KIRIATA-ARBA
(Kiriàta-arbà) [Tanànan’i Arba].
Anaran’ny tanànan’i Hebrona fahiny. Mbola io ihany no anarany na dia taorian’ny sesitany tany Babylona aza. (Ne 11:25) Toa i Arba, “lehilahy goavam-be teo amin’ny Anakita”, no nanorina an’io tanàna io rehefa jerena ny dikan’ilay anarana.—Js 14:15; jereo HEBRONA No. 3.