FAHAFOIZAN-TENA HO AN’ANDRIAMANITRA
Fanajana lalina an’Andriamanitra, fivavahana aminy sy fanompoana azy, ary tsy fivadihana aminy noho izy manan-jo hitondra. Ny teny grika hoe eosebeia sy ny teny iray tarika amin’izy io no ampiasaina ao amin’ny Baiboly. Azo adika ara-bakiteny hoe “fanajana fatratra” io teny io, ary ilazana fanajana lalina na fifikirana amin’izay tena masina sy marina. “Tsy fahatahorana an’Andriamanitra” na “tsy fanajana lalina” (gr.: asebeia) no mifanohitra amin’ny hoe “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.”
Hoy i Nigel Turner: “Midika hoe fitiavam-pivavahana ny hoe eosebeia indraindray, ao amin’ny asa soratra ankehitriny ... ‘Tsy fivadihana’ anefa no tena heviny tamin’ny teny grika fampiasan’ny olona tamin’ny andron’ny Romanina. ... Antsoin’ny Kristianina hoe eosebeia ny fomba tsara indrindra anehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” (Teny Kristianina, 1981, p. 111) Midika hoe fifikirana sy tsy fivadihana amin’i Jehovah ny hoe “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra”, ao amin’ny Baiboly.
Miseho ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:2, 7 sy 2 Petera 2:9 ny mpamari-toetra hoe eosebes, izay midika hoe “mpivavaka be; mahafoy tena ho an’Andriamanitra.” Nilaza i John Tittmann fa ny eosebes dia “midika hoe manaja lalina an’Andriamanitra ary aseho amin’ny atao izany, indrindra eo amin’ny fanompoana Azy; ... [eosebes] ny olona mampiseho amin’ny ataony fa tia fivavahana izy.”—Fanamarihana Momba Ireo Teny Mitovy Dika ao Amin’ny Testamenta Vaovao, Édimbourg, 1833, Boky I, p. 253, 254.
Ilazana an’izay tokony hataon’ny zanaka na zafy amin’ny reniny na renibeny mpitondratena ny matoanteny hoe eosebeô, ao amin’ny 1 Timoty 5:4. Mety hidika hoe manaja lalina olona iray ny hoe eosebeô. (Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika sy Anglisy nataon’i Edward Robinson, 1885, p. 307) Toy izao àry ilay andininy ao amin’ny Fandikan-teny Katolika: “Aoka ho ireo aloha no hianatra hanaja ny fianakaviany.” Andriamanitra anefa no namorona ny fianakaviana (Ef 3:14, 15), ary oharin’ny Baiboly amin’ny fianakaviana ny ankohonan’Andriamanitra. Manaja lalina an’Andriamanitra sy mankatò ny didiny ho an’ny mpianakavy àry ny Kristianina, rehefa manaja lalina ny fianakaviany na mampiseho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra aminy. Koa mety ny nandikana an’ilay andininy hoe: “Raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy, dia aoka ireo aloha hianatra hampiseho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny ankohonany.”—TV.
Ny “zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” I Jesosy Kristy no modely tsara indrindra amin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly: “Lehibe tokoa ny zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra: ‘Nofo i Jesosy rehefa naseho, fa fanahy kosa izy rehefa nambara ho marina, niseho tamin’ny anjely izy, notorina teo amin’ny hafa firenena, ninoana tetỳ amin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.’” (1Ti 3:16) Tsy mba modely amin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra i Adama, na dia lavorary aza. Tsy afaka ny ho modely koa ny taranany tsy lavorary. Iza àry no afaka ho toy izany? Ny Zanak’Andriamanitra. Tonga tetỳ an-tany izy sady tsy nivadika mihitsy, ka nampiharihary hoe inona ilay zava-miafina masina. Izy no tokony hotahafin’i Timoty, satria izy no modely lavorary amin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.—1Ti 3:15.
Noporofoin’i Jesosy Kristy tamin’ny lafiny rehetra, fa vitan’ny olombelona ny mahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Niharam-pitsapana mafy izy, kanefa ‘tsy nivadika, tso-po, tsy nisy loto, tafasaraka tamin’ny mpanota’ mandra-pahafatiny. (He 7:26) Tsy nisy afaka niampanga azy teo anatrehan’Andriamanitra àry. Hoy izy talohan’ny nahafatesany: “Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” Hoy koa izy: “Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.” (Jn 16:33; 14:30) Tsy nisy tsy fahamarinana tao aminy, ka hoy izy tamin’ny fahavalony: “Iza aminareo no afaka manaporofo fa nanota aho?” (Jn 8:46) Tokony hambara eran-tany ilay “zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra”, satria tena lehibe izy io sady mitondra soa be dia be ho an’ny olombelona. Modely amin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sy ny fitondran-tena eo anivon’ny fiangonana kristianina i Jesosy Kristy.
Ilaina ny manazatra tena sy mahay mianina. Mila miezaka mafy manazatra tena ny Kristianina, raha te hahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Tokony ho vonona hiaritra fanoherana sy fanenjehana izy. (2Ti 3:12) Tsy ny hanan-karena akory no antony anazarany ny tenany. Mahazo tombony anefa izay mahafoy tena ho an’Andriamanitra sy mahay mianina amin’izay ananany. Mahazo “fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny” mantsy izy, satria mifandray tsara amin’i Jehovah, afa-po, sambatra, ary misy zava-kendrena ny fiainany. Manana fanantenana ny amin’ny fiainana “ho avy” koa izy.—1Ti 4:7, 8; 6:6-8; ampit. Oh 3:7, 8; 4:20-22.
Tsy tokony hatahotra izy na dia enjehina sy ampijalina aza, satria ‘hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho azy.’ (2Pe 2:9) Hoy ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina: “Ny fiaretanareo ampio fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” (2Pe 1:5, 6) Nilaza koa izy fa tokony hanana ‘fitondran-tena masina sy haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra’ izy ireo, mba ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah.—2Pe 3:7, 10, 11; 1Pe 4:18.
Manova olona ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Miaiky ny olona maneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra fa manova ny toetrany izany, ary tsy maintsy miezaka amim-pahatsorana izy mba ho tsara toetra foana. (1Ti 6:11; Ef 4:20-24) Miaiky koa izy fa noresahin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny ny fomba anehoana fahafoizan-tena ho Azy, ka tsy maintsy arahiny izany. (Tit 1:1; 2Pe 1:3) Ampian’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ireo mahafoy tena ho azy, mba hahalala sy hanahaka azy. (Ef 5:1) Hanjary hanome taratra bebe kokoa ny toetrany izy ireo.—2Ko 3:18.
‘Adala’ ny olona mihambo ho manompo an’Andriamanitra, raha ny heviny ihany no arahiny fa tsy izay lazain’ny Baiboly, ary raha tsy “mifanaraka amin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra” ny fampianarany. Tsy tena mahafoy tena ho an’Andriamanitra mantsy izy. (1Ti 6:3, 4) Nampitandrina an’i Timoty tanora ny amin’ny olona toy izany i Paoly. Nampirisika azy izy mba hanazava ny Tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara, sy hanalavitra ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina, raha tiany foana ny hahafoy tena ho an’Andriamanitra. Nilaza izy avy eo fa misy olona mody miseho ho mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany akory ny maha mpivavaka azy. Manao an’izao karazana faharatsiana rehetra izao àry izy ireo. (2Ti 2:15, 16; 3:1-5) Noresahin’i Joda koa fa tsy tena manaja an’Andriamanitra na mahafoy tena ho azy ny olona toy ireny, sady tsy mankasitraka ny hatsaram-panahiny feno fitiavana. Hararaotin’izy ireny hahazoam-bola na hanaranam-po amin’ny fanirian’ny nofo ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Mpihatsaravelatsihy fotsiny ireny manana fitondran-tena baranahiny ireny.—Jd 4.
Inona ‘ilay zava-miafina ny amin’ny fandikan-dalàna’ noresahin’i Paoly?
Mifanohitra tanteraka amin’ilay ‘zava-miafina masin’i’ Jehovah io ‘zava-miafina ny amin’ny fandikan-dalàna’ io. Zava-miafina ho an’ny tena Kristianina izy io, satria mbola tsy tena nazava tsara tamin’ny andron’i Paoly hoe iza “ilay lehilahy mpandika lalàna.” Na efa nipoitra aza io “lehilahy” io, dia mbola tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona ihany, satria mody nahafoy tena ho an’Andriamanitra mba hanafenana ny asa ratsiny. Antokon’olona mpivadi-pinoana izy io raha ny marina. Nilaza i Paoly fa efa niasa sahady “ilay zava-miafina ny amin’io fandikan-dalàna io” tamin’ny androny, satria efa nisy mpandika lalàna teo anivon’ny fiangonana kristianina ka ireo no lasa mpivadi-pinoana. Haringan’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany anefa io “lehilahy” mpivadi-pinoana fehezin’i Satana io. Hanandra-tena “ho ambony noho izay rehetra atao hoe ‘andriamanitra’ na izay zavatra ivavahana” (gr.: sebasma) mantsy izy io. Tena mpamitaka gaigilahy àry io mpanohitra an’Andriamanitra io, satria mody mahafoy tena ho an’Andriamanitra mba hanafenana ny asa ratsiny. Ho ringana izay rehetra manara-dia azy.—2Te 2:3-12; ampit. Mt 7:15, 21-23.