. (1Ta 2:42, 49) Velona 150 taona teo ho eo talohan’i “Kaleba zanak’i Jefone” io Kaleba io. Misy mpivaofy teny milaza fa tsy nisy afa-tsy Kaleba iray. Tsy mitombina anefa izany satria misy elanelany be ny fotoana niainan’i Hezrona zafikelin’i Joda sy ny fotoana nidiran’ny Israelita tao Kanana. Misy koa milaza fa samy nanana zanakavavy nantsoina hoe Aksa ireo Kaleba roa ireo. Tsara homarihina anefa fa tsy nosoratana tao amin’ny tetirazana ny vehivavy raha tsy nanana anjara asa lehibe teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra. Iray ihany ny Aksa malaza ao amin’ny Baiboly, ka tsy maintsy ho ny zanakavavin’i Kaleba zanak’i Jefone izany. Misy mpivaofy teny hafa indray nanaisotra an’ilay fehezanteny miresaka momba an’i Aksa tsy ho ao amin’ilay andininy. (1Ta 2:49) Milaza izy ireo fa fehezanteny nampian’ireo mpanao dika soratra izy io. Tsy manana soratra manaporofo izany anefa izy ireo. Marina fa miditra tampoka ilay firesahana momba an’i Aksa ao amin’ny andininy faha-49, nefa azo inoana fa ninian’ny mpanoratra natao izany noho ny antony manokana. Amin’ilay heviny malalaka hoe taranaka no ampiasany an’ilay teny hoe ‘zanakavavy’ eo. Nahoana? Mba hampahafantarana fa tsy hoe zanakavavin’i Kaleba zanak’i Jefone fotsiny i Aksa, fa taranak’i Kaleba zanak’i Hezrona koa.