JEROBOAMA
(Jeroboàma).
Mpanjakan’ny Israely roa izay nifanelanelana 130 taona teo ho eo ny fotoana nitondrany.
1. Mpanjaka voalohany teo amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. Zanakalahin’i Nebata izy, manamboninahitr’i Solomona tao Zareda, ary avy tamin’ny fokon’i Efraima. Toa mbola kely izy dia maty ny rainy, ka i Zeroa reniny no nitaiza azy.—1Mp 11:26.
Notendren’i Solomona ho mpiandraikitra ny fanompoana tsy maintsy nataon’ny taranak’i Josefa i Jeroboama, satria hitany fa natanjaka sy nahery fo ary tia niasa mafy. (1Mp 11:28) Nohatonin’i Ahia mpaminanin’Andriamanitra izy tatỳ aoriana. Norovidrovitin’i Ahia ho 12 ny akanjo vaovao nanaovany ary nasainy naka 10 i Jeroboama, ka nilazany fa izy no hanjaka amin’ny foko folo rehefa hozarain’i Jehovah roa ny fanjakan’i Solomona. Ilay fanjakana fotsiny anefa no hozaraina, fa tsy hoe hialana koa ny fivavahana marina natao tao an-tempolin’i Jerosalema renivohitry ny fanjakana tany atsimo. Nomen’i Jehovah toky koa i Jeroboama fa hitahy sy hampiroborobo ny fanjakany Izy ary hampaharitra ny taranaka handimby azy, raha mitandrina ny lalàny sy didiny izy io.—1Mp 11:29-38.
Mety ho nahafantatra izany i Solomona ka nitady hamono an’i Jeroboama. Nandositra tany Ejipta anefa izy io, ary nialokaloka tao amin’i Farao Sisaka ka nijanona tany mandra-pahafatin’i Solomona.—1Mp 11:40.
Nody an-tanindrazana i Jeroboama raha vao reny fa maty i Solomona (t. 998 T.K.). Nangataka tamin’i Rehoboama Mpanjaka zanak’i Solomona izy sy ny vahoaka mba hohamaivaniny ny enta-mavesatra nozakain’izy ireo, raha tiany ny hotohanan’izy ireo. Tsy ny torohevitra tsara nomen’ny zokiolona anefa no narahin’i Rehoboama, fa ny an’ny tanora nitovy taona taminy izay nandrisika azy hampitombo ny asa fanompoan’ny vahoaka. I Jeroboama àry no nataon’ny foko folo ho mpanjakany. Raha ny marina, dia ‘avy tamin’i Jehovah izany, mba hanatanterahan’i Jehovah ny teny nolazainy tamin’ny alalan’i Ahia.’—1Mp 12:1-20; 2Ta 10:1-19.
Avy hatrany dia naorin’i Jeroboama Mpanjaka indray i Sekema ary nataony renivohi-panjakany. Nohamafisiny koa ny tanàna kelin’i Penoela (na Peniela; teo i Jakoba no nitolona tamin’ny anjely) tany atsinanan’i Sekema, teny ampitan’i Jordana. (1Mp 12:25; Ge 32:30, 31) Hitany nandeha nanompo tany amin’ny tempolin’i Jerosalema ny vahoakany, ka natahorany hivadika sy hamono azy raha manohana an’i Rehoboama any aoriana any. Tapa-kevitra àry izy ny hanorina fivavahana amin’ny zanak’omby volamena roa, ka ny iray nataony tany Betela tany atsimo, ary ny iray tany Dana tany avaratra. Notendreny ho mpisorona ‘teny amin’ny toerana avo, mba hanompo an’ireo demonia miendrika osy sy ireo zanak’omby nataony’ ny olon-tsotra tsy taranak’i Arona, raha nanome ombilahy iray sy ondrilahy fito. Namorona andro fety koa izy, ary nitarika ny fanaovana sorona ho an’ireo andriamaniny vaovao.—1Mp 12:26-33; 2Mp 23:15; 2Ta 11:13-17; 13:9.
Efa hanolotra setroka ho sorona teo amin’ny alitarany tao Betela i Jeroboama, indray mandeha, no nisy lehilahin’Andriamanitra nentanin’ny fanahin’i Jehovah hiteny mafy azy. Nasain’ny mpanjaka nosamborina izy io, kanjo nitresaka ilay alitara ka raraka ny lavenona. Maty koa ny tanan’i Jeroboama, ary tsy niverina tamin’ny laoniny raha tsy rehefa nampitony ny fahatezeran’i Jehovah ilay mpanompony. Mbola tsy nankatò Azy ihany anefa i Jeroboama taorian’izay. (1Mp 13:1-6, 33, 34) Ny fivavahana tamin’ny zanak’omby naoriny no “fahotan’i Jeroboama”, izay mbola notohizin’ny mpanjaka israelita hafa.—1Mp 14:16; 15:30, 34; 16:2, 19, 26, 31; 22:52; 2Mp 3:3; 10:29, 31; 13:2, 6, 11; 14:24; 15:9, 18, 24, 28; 17:21-23.
Maty i Rehoboama tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jeroboama, nefa mbola nitohy ny adin’ny firenen’izy ireo nandritra ny telo taona nitondran’i Abiama (Abia) zanak’i Rehoboama nandimby azy. (1Mp 15:1, 2, 6; 2Ta 12:15) Indray mandeha dia namory miaramila 400 000 i Abia hiady tamin’ny miaramilan’i Jeroboama, izay avo roa heny noho izany sady niafina mba hanafika ny Joda. Resy anefa i Jeroboama ka maty ny miaramilany 500 000, voababo ny tanàna maro tany Efraima, ary afa-baraka tanteraka izy. Nitoky sy niantso vonjy tamin’i Jehovah mantsy ry Abia ka nandresy.—2Ta 13:3-20.
Narary efa ho faty koa i Abia zanak’i Jeroboama. Nasain’i Jeroboama mody nanao olon-kafa àry ny vadiny, ka nampitondrainy fanomezana ho an’i Ahia mpaminany efa be taona sy pahina, mba hanontany raha ho sitrana ilay zaza. Tsy ho sitrana izy io, hoy i Ahia, ary haringana ny lahy rehetra handimby an’i Jeroboama. Io zanany io ihany no halevina amin’ny fomba mihaja satria nahitan’i Jehovah zavatra tsara, fa ny fatin’ny taranany rehetra kosa hohanin’ny alika na ny voro-manidina.—1Mp 14:1-18.
“Namely [an’i Jeroboama] i Jehovah ka maty izy” tsy ela taorian’izay (t. 977 T.K.), rehefa avy nanjaka 22 taona. (2Ta 13:20; 1Mp 14:20) Nandimby azy i Nadaba zanany, izay novonoin’i Basa rehefa nanjaka roa taona. Novonoin’i Basa koa ny ankohonan’i Jeroboama manontolo. Fongotra tampoka àry ilay tarana-mpanjaka, “araka ny tenin’i Jehovah” sy “noho ny fahotana izay nataon’i Jeroboama.”—1Mp 15:25-30.
2. Mpanjaka faha-14 teo amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Zanakalahin’i Joasy nandimby azy i Jeroboama II, ary zafiafin’i Jeho. (2Mp 14:16, 23) Nanjaka 41 taona (nanomboka tamin’ny t. 844 T.K.) izy. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah toy ny mpanjaka maro talohany izy, satria nivavaka tamin’ilay zanak’omby nataon’i Jeroboama I.—2Mp 14:24.
Nisy fanoratana tetirazana tamin’ny andron’i Jeroboama II. (1Ta 5:17) Ny namerenany ny tany lasan’ny fahavalo no zava-bitany niavaka. ‘Naveriny tamin’ny Israely ny sisin-taniny, hatreo amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata ka hatrany amin’ny ranomasin’i Araba [Ranomasina Maty]’, araka ny faminanian’i Jona, ary ‘nampodiany tamin’ny Joda sy Israely i Damaskosy sy Hamata.’ (2Mp 14:25-28) Mety ho nampandoaviny hetra àry ny fanjakan’i Damaskosy sy Hamata, izay efa nandoa hetra tamin’ny Joda tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka.—Ampit. 1Mp 4:21; 2Ta 8:4.
Lasa nanan-karena ny fanjakana tany avaratra vokatr’izany, saingy niroborobo koa ny fanompoan-tsampy. Niteny mafy an’i Jeroboama sy ny namany ry Hosea sy Amosa mpaminany, noho izy ireo nivadi-pinoana, nanambaka, nangalatra, nijangajanga, namono olona, nanao tsindry hazo lena, nanompo sampy, ary nanao zava-dratsy hafa nanala baraka an’Andriamanitra. (Ho 1:2, 4; 4:1, 2, 12-17; 5:1-7; 6:10; Am 2:6-8; 3:9, 12-15; 4:1) Hoy mihitsy i Jehovah tamin’i Jeroboama: “Hitsangana aho, ka hamely ny taranak’i Jeroboama amin’ny sabatra.”—Am 7:9.
Rehefa maty i Jeroboama, dia nodimbiasan’i Zakaria zanany. (2Mp 14:29) Nanjaka enim-bolana io mpanjaka farany tamin’ny taranak’i Jeho io. Afaka 11 taona taorian’ny nahafatesan-drainy izy vao nanjaka, satria angamba mbola kely izy, na nisy antony hafa ka efa tamin’ny 792 T.K. tany ho any vao mafy orina ny fanjakany.