JEZEBELA
(Jezebèla) [avy amin’ny teny fenisianina, ary mety hidika hoe “Aiza Ilay Misandratra [izany hoe ilay andriana]?”].
1. Vadin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafolo T.K. Nanjakazaka i Jezebela, ary nampirisika ny hivavahana tamin’i Bala fa tsy tamin’i Jehovah. Nitovy ihany izy sy Etibala rainy, mpanjakan’i Sidona. Mpisoron’i Astarta i Etibala, ary novonoiny ny mpanjakany ka nalainy ny toeran’izy io, hoy i Ménandre mpahay tantara (Diso Hevitra i Apion, I, 116, 123 [18], nosoratan’i Josèphe).—1Mp 16:30, 31.
Azo inoana fa antony ara-politika no nanambadian’i Ahaba an’i Jezebela, mpivavaka nafana fo tamin’i Bala. Tsy noeritreretiny anefa ny voka-dratsin’izany teo amin’ny lafiny fivavahana. Lasa nanao tempoly sy alitara ho an’i Bala ary “tsato-kazo masina” (sarina filahiana) izy mba hampifaliana ny vadiny, ary nanompo sampy niaraka taminy. Nanao zavatra maro nampahatezitra an’i Jehovah àry i Ahaba, mihoatra noho ny mpanjaka rehetran’ny Israely talohany.—1Mp 16:32, 33.
Faly i Jezebela fa neken’ny mpanjaka ny fivavahana tamin’i Bala. Tiany hofongorana koa anefa ny fivavahana tamin’i Jehovah tany Israely, ka nasainy naripaka ny mpaminanin’izy io. Soa ihany fa nasain’Andriamanitra nandositra tany ampitan’i Jordana i Elia. Nanafina mpaminany 100 tao anaty lava-bato koa i Obadia, mpiandraikitra tao an-dapa. (1Mp 17:1-3; 18:4, 13) Voatery nandositra indray i Elia tatỳ aoriana, rehefa nisy irak’i Jezebela nilaza taminy fa nivoady ny hamono azy izy.—1Mp 19:1-4, 14.
Nisy mpaminanin’i Bala 450 sy mpaminanin’ny tsato-kazo masina 400 nokarakarain’i Jezebela sy navelany hihinana teo an-databany, ka ny fanjakana no niantoka ny lany rehetra. (1Mp 18:19) Niezaka mafy hamongotra ny fivavahana tamin’i Jehovah izy, nefa mbola nisy 7000 “ny lohalika rehetra tsy nandohalika tamin’i Bala, sy ny vava rehetra tsy nanoroka azy”, hoy i Jehovah.—1Mp 19:18.
Tia tena be, maty eritreritra, nanambony tena, lozabe, ary ratsy fanahy i Jezebela, rehefa jerena ny nataony tamin’i Nabota. Rehefa nidongy i Ahaba vadiny satria tsy nety namidin’i Nabota taminy ny tanimboaloboka lovany, dia tsy menatra akory izy niteny hoe: “Izaho no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabota.” (1Mp 21:1-7) Nanao zavatra tsy nananany zo izy, ka nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Ahaba ho an’ireo anti-panahy sy olona ambony tao an-tanànan’i Nabota, ary nanisy sonia sy tombo-kase an’ireny. Nandidy azy ireo izy mba haka olona tsy manjary hiampanga azy ho nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Nasainy nentina nivoaka sy notoraham-bato i Nabota avy eo. Maty noho ny tsy rariny àry izy io. Nalain’i Ahaba avy eo ny tanimboalobok’izy io ary nataony zaridaina fambolena legioma.—1Mp 21:8-16.
Natao tsinontsinona ny rariny, ka namoaka didy i Jehovah fa ho fongotra tanteraka i Ahaba sy ny taranany. “Tsy nisy mihitsy olona sahala amin’i Ahaba, izay tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah noho ny fampirisihan’i Jezebela vadiny.” Hoy àry i Jehovah: “Ny alika mihitsy no hihinana an’i Jezebela.”—1Mp 21:17-26.
Farany, maty i Ahaba ary i Ahazia zanak’i Jezebela no nandimby azy. Nanjaka roa taona izy io, ary nodimbiasan’i Jorama zanak’i Jezebela koa. Nanjaka 12 taona i Jorama, mpanjaka farany avy tamin’ny taranak’i Ahaba. (1Mp 22:40, 51-53; 2Mp 1:17; 3:1) Mbola nisy heriny tao amin’ilay tany ny fijangajangana sy filalaovan’ody nataon’i Jezebela andriambavy, rehefa nanjaka ireo zanany ireo. (2Mp 9:22) Na nandritra ny enin-taona taorian’ny nahafatesany aza, dia naelin’i Atalia zanany vavy ratsy fanahy, vadin’ny mpanjakan’ny Joda, tany amin’ny fanjakana tany atsimo koa ny toe-tsaina ratsiny.—2Mp 8:16-18, 25-27; 2Ta 22:2, 3; 24:7.
Nanao manjamaso, nandravaka ny volony, ary nitazana teo amin’ny varavarankely ambony i Jezebela rehefa reny hoe tonga tao Jezirela i Jeho, izay avy namono an’ilay zanany, dia i Jorama Mpanjaka. Niditra toy ny mpandresy i Jeho, nefa tonga dia toa norahonany an-kolaka sady nilazany hoe: “Inona moa no nanjo an’i Zimry, ilay namono ny tompony?” Namono tena mantsy i Zimry rehefa tandindomin-doza ny ainy, herinandro taorian’ny namonoany ny mpanjakany sy nakany ny toeran’izy io.—2Mp 9:30, 31; 1Mp 16:10, 15, 18.
Tsy namaly i Jeho fa hoy izy: “Iza no momba ahy? Iza?” Nitsirika nijery azy ny tandapa roa na telo, ka hoy izy: “Azerao izy!” Nitontona mafy i Jezebela ka nipitipitika tamin’ny rindrina sy ny soavaly ny rany, ary toa nohitsakitsahin’ny soavaly izy. Rehefa tonga ny olona handevina an’ilay “zanakavavin’ny mpanjaka” taoriana kelin’izay, dia efa lanin’ny alika ny fatiny, araka ‘ny teny nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Elia mpanompony.’ Ny karandohany sy tongony ary felatanany sisa tavela.—2Mp 9:32-37.
2. “Vehivavy” nihambo ho mpaminanivavy teo anivon’ny fiangonan’i Tyatira. Nantsoina hoe Jezebela izy io satria ratsy fitondran-tena toy ny vadin’i Ahaba. Nanao fampianaran-diso izy, namitaka ny maro hijangajanga sy hanompo sampy, ary tsy nety nibebaka. Hataon’ilay “Zanak’Andriamanitra” marary mafy eo am-pandriana àry izy ary hovonoiny ny zanany. Hovaliana araka izay ataony avy mantsy ny tsirairay.—Ap 2:18-23.