HOLONA
(Holòna) [Toeran’ny Fasika].
1. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda, ary nomena an’ireo mpisorona anisan’ny fianakavian’ny Kehatita. (Js 15:21, 48, 51; 21:9-19) Toa izy ihany ilay Hilena resahin’ny 1 Tantara 6:58. Misy milaza an’ilay Holona any Joda ho i Kirbet ʽIllin (Horvat ʽIllit), tokony ho 17 km any avaratra avaratrandrefan’i Hebrona.
2. Tanànan’i Moaba, teo amin’ny toerana marin-tampona na “tany lemaka” teo atsinanan’i Jordana. Anisan’ny tanàna voatonona izy io rehefa nomelohina i Moaba. (Je 48:21) Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Holona.