MPIHATSARAVELATSIHY
Olona manafina ny tena maha izy azy; manao toy ny mpitari-bato vilam-bava izy ka hafa no lazainy nefa hafa no ataony.
Nadika hoe “mpihatsaravelatsihy” na “fihatsarambelatsihy” ny teny sasany avy amin’ilay fototeny hebreo hoe hanef, ao amin’ny Baiboly sasany. (Prot.; FFBF; JM) Nadika hoe “tsy mpivavaka” (Kat.; DIEM) ary “mpivadi-pinoana” (TV) kosa ireny teny ireny ao amin’ny Baiboly hafa. Voalaza fa azo adika hoe “tsy mpivavaka, tsy tia fivavahana ..., tsy manana andriamanitra” ny hoe hanef rehefa mpamari-toetra, fa azo adika hoe “lasa maloto, manazimbazimba ..., miala amin’ny lala-mahitsy” kosa rehefa matoanteny. (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 337, 338) Ao amin’ny Soratra Masina, dia tanisaina miaraka amin’ny hanef ireo manadino an’Andriamanitra (Jb 8:13), ireo ratsy fanahy (Jb 20:5), sy ny mpanao ratsy (Is 9:17). Ampifanoherina amin’ny olo-marina sy ny tsy manan-tsiny kosa izy io ao.—Jb 17:8; jereo FIVADIHAM-PINOANA.
Hypôkrites no teny grika nadika hoe “mpihatsaravelatsihy.” Midika hoe “olona mamaly” izy io, ary koa hoe mpilalao tantara an-tsehatra. Nanao saron-tava ngezabe nisy fitaovana fanamafisam-peo ny mpilalao grika sy romanina. Nanjary nampiasaina an’ohatra ilazana olona mamitaka, na mody miseho ho tsara àry ny hoe hypôkrites. Ampiasaina ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo io teny io ao amin’ny Joba 34:30; 36:13. “Olona tsy mendri-pitokisana” ny mpihatsaravelatsihy (ampitahao Lk 12:46 sy Mt 24:51.). Mety hanana heviny hoe ‘haratsiam-panahy’ sy ‘hafetsena’ koa ny hoe fihatsarambelatsihy (hypôkrisis), ao amin’ny Soratra Masina.—Ampit. Mt 22:18; Mr 12:15; Lk 20:23; Ga 2:13.
Nilaza i Jesosy Kristy fa mpihatsaravelatsihy ny olona mivavaka sy mifady hanina mba ho hitan’ny hafa, ny olona tia sehoseho rehefa manome zavatra ho fiantrana ny mahantra, ary ny olona mitsongoloka fahadisoana madinika nataon’ny rahalahiny nefa tsy miala amin’ny fahadisoana lehibe ataony. Nosokajin’i Kristy ho mpihatsaravelatsihy koa izay nilaza ho mpanompon’Andriamanitra ka nahay namantatra ny toetrandro rehefa nandinika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, nefa tsy nahatakatra ny dikan’ny vanim-potoana niainany sy ny hevitry ny zava-nitranga.—Mt 6:2, 5, 16; 7:1-5; Lk 6:42; 12:54-56.
Nilaza an’ireo mpitondra fivavahana teo amin’ny Israely ho mpihatsaravelatsihy ilay Zanak’Andriamanitra tamin’izy tetỳ an-tany, ary nohazavainy ny antony. An-tendro-molotra fotsiny mantsy no nanompoan’izy ireo an’ilay Mpamorona, ka nataon’izy ireo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazany. (Mt 15:1, 6-9; Mr 7:6, 7) Hafa no nolazainy nefa hafa no nataony. (Mt 23:1-3) Ninia tsy niditra tao amin’ny Fanjakan’ny lanitra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo na dia afaka niditra aza, ary vao mainka nanao ratsy kokoa izy ireo satria nosakanany izay te hiditra. Niezaka mafy hitarika olona hiova finoana izy ireo, nefa nataony mendrika ny Gehena avo roa heny noho izy ireo ireny olona ireny. Fatra-panaraka ny tsipiriany madinika tamin’ny Lalàna izy ireo, nefa tsy niraharaha izay mavesa-danja kokoa amin’izy io, izany hoe ny rariny, ny famindram-po ary ny tsy fivadihana. Mpihatsaravelatsihy izy ireo satria toa nadio ivelany fotsiny nefa ny tao anatiny feno fanaranam-po. Toy ny fasana voalalotra fotsy izy ireo: Tsara tarehy ivelany satria niseho ho olo-marina, nefa “feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna” ny tao anatiny. Nanamboatra ny fasan’ny mpaminany sy nandravaka ny fasan’ny olo-marina izy ireo, ka nilaza fa tsy nandatsaka ny ran’ireny. Nasehony tamin’ny nataony anefa fa tsy nisy hafa tamin’ny razany mpamono olona izy ireo. (Mt 23:13-36) Fihatsarambelatsihy fotsiny ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.—Mt 16:6, 12; Lk 12:1; jereo koa Lk 13:11-17.
Tena nihatsaravelatsihy koa ny mpianatry ny Fariseo sy ny mpomba an’i Heroda tamin’izy ireo nanontany an’i Jesosy momba ny hetra. Nandoka an’i Jesosy aloha izy ireo hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, sady marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra.” Namandrika azy izy ireo, avy eo, ka nanontany hoe: “Azo atao ve sa tsia ny mandoa ny hetra isan-dahy amin’i Kaisara?” Rariny raha nolazain’i Jesosy hoe mpihatsaravelatsihy izy ireo, satria tsy tena te hahalala ny valiny fa te hamandrika an’i Jesosy tamin’ny teniny fotsiny.—Mt 22:15-22; Lk 20:19-26; SARY, Boky Faha-2, p. 544.
Tsy maintsy hiharihary ny fihatsarambelatsihy, na ho ela na ho haingana. (Lk 12:1-3) Melohin’Andriamanitra ny mpihatsaravelatsihy, ka tsy mendrika ny hiaina mandrakizay. (Mt 24:48-51) Tsy tokony hisy fihatsarambelatsihy àry ny fitiavana sy ny finoan’ny Kristianina. (Ro 12:9; 2Ko 6:4, 6; 1Ti 1:5) Tsy mihatsaravelatsihy ny fahendrena avy any ambony.—Jk 3:17.