JABOKA, LOHASAHA FALEHAN-DRIAKAN’I
(Jabôka).
Iray amin’ireo lohasaha falehan-driaka lehibe any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Voaresaka voalohany izy io, tamin’i Jakoba sy ny ankohonany “niampita teo amin’izay marivo teo Jaboka.” Teo akaikin’io fiampitana io koa i Jakoba no nifampitolona tamin’ny anjely.—Ge 32:22-30.
Any akaikin’i Amman (Raba taloha) no misy ireo loharanon’i Jaboka, ary mamatsy rano azy ny sakelidrano maromaro sy ireo riaka isaky ny ririnina, alohan’ny hivarinany ao amin’ny Reniranon’i Jordana, eo amin’ny 39 km any avaratry ny Ranomasina Maty. Tokotokony ho 40 km monja ny elanelan’ny fiandohan’io lohasaha falehan-driaka io sy ny fiafarany, kanefa tokony ho 100 km ny halavany satria mihodina be ny lalany. Lohasaha Falehan-driaka Zarka [a.b.t.: Manga] no iantsoan’ny Arabo azy io ankehitriny. Angamba izany avy amin’ny lokon’ny ranony manga manopy volondavenona rehefa tazanin-davitra. Be trondro kely eny amin’izay marivo sy mora iampitana.
Feno raozy laorie sy karazan-kazo madinidinika maniry eny amoron’ilay lohasaha lonaka ikorianan’i Jaboka. Lasa sisin-tany voajanahary izy io satria mitsatoka be ny tehezan-tendrombohitra eo amin’ny an-daniny roa amin’ilay lohasaha. (De 3:16) Lasa sisin-tany nanasaraka ny Amonita sy ny Amorita ilay ampahany voalohany amin’io lohasaha io izay avy any atsimo mianavaratra. (No 21:24) Ilay tapany avy any andrefana miantsinanana kosa nizara an’i Gileada ho roa ka nanasaraka ny fanjakan’i Sihona sy Oga, mpanjakan’ny Amorita. (De 2:37; Js 12:2; Mpts 11:13, 22) Iny lohasaha iny ankehitriny no lalana tsara indrindra iampitana an’i Jordana, raha avy any amin’ilay faritra nantsoina fahiny hoe Gileada.