FANANAN-TANY
Efa hatry ny ela ny olona no nanan-jo hanan-tany (heb.: beʽalim; a.b.t.: tompony). Nifanaiky tamin’i Efrona Hetita i Abrahama fa hividy ny sahan’izy io mba handevenana an’i Saraha vadiny. Nomeny azy teo anatrehan’ny olona tao an-tanànan’i Efrona àry ny vola rehefa raikitra ilay varotra. (Ge 23:1-20) Natakalon’i Josefa sakafo ireo tanin’ny Ejipsianina novidiny ho an’i Farao, rehefa nisy mosary tany Ejipta. (Ge 47:20-26) Nomen’i Joba mpanompon’Andriamanitra tany Oza ho lovan-janany ny fananany, anisan’izany ny taniny. (Jb 1:4; 42:15) An’i Jehovah anefa ny Tany, ka hataony ampamoaka ny amin’ny fomba ampiasany ny taniny ny olona.—Sl 24:1; 50:10-12.
Tany Israely. Tompon’ny tany manontolo i Jehovah ka zony ny nitondra ny Israely tao Kanana, sy ny nanala an’ireo Kananita izay toy ny hoe nibodo an’ilay tany. (Js 3:11; 1Ko 10:26) Tsy nilefitra intsony Andriamanitra, satria tapitra ny fotoana azon’izy ireo nonenana tao. Efa 450 taona mahery talohan’izay izy no nampanantena an’i Abrahama fa hanome an’ilay tany ho an’ny taranany. Hoy anefa izy tamin’izay: “Mbola tsy mahatratra ny fara tampony ny fahadisoan’ny Amorita [ilazana ny foko kananita rehetra indraindray].” (Ge 15:7, 8, 12-16) Hoy àry i Stefana maritiora kristianina tamin’ny Jiosy: ‘Tsy nanome [an’i Abrahama] lova teto Andriamanitra, na dia tany eram-paladia aza, fa nampanantena kosa ny hanome ity tany ity ho fananany sy ho fananan’ny taranany mandimby azy, na dia mbola tsy nanan-janaka aza izy tamin’izay.’—As 7:5.
Tsy tokony hiady tamin’ireo firenena nanodidina azy na haka ny taniny ny Israely mba hanitarana ny faritaniny. Nilaza i Jehovah fa tokony hohajain’izy ireo ny zon’i Edoma sy Moaba ary Amona hanan-tany, satria efa nomen’i Jehovah an’ireo firenena ireo ny taniny. Havan’ny Israelita avy tamin’i Esao mantsy i Edoma ary havany tamin’i Lota i Moaba sy Amona.—De 2:4, 5, 9, 19.
Tsy tena tompon’ny Tany Nampantenaina. Marina fa nomen’Andriamanitra ho an’ny Israely ilay tany, nefa nilaza izy fa tsy izy ireo no tena tompony. Hoy i Jehovah momba ny tanim-pianakaviana: “Tsy tokony hatao varo-maty ny tany, satria ahy ny tany fa mpivahiny sy mpiavy kosa ianareo amiko.” (Le 25:23) Noroahiny tsy ho ao amin’ilay tany ny Kananita noho ny fanaony maharikoriko. Nilazany koa ny Israelita fa hesoriny amin’izy ireo ny zo hanana an’ilay tany ary horoahiny hiala tao izy ireo, raha nanaraka ny fanaon’ny Kananita. Nataony sesitany tokoa izy ireo tatỳ aoriana, rehefa tsy nihaino azy. (Le 18:24-30; 25:18, 19; 26:27-33; Je 52:27) Lao 70 taona ilay tany (607-537 T.K.). Namindra fo tamin’izy ireo Andriamanitra avy eo, ka nampodiny izy ireo saingy lasa nofehezin’ny hafa firenena. Farany, noravan’ny Romanina tanteraka i Jerosalema tamin’ny taona 70 A.K., ka niparitaka ny mponina tao.
Nisy foko nomena tany na tanàna tao amin’ny faritanin’ny foko hafa. Ny an’ny mpisorona sy Levita kosa tanàna sy kijana. (Js 15-21) Nomena tany ho lovany koa ny fianakaviana tao amin’ireo foko. Nihakely anefa ny anjara lovan’ny fianakaviana tsirairay rehefa nitombo ny fianakaviana. Lasa novolena daholo àry ilay tany. Tsy nahazo nafindrafindra foko ny lova, ka tsy maintsy nanambady lehilahy iray foko taminy izay vehivavy nandova (satria tsy nanana anadahy mbola velona), mba hijanona ao amin’ilay foko ny lovany.—No 36:1-12.
Raha nisy lehilahy maty tsy nitera-dahy, dia afaka nanambady ny vadiny ny rahalahiny (na ny havany akaiky indrindra, raha tsy nanana rahalahy izy) mba hahazoana taranaka. Azon’izy io navotana koa ny lovan’ilay lehilahy efa maty, raha efa namidy. (Rt 4:9, 10, 13-17) Tsy nitondra ny anaran’ilay tena rainy anefa ny zanaka lahimatoan-dravehivavy, fa nitondra ny an’ilay efa maty. Ilay zaza no handova ny tany sy hamelo-maso ny anaran-dralehilahy tany Israely.—De 25:5, 6.
Taon-jobily. Hoy Andriamanitra tamin’ny Israely: ‘Tsy tokony hisy ho lasa mahantra eo aminao.’ (De 15:4, 5) Voasoroka ilay olana hoe tsy misy afa-tsy sokajin’olona roa tao amin’ilay tany, dia ny mpanefohefo sy ny mahantra fadiranovana, rehefa narahina ny lalàna momba ny Jobily. Niverina tany amin’ny lovany mantsy ny lehilahy rehetra isaky ny 50 taona (nisaina nanomboka tamin’ny nidiran’ny Israely tao Kanana), ary naverina taminy ny tany namidiny. Nidina isan-taona ny vidin’ny tany, arakaraka ny nanatonan’ny Jobily. Toy ny hoe nanofa an’ilay tany fotsiny àry izay nividy azy, satria arakaraka ny isan’ny fiakaran’ny vokatra mandra-pahatongan’ny Jobily ny vidiny. (Le 25:13-16, 28) Azon’ilay tompony voalohany navotana talohan’ny Jobily koa ilay tany raha ampy ny volany, na azon’ny mpanavotra (havany akaiky) novidina indray ka naverina taminy.—Le 25:24-27.
Tsy azo noterena hivarotra ny taniny ny Israelita tsirairay, ary tsy nanan-jo haka ny taniny ny mpanjaka. Tsy nanaiky hivarotra ny lovany tamin’i Ahaba Mpanjaka àry i Nabota.—1Mp 21:1-4, 17-19; ampit. Ezk 46:18.
Levita. Tsy nahazo namidy ny sahan’ny Levita satria tsy nanana tany ho lovany izy, fa trano sy kijana nanodidina ny tanànany fotsiny no nomena azy. Raha nivarotra ny tranony tao an-tanàna ny Levita, dia nanan-jo foana izy hanavotra an’ilay trano, ary niverina taminy ilay izy tamin’ny Jobily, fara fahelany.—Le 25:32-34.
Tsy tokony hohadinoina ny Tompon’ilay tany manontolo rehefa niakatra ny vokatra. Tokony homena ny Levita àry ny ampahafolon-karena na ampahafolon’ny vokatra, mba hahavitan’izy ireo ny fanompoana lehibe nataony ho an’i Jehovah, ka hahazoan’ny Israely manontolo fitahiana.—No 18:21-24; De 14:22-29.
Toerana masina. Nisy tany lasa fananan’ny toerana masina satria ‘nohamasinina’ ho an’i Jehovah, izany hoe natokana ho an’ny toerana masina ny vokatra rehetra teo amin’ilay tany nandritra ny fotoana noferan’ny tompon’izy io. (Le 27:16-19) Rehefa tonga ny Jobily, dia lasa fananan’ny toerana masina tanteraka ilay tany raha tsy navotan’ilay tompony fa namidy tamin’olona. (Le 27:20, 21) Ho toy izany koa izay tany nolazain’ny tompony fa “voatokana” ho an’ny toerana masina.—Le 27:28.
Teo anivon’ny fiangonana kristianina. Nanan-jo hanan-tany ny Kristianina tsirairay. Maro ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy avy any an-tany hafa no tonga hankalaza ny Pentekosta tao Jerosalema tamin’ny 33, taona niforonan’ny fiangonana. Nihaino ny lahatenin’i Petera ny ankamaroany, ka lasa nino an’i Kristy. (As 2:1, 5, 9-11, 41, 42, 47) Nijanona elaela tao izy ireo mba hianatra misimisy kokoa momba an’i Kristy. Nivarotra an-tsitrapo ny fananany àry ny Kristianina, ary nozarainy tamin’ireo mpino ireo sy ny olon-kafa sahirana ny vola azony. “Niombonany avokoa ny zava-drehetra.” (As 2:44-46) Tsy sosialisma na kominisma akory izany, fa fizarana an-tsitrapo an’izay nananana mba hanampiana an’ireo liana tamin’ny vaovao tsara sy hanelezana azy io.
Mbola notohizana io fanao io tatỳ aoriana noho ireo antony ireo, sy ho fanampiana ny Kristianina nenjehina tany Jerosalema. Notarihin’ny fanahy sy nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ireo nivarotra ny taniny. Nentiny tany amin’ny apostoly avy eo ny vidiny, mba hotsinjaraina amin’izay nila fanampiana. (As 4:31-37) Masi-mandidy tamin’ny fananany anefa ny Kristianina tsirairay, fa tsy noterena hanome izany mba ho lasa fananana iombonana. Noheveriny ho tombontsoa kosa fa tsy adidy ny nanome, ary antony tsara no nahatonga azy halala-tanana.
Nivarotra ny taniny koa i Ananiasy sy Safira saingy ny hahazo voninahitra no tanjony. Nihatsaravelatsihy izy mivady ka ny ampahan’ny vidiny ihany no nifanarahan’izy ireo fa homeny ny apostoly, nefa mody nolazainy fa ny vola rehetra no nomeny. Fantatr’i Petera ny nataon’izy mivady noho ny fitarihan’ny fanahy masina. Tsy nilaza izy hoe: ‘Fa maninona no tsy nomenareo anay daholo ny vidin’ilay tany?’, satria tsy voatery hanao izany izy mivady. Hoy kosa izy: “Ry Ananiasy, nahoana i Satana no nanome anao fahasahiana hamitaka ny fanahy masina, ka nohazoninao mangingina ny ampahany tamin’ny vidin’ilay tany? Fony tsy namidy ny tany, tsy anao ihany ve ilay izy? Ary rehefa namidy, tsy mbola anao ihany ve, ka hanaovanao izay sitraponao? Nahoana ianao no nikasa hanao izao zavatra izao tao am-ponao? Tsy olona no nofitahinao, fa Andriamanitra.”—As 5:1-4.
Afaka adiny telo teo ho eo, dia niditra i Safira nefa tsy nahalala izay nitranga. Nitovy tamin’ny an’ny vadiny ihany ny teniny, ka hoy i Petera: “Nahoana ianareo mivady no niray tetika hitsapa toetra ny fanahin’i Jehovah?” (As 5:7-9) Nanota izy mivady satria nandainga tamin’i Jehovah, ary namazivazy azy sy ny fiangonany toy ny hoe tsy nanana ny fanahiny izy io. (Ga 6:7) Tsy hoe noterena hivarotra ny taniny mba hatao fananana iombonana akory izy mivady.
Mila ekena fa an’i Jehovah ny tany manontolo. An’i Jehovah ny tany rehetra, ka tokony hokarakarain’ny olona sy hampiasainy tsara ny taniny, sao ho simba ka hitondra fahavoazana lehibe ho azy ireo. (Oh 24:30-34) Tokony hiaiky izany na dia ireo firenena aza. (Is 24:1-6; Je 23:10) Ho ringana izay manimba ny tany.—Ap 11:18.
Tsy hanangona tany na hanambaka olona mba hakana ny taniny ireo manaiky fa an’Andriamanitra ny tany rehetra. (Oh 20:21; 23:10, 11) Nomelohin’Andriamanitra toy izao ny olona sasany, rehefa tsy nankatò ny lalàny ny Israely: “Lozan’izay tsy mitsahatra mampitombo ny isan’ny tranony sy manangona saha maro be, hany ka tsy misy toerana malalaka intsony, fa ianareo irery sisa no monina eo amin’ilay tany!”—Is 5:8; Mi 2:1-4.
Hoy kosa i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Mt 5:5; Sl 37:9, 22, 29) Nampianariny hivavaka koa ny mpianany hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mt 6:10) Hanan-tany sy tsy hanana ahiahy mihitsy ireo mikarakara tsara ny tany nankinin’Andriamanitra taminy, rehefa hitondra ilay Tena Tompon’ny Tany. ‘Hatao etỳ an-tany ny sitrapony’ amin’izay, ary noresahin’i Isaia sy Mika tao amin’ny faminaniany ny zavatra tsara hataon’ireo hanan-tany sy ny fiadanan’izy ireo, manao hoe: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa.” “Dia samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”—Is 65:21, 22; Mi 4:4; jereo OLON’NY TANY.