AKORA FANDREHITRA
Resahin’ny Baiboly fa nandrehetana afo ny saribao (Oh 26:21; Jn 18:18), kitay (Js 9:27; Is 9:5, 19; 44:14-16; Je 7:18; Ezk 15:4), harefo (Jb 41:20), tsilo (Mpto 7:6), ary hazo voaloboka (Ezk 15:6). Ny menaka oliva kosa no nandrehetana jiro. (Ek 27:20; Mt 25:3, 4) Azo inoana fa ny kitay sy saribao no tena nandrehetan’ny Israelita afo. Afon-tsaribao tao anaty fatana no nanafanana trano. (Je 36:22) Tsy voatery natao tao anaty fatana anefa ny afon-tsaribao. Teo ambony afon-tsaribao mivantana, ohatra, no nandrahoan’i Jesosy Kristy sakafo maraina, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty.—Jn 21:9, 10; jereo SARIBAO, VAINAFO.
Dikin’olona no nasaina nataon’i Ezekiela kitay, mba hampisehoana fa ho mafy be ny fahirano tao Jerosalema. Tsy nety anefa izy ka navelan’i Jehovah hampiasa tain’omby. (Ezk 4:8, 12-15) Mbola ataon’ny olona sasany kitay ny tain’omby maina any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, satria tsy misy firy ny hazo any. Mety ho tsy izany anefa no fanaon’ny Israelita fahiny, satria be ala noho ny amin’izao tany Palestina taloha.