HARODITA
(Harôdita) [An’i Haroda].
Mponina tany amin’ny toerana iray atao hoe Haroda, na tany akaikin’io toerana io. Teny ilazana ny fiavian’i Sama sy Elika izay samy lehilahy maherin’i Davida. (2Sa 23:8, 25) Raha i Sama ihany no Samota, dia mety ho fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay hoe “Harorita” ao amin’ny 1 Tantara 11:27, fa tokony hoe “Harodita.” Mitovitovy mantsy ny litera hebreo “r” (ר) sy “d” (ד).