JAKOBA, TARATASY NOSORATAN’I
Taratasy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tsy toy ny ankamaroan’ireo taratasin’ny apostoly Paoly izy io fa toy ny Petera Voalohany sy Faharoa, Jaona Voalohany, ary Joda, satria tsy nosoratana ho an’olona na fiangonana iray, fa natao ho an’ny ‘foko roa ambin’ny folo tany am-pielezana.’—Jk 1:1.
Mpanoratra. Milaza ilay mpanoratra fa izy no “Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy mpanompon’i Jesosy Kristy Tompo.” (Jk 1:1) Roa ny apostolin’i Jesosy natao hoe Jakoba, dia i Jakoba zanak’i Zebedio sy Jakoba zanak’i Alfeo. (Mt 10:2, 3) Sarotra inoana anefa hoe ny iray tamin’ireo ilay mpanoratra. Maty maritiora tamin’ny taona 44 tany ho any mantsy i Jakoba zanak’i Zebedio (As 12:1, 2), ary vao niforona kelikely ny fiangonana kristianina. Tsy tamin’izay anefa no nosoratana ilay taratasy, raha jerena ny votoatiny. (Jk 1:1) Tsy dia resahin’ny Baiboly koa i Jakoba zanak’i Alfeo, ka kely ihany no fantatra momba azy. Sarotra inoana hoe izy no hiteny tsy miolakolaka toy ny ao amin’ilay taratasy. Tsy maintsy ho nilaza koa izy hoe anisan’ireo apostoly 12 raha izy no mpanoratra, mba hampisy lanjany kokoa an’ireo teny mafonja nosoratany.
I Jakoba rahalahin’i Jesosy Kristy kosa no nanoratra ilay taratasy, rehefa jerena ny porofo. Nisehoan’i Kristy tafatsangana tamin’ny maty mantsy izy, ary nitana andraikitra lehibe teo anivon’ireo mpianatra. (Mt 13:55; As 21:15-25; 1Ko 15:7; Ga 2:9) Milaza ilay mpanoratra fa “mpanompon’Andriamanitra sy mpanompon’i Jesosy Kristy Tompo” izy, toa an’i Joda izay nilaza ny tenany ho “mpanompon’i Jesosy Kristy, sady rahalahin’i Jakoba.” (Jk 1:1; Jd 1) Samy misy koa hoe “miarahaba” ao amin’ilay taratasin’i Jakoba sy ilay taratasy momba ny famorana nalefa ho an’ny fiangonana. Toa i Jakoba rahalahin’i Jesosy anefa no nitarika ny fivorian’ny “apostoly sy ny anti-panahy” nandinihana momba ny famorana, tany Jerosalema.—As 15:13, 22, 23.
Ekena ho anisan’ny Soratra Masina. Ahitana ny taratasin’i Jakoba ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209 sy ny Sora-tanana Sinaiticus sy Alexandrinus natao tamin’ny taonjato fahefatra sy fahadimy. Misy azy io koa ny Peshitta syriàka sy ireo lisitry ny boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina (lisitra folo, fara fahakeliny) natao talohan’ny Konsilin’i Carthage tamin’ny 397. Naka teny tao ireo mpanoratra boky ara-pivavahana, toa an-dry Origène, Cyrille avy any Jerosalema, Jérôme, ary ny hafa izay nanaiky an’ilay taratasy ho anisan’ny Soratra Masina.
Daty sy toerana nanoratana azy. Tsy resahin’ilay taratasy hoe efa noravan’ny Romanina i Jerosalema (taona 70) tamin’izany. Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa i Ananus mpisoronabe sady Sadoseo, no nitondra an-dry Jakoba teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy sy nandidy ny hitoraham-bato azy ireo ho faty. Efa maty i Festosy governora romanina tamin’izay, hoy i Josèphe, nefa mbola tsy nandray fahefana i Albinus mpandimby azy. (Rakitry ny Ela Jiosy, XX, 197-203 [ix, 1]) Raha marina izany ary raha tamin’ny taona 62 tany ho any tokoa i Festosy no maty, dia taloha kelin’io taona io i Jakoba no nanoratra ny taratasiny.
Toa tany Jerosalema no nosoratana ilay izy, satria nipetraka tany i Jakoba.—Ga 1:18, 19.
Ireo nandefasana azy. Ny ‘foko roa ambin’ny folo tany am-pielezana’ no nanoratan’i Jakoba (Jk 1:1), dia ireo ‘rahalahiny nanam-pinoana an’i Jesosy Kristy Tompo’, indrindra fa ireo tany ivelan’i Palestina. (1:2; 2:1, 7; 5:7) Ny Soratra Hebreo no tena nampiasain’i Jakoba hanohanana ny heviny, nefa tsy hoe natao ho an’ny Kristianina jiosy fotsiny akory ilay taratasy. Tsy misy hafa amin’ny hoe tsy voatery ho Jiosy izay mahalala tsara ny Soratra Hebreo, ankehitriny. Mety ny niantsoan’i Jakoba an’i Abrahama hoe “raintsika” (2:21), satria efa nilaza i Paoly fa afaka ny ho tena taranak’i Abrahama daholo na Jiosy na Grika. (Ga 3:28, 29) Ny “Israelin’Andriamanitra” àry ireo “foko roa ambin’ny folo” nanoratan’i Jakoba.—Ga 6:15, 16.
Zava-kendreny. Nanoratra ho an’ny mpiray finoana taminy i Jakoba mba 1) handrisika azy ireo haneho finoana sy fiaretana na dia iharam-pitsapana aza, ary 2) hampitandrina azy ireo tsy hanota satria tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany.
Nisy Kristianina nanindrahindra olona ambony sy nanan-karena, ka nizaha tavan’olona. (Jk 2:1-9) Tsy takany hoe hoatran’ny ahoana marina izy ireo teo imason’Andriamanitra, ary mpihaino ny teny fotsiny izy ireo fa tsy mpankatò. (1:22-27) Tsy nahafehy ny lelany izy ireo, ary niteraka fifandirana teo aminy ny faniriany fatratra fahafinaretan’ny nofo. (3:2-12; 4:1-3) Ninamana tamin’izao tontolo izao ny sasany tamin’izy ireo satria te hanan-karena, ka tsy virjiny madio intsony fa lasa “mpanitsakitsa-bady” sady fahavalon’Andriamanitra.—4:4-6.
Notenenin’i Jakoba izy ireo mba tsy ho mpihaino fotsiny fa ho mpankatò koa. Naka ohatra tao amin’ny Soratra Masina izy mba hanazavana fa miseho amin’ny atao ny tena finoana. Tsy hilaza fotsiny amin’izay rahalahy tsy manan-kitafy sy tsy ampy sakafo, ohatra, ny olona tena manam-pinoana hoe: “Mirary soa e! Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!”, fa hanome azy izay ilainy koa. (Jk 2:14-26) Tsy nanohitra ny tenin’i Paoly akory i Jakoba rehefa nilaza fa ny atao no ahazoana famonjena. Niaiky mantsy izy fa ilaina ny finoana mba hahavoavonjy, nefa nasongadiny koa fa manosika ny olona hanao asa tsara ny tena finoana. Mifanaraka amin’izay nolazain’i Paoly momba ny vokatry ny fanahy izany (Ga 5:22-24), sy ny toroheviny momba ny tokony hitafiana toetra vaovao (Ef 4:22-24; Kl 3:5-10), ary ny fampirisihany hanao soa sy hizara amin’ny hafa (He 13:16).
Fomba fanoratr’i Jakoba. Misy faminaniana sy sarin-teny ary fampitahana maro ao amin’ilay taratasin’i Jakoba, ka misy itovizana amin’ireo lahatenin’i Jesosy Kristy, toy ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Toa an’i Jesosy, dia nampiasa zavatra hita maso toy ny ranomasina, ahitra, biby, sambo, mpamboly, ary tany, i Jakoba mba hanaporofoana fa ilaina ny manam-pinoana, mifehy ny lela, manam-paharetana, sy ny sisa. (Jk 1:6, 9-11; 3:3-12; 5:7) Misy fanontaniana mivantana koa ao, ary teny mandidy maherin’ny 50. Mampientanentana tokoa àry ilay taratasy, na dia somary fohy aza.
Ny ifandraisany amin’ny andininy hafa. Niresaka mivantana na an-kolaka andininy ao amin’ny Soratra Hebreo i Jakoba. Anisan’izany ny namoronana ny olombelona (Jk 3:9; Ge 1:26), ny momba an’i Abrahama sy Rahaba (Jk 2:21-26; Ge 15:6; 22:9-12; Js 2; Is 41:8), Joba (Jk 5:11; Jb 1:13-22; 2:7-10; 42:10-17), ny Lalàna (Jk 2:8, 11; Ek 20:13, 14; Le 19:18; De 5:17, 18), ary Elia (Jk 5:17, 18; 1Mp 17:1; 18:1). Nifanaraka tamin’izay nolazain’i Jesosy Kristy koa ny zavatra maro noresahiny, toy ny fanenjehana (Jk 1:2; Mt 5:10-12), fangatahana sy fahazoana zavatra avy amin’Andriamanitra (Jk 1:5, 17; Lk 11:9-13), tokony ho mpihaino sy mpankatò (Jk 1:22; Mt 7:21-27), tsy ho anisan’ity tontolo ity (Jk 4:4; Jn 17:14), tsy hitsara ny hafa (Jk 4:12; Lk 6:37), ary hitana ny teny natao (Jk 5:12; Mt 5:33-37).
Tsy tena fantatra kosa hoe andininy taiza no noresahin’i Jakoba mivantana (na an-kolaka) ao amin’ny Jakoba 4:5 manao hoe: “Sa heverinareo ho tsy misy antony ny ilazan’ny Soratra Masina hoe: ‘Tsy mety afa-po mihitsy ilay fitsiriritana ao anatintsika ao’?” Misy milaza fa nampian’ny fanahy masina i Jakoba hanoratra an’ireo teny ireo, taorian’ny nandinihany ny Genesisy 6:5; 8:21; Ohabolana 21:10; ary Galatianina 5:17.
[Efajoro, pejy 1225]
HEVITRA MISONGADINA: JAKOBA
Asongadin’ilay taratasy fa tokony haseho amin’ny atao ny finoana
Nosoratana talohan’ny taona 62, valo taona mahery talohan’ny nandravan’ny Romanina an’i Jerosalema
Tokony hahafaly ny Kristianina ny miaritra fitsapana (1:1-18)
Malala-tanana Andriamanitra ka hanome fahendrena an’izay mangataka izany amim-pinoana mba hahafahany hiaritra
Tsy mitsapa amin-javatra ratsy mihitsy Izy; mety hanao ratsy ny olona voasariky ny fanirian-dratsy
Tsara daholo izay omen’i Jehovah
Manaraka ny fivavahana marina izay mampiseho ny finoany amin’ny ataony (1:19–2:26)
Esory ny faharatsiana rehetra ary ekeo amim-pahalemem-panahy ny tenin’Andriamanitra; aoka ho mpankatò ny teny fa tsy ho mpihaino fotsiny
Fehezo ny lela, karakarao ny kamboty sy mpitondratena, mitandrema tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao
Tsy manaja ny “mpanjakan’ny lalàna” ireo miangatra amin’ny mpanankarena
Ny atao no ahitana fa velona ny finoana, toy ny nataon’i Abrahama sy Rahaba
Manana andraikitra lehibe eo anatrehan’i Jehovah ny mpampianatra (3:1-18)
Tsy maintsy mianatra mifehy ny lelany izy ireo sy ny Kristianina rehetra
Hahavita izany izy ireo raha maneho fahendrena avy any ambony
Hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fanaon’ity tontolo ity (4:1–5:12)
Mila mibebaka ireo mifanditra noho ny fitiavan-tena na ireo manameloka ny rahalahiny
Fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao
Mieboebo izay mikasa hahazo harena nefa tsy miraharaha ny sitrapon’i Jehovah
Hotsarain’Andriamanitra ny mpanankarena sy mpampahory ary mpanambaka
Tsy tokony himenomenona fa hanam-paharetana ireo iharam-pitsapana, eo am-piandrasana ny fitsaran’i Jesosy Kristy
Tokony hiantso anti-panahy ireo marary ara-panahy mba ho sitrana (5:13-20)
Ho sitrana ilay nanota raha miaiky heloka ary mivavaka ho azy ny anti-panahy
Hamonjy rahalahy tsy ho faty izay mampiverina azy hiala amin’ny fahadisoany