FAMORONANA, ZAVABOARY
Midika hoe mampisy ny hoe mamorona. Zavaboary no iantsoana ny zavatra noforonina. Samy midika hoe “mamorona” na ilay teny hebreo hoe baraʼ na ilay teny grika hoe ktizô. Rehefa Andriamanitra no mamorona vao ampiasaina ireo teny ireo.
I Jehovah Andriamanitra no antsoina hoe Mpamorona, ao amin’ny Soratra Masina manontolo. Izy “ilay Mpamorona ny lanitra, ... ilay Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy.” (Is 45:18) Izy koa “ilay Mpamolavola ny tendrombohitra sy Mpamorona ny rivotra” (Am 4:13), ary “nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.” (As 4:24; 14:15; 17:24) “Namorona ny zava-drehetra” izy. (Ef 3:9) Niaiky i Jesosy Kristy fa i Jehovah no namorona ny olona ary nanao azy ho lahy sy vavy. (Mt 19:4; Mr 10:6) Ara-dalàna àry raha i Jehovah ihany no antsoina hoe “Mpamorona.”—Is 40:28.
Noho ny sitrapon’Andriamanitra no “nampisy sy namoronana” ny zava-drehetra. (Ap 4:11) Efa nisy foana i Jehovah, ary irery izy talohan’ny nanombohany namorona.—Sl 90:1, 2; 1Ti 1:17.
Fanahy i Jehovah. (Jn 4:24; 2Ko 3:17) Efa nisy foana izy. Tsy toy izany kosa ny akora nanamboarana an’izao rehetra izao. Tsy zavatra efa nisy àry no nampiasainy rehefa namorona ny lanitra sy ny tany izy. Manamarina izany ny Genesisy 1:1, manao hoe: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” Matoa lazaina eo hoe ‘fiandohana’, dia satria tamin’izay vao nisy, fa tsy hoe efa nisy, ny akora namoronana an’izao rehetra izao. Rehefa avy namorona ny tany kosa Andriamanitra, dia voalaza fa ‘avy tamin’ny tany no namoronany ny bibidia rehetra sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra.’ (Ge 2:19) “Avy tamin’ny vovoky ny tany” koa no namoronany ny olona. Nitsoka fofonaina nankao am-bavorony izy, ka lasa zavamananaina ny olona.—Ge 2:7.
Marina ny voalazan’ny Salamo 33:6 hoe: “Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra, ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.” “Tsy nisy endriny ... sady tsy nisy na inona na inona” ny tany taloha, ary nisy “haizina teny ambonin’ny rano lalina.” “Ny hery ampiasain’Andriamanitra” no “nivezivezy teny ambonin’ny rano”, tamin’izany. (Ge 1:2) Nampiasa ny heriny (heb.: roah) àry Andriamanitra rehefa namorona. Hita amin’ny zavatra noforoniny fa tena mahery izy ary izy ilay tena Andriamanitra. (Je 10:12; Ro 1:19, 20) “Andriamanitry ny filaminana” koa i Jehovah fa “tsy Andriamanitry ny fikorontanana” (1Ko 14:33), ka milamina tsara sy maty paika ny asa famoronany, fa tsy mikorontana. Nanazava tamin’i Joba i Jehovah fa nisy zavatra voafaritra tsara nataony, rehefa nanorina ny tany sy nisakana ny ranomasina izy. Nilaza koa izy fa misy ‘lalàna’ mifehy ny zavatra eny amin’ny lanitra. (Jb 38:1, 4-11, 31-33) Tonga lafatra izay noforonin’Andriamanitra sy ny zavatra hafa ataony.—De 32:4; Mpto 3:14.
“Ny Zanany lahitokana” (Jn 3:16) no noforonin’Andriamanitra voalohany, izany hoe ‘fiandohan’ny zavatra noforoniny.’ (Ap 3:14) Izy io no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra”, ary nampiasa azy i Jehovah mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra, na ny any an-danitra na ny eto an-tany, ary na ‘ny hita na ny tsy hita.’ (Kl 1:15-17) Nantsoina koa hoe ny Teny io Zanaka io. Hoy ny apostoly Jaona momba azy: “Tamin’ny alalany no nisian’ny zava-drehetra, ary raha tsy noho izy dia tsy nisy na zavatra iray monja aza.” Nilaza i Jaona fa i Jesosy Kristy ilay Teny, ary tonga nofo izy. (Jn 1:1-4, 10, 14, 17) Nantsoina hoe fahendrena koa izy, ary nilaza toy izao: “I Jehovah no namorona ahy ho fiandohan’ny asa famoronany.” “Mpiasa tena mahay” izy teo anilan’i Jehovah, ilay Mpamorona. (Oh 8:12, 22-31) Niara-niasa akaiky i Jehovah sy ilay Zanany lahitokana, nandritra ny famoronana. Voalaza koa fa “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” izy. (Kl 1:15; 2Ko 4:4) Azo inoana àry fa tamin’io Zanany sy mpiasa tena mahay io i Jehovah no nilaza hoe: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika.”—Ge 1:26.
Taorian’ny namoronan’i Jehovah an’ilay Zanany lahitokana, dia nampiasa azy io izy mba hamoronana an’ireo anjely any an-danitra. Mbola tsy nisy ny tany tamin’izany, satria hoy i Jehovah tamin’i Joba: “Taiza ... ianao fony aho nanorina ny tany ... rehefa nanao antsoantsom-pifaliana ireo kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ny zanak’Andriamanitra?” (Jb 38:4-7) Taorian’ny namoronana an’ireny anjely ireny no noforonina ny lanitra hita maso sy ny tany ary ireo zavatra simika rehetra misy eo amin’ny natiora. I Jehovah no tompon-kevitra tamin’ny zavatra noforonina rehetra, ka izy no lazaina fa nanao azy ireny.—Ne 9:6; Sl 136:1, 5-9.
Tsy faritan’ny Soratra Masina ny fotoana namoronana an’izao rehetra izao. Izao fotsiny no lazainy: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Ge 1:1) Marina foana àry ilay teny hoe “tany am-piandohana”, na inona na inona lazain’ny mpahay siansa momba ny fotoana efa nisian’ny tany sy ireo planeta samihafa ary ny zavatra hafa eny amin’ny lanitra. Mety ho efa tamin’ny an’arivony tapitrisa taona lasa no namoronana ny lanitra sy ny tany.
Namorona zavatra hafa teto an-tany Andriamanitra. Miresaka ny namoronana ny lanitra sy ny tany ny Genesisy 1:1, 2. Mitanisa an’ireo zavatra hafa noforonina teto an-tany ny tohin’ilay toko ka hatramin’ny toko faha-2, andininy faha-3. Miresaka momba izany koa ny Genesisy toko faha-2 (manomboka eo amin’ny andininy faha-5), ka mitantara momba izay nitranga nanomboka tamin’ny “andro” fahatelo, taorian’ny nipoiran’ny tany maina saingy talohan’ny namoronana ny zavamaniry. Filazana ankapobe fotsiny no resahin’ny Genesisy toko voalohany, fa ny toko faha-2 kosa manome tsipiriany. Naharitra enina “andro” ny famoronana, araka ny fitantaran’ny Soratra Masina. Tantaraina ao koa fa nitsahatra tsy namorona zavatra teto an-tany intsony Andriamanitra tamin’ny “andro fahafito”, ary nanomboka niala sasatra. (Ge 2:1-3) Fanazavana ankapobe fotsiny no resahin’ny Genesisy momba ireo karazana zavamaniry sy biby noforonina teto an-tany, fa tsy sokajy misy tsipiriany toy ny avoakan’ny mpahay siansa ankehitriny. Mahalaza tsara an’ireo fizarana lehibe isokajiana ny zavaboary anefa ny teny ampiasaina ao, ary manaporofo fa nisy namorona tokoa izy ireny, sady natao mba ho afaka hamokatra na hiteraka, araka ny “karazany” ihany.—Ge 1:11, 12, 21, 24, 25; jereo KARAZANA.
Miresaka an’ireo zavatra noforonin’Andriamanitra nandritra an’ireo enina “andro” tantarain’ny Genesisy ny tabilao manaraka.
ZAVATRA NOFORONIN’I JEHOVAH
Andro
Asa Natao
Andininy
1
Mazava; fizarana ho andro sy alina
2
Habakabaka; nosarahina ny rano mba hisy rano ambony sy rano ambany
3
Faritra maina; zavamaniry
4
Lasa tazana avy tetỳ an-tany ireo zavatra manome hazavana
5
Zavamananaina ao anaty rano sy biby manidina
6
Biby an-tanety; olona
Zava-nitranga talohan’ireo enina “andro” voaresaka etsy aloha no tantarain’ny Genesisy 1:1, 2. Efa teo ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, rehefa nanomboka ireo “andro” ireo, satria tantarain’ny Genesisy 1:1 ny namoronana azy ireo. “Tsy nisy endriny ny tany sady tsy nisy na inona na inona”, talohan’ireo enina “andro”, “ary nisy haizina teny ambonin’ny rano lalina.” (Ge 1:2) Toa nifono rahona matevim-be ny tany ka tsy tonga tetỳ ny hazavana.
Nilaza Andriamanitra tamin’ny Andro Voalohany hoe: “Aoka hisy mazava.” Azo inoana fa nisy tara-pahazavana namakivaky an’ilay rahona matevim-be tamin’izay, saingy mbola tsy hita avy tetỳ an-tany hoe avy taiza ilay hazavana. Toa nipoitra tsikelikely ilay izy, rehefa jerena ny nandikan’i J. Watts an’ilay andininy, manao hoe: “Dia nisy tsikelikely ny mazava.” (Ge 1:3, Fomba Miavaka Nandikana ny Genesisy) Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina, ka nantsoiny hoe Andro ny mazava ary Alina ny maizina. Porofo izany fa nihodina tamin’ny tenany ny tany sady nihodidina tamin’ny masoandro. Nifandimby nahazo hazavana sy haizina àry ny ilany atsinanana sy ny ilany andrefana tamin’ny tany.—Ge 1:3, 4.
Inona no nataon’Andriamanitra tamin’ny Andro Faharoa? Nampisy habakabaka izy, rehefa nosarahiny “ny rano ambony sy ny rano ambany.” Nozarainy roa ny rano, ka nisy tsy nihetsika teto an-tany, fa nisy be dia be kosa nakarina tany ambony be tany. Nisy habakabaka niforona àry teo anelanelan’ireo. Nantsoin’Andriamanitra hoe Lanitra ilay habakabaka. Tsy ny lanitra misy ny kintana anefa no tiany holazaina, fa ilay faritra babangoana teo ambonin’ny tany. Tsy voalaza mantsy hoe nisy kintana sy zavatra hafa tao amin’io habakabaka io.—Ge 1:6-8; jereo HABAKABAKA.
Nampiasa ny heriny mahagaga Andriamanitra tamin’ny Andro Fahatelo, ka niangona tamin’ny toerana iray ny rano teto an-tany ary nipoitra ny faritra maina. Nantsoiny hoe Tany ilay faritra maina. Tamin’io andro io koa Andriamanitra no namelona (toy ny hoe nanisy aina) an’ireo ataoma, mba hisian’ny ahitra, ny zavamaniry, ary ny hazo fihinam-boa. Tsy vokatry ny kisendrasendra na ny evolisiona (na fiovana miandalana) izany. Afaka namokatra araka ny “karazany” avy ny ahitra, ny zavamaniry, ary ny hazo fihinam-boa.—Ge 1:9-13.
Noforonin’Andriamanitra ireo zavatra manome hazavana, tamin’ny Andro Fahefatra. Hoy ny Baiboly: “Nanomboka nanao ireo zavatra roa lehibe manome hazavana Andriamanitra, ka ilay lehibe kokoa hanjaka amin’ny andro, ary ilay kely kokoa hanjaka amin’ny alina, ary nanao ny kintana koa izy. Koa nataon’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny tany, sy hanjaka amin’ny andro sy amin’ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina.” (Ge 1:16-18) Azo inoana fa ny masoandro ilay hazavana lehibe kokoa ary ny volana ilay hazavana kely kokoa, rehefa jerena ireo fanazavana ireo. Taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa anefa ny Baiboly vao manonona mivantana ny masoandro sy ny volana.—Ge 15:12; 37:9.
Efa nilaza Andriamanitra tamin’ny “andro” voalohany hoe: “Aoka hisy mazava.” Ilay teny hebreo hoe ʼôhr no ampiasaina eo, ary hazavana amin’ny ankapobeny no dikany. Ilay teny hebreo hoe maʼôhr kosa no nampiasaina ao amin’ny fitantarana momba izay nitranga tamin’ny “andro” fahefatra. Zavatra manome hazavana no hevitr’ilay teny hoe maʼôhr. (Ge 1:14) Tamin’ny “andro” voalohany àry, dia azo inoana fa nisy tara-pahazavana namakivaky an’ilay rahona matevim-be, saingy mbola tsy hita avy tetỳ an-tany hoe avy taiza ilay izy. Niova kosa izany tamin’ny “andro” fahefatra.
Tsara homarihina koa fa ilay teny hebreo hoe ʽasah (midika hoe “manao”) no ampiasaina ao amin’ny Genesisy 1:16, fa tsy ilay teny hebreo hoe baraʼ (midika hoe “mamorona”). Efa ela be talohan’ny Andro Fahefatra no noforonina ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, satria ny “lanitra” misy azy ireo no resahin’ny Genesisy 1:1. Inona àry no dikan’ilay hoe ‘nanao ireo zavatra manome hazavana’ Andriamanitra? Nanomboka tamin’ny andro fahefatra, dia ‘nataony’ tazana avy tetỳ an-tany ireny loharanom-pahazavana teny amin’ny lanitra ireny, ka toy ny hoe teo amin’ny habakabaka. Izany no tiana holazaina amin’ilay hoe: “Nataon’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny tany.” Natao mba ho “famantarana” koa ireny zavatra manome hazavana ireny, sady “hanondro fizaran-taona sy andro ary taona”, ka hitari-dalana ny olona amin’ny lafiny maro.—Ge 1:14.
Nanomboka namorona ny biby Andriamanitra tamin’ny Andro Fahadimy. Tsy hoe biby iray fotsiny no noforoniny ary avy eo iny no nataony hiova miandalana ho lasa karazany hafa. Zavamananaina be dia be mifanaretsaka kosa no noforoniny tamin’ny heriny. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra nanomboka namorona ireo biby goavam-be any an-dranomasina sy ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika izay mifanaretsaka ao anaty rano, samy araka ny karazany avy, ary ny biby manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy.” Nahafaly an’Andriamanitra ny zavatra noforoniny, ka nitso-drano azy ireo izy mba ‘hihabetsaka.’ Nataony afaka miteraka “araka ny karazany avy” mantsy izy ireo.—Ge 1:20-23.
Izao no nitranga ny Andro Fahenina: “Andriamanitra nanomboka nanao ny bibidia eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra mandady amin’ny tany araka ny karazany avy.” Tsara ireo zavatra nataony ireo, toy ny zavatra hafa rehetra noforoniny talohan’izay.—Ge 1:24, 25.
Namorona zavaboary vaovao tanteraka Andriamanitra, tamin’ny faramparan’ny andro fahenina. Ambony noho ny biby izy io nefa ambany kokoa noho ny anjely. Tsy inona izany fa ny olona. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra sy nisy itovizana taminy izy io. Milaza fotsiny ny Genesisy 1:27 fa namorona olona lahy sy vavy Andriamanitra. Ny Genesisy 2:7-9 kosa miresaka fa avy tamin’ny vovoky ny tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona. Nitsoka fofonaina nankao am-bavorony izy, ka lasa zavamananaina ny olona, ary napetrany tao amin’ny paradisa sady nomeny sakafo. Zavatra avy tamin’ny tany no nampiasain’i Jehovah mba hamoronana an’i Adama. Avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama indray avy eo no namoronany ny vehivavy. (Ge 2:18-25) Nanjary nanana fameno, toy ny karazan-javaboary hafa rehetra, koa ilay lehilahy voalohany, taorian’ny namoronana ny vehivavy.—Ge 5:1, 2.
Nitso-drano ny olona Andriamanitra taorian’izay, ka hoy izy tamin’ilay lehilahy sy vehivavy voalohany: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” (Ge 1:28; ampit. Sl 8:4-8.) Nikarakara an’izay nilain’ny olona sy ny biby Andriamanitra ka nanome azy ireo “ny zava-maitso rehetra maniry” mba ho sakafony. Hoy ny Soratra Masina, rehefa miresaka an’ireo zava-bitan’Andriamanitra ireo: “Taorian’izany, dia nijery an’izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara izany.” (Ge 1:29-31) Vitany tsara izay noforoniny tamin’io andro io, ary nifarana teo ny andro fahenina. Taorian’izay, dia “nanomboka nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony izy tamin’ny andro fahafito.”—Ge 2:1-3.
Isaky ny mifarana ny tsirairay amin’ireo andro enina famoronana, dia izao no voalaza: “Dia nisy hariva, ary nisy maraina.” (Ge 1:5, 8, 13, 19, 23, 31) Tsy 24 ora fotsiny ny andro famoronana tsirairay, fa maherin’izay (araka ny hodinihina aoriana kely). Tsy hariva sy maraina ara-bakiteny àry no tiana holazaina eo. Ny hoe hariva dia ny fotoana mbola tsy nahafantarana mazava hoe inona ilay nokasaina hoforonina. Ny maraina kosa vao fantatra mazava tsara ilay izy. Tamin’ny “hariva”, izany hoe teo am-panombohan’ny “andro” famoronana tsirairay, dia mbola tsy nazava tsara tamin’ny anjely hoe inona ilay nokasain’Andriamanitra hoforonina. Andriamanitra kosa efa nahalala tsara izany. Rehefa tonga anefa ny “maraina”, dia nanjary nazava be hoe inona ilay noforonina nandritra an’ilay andro, satria efa vitany ilay izy tamin’izay.—Ampit. Oh 4:18.
Halavan’ny andro famoronana tsirairay. Tsy lazain’ny Baiboly hoe naharitra hafiriana izany. Fantatsika kosa fa efa nifarana ireo andro enina, satria izao no voalaza momba ny andro fahenina (sy ireo andro dimy talohany): “Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahenina izany.” (Ge 1:31) Tsy misy an’ireo teny ireo anefa momba ny andro fahafito na andro fitsaharan’Andriamanitra. Midika izany fa mbola mitohy io andro io. (Ge 2:1-3) Nilaza koa i Paoly, 4 000 taona mahery taorian’ny nanombohan’ilay andro fahafito, fa mbola nitohy izy io. Nampiasa ny tenin’i Davida (Sl 95:7, 8, 11) sy ny Genesisy 2:2 izy ao amin’ny Hebreo 4:1-11, ary nampirisika hoe: “Koa aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hidirana amin’izany fitsaharana izany.” Mbola tsy nifarana àry ny andro fahafito, tamin’ny andron’i Paoly, na dia efa nanomboka an’arivony taona maro talohan’izay aza. Azo inoana fa tafiditra amin’ny andro fitsaharan’Andriamanitra na sabata lehibe ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy, ilay antsoin’ny Soratra Masina hoe “Tompon’ny sabata.” (Mt 12:8; Ap 20:1-6) Midika izany fa maharitra an’arivony taona maro ny andro fitsaharan’Andriamanitra. Nisy fito andro, na herinandro, ilay fe-potoana voaresaka ao amin’ny Genesisy 1:3 ka hatramin’ny 2:3, ary sabata ny andro farany tamin’izy io. Mitovy amin’izany ny fanisan’ny Israelita ny herinandro iray. Nitandrina ny sabata izy ireo tamin’ny andro fahafito, mba hankatoavana an’Andriamanitra. (Ek 20:8-11) Raha naharitra an’arivony taona maro àry ny andro fahafito, dia azo inoana fa naharitra an’arivony taona maro koa, fara fahakeliny, ny tsirairay tamin’ny andro famoronana enina.
Tsy voatery ho 24 ora fotsiny àry ny andro iray resahina ao amin’ny Baiboly. Lazain’ny Genesisy 2:4 mantsy fa “andro” iray ireo andro famoronana rehetra. Marina koa izany rehefa jerena ny tenin’i Petera hoe: “Ny iray andro amin’i Jehovah dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny iray andro.” (2Pe 3:8) Mifanaraka tsara amin’ny porofo hita tamin’ny fikarohana tany ambanin’ny tany koa ilay hoe tsy 24 ora fotsiny ny andro famoronana tsirairay, fa maharitra an’arivony taona maro.
Naka tahaka ny zavaboary ny olona. Namorona zavaboary isan-karazany i Jehovah. An’arivony taona maro tatỳ aoriana ny olona vao nahavita namorona zavatra mitovitovy amin’ireny, ary nalainy tahaka avy tamin’ny zavaboary. Efa ela be talohan’ny nanamboarana ny fiaramanidina, ohatra, no efa nanao ny voro-manidina Andriamanitra. Naka tahaka karazana sifodranomasina iray sy karazana horita koa ny olona rehefa namorona sambo mpisitrika. Manana kitapon-drivotra mantsy ireny biby ireny, ary io no ampiasainy mba hampilentika na hampiakatra azy ao anaty ranomasina. Eo koa ny biby an-dranomasina toy ny horita sy ny angisy. Mampifantsitsitra rano izy ireny mba handrosoany haingana, ary alain’ny olona tahaka izany. Tena hain’ny ramanavy sy ny feso ny mampiasa onjam-peo manako, mba hamantarana ny toerana misy ny zavatra iray. Misy koa biby mandady na vorona an-dranomasina sasany manana karazana orinasa kely ao anatin’ny vatany, ka io no manala ny sira amin’ny ranomasina sotroiny.
Tena hain’ny vitsika sasany ny manamboatra votry sy mampiasa rano mba hampangatsiatsiaka ny ao anatin’io tranony io. Hafakely koa ny sasany amin’ny zavamaniry bitika, bibikely, trondro, ary hazo satria nataon’Andriamanitra tsy mety mivaingana ny ranoka ao anatin’izy ireny, na dia mangatsiaka be aza ny andro. Ao koa ny bibilava sy moka ary karazana tsipoy sy vorontsilozadia sasany izay mahatsapa avy hatrany raha vao miova kely fotsiny ny mari-pana. Toy ny hoe misy fitsapana hafanana ao anatin’ireny biby ireny. Manamboatra taratasy koa ny fanenitra isan-karazany.
I Thomas Edison no voalaza fa namorona ny jiro mandeha amin’ny herinaratra. Misy lafy ratsiny anefa ilay izy, satria mivadika ho hafanana ny ampahany amin’ilay angovo, ka very fotsiny. Mamokatra hazavana mangatsiaka sy miloko isan-karazany kosa ny zavatra noforonin’i Jehovah, anisan’izany ny spaonjy, holatra, bakteria, angamenavava, bibikely, ary trondro.
Maro amin’ireo vorona mpifindra monina no toy ny hoe manana tondroavaratra sy famantaranandro ao anatin’ny lohany. Ny bakteria sasany indray manana karazana rambo izay ahodiny miankavia na miankavanana mba hampandroso na hampihemotra azy. Toy ny hoe misy maotera mihodina ao amin’ireny bakteria ireny.
Tsy mahagaga àry raha milaza ny Salamo 104:24 hoe: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra. Heniky ny zavatra nataonao ny tany.”
Misy milaza fa avy amin’ny anganon’ny mpanompo sampy ny tantara ao amin’ny Baiboly momba ny famoronana. Anisan’ireny angano ireny ny Tononkalo Babylonianina Momba ny Famoronana. Nisy tantara maro momba ny famoronana tany Babylona, fa ny tena be mpahalala dia ilay miresaka momba an’i Mardoka, andriamanitr’ilay firenena. Resahin’ilay tantara fa misy andriamanitra atao hoe Apsou nanambady andriamanibavy atao hoe Tiamata ary niteraka andriamanitra maromaro izy roa. Nahatezitra an’i Apsou ny nataon’ireo andriamanitra ireo, ka tapa-kevitra ny handringana an’ireo izy. Novonoin’i Ea (iray tamin’ireo andriamanitra ireo) anefa i Apsou. Nitady hamaly faty i Tiamata, ka novonoin’i Mardoka, zanakalahin’i Ea. Nozarain’i Mardoka avy eo ny vatan’i Tiamata ka ny antsasany nanamboarany ny lanitra, ary ny antsasany nanamboarany ny tany. Namorona ny olombelona i Mardoka, taorian’izay, ary nanampy azy i Ea. Ny ran’i Kingo no nampiasainy. Sady andriamanitra io Kingo io no lehiben’ny tafik’i Tiamata.
Avy tamin’ny tantara babylonianina momba ny famoronana ve ny tantara ao amin’ny Baiboly?
Manazava i P. Wiseman, ao amin’ny boky nosoratany, fa tamin’ny fotoana nahitana an’ireo takela-tanimanga mirakitra ny tantara babylonianina momba ny famoronana, dia nanantena ny manam-pahaizana sasany fa mbola hisy voka-pikarohana sy zavatra hafa ho hita, ka hampiseho fa mifandray ilay angano babylonianina sy ny fitantarana ao amin’ny Genesisy momba ny famoronana. Nihevitra ny olona sasany fa ho hita miharihary hoe avy tamin’ny Babylonianina ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy. Vao mainka anefa noporofoin’ny voka-pikarohana sy ny zavatra hafa hita fa samy hafa be ireo fitantarana roa ireo. Tsy misy ifandraisany mihitsy izy ireo. Naka teny avy tao amin’ny boky iray (Ny Angano Babylonianina Momba ny Famoronana sy ny Adin’i Bela sy Ilay Dragona) nosoratan’ireo tompon’andraikitry ny Tranombakoka Britanika i Wiseman. Voalaza ao fa “samy hafa mihitsy ny hevitry ny Babylonianina sy ny Hebreo ao amin’ireo fitantarana roa ireo.” Hoy i Wiseman: “Tena mampalahelo fa na eo aza ny voka-pikarohana maoderina hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany, dia tsy miezaka haharaka izany ny teolojianina maro, fa mamerina fotsiny an’ilay hoe ‘nalain’ny’ Hebreo avy tamin’ny Babylonianina ilay fitantarana momba ny famoronana. Efa voaporofo anefa fa tsy marina izany.”—Enina Andro Famoronana, Londres, 1949, p. 58.
Miresaka an’izay heveriny ho fitoviana misy eo amin’ilay angano babylonianina sy ny fitantaran’ny Genesisy ny olona sasany, mba hanaporofoana fa mifandray ireo. Efa nandinika ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana sy ny famintinana an’ilay angano babylonianina anefa isika teo, ka hita tamin’izany fa tsy mitovy mihitsy ireo. Tsy ilaina àry ny mampitaha azy ireo amin’ny an-tsipiriany. Izao no nomarihin’ny Profesora George Barton, rehefa nandinika an’ireo toa fitoviana sy fahasamihafana (anisan’izany ny filaharan’ireo zava-nitranga) ao amin’ireo fitantarana ireo izy: “Ny zavatra inoan’ny Hebreo sy ny Babylonianina no tena mahatonga ny fitantaran’izy ireo tsy hitovy. Avy amin’ny angano ilay fitantaran’ny Babylonianina ary hita amin’ilay izy fa mivavaka amin’ny andriamanitra maro izy ireo. Tsy mendrika ny homem-boninahitra ny andriamanitr’izy ireo, satria sady tia no mankahala, manao teti-dratsy, ary miady sy mandringana. I Mardoka no mahery indrindra, ary miady mafy izy vao mandresy, ka mila ho lany tanteraka ny heriny. Hita amin’ilay fitantaran’ny Genesisy kosa fa mivavaka amin’ny andriamanitra iray ihany ny Hebreo ary tena mendrika homem-boninahitra izy io. Eo ambany fahefany tanteraka ny zavatra rehetra eo amin’izao rehetra izao ka mankatò azy avy hatrany. Mora aminy ny mifehy ny zava-drehetra. Miteny fotsiny izy dia tanteraka ny sitrapony. Marina fa milaza ny manam-pahaizana maro fa mifandray ireo fitantarana roa ireo, nefa tsy mitombina izany. Ny fitantaran’ny Baiboly ihany no avy amin’Andriamanitra. Ny fampitahana azy io amin’ny fitantaran’ny Babylonianina no tena ahitana izany. Mbola miharihary amintsika ny voninahitra sy ny herin’ilay Andriamanitra tokana, rehefa mamaky an’ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy isika. Mahatonga ny olona ankehitriny haniry hivavaka amin’ilay Mpamorona ny famakiana an’ilay fitantarana, ary toy izany ihany ny vokany tamin’ireo Hebreo fahiny.”—Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, 1949, p. 297, 298.
Maro ny angano fahiny momba ny famoronana. Izao no voalaza momba azy ireny: “Mbola tsy nisy mihitsy angano miresaka mivantana momba ny famoronana an’izao rehetra izao. Misy ihany ny miresaka momba ny nandaminana an’izao rehetra izao, [...] ny namoronana ny olombelona, ary ny nanombohan’ny rafitra misy eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fivavahana amin’ny andriamanitra maro sy ny adin’izy ireo mba hahazoana fahefana anefa no tena hita ao amin’ireny angano ireny. Tsy toy izany mihitsy no hita ao amin’ny Gen. 1-2, satria misongadina ao fa mivavaka amin’andriamanitra tokana ny Hebreo.”—Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly, nataon’i J. Douglas, 1985, p. 247.
“Zavaboary vaovao.” Nitsahatra tsy namorona zavaboary teto an-tany i Jehovah, taorian’ny “andro” fahenina. (Ge 2:2) Mbola nanao zavatra lehibe teo amin’ny lafiny ara-panahy anefa izy. Hoy, ohatra, ny apostoly Paoly: “Raha misy olona tafaray amin’i Kristy, dia zavaboary vaovao izy.” (2Ko 5:17) Ny hoe “ao amin’i” Kristy na ‘tafaray aminy’ dia midika hoe anisan’ny vatany, izay lazaina koa hoe vadiny. (Jn 17:21; 1Ko 12:27) Taomin’i Jehovah Andriamanitra ho amin’ny Zanany ilay olona, ary aterany amin’ny alalan’ny fanahy masina. “Zavaboary vaovao” izy satria lasa zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy, ary manantena ny hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra.—Jn 3:3-8; 6:44; jereo FOTOANAN’NY FANAVAOZANA.