FAMORANA
Fanalana ny tsitsy na hoditra manarona ny loham-pilahiana. Ampiasaina amin’ny heviny ara-bakiteny sy an’ohatra ny matoanteny hebreo hoe mol (mamora). Midika ara-bakiteny hoe “fandidiana manodidina” ny anarana grika hoe peritôme (famorana). (Jn 7:22) Akrôbystia ny teny grika nadika hoe “tsy voafora”, ary nampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ho an’ny teny hebreo nadika hoe “tsitsy” izy io.—Ro 2:25; 1Sa 18:25, LXX.
Nomen’i Jehovah Andriamanitra didy toy izao i Abrahama tamin’ny 1919 T.K., herintaona talohan’ny nahaterahan’i Isaka: “Izao no fifanekena tokony hohajainareo ... Tsy maintsy forana ny lahy rehetra eo aminareo.” Anisan’izany ny zanakalahin’i Abrahama sy ny mpanompony. Noforana àry i Abrahama, Ismaela zanany 13 taona, ary ny mpanompony rehetra, “ho famantarana an’ilay fifanekena.” Noforana koa ny mpanompolahiny vaovao. Noforana daholo taorian’izay ny lahikely rehetra anisan’ny ankohonany, na mpanompo na tsia, rehefa feno valo andro. Novonoina ho faty izay nandika an’io didin’Andriamanitra io.—Ge 17:1, 9-14, 23-27.
Nifora koa ny Ejipsianina, raha jerena ny sary hoso-doko eo amin’ny rindrina sy ny faty notehirizina tsy ho lo. Tsy fantatra anefa hoe oviana izy ireo no nanomboka nifora, ary hoe iza avy no noforana. Misy milaza hoe i Josefa, mpiandraikitra ny sakafo, no nampiditra an’ilay fanao tany Ejipta. Misy indray mino ny tenin’i Hérodote hoe fanaon’ny Ejipsianina ilay izy fa narahin’i Abrahama. Hoy anefa i W. Thomson: “Tsy marina hoatran’ny an’i Mosesy mihitsy amiko ny fitantaran’i Hérodote, izay tonga tany Ejipta 1 500 taona tatỳ aoriana. Matetika izy no nanoratra zavatra maro tsy misy dikany na dia nanao fianarana sy fikarohana be aza. Ilay nanorina ny firenena jiosy sy mpanome lalàna nalaza indrindra, izay teraka sy lehibe tany Ejipta, no nilaza hoe ahoana no nahatonga ny fireneny hoforana. Hafa kosa ny nolazain’i Hérodote, Grika mpanao dia lavitra sy mpahay tantara ary hafa firenena velona ela be tatỳ aoriana. Misy marina nefa misy diso koa ny zavatra nolazainy, araka ny noporofoin’i Josèphe tamin’i Apion. Namerina sy nanolana ary nanitatra an’izay zavatra diso nolazainy koa ny mpanoratra be fisalasalana, velona 2 000 taona mahery taoriany, mba hanaporofoana fa ny Ejipsianina fa tsy Andriamanitra (araka ny tenin’i Mosesy) no nahalalan’i Abrahama ny famorana. Dia ho marina noho ny an’i Mosesy ve ny fitantaran’ireo?”—Ilay Tany sy Ilay Boky, nohavaozin’i J. Grande, 1910, p. 593.
Tsy ny Ejipsianina ihany no nifora fa ny Moabita, Amonita, ary Edomita koa. (Je 9:25, 26) Nifora koa ny Samaritanina tatỳ aoriana, rehefa nanaraka an’izay notakin’ny Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly. Tsy nifora kosa ny Asyrianina, ny Babylonianina, ny Grika, ary ny Filistinina. Ny Filistinina, fa tsy ny Kananita tamin’ny ankapobeny, no nantsoina hoe “tsy mifora” ho fanambaniana azy, ary ny tsitsin’izy ireo no nalain’izay nandresy azy tany an’ady.—Mpts 14:3; 15:18; 1Sa 14:6; 17:26; 18:25-27; 2Sa 1:20; 1Ta 10:4.
Nanaja an’ilay fifanekena ny amin’ny famorana ny taranak’i Abrahama avy tamin’i Isaka sy Jakoba. “Noforan’i Abrahama i Isaka zanany rehefa feno valo andro, araka izay efa nandidian’Andriamanitra azy.” (Ge 21:4; As 7:8; Ro 4:9-12) Hoy ny zafiafin’i Abrahama tamin’i Sekema sy ireo mpiray tanàna taminy: “Tsy azonay atao ny manome ny anabavinay [Dina] ho an’ny lehilahy tsy mifora ... Hanaiky anareo anefa izahay raha izao no ataonareo: Tsy maintsy hatao tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lahy rehetra eo aminareo.” (Ge 34:13-24) Toa tsy noforan’i Mosesy ny zanany lahy, ka tezitra taminy Andriamanitra. Noforan’i Zipora vadiny àry ilay zaza.—Ek 4:24-26; jereo ZIPORA.
Teo ambanin’ny Lalàna. Notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny famorana. “Hoforana ny zaza [lahikely] amin’ny andro fahavalo [aorian’ny ahaterahany].” (Le 12:2, 3) Tsy maintsy natao izany na dia Sabata aza ilay andro fahavalo. (Jn 7:22, 23) Nankatò an’io lalàna io, ohatra, ny ray aman-drenin’i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy ary Paoly ka namora azy ireo tamin’ny andro fahavalo. (Lk 1:59; 2:21; Fi 3:4, 5) Noforana koa ny vahiny vao nahazo nihinana ny Paska.—Ek 12:43-48.
Nahoana no nasain’ny Lalàna natao tamin’ny andro fahavalo ny famorana?
Tsy nohazavain’i Jehovah ny antony, ary tsy voatery nanazava izany izy. Mety foana ny ataony, ary tena tsara foana ny antony anaovany zavatra. (2Sa 22:31) Fantatra anefa izao ny antony sasany maha tsara ny famorana amin’ny andro fahavalo. Mampandry ra ny vitaminina K, nefa rehefa feno dimy ka hatramin’ny fito andro ilay zaza vao ampy ny fatran’izy io ao amin’ny rany. Mampandry ra koa ny proteinina atao hoe prothrombine, nefa 30 isan-jato monja ny fatrany amin’ny andro fahatelo, fa miakatra 110 isan-jato kosa izany amin’ny andro fahavalo, ary amin’io andro io ihany. Tsy natahorana ho very ra be àry ilay zaza raha narahina ny toromarik’i Jehovah. Hoy ny Dr. S. McMillen: “Rehefa dinihina ny mombamomba ny vitaminina K sy ny prothrombine, dia ny andro fahavalo no tsara indrindra ho an’ny famorana, ... [ilay] andro nofidin’ny Mpamorona ny vitaminina K.”—Tsy ho Voan’ireo Aretina Ireo, 1986, p. 21.
Ny loham-pianakaviana no namora, nefa tsy voatery ho izy foana. Tatỳ aoriana dia nisy olona notendrena sy nampiofanina hamora. Toa lasa fanao tamin’ny taonjato voalohany ny nanome anarana an’ilay zaza rehefa noforana izy.—Lk 1:59, 60; 2:21.
Tsy nisy lahikely noforana rehefa nirenireny 40 taona tany an-tany efitra ny Israelita. Nasain’i Josoa noforana tamin’ny antsy vita amin’ny vatoafo daholo àry ny lahy rehetra, rehefa avy niampita an’i Jordana izy ireo ka tonga tao Gilgala. Narovan’i Jehovah izy ireo mandra-pahasitrany.—Js 5:2-9; jereo FANALAM-BARAKA, LATSA.
Taorian’ny sesitany. Nanomboka nisy heriny tany Israely sy ny firenena nanodidina azy ny kolontsaina grika, 200 taona taorian’ny nodian’ny Jiosy avy tany Babylona. Maro àry ny firenena tsy nifora intsony. Nandrara ny famorana i Antiokosa Faha-4 (Epifana), mpanjaka syrianina, ary tatỳ aoriana i Hadrien mpanjaka romanina. Naleon’ny reny jiosy sasany tamin’ny andron’ireo mpanjaka ireo anefa maty, toy izay tsy hanana ny “famantarana an’ilay fifanekena” ny zanany lahy. (Ge 17:11) Nisy kosa atleta jiosy te handray anjara tamin’ny lalao grika (nitanjaka ny mpihazakazaka tamin’ilay izy) sy tsy te hesoesoina, ka niezaka ny ho lasa “tsy mifora.” Nisy fandidiana natao mba ho toy ny hoe nisy tsitsy indray ny filahiany. Mety ho izany no nahatonga an’i Paoly hilaza tamin’ny Kristianina hoe: “Misy voafora ve fony izy nantsoina? Aoka izy tsy ho lasa tsy mifora.” (1Ko 7:18) Midika ara-bakiteny hoe “misintona” ny matoanteny grika (epispaômai) nadika hoe “lasa tsy mifora” eo, satria toa nosintonina nankany aloha ny tsitsy mba ho toy ny tsy mifora.
Tsy takina amin’ny Kristianina. Neken’i Jehovah ho anisan’ny fiangonana kristianina ny hafa firenena, ary maro tamin’ireo no nanaiky ny vaovao tsara. Nipetraka àry ilay fanontaniana hoe: Tokony hoforana ve ny Kristianina hafa firenena? Izao no fanatsoahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema: Tsy anisan’ireo ‘zavatra tsy maintsy hotandreman’ny’ hafa firenena sy Jiosy ny famorana.—As 15:6-29.
Noforan’i Paoly i Timoty taoriana kelin’ny nivoahan’io didy io, noho izy tsy te hanafintohina ny Jiosy hitorian’izy ireo, fa tsy noho izy nino hoe tokony hoforana ny Kristianina. (As 16:1-3; 1Ko 9:20) Niresaka imbetsaka momba ny famorana i Paoly. (Ro 2:25-29; Ga 2:11-14; 5:2-6; 6:12-15; Kl 2:11; 3:11) Hoy izy tamin’ny Kristianina hafa firenena tany Filipy: “Isika no tena voafora [fo], ary manao fanompoana masina amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra.” (Fi 3:3) Hoy koa izy tamin’ireo tany Korinto: “Tsy midika ho inona ny famorana, ary tsy midika ho inona ny tsy famorana, fa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no izy.”—1Ko 7:19.
Heviny an’ohatra. Imbetsaka ny Baiboly no miresaka “famorana” an’ohatra. Izay hazo nambolena tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ohatra, dia ‘tsy voafora’ nandritra ny telo taona, ka tsy nohanina ny voany satria toy ny hoe maloto hoatran’ny olona tsy voafora. (Le 19:23) Hoy koa i Mosesy tamin’i Jehovah: “Tsy voafora molotra ange aho e! Koa ahoana moa no hihainoan’i Farao ahy?” (Ek 6:12, 30) “Tsy mifora” no teny fanamavoana ilazana an’ireo alevina miaraka amin’ny voavono izay tena ratsy laza fony fahavelony.—Ezk 32:18-32.
Efa voafora ny Israelita nefa nasain’Andriamanitra noforan’izy ireo koa ny fony. Hoy i Mosesy: “Forao ny fonareo, ary aza manamafy hatoka intsony.” “Hoforan’i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao, mba hitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo, ka ho velona ianao.” (De 10:16; 30:6) Izany koa no nampahatsiahivin’i Jeremia an’ilay firenena nikomy tamin’ny androny. (Je 4:4) Ny hoe ‘forana fo’ dia midika hoe esorina ny eritreritra sy faniriana ary antony manosika, izay tsy mahafaly an’i Jehovah sy maloto eo imasony ary mahatonga ny fo tsy hihontsina. Lazaina hoe “tsy voafora” koa ny sofin’ny olona tsy mihaino na tsy mankatò.—Je 6:10; As 7:51.