MATIO
(Matìo) [mety ho fanafohezana an’ilay anarana heb. nadika hoe Matitia, izay midika hoe “Fanomezan’i Jehovah”].
Anarana hafa niantsoana an’ilay Jiosy atao hoe Levy, izay lasa apostolin’i Jesosy Kristy sady nanoratra ny Filazantsaran’i Matio. Zanaky ny lehilahy iray antsoina hoe Alfeo izy, ary mpamory hetra talohan’ny nahatongavany ho mpianatr’i Jesosy. (Mt 10:3; Mr 2:14; jereo MPAMORY HETRA.) Tsy lazain’ny Soratra Masina hoe oviana izy no nantsoina hoe Matio: Talohan’ny nahatongavany ho mpianatr’i Jesosy ve, sa tamin’izy efa lasa mpianatra, sa rehefa lasa apostoly izy vao nomen’i Jesosy an’io anarana io?
Azo inoana fa tamin’i Jesosy Kristy vao nanomboka kelikely ny fanompoany tany Galilia (taona 30 na teo am-piandohan’ny 31), no niantso an’i Matio izay teo amin’ny birao famorian-ketra tany Kapernaomy na tany akaiky tany. (Mt 9:1, 9; Mr 2:1, 13, 14) “Nandao ny zava-drehetra” i Matio, “ka nitsangana ary nanaraka azy.” (Lk 5:27, 28) “Nanao fanasambe” izy avy eo, angamba mba hankalazana ny nahatongavany ho mpanara-dia an’i Kristy. Nanatrika teo i Jesosy sy ny mpianany ary olona maro mpamory hetra sy mpanota. Sosotra ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna rehefa nahita izany, ka nimenomenona hoe niara-nisakafo tamin’ny mpamory hetra sy ny mpanota i Kristy.—Lk 5:29, 30; Mt 9:10, 11; Mr 2:15, 16.
Tatỳ aoriana, izany hoe taorian’ny Paska taona 31, dia nifidy an’ireo apostoly 12 i Jesosy, ka anisan’izy ireo i Matio. (Mr 3:13-19; Lk 6:12-16) Tamin’io ny Baiboly no manonona ny anaran’i Matio, na dia miresaka matetika momba ny apostoly amin’ny fitambarany aza. Tsy manonona ny anaran’i Matio indray izy io, raha tsy taorian’ny niakaran’i Kristy tany an-danitra. Nahita an’i Jesosy Kristy efa tafatsangana tamin’ny maty i Matio (1Ko 15:3-6), nihaino ny hafatra farany nomeny, ary nanatri-maso ny niakarany tany an-danitra. Niverina tany Jerosalema izy sy ny apostoly hafa taorian’izay. Nijanona tao amin’ny efitrano iray ambony rihana ireo apostoly rehefa tonga tany, ary voalaza fa tao koa i Matio. Azo antoka àry fa anisan’ireo mpianatra 120 teo ho eo, izay nahazo ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33, izy.—As 1:4-15; 2:1-4.