JERIKO
(Jerikô) [mety hidika hoe Tanànan’ny Volana].
Tanàna kananita voalohany nasaina noresen’ny Israelita tany andrefan’i Jordana. (No 22:1; Js 6:1, 24, 25) Voalaza fa tsy iza io Jeriko io fa ny tanànan’i Tell es-Soltan (Tel Yeriho) ankehitriny, 22 km eo ho eo any atsinanana avaratratsinanan’i Jerosalema. Tsy lavitra eo no misy an’i Tolol Abou el-ʽAlayik, izay voalaza fa nisy an’ilay Jeriko tamin’ny taonjato voalohany. Tokotokony ho 250 m ambanin’ny haabon’ny ranomasina no misy an’i Jeriko, eo amin’ny Lohasahan’i Jordana, hany ka mafana sy mando ny toetrandro any. Voasary sy akondro ary aviavy no ambolena any amin’io faritra io ankehitriny, ary mbola be hazo palmie koa any, toy ny taloha ihany.
Tanàna voalohandohany noresen’ny Israely. Tonga teo amin’ny Lemak’i Moaba ny Israelita, rehefa avy nirenireny 40 taona tany an-tany efitra. Niakatra teo amin’ny Tendrombohitra Nebo, izay nanandrify an’i Jeriko, i Mosesy. Teo izy no nitazana ny Tany Nampanantenaina, anisan’izany i Jeriko, “ilay tanàna be hazo palmie”, sy ny lemaka nanodidina azy io.—No 36:13; De 32:49; 34:1-3.
Rehefa maty i Mosesy, dia naniraka mpitsikilo roa lahy ho any Jeriko i Josoa. Nafenin’i Rahaba izy roa lahy ka tsy nisy nahita. Nampidinin’i Rahaba tamin’ny tady avy teo am-baravarankelin’ny tranony, izay teo amin’ny mandan’i Jeriko, izy roa lahy ka afaka nandositra niala tao an-tanàna. Niafina tany amin’ny faritra be tendrombohitra tsy lavitra teo izy roa lahy nandritra ny telo andro. Niampita an’i Jordana izy ireo taorian’izay, ary niverina tany an-tobin’ny Israelita.—Js 2:1-23.
Natahotra mafy ny mpanjakan’i Jeriko sy ny mponina tao rehefa nandre na nahita hoe afaka niampita tamin’ny tany maina teo amin’ny Reniranon’i Jordana ny Israelita, nefa tondraka i Jordana tamin’izay. Fahagagana izany! Tonga tao Gilgala ny Israelita taorian’izay, ary noforana ny lehilahy. Tsy afaka niaro tena izy ireo nandritra izany fotoana izany, ka tsy maintsy mbola niandry mandra-pahasitrany. Tsy nisy sahy nanafika azy ireo anefa. Afaka nankalaza soa aman-tsara ny Paska teo amin’ny lemaka karakaina any Jeriko àry izy ireo.—Js 5:1-10.
Niseho tamin’i Josoa, tany akaikin’i Jeriko, ny anjely iray lehiben’ny tafik’i Jehovah, taoriana kelin’izay. Nohazavain’ilay anjely taminy ny paikady hahazoana an’ilay tanàna. Nihidy be ny fidirana tao amin’io tanàna io tamin’izay satria natahotra an’ireo Israelita ny mponina tao. Narahina àry ny tenin’ilay anjely ka nihodidina ny tanàna indray mandeha isan’andro ny tafika nandritra ny enina andro, narahin’ny mpisorona fito tsy nitsahatra nitsoka anjombona. Ireo mpisorona mpilanja ny Vata masina kosa no tao aorian’izy ireo, ary ny vodilaharana mpiaro no tany aoriana indrindra. Samy nanodidina an’i Jeriko izy rehetra ireo. Tamin’ny andro fahafito anefa, dia nihodidina an’ilay tanàna impito izy ireo. Rehefa nihodidina farany an’i Jeriko ny Israelita, ary notsofina ny anjombona, dia nihorakoraka mafy nanao hiakan’ady izy ireo, ka nirodana ny manda.—Js 5:13–6:20.
Nirohotra nankao Jeriko ny Israelita, avy eo, ka naringan’izy ireo tanteraka ny mponina sy ny biby fiompy rehetra tao. Notsimbinin’izy ireo kosa i Rahaba sy ny ankohonany, izay tao an-tranon’i Rahaba, teo amin’ny ilany tsy rava tamin’ny manda. Tsara fanahy tamin’ireo mpitsikilo israelita mantsy i Rahaba satria nanafina azy ireo. Nodorana ilay tanàna manontolo, fa ny volamena sy ny volafotsy kosa natokana ho an’ny toerana masin’i Jehovah. (Js 6:20-25) Nangalatra vaingam-bolamena sy volafotsy ary fitafiana tsara tarehy anefa ny Israelita iray nantsoina hoe Akana. Nafeniny tao ambanin’ny tranolainy izany. Novonoina àry izy sy ny ankohonany manontolo.—Js 7:20-26.
Tantaran’i Jeriko tatỳ aoriana. Lasa anisan’ny faritanin’ny fokon’i Benjamina, izany hoe teo amin’ny fihaonan’ny sisin-tanin’i Efraima sy Manase, ilay tanàna rava. (Js 16:1, 7; 18:12, 21) Nanjary nisy olona maromaro nonina tao amin’ilay faritra nisy an’i Jeriko, tsy ela taorian’izay. Resin’i Eglona mpanjakan’i Moaba ireo olona ireo, ka lasa teo ambany fifehezany ilay faritra nandritra ny 18 taona. (Mpts 3:12-30) Mbola nisy nipetraka tao, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. (2Sa 10:5; 1Ta 19:5) Tamin’ny fotoana nanjakan’i Ahaba anefa vao nisy nanorina indray i Jeriko. I Hiela Betelita no nanorina azy io. Tanteraka àry ilay ozona nolazain’i Josoa 500 taona mahery talohan’izay, ka maty i Abirama lahimatoan’i Hiela, tamin’izy nanao ny fototra, ary maty kosa i Segoba faralahiny, tamin’izy nanao ny vavahady.—Js 6:26; 1Mp 16:34.
Nisy “zanaky ny mpaminany” nonina tao Jeriko, tamin’izany fotoana izany. (2Mp 2:4, 5) Nonina kelikely tao koa i Elisa, ary nataony nahasalama ny rano tao an-tanàna, taorian’ny nakan’i Jehovah an’i Elia tao anaty tafio-drivotra. (2Mp 2:11-15, 19-22) Voalaza fa tsara sy mamy ny rano avy amin’i ʽAin es-Soltan (ilay loharano lazain’ny lovantsofina fa nositranin’i Elisa). Io no manondraka an’ireo zaridaina ao amin’ilay Jeriko ankehitriny.
Navelan’i Jehovah ho resin’ny tafik’i Peka mpanjakan’ny Israely ny mponina nivadi-pinoana tao Joda, tamin’ny fotoana nitondran’i Ahaza, ilay mpanjaka ratsy fanahy tao Joda. Nisy 120 000 no maty tamin’izay ary 200 000 no lasa babo. Nitsena an’ireo mpandresy anefa i Odeda mpaminanin’i Jehovah, ka nampitandrina azy ireo mba tsy hanandevo an’ireo azo babo. Nampiakanjoana àry ireo azo babo sady nomena sakafo. Nentina nankany Jeriko izy ireo avy eo ary navela handeha.—2Ta 28:6-15.
Nandositra nanaraka ny lalana mankany Jeriko i Zedekia Mpanjaka, rehefa resy i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Nosamborin’ny Babylonianina teny amin’ny lemaka karakaina tany Jeriko anefa izy ka nentiny ho babo. (2Mp 25:5; Je 39:5; 52:8) Taorian’ny sesitany tany Babylona, dia nisy 345 ny taranaky “ny avy any Jeriko” niara-nody tamin’i Zerobabela tamin’ny 537 T.K., ary toa nanorim-ponenana tany Jeriko izy ireo avy eo. (Ezr 2:1, 2, 34; Ne 7:36) Nisy lehilahy avy tany Jeriko koa nanampy rehefa naorina indray ny mandan’i Jerosalema.—Ne 3:2.
Anisan’ny tanàna nanaovan’i Jesosy fanompoana i Jeriko, teo anelanelan’ny faramparan’ny taona 32 sy ny fiandohan’ny taona 33. Tany akaikin’i Jeriko i Jesosy Kristy no nampahiratra ny mason’i Bartimeo sy ny jamba iray hafa. (Mr 10:46; Mt 20:29; Lk 18:35; jereo BARTIMEO.) Tao Jeriko koa no nihaonan’i Jesosy tamin’i Zakaiosy, sy niantranoany tao aminy. (Lk 19:1-7) Taloha kelin’izay, tamin’i Jesosy tany Jodia, dia niresaka momba ny lalana avy any Jerosalema mankany Jeriko izy tao amin’ny fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy. (Lk 10:30) Be jiolahy tokoa io lalana io, ary amarinin’ny tantara izany.
Misy porofo ve fa rava tamin’ny andron’i Josoa tokoa i Jeriko?
Nanao fikarohana tany Tell es-Soltan ny Profesora John Garstang sy ny ekipany, teo anelanelan’ny 1929 sy 1936. Hitany fa nisy hain-trano be nahazo ny tanàna iray izay heveriny fa anisan’ireo tanàna teo amin’ilay toerana nisy an’i Jeriko fahiny. Hitany koa fa nirodana ny mandan’io tanàna io. Nolazainy fa io ilay Jeriko tamin’ny andron’i Josoa, ary tamin’ny taona 1400 T.K. tany ho any izy io no rava. Mbola misy manam-pahaizana manaiky an’izany hevitr’i Garstang izany ankehitriny. Misy hafa kosa tsy mitovy hevitra aminy. Izao, ohatra, no voalazan’ilay mpikaroka antsoina hoe Ernest Wright: “Hita fa teo anelanelan’ny taona 3000 [T.K.] sy 2000 [T.K.] tany ho any no nisian’ireo manda roa namefy ny tampon’ilay tanàna fahiny, izay inoan’i Garstang hoe ravan’ny horohoron-tany sy ny afo tamin’ny andron’i Josoa. Hita koa fa ireo manda ireo dia roa monja tamin’ireo manda 14 teo ho eo izay naorina nisesy nandritra izany fotoana izany.” (Arkeolojia Momba ny Baiboly, 1962, p. 79, 80) Efa nohadina imbetsaka ny faritra nisy an’ilay Jeriko noravana tamin’ny andron’i Josoa, ka maro no mihevitra fa kely dia kely, raha misy aza, ny sisa tavela tamin’io tanàna io. Hoy ny fanamarihan’ny Profesora Jack Finegan: “Azo lazaina àry hoe tsy misy porofo amantarana ny daty nandresen’i Josoa ny tanànan’i Jeriko intsony, eo amin’ilay toerana ankehitriny.”—Fanazavan’ny Tantara Fahiny, 1959, p. 159.
Ny zavatra hitan’ny mpikaroka àry no anombanan’ny manam-pahaizana maro ny daty naharava an’i Jeriko, ary misy elanelany 200 taona eo ho eo ny daty samy hafa naroson’izy ireo. Hita amin’izany fa tsy misy daty hentitra azo aroso, ka izany no nahatonga ny Profesora Merrill Unger hilaza hoe: “Mila mitandrina be koa ny manam-pahaizana mba tsy hatoky loatra an’izay daty na fanazavana omen’ireo mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Matetika mantsy no miankina amin’ny fomba fihevitry ny tsirairay, ny daty sy ny fanazavana omeny momba ny valin’ny fikarohany. Izany mihitsy no izy matoa samy hafa be ny hevitr’ireo manam-pahaizana.”—Ny Arkeolojia sy ny Testamenta Taloha, 1964, p. 164.
Tsy tokony hampanahy àry raha samy hafa ny daty lazain’ireo mpikaroka sy ny daty omen’ny Baiboly (1473 T.K.) fa naharava an’i Jeriko. Hita teo fa samy manana ny heviny momba an’i Jeriko i Garstang sy ny mpikaroka hafa. Tsy tokony hinoana daholo àry izay porofo omen’ireo mpikaroka. Ilaina foana koa ny mitandrina, sao tsy mifanaraka amin’ny fitantarana sy ny daty omen’ny Baiboly ilay porofo.