MIDIANINA
(Midiànina), Midianita (Midianìta) [An’i Midianina].
1. Iray amin’ireo zanakalahin’i Abrahama sy Ketora vadikeliny i Midianina, sady rain’i Efaha, Efera, Hanoka, Abida ary Eldaha. (Ge 25:1, 2, 4; 1Ta 1:32, 33) Nomen’i Abrahama fanomezana i Midianina sy ny zanany hafa tamin’ireo vadikeliny ary nalefany tany Atsinanana, talohan’ny nahafatesany.—Ge 25:5, 6.
2. Taranak’i Midianina zanakalahin’i Abrahama ny “Midianina” na “Midianita.” (No 31:2, 3) Toa Ismaelita no iantsoan’ny Baiboly azy ireo indraindray. (Ampit. Ge 37:25, 27, 28, 36; 39:1; Mpts 8:22, 24.) Nitovitovy angamba ny fomba fiainan’ny taranak’i Ismaela sy Midianina, izay samy zanak’i Abrahama. Nifanambady koa angamba izy ireo. Toa nantsoina hoe Midianita koa ny Kenita sasany, anisan’izany i Hobaba Kenita zaodahin’i Mosesy. Mety ho nipetraka tany Midianina fotsiny anefa izy, satria efa nisy talohan’ny nahaterahan’i Midianina ny Kenita.—Ge 15:18, 19; No 10:29; Mpts 1:16; 4:11; jereo ISMAELITA; KENITA.
Mety ho nitovitovy tamin’ny fitenin’ny Hebreo ny fitenin’ny Midianita, satria samy taranak’i Abrahama izy ireo. Toa tsy sarotra tamin’i Gideona, ohatra, ny nahazo ny fitenin’ny Midianita. (Mpts 7:13-15; 8:18, 19) Mety ho nianatra an’ilay fiteny koa anefa i Gideona, satria nofehezin’ny Midianita nandritra ny fito taona ny Israelita.—Mpts 6:1.
Mpifindrafindra monina nipetraka an-tranolay ny Midianita. (Mpts 6:5, 6; Ha 3:7) Voalaza fa nonina an-tanàna koa anefa izy ireo, tamin’ny andron’i Mosesy. (No 31:9, 10) Nanan-karem-be izy ireo tamin’izany, satria nanana ampondra sy ondry aman’osy ary omby an’aliny. (No 31:32-34) Nanana firavaka volamena nilanja 191 kg mahery koa izy ireo (maherin’ny 2 150 000 dolara ny vidin’izany).—No 31:50-52.
Toa samy niravaka volamena (toy ny kavina sy kavin’orona) na lahy na vavy. Nanao “akanjo volonondry nolokoana volomparasy somary mena” ny mpanjaka midianita, ary na ny ramevan’izy ireo aza niambozona ravaka miendrika volana.—No 31:50; Mpts 8:21, 26.
Ny varotra sy ny fandrobana no tena nahazoan’ny Midianita harena. (Ampit. Ge 37:28; Mpts 6:5, 6.) Efa nisy Midianita mpivarotra maromaro, ohatra, niara-dia nankany Ejipta, tamin’ny andron’i Josefa. Namidin’ny rahalahiny tamin’ireny mpivarotra nitondra ditin-kazo manitra ireny i Josefa.—Ge 37:25, 28.
Resin’i Hadada (zanakalahin’i Bedada) mpanjaka edomita teo amin’ny faritr’i Moaba ny Midianita, angamba talohan’ny nidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Ge 36:35; 1Ta 1:46.
Nampanota ny Israely. Hita tamin’izay nataon’ny Midianita fa tena halany ny Israelita. Izy ireo sy ny Moabita, ohatra, no nanakarama an’i Balama mpaminany hanozona ny Israely. (No 22:4-7) Tsy nahavita nanozona anefa i Balama. Notoroany hevitra àry ny Midianita sy ny Moabita mba handrisika an’ireo vehivavy hitaona ny lehilahy israelita haloto fitondran-tena sy hanompo an’i Balan’i Peora. (No 25:1-9, 14-18; 31:15, 16; 1Ko 10:8; Ap 2:14) Nasain’Andriamanitra novalian’ny Israelita avy eo ny nataon’ny Midianita. Nodoran’izy ireo daholo ny tanàna midianita sy ireo toby nisy manda tao amin’ilay faritra. Nobaboiny koa ny biby fiompy an’arivony sy ny zavatra maro be vita amin’ny volamena. Novonoiny daholo ny mponin’i Midianina, anisan’izany ireo mpanjaka dimy tao (Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba), afa-tsy ireo virjiny.—No 31.
Nihanahery indray ny Midianita, 300 taona latsaka kely tatỳ aoriana. Nampahory ny Israelita nandritra ny fito taona izy ireo. (Ampit. Mpts 6:1; 11:25, 26.) Nitsofoka tao amin’ny tanin’ny Israely ireo mpifindrafindra monina ireo sy ny Amalekita ary ny “Tatsinanana”, ka tonga hatrany Gaza. Nitondra biby fiompy sy rameva maro be izy ireo. Norobainy ny biby fiompin’ny Israelita ary nataony fongana ny vokatry ny taniny.—Mpts 6:2-6.
Resin’i Gideona tanteraka. Niantso vonjy tamin’i Jehovah ny Israelita tamin’ny farany, ka nanendry an’i Gideona izy hanafaka azy ireo. (Mpts 6:7-16) Resin’i Gideona tanteraka ny Midianita noho ny fanampian’i Jehovah, ka tsy nisy firesahana intsony tatỳ aoriana hoe nampahory ny Israelita izy ireo. (Mpts 8:28) Novonoina i Oreba sy Zeba andrianany, ary Zebaha sy Zalmona mpanjakany. (Mpts 7:25; 8:5, 21; jereo GIDEONA.) Mbola noresahina taonjato maro tatỳ aoriana ny faharesen’ny Midianina, mba hilazana fa ho resy tanteraka toy izany koa ny fahavalon’ny Israely.—Is 9:4; 10:24-26; jereo koa Sl 83:9-11.
Tsy ho fahavalon’ny Israely foana anefa ny Midianita. Misy faminaniana mantsy milaza fa hitondra fanomezana ho an’i Ziona “ny ramevalahy tanora avy any amin’ny Midianina sy Efaha”, rehefa haverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina.—Is 60:5, 6, 11-14.
3. “Midianina” na “tany Midianina” no niantsoana ny faritra nonenan’ny Midianita. (1Mp 11:18; Ek 2:15) Tany avaratrandrefan’i Arabia, atsinanana kelin’ny Hoalan’i ʽAkaba, no tena nanorim-ponenana ny taranak’i Midianina. Tsy fantatra marina anefa hoe hatraiza ny sisin-tanin’izy ireo, ary azo antoka fa niovaova izany. Toa nonina tany akaikin’i Moaba sy tany akaikin’ny faritra nofehezin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita ny Midianita maro, tamin’ny andron’i Mosesy.—No 22:4; 31:8-12; Js 13:21.
Nipetraka 40 taona teo ho eo tany Midianina i Mosesy. Tany izy no nanambady an’i Zipora, iray tamin’ireo fito vavy zanak’i Jetro, mpisorona tany Midianina. (Jereo JETRO.) Niteraka roa lahy izy mivady, dia i Gersoma sy Eliezera. Toa tany akaikin’ny Hoalan’i ʽAkaba i Mosesy no nipetraka, matoa izy tonga hatrany amin’ilay faritra nanodidina an’i Horeba, tamin’izy niandry ny ondrin’ny rafozandahiny. Tsy fantatra anefa raha anisan’ny “tany Midianina” io faritra io tamin’izay na tsia. (Ek 2:15-22; 3:1; 4:18-20; 18:1-4; As 7:29, 30) Toa nantsoina hoe Midianina ny ampahany tamin’i Edoma tatỳ aoriana.—1Mp 11:14-18.