GAIO
(Gaiô) [avy amin’ny fototeny midika hoe “tany”].
1. Lehilahy makedonianina niaraka tamin’ny apostoly Paoly, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Izy sy Aristarko no nentin’ny olona an-keriny tao amin’ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra tao Efesosy, rehefa nampisahotaka ny iray tanàna i Demetrio mpanefy volafotsy.—As 19:29.
2. Kristianina avy any Derbe, any Azia Minora. Voalaza fa niaraka tamin’ny apostoly Paoly tamin’ilay dia misionera farany nataony i Gaio sy ny enin-dahy hafa. Toa nisaraka tamin’i Paoly aloha i Gaio sy ireo enin-dahy ireo, vao nankany Troasy, tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora, ary tany izy ireo no niandry azy. (As 20:4, 5) Mety ho izy ihany ilay Gaio No. 1, satria miresaka an’i Aristarko koa ilay fitantarana. Raha izany no izy, dia tany Makedonia angamba i Gaio no teraka (na avy any ny razambeny), fa tany Derbe kosa izy no nipetraka.
3. Kristianina tany Korinto izay nataon’i Paoly batisa. Nilaza i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina, fa nampiantrano azy sy ny fiangonana io Gaio io. Midika izany fa tao an-tranon’i Gaio no nivory ny fiangonan’i Korinto.—1Ko 1:14; Ro 16:23.
4. Kristianina nandefasan’ny apostoly Jaona ny taratasiny fahatelo, izay nosoratany teo ambany herin’ny fanahy masina. Nidera azy i Jaona noho izy nandeha tao amin’ny fahamarinana sy noho izy mendri-pitokisana sy be fitiavana rehefa nandray vahiny.—3Jn 1, 3-6.