MANOA
(Manoà).
Lehilahy danita nonina tany Zora, tanàna tany Sefela. (Js 15:33) Izy no rain’i Samsona Mpitsara. Mpivavaka nafana fo tamin’i Jehovah i Manoa.
Nisy anjely niseho tamin’ny vadiny, indray andro. Momba ravehivavy, nefa nilaza ilay anjely fa hiteraka lahikely izy, ary ho Nazirita ho an’Andriamanitra ilay zaza. Ren’i Manoa ilay vaovao, ka niangavy an’i Jehovah izy mba haniraka an’ilay mpitondra hafatra indray, ary hanoro ny fomba hitaizana an’ilay zaza. Namaly an’ilay vavaka i Jehovah ka nandefa an’ilay anjely indray. Nasain’ilay mpitondra hafatra nanolotra fanatitra dorana ho an’i Jehovah i Manoa, rehefa saika handroso sakafo ho azy. Niakatra tao anatin’ny lelafon’ny alitara ilay mpitondra hafatra, ka teo vao niaiky i Manoa fa anjelin’i Jehovah izy io. Natahotra àry i Manoa hoe ho faty izy mivady. Nampitony azy anefa ny vadiny sady nilaza hoe: “Raha tian’i Jehovah ho faty isika, dia tsy ho nandray fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha avy tamin’ny tanantsika izy, sady tsy ho nampiseho tamintsika an’ireny rehetra ireny, ary tsy ho namela antsika handre zavatra toy izao mihitsy.”—Mpts 13:2-23.
Naniry hanambady vehivavy filistinina tany Timna i Samsona, taona maro tatỳ aoriana. Tsy nankasitraka izany anefa i Manoa mivady satria ‘tsy fantatr’izy ireo hoe avy tamin’i Jehovah izany.’ (Mpts 14:1-4; ampit. De 7:3, 4.) Niaraka tamin’i Samsona nankany Timna izy mivady taorian’izay, saingy tsy tonga hatrany amin’ny tranon’ilay vehivavy filistinina. Tsy hitan’izy ireo àry ny namonoan’i Samsona liona tanora iray tamin’ny tanam-polo. Niverina nankany Timna i Samsona tatỳ aoriana niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, satria nikasa haka an’ilay vehivavy filistinina ho any an-tranony amin’izay. Nivily nijery ny fatin’ilay liona efa novonoiny izy, ka nahita renitantely sy toho-tantely tao. Nokaofiny ilay tantely tao anatin’ilay liona, ary nanomezany ny ray aman-dreniny rehefa tratrany, ka nihinana izy ireo. Nanohy ny diany izy telo mianaka avy eo, ary azo antoka fa nanatrika an’ilay fanasambe nataon’i Samsona tany Timna ny ray aman-dreniny.—Mpts 14:5-10.
Maty talohan-janany i Manoa satria voalaza fa nalevina teo anelanelan’i Zora sy Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa, i Samsona.—Mpts 16:31.