SARO-PIARO, FAHASAROTAM-PIARO
Mety ho tsara na ho ratsy ny “fahasarotam-piaro”, ao amin’ny Baiboly. (Oh 27:4; Za 1:14) Kinʼah no teny hebreo nadika hoe “fahasarotam-piaro.” Midika izy io hoe “mitaky ny hanompoana azy irery ihany; tsy milefitra amin’ny fandrafiana; hafanam-po; fahatezerana; fahasarotam-piaro [ara-drariny na ratsy]; fialonana.” Izany koa no dikan’ny teny grika hoe zelôs.—2Ko 11:2; 12:20.
Saro-piaro i Jehovah. Milaza i Jehovah fa ‘Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany’ izy. (Ek 20:5; De 4:24; 5:9; 6:15) Hoy koa izy: “Andriamanitra saro-piaro i Jehovah, ilay antsoina hoe Saro-piaro.” (Ek 34:14) Saro-piaro amin’inona, ary tsara sa ratsy io fahasarotam-piaro io? Tsy vokatry ny fialonana sy ny fitiavan-tena, toy ny fahita eo amin’ny olombelona, izy io. Saro-piaro amin’ny anarany masina kosa izy, izany hoe mafana fo sy sarotiny amin’izy io. Hoy izy: “Hasehoko fa saro-piaro amin’ny anarako masina aho.”—Ezk 39:25.
Mahasaro-piaro azy ny anarany. ‘Mitaky ny hanompoana azy irery ihany’ Andriamanitra, ary azontsika ny anton’izany rehefa mieritreritra an’izay voafaoka amin’ny anarany isika. (Ezk 5:13) Inona avy no voafaoka amin’izy io? Izay rehetra marina sy mahitsy. Andriamanitra faran’izay masina sy madio ary marina izy, sady tsy mivadika mihitsy. (Is 6:3; Ap 4:8; 16:5) Mahay mitondra izy ary izany no mbola mampisy an’izao rehetra izao. Milamina sy mirindra ny zavaboary rehetra rehefa ekena ny lalàny sy ny zony hitondra. (Oh 29:2; 1Ko 14:33) Saro-piaro àry izy, nefa noho ny antony tsara ary mba hahasoa an’ireo zavaboariny. Inona tokoa moa no tombony ho azon’i Jehovah na mahafoy tena ho azy ny zavaboariny, na tsia? Izy mantsy no Mpamorona sy Mpamelona ary Mpanome ny zava-tsoa rehetra. (Jb 41:11; Sl 145:16; Ro 11:35; Jk 1:17; Ap 4:11) Noho izy mifikitra amin’ny marina anefa, dia faly ny fony rehefa tsy miala amin’ny marina ny mpanompony ary manompo azy irery ihany. Sady faly izy no mankasitraka azy ireo.—Oh 23:15, 16; 27:11.
Matoky ny mpanompon’Andriamanitra fa hampanjaka ny rariny Izy, satria fantatr’izy ireo fa mafana fo sy sarotiny amin’ny anarany Izy. Hita tamin’ny fifandraisany tamin’ny Israely izany hafanam-pony izany. Nilaza koa i Jehovah fa haringany ny fanjakana eto an-tany ary hatsangany ny fanjakan’ilay Andrianan’ny Fiadanana izay hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny. Hoy izy: “Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany.”—Is 9:6, 7; Ze 3:8, 9.
Mahasaro-piaro azy ny fahamarinana. Tia ny marina sy mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah, ka tsy miangatra. Nampitandrina ny Israely àry i Mosesy fa na iza na iza tsy nanaja ny fifanekena nifanaovan’izy ireo tamin’Andriamanitra, dia “hirehitra aminy ny fahatezeran’i Jehovah sy ny fahavinirany ... ary hofoanan’i Jehovah tsy ho eny ambanin’ny lanitra ny anarany.” (De 29:19-21) Nivadi-pinoana sy nivavaka tamin’ny sampy ary nijangajanga i Jerosalema. Nilaza taminy Andriamanitra fa hitsara azy ary ‘hanampatra ny fahatezerany sy ny fahasarotam-piarony aminy, ka halatsany ny rany.’ (Ezk 16:38; 23:25) Noravan’ny Babylonianina àry ilay tanàna sy ilay tempoly nametrahan’Andriamanitra ny anarany izay nalan’ny Israelita baraka. Na saro-piaro aza anefa i Jehovah, dia tsy nahatonga azy hanadino ny fikasany na tsy hamindra fo izany. Nisy ihany mantsy olona navelany hiverina sy hanorina indray ny tempoly.
Mahasaro-piaro azy ny vahoakany. Tena mahasaro-piaro azy ny vahoakany, satria tiany sady mitondra ny anarany. Saro-piaro i Jehovah, toy ny lehilahy tia sy te hiaro ny vadiny. Hoy Izy: “Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.” (Za 2:8) Hoy àry Andriamanitra rehefa nisy firenena nanisy ratsy ny vahoakany: “Hahasaro-piaro ahy mafy i Ziona. Hahasaro-piaro ahy izy, ary ho tezitra mafy aho.” Nilaza koa izy fa nahasaro-piaro azy ny taniny, ary nangoraka ny olony izy.—Za 8:2; 1:14; Jl 2:18.
Manao izay hahasaro-piaro an’i Jehovah. Mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah, ary tsy azo vazivazina izy amin’izany. (Ga 6:7) Raha misy mpanompon’Andriamanitra tsy mety mifikitra tanteraka aminy, izany hoe tsy tia azy amin’ny fony sy ny sainy sy ny tenany ary ny heriny manontolo, dia mitady hanompo tompo roa izy. Nilaza i Jesosy fa tena ratsy ny ho vokatr’izany, satria tsy maintsy ho tian’ilay olona ny tompo iray ary ny iray ho halany. (Mt 6:24) ‘Manao izay hahasaro-piaro’ an’i Jehovah ny olona toy izany. (De 32:16; 1Mp 14:22) Nahazo fahitana avy tamin’i Jehovah i Ezekiela, ka hitany teo am-bavahadin’ny tempoly ny sampy iray ‘nahatonga an’Andriamanitra ho saro-piaro.’ (Ezk 8:3, 5) Lasa saro-piaro sy tezitra mafy tamin’ny Joda i Jehovah satria tsy nanompo an’i Jehovah irery ihany izy ireo.
Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina: “Tsy afaka ny hihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia ianareo. Sa ‘manao izay hahasaro-piaro an’i Jehovah isika’? Mahery noho izy angaha isika?” (1Ko 10:21, 22; De 32:21) Nanazava i Paoly fa raha minia manota ny Kristianina rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy azony antenaina afa-tsy fanamelohana sy “fahatezerana mirehitra izay handevona an’ireo manohitra.”—He 10:26, 27.
Jesosy Kristy. Hoy izy: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jn 14:9; Mt 11:27; Jn 1:18) Afaka nilaza izany ilay Zanak’Andriamanitra, satria izy no nifandray akaiky indrindra tamin’ny Rainy mihoatra noho ny zavaboary hafa rehetra, sady afaka nanahaka sy nampahafantatra Azy tsara kokoa. Izy àry no tena nafana fo sy saro-piaro tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny anaran’ny Rainy. (He 1:9; Sl 45:7) I Jehovah irery foana no notompoiny. (Mt 4:10; Jn 8:29) Tena nafana fo sy saro-piaro izy tetỳ an-tany, rehefa nanala baraka ny anaran’i Jehovah ireo olona tia vola nivarotra tao amin’ny tempoly. (Jn 2:13-17) Notanterahin’i Jesosy ilay faminaniana hoe: “Mandany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.” (Sl 69:9) Afaka matoky àry ireo mpanara-dia azy fa hafana fo toy izany koa izy rehefa hanatanteraka ny Salamo 45:3-6 ka hampanjaka mandrakizay ny rariny sy ny hitsiny, ary hanao izay hanajana ny anaran’i Jehovah sy ny zony hitondra.
Manompo an’i Jehovah irery ihany. Mafana fo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny tena mpanompony rehetra, ary saro-piaro amin’ny anarany. Nanao fahagagana, ohatra, i Elia mpaminany mba hampialana Israelita maro tamin’ny fivavahan-diso ka hanompoan’izy ireo an’i Jehovah indray. Hoy izy: “Tena nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitry ny tafika aho.” (1Mp 19:10, 14) Tena nifikitra tamin’Andriamanitra koa i Finehasa, satria nafana fo izy ka novonoiny ny mpiadidy iray teo amin’ny Israely izay nampiditra tao an-toby ny fivavahan-diso tamin’i Bala (fivavahana tamin’ny sarina filahiana). Nahafaly an’Andriamanitra izany nataon’i Finehasa izany. Nitsimbina ny Israely tsy ho ripaka koa izany. Israelita sady mpisorona i Finehasa, ka ‘tsy noleferiny mihitsy ny fandrafiana an’i Jehovah.’—No 25:11; ampit. 2Mp 10:16.
Tokony ho saro-piaro sy hitandrina toy izany koa ny Kristianina, sao hisy fahalotoana toy ny “faka misy poizina” hitsimoka eo anivon’ny fiangonana ka hanakorontana sy handoto olona maro. (He 12:15) Mila manao zavatra haingana ny fiangonana raha misy olona ratsy fanahy tafiditra eo anivony mba handoto ny hafa. Tokony hiezaka ho afa-tsiny eo anatrehan’i Jehovah ny fiangonana, ka ho tezitra noho izany zava-dratsy izany ary hafana fo hanitsy izany. Tsy maintsy ‘esoriny tsy ho eo aminy ilay mpanao ratsy.’—1Ko 5:4, 5, 13; 2Ko 7:11, 12.
Tokony hanana “fahasarotam-piaro toy ny an’Andriamanitra” àry ny Kristianina, izany hoe tokony haniry mafy hifanampy izy rehetra mba tsy hanompo afa-tsy i Jehovah irery ihany sy hankatò an’i Kristy foana. Nampitovin’ny apostoly Paoly tamin’ny virjiny fofombadin’i Kristy ireo rahalahiny ara-panahy. Saro-piaro tamin’izy ireo izy ka te hiaro azy ireo mba hadio foana ho an’i Kristy. (2Ko 11:2; ampit. Ap 19:7, 8.) Hita imbetsaka ao amin’ireo taratasiny ho an’ny fiangonana tany Korinto sy ny fiangonana hafa izany. Saro-piaro amin’ilay ‘ampakariny’ (Ap 21:9) koa i Kristy, ary hita amin’ireo anatra nomeny an’ireo fiangonana izany, araka ny voalazan’ny Apokalypsy toko 1-3.
Manao izay hahasaro-piaro na hampialona, mba hisy ho voavonjy. Namindra fo tamin’ny firenen’Israely i Jehovah, na dia nanda an’ilay Mesia aza ny ankamaroan’ny Jiosy. Nisy vitsy ihany nino an’ilay Mesia, ka ireo no voalohany anisan’ny fiangonana kristianina. Izy ireo indray no nankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny firenena jiosy intsony. Nasehon’i Jehovah izany fiovana izany tamin’ny alalan’ny famantarana sy fambara ary fahagagana maro. (He 2:3, 4) Navelany hahazo sitraka aminy ny hafa firenena. Tsy hoe nolaviny tanteraka anefa ny Israely, satria hoy ny Soratra Masina: “Sao tafintohina izy ireo [ny Israelita rehetra] ka lavo tanteraka? Sanatria izany! Noho ny fahadisoan’izy ireo anefa no amonjena ny olona hafa firenena, mba hampialona” na hahasaro-piaro azy ireo. (Ro 11:11) Efa ela be talohan’izay i Jehovah no nilaza fa hanao izany. Nisy tokoa àry olona hafa firenena nanjary voavonjy. (De 32:21; Ro 10:19) Nanao izay hampialona na hahasaro-piaro an’ireo Israelita ny apostoly Paoly mba hahasoa azy ireo. Hoy izy: “Koa satria apostoly ho an’ny hafa firenena tokoa aho, dia mankalaza ny fanompoako, raha mba misy hahafahako hampialona ireo mpiray firenena amiko ka hamonjeko ny sasany aminy.”—Ro 11:13, 14; 10:1.
Hafanam-po diso toerana. Mety hisy olona hafana fo na ho saro-piaro amin-javatra iray, ary amim-pahatsorana tanteraka no hanaovany izany, nefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izy ary diso eo anatrehany. Nitandrina ny Lalàn’i Mosesy, ohatra, ny Jiosy maro tamin’ny taonjato voalohany mba ho azo ambara hoe marina. Nilaza anefa i Paoly fa hafanam-po diso toerana ny azy ireo satria tsy araka ny fahalalana marina tsara. Tsy nanambara azy ireo ho marina àry Andriamanitra. Tsy maintsy niaiky izy ireo fa diso, ary tsy maintsy niverina tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy mba hanambarana azy ho marina sy hanafahana azy tamin’ny fanamelohan’ny Lalàna. (Ro 10:1-10) Tena nafana fo tamin’ny Fivavahana Jiosy, ohatra, i Saoly avy any Tarsosy, ka tafahoatra loatra ‘ny nanenjehany sy ny nandravany ny fiangonan’Andriamanitra.’ ‘Hita fa tsy nanan-tsiny’ izy, raha ny fankatoavana an-tsakany sy an-davany ny Lalàna no resahina. (Ga 1:13, 14; Fi 3:6) Saro-piaro tamin’ny Fivavahana Jiosy izy, saingy diso toerana izany. Tso-po anefa izy ka naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa taminy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Kristy, ary nitaona azy ho amin’ny fivavahana marina.—1Ti 1:12, 13.
Fahasarotam-piaro sy fialonana. Ratsy ny fahasarotam-piaro raha mahatonga olona hiahiahy olona tsy amin’antony na mahatonga azy tsy ho faly raha lasan’olon-kafa ny zavatra heveriny fa tokony ho azy. Sosotra ny olona mialona rehefa mahita ny fahombiazana sy ny zava-bitan’ny hafa, ary mitsiriritra izany. Ny andinin-teny manodidina mazàna no ahafantarana ny dikan’ireo teny hebreo nadika matetika hoe “saro-piaro” na “fahasarotam-piaro” ary nadika tsindraindray hoe “fialonana”, ao amin’ny Baiboly. Ny teny manodidina koa no ahalalana ny dikan’ilay teny grika nadika hoe “fahasarotam-piaro”, saingy hafa mihitsy ny teny grika (ftônôs) nadika hoe “fialonana.”
Nisy olona matimatim-boninahitra niditra teo anivon’ny fiangonan’i Korinto tamin’ny taonjato voalohany. Nila dera sy nanao olona ho reharehany izy ireny, ary nahatonga fifamaliana teo anivon’ny fiangonana. Nisara-bazana ny fiangonana ary nisy nila sitraka tamin’olona sy nanandratra olona ary nanaraka olona, noho ny fialonana. Nilaza i Paoly fa toetran’ny olona araka ny nofo izany fialonana izany, fa tsy toetran’ny olona araka ny fanahy. (1Ko 3:3; 2Ko 12:20) Nanazava izy hoe ny fitiavana tsy mialona fa matoky sy manantena ny zava-drehetra kosa, ka mitady izay hahasoa ny hafa foana.—1Ko 13:4, 5, 7.
Nandrara ny Kristianina tany Korinto mba tsy hialona i Paoly. Misakana olona tsy hanompo an’i Jehovah irery ihany ny fialonana. Karazana fanompoan-tsampy mantsy izy io, ary avy amin’ny demonia. Miteraka fitsiriritana sy fifamaliana koa izy io. Imbetsaka ny Baiboly no mananatra ny olona mba tsy hialona, ka hazavainy fa mahakasika ny fo ny fialonana. Hoy i Jakoba rahalahin’i Jesosy: “Raha be fialonana sy tia mifanditra anefa ianareo ao am-ponareo, dia aza mirehareha na mandainga hanohitra ny fahamarinana. Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa fahendrena avy eto an-tany sy araka ny nofo ary araka ny demonia kosa. Fa eo amin’izay mialona sy tia mifanditra, dia misy korontana mbamin’ny zava-dratsy rehetra koa.”—Jk 3:14-16; Ro 13:13; Ga 5:19-21.
Manimba fahasalamana ny fialonana. “Mahatonga ny taolana ho lo” mantsy izy io. Ny fo tony kosa mamelombelona ny vatana. (Oh 14:30) Lasa be fialonana ny olona fatra-piahiahy na manao an-dolompo. Mety ho ratsy kokoa noho ny vokatry ny fahavinirana sy ny fahatezerana ny vokatry ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro, satria mety ho latsa-paka sy maharitra ary sarotra ialana kokoa. Matetika no tsy misaina tsara ny olona saro-piaro na mialona. (Oh 27:4, f.a.p.) Noho ny fahasarotam-piaro, ohatra, dia tsy hanaiky fialan-tsiny na onitra avy amin’ny rafilahiny mihitsy ny lehilahy iray tezitra satria nohitsakitsahin’ny vadiny.—Oh 6:32-35.
Mety hanota amin’Andriamanitra mihitsy aza ny olona mialona. Izany no nitranga tamin’izy folo lahy rahalahin’i Josefa hafa reny. (Ge 37:11; As 7:9) Mety hamoizana aina ny fialonana, na ain’olona iray izany na ain’olona maro, toy izay nanjo an’i Datana sy Abirama ary ny ankohonany. (Sl 106:16, 17) Nahavita heloka lehibe tamin’ireo apostoly mihitsy koa ny Jiosy tsy mpino, sady nanevateva ary saika nahafaty olona.—As 13:45, 50; 14:19.
Saro-piaro amin’ny vady. Tsy ratsy ny hoe saro-piaro amin’ny vady, raha fahasarotam-piaro ara-dalàna ilay izy, izany hoe sarotiny amin’izay hahasoa ny vadiny. Ratsy kosa ny fahasarotam-piaro sady porofon’ny tsy fitiavana, raha noho ny fiahiahiana tsy amin’antony. Mety handrava tokantrano izany.—1Ko 13:4, 7.
Ahoana raha nisy lehilahy saro-piaro ka niahiahy ny vadiny ho nanitsakitsaka azy? Izao no lazain’ny Lalàn’i Mosesy: Tsy hanameloka an’ilay vehivavy ho faty ny mpitsara, raha tsy nisy vavolombelona roa nanamarina hoe meloka tokoa izy. Raha tsy nisy kosa izany, dia tokony hiseho teo anatrehan’ny mpisorona solontenan’i Jehovah ilay lehilahy sy ny vadiny. Toy ny hoe nampiakarina hotsarain’i Jehovah ilay raharaha, satria izy no nahalala ny zava-nisy rehetra. Raha tena nanitsakitsa-bady ilay vehivavy, dia nosazin’i Jehovah ka nataony lasa momba sady nibontsina ny kibony. Raha tsy nitombina kosa ny fahasarotam-piaron’ilay lehilahy, dia tsy maintsy niaiky izy hoe tsy meloka ny vadiny, ary tsy maintsy nanao firaisana taminy izy mba hahabevohoka azy.—No 5:11-31.
Tsy tokony hifandrafy ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy mety ny mifandrafy na mifaninana, na dia tena fahita aza izany eto amin’ity tontolo ity. Hoy ny mpanoratra ny bokin’ny Mpitoriteny: “Hitako fa fifandrafiana [heb.: kinʼat] no mahatonga ny asa mafy rehetra sy ny fahaiza-miasa rehetra. Zava-poana koa izany, sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpto 4:4; ampit. Ga 5:26.
Mety hitsiriritra ny fiainan’ny hafa ny mpanompon’Andriamanitra, raha mialona azy ireny noho ny fahombiazany na ny fananany na ny zava-bitany. Mety hitsiriritra an’ireo ratsy fanahy koa izy, indrindra raha tafita izy ireny. Milaza ny Soratra Masina fa tsy mety izany. Marina fa toa maharitra ny fahombiazan’ny ratsy fanahy, nefa vetivety ihany dia homelohin’Andriamanitra amin’ny fotoana voatondrony izy ireny, satria voasoratra hoe: “Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy. Ary aza mitsiriritra an’izay manao ny tsy marina. Fa ho maina vetivety toy ny ahitra izy.” (Sl 37:1, 2) Izay mitsiriritra an’ireny tia herisetra ireny dia mety hanahaka ny fanaony izay maharikoriko an’i Jehovah.—Oh 3:31, 32; 23:17; 24:1, 19; ampit. Sl 73:2, 3, 17-19, 21-23.